sigara

21. tisera ( 11/06/2006 07:00)
bellla>>>> ié! tena malalaka tokoa aloha ny fifohana sigara é! Dia sanatria raha izaho no haniry ny namana ho voan'ny homamiadana fa ny tiako holazaina fotsiny dia hoe misongo mangina akia ilay "effet nocif"-n'ny sigara a! Fa raha mahavita mampihena tsikelikely ny sigara fohina koa angamba dia efa tsara é! Ohatrinona izao ny paké any Dago ?
22. Herimiafina ( 11/06/2006 12:45)
Izao anie no olana e!
ireny mpifoka sigara ireny ve hoy ianareo de tena tsy mahalala tokoa ny vokadratsiny.
Fantany tsara mihintsy izany, tena hainy, dans la plupart des cas.

Saingy jereo hoa io resaka "dependance" io, ao no tena olana goavana tokony handaniana saosy, iznay no ilavana ireny centre de desintoxication ireny, ireny kit fialana sigara ireny toy ny icotine patch sns.

Phase goavana be iray ny fanesorana ny goudron any anaty havokavoka sy ny nicotien any anaty rà.
Phase goavana be iray ihany koa anefa ny fanalana ilay fahazaran'ny tanàna sy ny vava mitazona sigara sy misintona iny.

Matetika aza ny olona alana sigara tsy tonga dia tapahina sigara izany fa esorina tsikelikely, ary ampiasa substitut marobe.

ireny ataon'ny HOMEOPHARMA ao Antsakaviro ireny izao tena anisan'ny ankasitrahako na dia tsy tonga lafatra aza.
23. tisera ( 11/06/2006 13:19)
inona io ao ataon'ny homeopharma io ry herimiafina? tisane ve , sa ilay granulés kely ? Ilay anadahiko mantsy nampidirina hopitaly tany dago fa tena simban'io sigara io mihitsy ny havokavok'ileiry : dia nanao anémie hono ( ataoko hono satria izaho tsy nahita maso ) fa ny sariny nalefa taty amiko tena mampatahotra be fa lasa nahia kely be : 40 kg hono izy sisa nefa bandy lava ihany 1,70m any ho any : izaho moa misikotra an-drizareo any hoe sao dia mba efa cancer no mahazo an'ileiry satria na ny mandeha tongotra ela aza mantsy tsy vitan'ileiry intsony fa fingotra kely lé tongony dia mora vizana be. Tsy haiko koa raha mba tena efa afaka sigara na mbola mifoka ; fa maha-liana ahy io lazain'i herimiafina io dia mba hatoroko ny fianakaviako fa sahirana ery ny reniko sy ny zaobaviko (vadin'ileiry ) @ fitsaboana azy. Izaho izao vao t@ herinandro no nandefa fanafody ho azy fa tena tsy araky ny olona tsotsotra mihitsy ilay vidim-panafody any Dago k'ty.
24. Fiffi ( 11/06/2006 14:38)
mihinana siligoma nicorette na manisy timbre hanolona ny nicotine tadiavin'ny tena raha dependant @ le sigara. Fa io ry zareo de ny saina hiany no mitondra an'io na de efa dependant aza an!
25. Herimiafina ( 11/06/2006 14:59)
Ny ataon'ny Homeopharma dia traitement somary maharitra fa efficace raha tena hiala sigara marina ianao.

Tonga dai omeny nicotine (anaty tavoahangy kely) izay ohanina goutte à goutte, toy ny manao vakisiny e.

Ampiany tisane manadio ny rà sy manala ny goudron sy nicotine rehetra any anaty rà.

Ary ny farany dai huille essentielle ray izay mahatonga kiriko sigara rehefa asiana ao ambava.

Tadidio fa tsy efficace 100% ny substitution toa io fa saingy kosa efa ezaka lehibe manampy ny mpifoka sigara hiala.

Ny olana koa mantsy tsy afaka mitoka-monina izy fa manjary mi s,ennuyer na koa olona be menomenona sy mandreratsaiana azy no manodidina azy.

Tadidio fa ny mahatonga ny olona tsy tafala sigara mihintsy dai sendra olana ara-tokatrano, hany ka na te hiala mafy sy mahafantatra ny vokadratsiny aza dia vantany vao misy menomenona dia lasa te handrehitra foana. lasa faible, lasa fragile raha vao tsy misy sigara.

Mila calme izany izy fa tsy amin'iny ko izy no andeha hilana vaniny.
26. Fiffi ( 12/06/2006 04:41)
Herimiafina: marina aloha ireo voalazanao ireo an! saingy miheritreritra aho hoe raha toa ka tsy hatao ambanin-javatra ny fahasalamana , ireo marary aza efa tsy fidiny , inona moa no tsy ho vita ?
27. watafon ( 12/06/2006 04:44)
HM: za ndray lesy tô tsy d mbola nahita olona afaka sigara t@ ireny fanafody ireny kle! any ivelany angamba fa raha aty tô an3 k! le mokon-doha ihany no hitako fa maha afaka an'io !
28. Fiffi ( 12/06/2006 07:24)
tsy misy afats'io hoa no hahafaka an'io fifoahana io ! mokon-doha.
29. watafon ( 12/06/2006 11:35)
ngah njy nifoka taloha ? za alou tsy mbola e!
30. Herimiafina ( 12/06/2006 11:50)
Marina mihintsy io mokondoha lazaianreo io. Mila an'io tokoa vao mety ho afaka sigara.

Tsara fantarina nefa hoe avy aiza io mokondoha io. tsy mora azo mantsy io na hoe andeha hanana mokondoha tampoka teo aho dia afaka sigara.

matetika ny mokondoha dai vokatry ny contrainte iray, ohatra efa tena simba be ny tratrany dia marary izy na mikohaka mafy noho ny sigara dia izay vao tonga ny mokondoha.

misy précurseur iznay ny mokondoha e: na aretina na contrainte iray tsy azo idivirana.
31. Fiffi ( 12/06/2006 12:07)
de tsy hatao horesin'io koh!
wata: heu... ie ! fa efa ela no nijanona an! :)
32. Herimiafina ( 12/06/2006 12:52)
Ity resaka sigara ity dia tena complexe be mihintsy e! Ny aty andafy izao dai misy mihintsy organisme tena manampy amin'io e! Misy problématika complexe mifandray sy miova arakaraky ny tsirairay sy ny fomba fiainanany mantsy izy io fa tsy borné fotsiny amin,ny resaka medical intsony.
Equipe multi-disciplinera mihintsy no miasa ao anatin'ny organisme manampy io ary mahazo subvention avy amin'ny fanjakana. Gratuit avokoa ny action rehetra ataony.
33. Fiffi ( 12/06/2006 15:23)
Herimiafina: marina aloha zany an! misy ny numéro vert gratuit natokana hoan'izay te-hijanona hifoka , ao koa ny fanampiana ara-psy , ny réunion isa-karazany , heu...tahaka an'ireny olona te-hiala ny fisotroana ireny. Misy aloha ny avantage aty ivelany an! sady voaharaka tsara ny fanaovana sevrage . Fa na izany aza heu....tena ilaina ny mokon-doha.
34. xxx ( 12/06/2006 16:00)
Ity resaka sigara ity dia tena complexe be mihintsy e

tsy misy complexe zany fa ny olona no tsy te-hiala mora2... Rehefa ny saina no vonona miala tsy hifokadia tonga dia vita eo ny eo..
35. Herimiafina ( 12/06/2006 18:27)
Mifoaha vetivety aloha i xxx dai miverana miresaka raha complexe na tsia!
36. Fiffi ( 12/06/2006 18:58)
xxx: tonga de vita eo no eo ? heu.....raha possible ve zany hiady @ fomba fialana ny hifoka ny rehetra ?
37. tisera ( 13/06/2006 08:30)
zà aloha tsy mfoka fa hitako hoe na mokon-doha fotsiny aza dia maha-afaka sigara dia tena sarotra @ olona efa tena tafiditra lalina.
herimiafina>>> misaotra @ ilay fanazavana @ antsipiriany momba ny homeopharma :)
38. Fiffi ( 13/06/2006 08:36)
wata: hummm ! mbola tsy nanandrana mihintsy ? marina ny anao , aza mba mifoka zany fa zavatra efa fantatra fa tena ratsy , heu...:oops: mba miteny zah fa efa nandalo teo an! fa efa vita aloha ny @ iny.
39. watafon ( 13/06/2006 08:43)
Fiffi: aiza koa moa no hoe mbola tsy nanandrana fa tsy nanintona ahy mihitsy zany izy io e! sady ny tena marina koa angamba nohon'ny fahafantarana ny fiantraikany @ fahasalamana !:)
HM: ilay mokon-doha ange lesy @ maha-mokon-doha azy zany d tonga oazy eo e !
40. Fiffi ( 13/06/2006 11:14)
wata: fa zay le tena tsara kah! rehefa mahatsapa tena hoe maharatsy de tsy manandrana sy indrindra fa miala , zay no tena essentiel.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1759