hisaraka (bodo)

1. Santiona ( 31/05/2006 14:36)
ry zareo a!
misy hira mlay B zay nataon'i Bodo t@ concert farany teo.
Babo tanteraka aho.
"Hymne à l'amour dramatique" hoy ny gazety izay.
"hisaraka" na "fisarahana" no lohateny.
Izay manana tonony dia mba omeo re!
Vao mainka tsara ra misy manana io hira io mihitsy nefa toa tsy anaty album lé izy.
:cry:
novalian'i cutie ny 06/07/2006 17:43
2. Fiffi ( 31/05/2006 15:16)
tena tsy mahay.:(
3. bellla ( 31/05/2006 15:27)
mba asio andininy kelikely moa ry santiona sao de mba haiko iany fa ny titra no tsy haiko.:D
4. rabilabila ( 31/05/2006 18:03)
raha "fisarahana" dia:

Raha toa ka.....
Raha toa ka mangatsiaka ilay fitia

io ve ? raha io dia hira efa 1987 tonony :Naivo sy Bodo, feony :Naivo sy Bodo
5. Fiffi ( 31/05/2006 18:10)
an ? efa hira tranainy be ve zany ? soa de tsy azy kosa fa nihirainy fotsiny ?
6. ikalakintina ( 31/05/2006 18:34)
tena tsy azoko veroka le hira!, raha mba mitoy kely angamba de mety hoa hay ihany!
7. Santiona ( 01/06/2006 05:11)
tsy tadidiko mihitsy aloha ilay tonony fa ny feony foana no averimberiko eto zao:lol: (ny tena koa moa tsy mahay solfa koa)

mino aho fa ilay an'i Rabilabila "fisarahana" ilay izy satria efa hira taloha be tsy tafiditra anaty album lé izy.
Raha mba misy manana re mba omeo e!
8. Fiffi ( 01/06/2006 05:16)
ka raha hira efa talohabe , mety tsy azy angamba fa nirainy fotsiny ? de mety tsy io ny titra ?
9. Santiona ( 01/06/2006 05:27)
ny titre: "fisarahana" ary marina fa hiran'i Bodo izay nosoratan'izy sy Naivo ilay izy;
Mbola betsaka mihitsy ny hiran'i Bodo izay tsy tafiditra anaty album fa asa na mba anao album special "ny fahiny" izy.
Enga anie
10. Fiffi ( 01/06/2006 05:32)
11. bozimanga ( 01/06/2006 08:49)
ilay otran' ity ve?:
Ny diavolana ho lava niarahana natao .
Mbola averiko eto in-1 any aoriana any.
Fa ny anio ho tapitra hatreo .
Ho enti- matory , ho nofisinao.
Satry hiaraka ihany malaina ny hifandao.
io aloha no haiko raha toa ka izy.
12. Fiffi ( 01/06/2006 08:55)
de aiza ny tohiny ? :)
13. cutie ( 01/06/2006 10:01)
rah ale nataon'i rabilabila io,de misy haiko kely ny tonony :P fa tapatapaka , tsy tadidiko ny sasany
Raha toa ka.....
Raha toa ka mangatsiaka ilay fitia

Aza asiana teny tsony fa aleo
hivalona avy hatrany
tsy asiana alahelo
na arahina tomany
tsy ho ahy angamba ianao
izaho koa tsy ho anao
hangina tsy hiteny aho sao de.........
Raha toa ka........ tsy hifankafoy
hivoady ho doria
de rava teo lay heriny
Raha toa tsy hifamoy tsy hifanara dia
hifampitsinjo koa satria ...........
avelao hijanona @ zao
satria nilaozanao
ka potika sy lo
ny fiainantsika roa
tsy ho ahy angamba ianao
izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny sao de ......
14. cutie ( 01/06/2006 10:04)
misy tadidiko kely ndray ery @ boloahany ary :P
Raha toa ka hangatsiaka ilay fitiavana hatrizay
Raha toa hizara roa ilay fo iray
Aza asiana teny tsony fa aleo
hivalona avy hatrany
tsy asiana alahelo
na arahina tomany
tsy ho ahy angamba ianao
izaho koa tsy ho anao
hangina tsy hiteny aho sao de.........
Raha toa ka........ tsy hifankafoy
hivoady ho doria
de rava teo lay heriny
Raha toa tsy hifamoy tsy hifanara dia
hifampitsinjo koa satria ...........
avelao hijanona @ zao
satria nilaozanao
ka potika sy lo
ny fiainantsika roa
tsy ho ahy angamba ianao
izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny sao de ......
15. Fiffi ( 01/06/2006 10:59)
mahay an! :)
16. cutie ( 01/06/2006 11:00)
fiffi sady haiko feony a :wink:
mbola tsy tonga foana akia le izy , matahotra za sao de very :cry:
17. mandrindra ( 01/06/2006 11:30)
vetsoy amiko indray ilay feo ry cutie fa elaela izay tsy nandrenesako ny feo manganao izay :D
18. cutie ( 01/06/2006 11:33)
mandrindra de io hira fisarahana io ve no ventsoina aminao :lol:
19. mandrindra ( 01/06/2006 12:06)
ny feonao no tiko henoina fa tsy ilay tonokira. ilay hira iray ary ambadika ary izao no tena andrasako :-D
20. cutie ( 01/06/2006 12:12)
tsy koboko le hira ray ary ambadika zany :lol:
oups hay moa, hihihi hot hot hot:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3821