...Tonga tao am-piangonana ihany izy ...

1. felampaiso ( 31/05/2006 06:56)
Tsy mba isan'ny mpino an'Andriamanitra izy, tsy tiany mihitsy izany hoe mivavaka any am-piangonana izany, raha vao mijery olona andeha hivavaka na avy mivavaka izy dia tezitra sy tafintohina ary indraindray aza mila ady mihitsy, efa nandramana ny nitory filazantsara taminy fa... nahazo teny maharary ho'aho izay nanao izany....
...saingy androany dia tonga tao am-piangonana izy, tsy noterena ; tsy novozonana... ary TEO ALOHA INDRINDRA tamin'ny toerana tao amin'ny eglizy no nisy azy,
feno voninkazo tsara nanodidina azy...ary norakofana lamba volomparasy ny vatapaty nisy azy...
...androany mantsy no fotoana nandevenana azy...!
novalian'i bellla ny 08/06/2006 18:56
2. Ralay ( 31/05/2006 07:31)
Iza no nitondra azy tao ampiangonana? Raha ny sitrapony dia tsy ho any mihintsy fa tonga de alevina na dorana fa ny velona no nanery hoe andao ho entina any hanaovana veloma farany fa izy tsy mino sady tsy mahare intsony =D^:^
3. Fiffi ( 31/05/2006 07:46)

Dia hivavaka ho azy zany mba ho voaray soamantsara any @ fanjakan'ny lanitra izy. Ary Andriamanitra irery hiany no mahafantatra ny toerana hisy azy.
4. dinamo ( 31/05/2006 08:16)
mieux vaut que jamais hoy izy ny fitenenana
5. Fiffi ( 31/05/2006 08:28)
Ralay:
Iza no nitondra azy tao ampiangonana? Raha ny sitrapony dia tsy ho any mihintsy fa tonga de alevina na dorana fa ny velona no nanery hoe andao ho entina any hanaovana veloma farany fa izy tsy mino sady tsy mahare intsony =D^:^
Tahak'izao ry Ralay ny zavatra miseho rehefa be ny fitiavana an'Andriamanitra .
Mino aho fa ny nahatonga ny fianakaviana nanao an'io dia nohon'ny fangataham-pamonjena , ny fitiavana , ny fangataham-pamelana an'Andriamanitra avokoa satria be ny fitiavana an'Andriamanitra , ary lehibe tokoa ny fitiavana'Andriamanitra antsika.
Ny mpitondra fiangonana aza tsy sarotiny ny nanaovana veloma azy farany tao am-piangonana ka tsy hitako izay mahasarotiny an'izany antsika ? na andehanantsika hitsikera azy na ny fianakaviany ?


6. prime ( 31/05/2006 10:05)
raha misy ny anisan'ny mampalahelo indrindra dia izany tantara izany...
Marina ve io ry felampaiso sa mba te hampanetsetra fotsiny a??:lol:
7. jentilisa ( 31/05/2006 13:46)
na mba hanaitra anay ihany?
8. Fiffi ( 01/06/2006 03:07)
heu.... mampiheritreritra tokoa aloha an! satria ireo fianakaviana mino aho fa samy mahafantatra daholo fa sy mpandeha any am-piangonana mihintsy izy , azo hatao hoe "anti" nefa ...
Marina fa tsy maintsy ny fianakaviana no naka decision t@ io saingy ....:roll:
9. majesty ( 01/06/2006 03:10)
Manaporofo io tantara io hoe rehefa maty ntsika dia tsy manana safidy sy tsy mahalala na inona na inona intsony fa izay hanaovan'ny velona antsika;fa mino marimarina aho fa raha ny sitrapon'lay razoky maty io dia tsy ho entina any am-piangonana akory lery,fa ny velona no mba manao izay azony atao farany mba hitondra fampiononana ho azy ireo hoe sao dia mba ho voavonjy tampoka lery na dia tsy sitrapony aza izany :(
10. Fiffi ( 01/06/2006 03:15)
majesty:
fa ny velona no mba manao izay azony atao farany mba hitondra fampiononana ho azy ireo
tena marina izany an!


11. majesty ( 01/06/2006 04:08)
:):)
12. Fiffi ( 01/06/2006 05:08)
majesty: soahiany aza fa mba afaka manao an'izany satria mafy ny manjo , mafy ny halahelo.
13. prime ( 01/06/2006 08:49)
aiza moa i felampaiso izay azafady ôôôô!:-P
14. Fiffi ( 01/06/2006 09:25)
eny tokoa hoa ?
15. felampaiso ( 02/06/2006 07:10)
Eto ihany aho fa somary nanoratra tany @ blaogy tany...
Ny tiako ampitaina ange dia ilay fampahatsiahivana hoe: mbola hisy ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty, misy karazany 2 izy io hoy ny Baiboly,
- ny iray fitsanganan'ny mpino kristiana ho any @ fiainana mandrakizay,
- ny iray fitsanganan'ny nandà ny famonjena nomen'i Kristy izay mino izany , ireo olona karazany faharoa ireo dia ho tafasaraka mandrakizay @ Andriamanitra,

Tsy maintsy ho iray amin'ireo fitsanganana roa ireo no miandry an'ilay olona voalazako io ARY MIANDRY AHY SY IANAO KOA, dieny mbola velona ary dia mifidiana ny Fiainana Mandrakizay, izany hoe ny MINO an'i Jesoa Kristy izany.

Mitohy ny fanehoantsika hevitra...
16. prime ( 02/06/2006 07:50)
17. Fiffi ( 02/06/2006 10:52)
18. prime ( 02/06/2006 14:28)
Ka tsy marina izany io tantara io ry felampaiso fa mba haingam-panahy fotsiny izany entina hanambaran-kevitra???:wink:
19. Achia ( 02/06/2006 16:28)
Andriamanitra tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana aza hitako , kanefa efa voasoratra izany teny izany ko mba teneno ihany ry zalahy tsy mino sy tst te halala reny fa sao de refa to,ga any @ fitsanganana vao hoe : ka zay nge tsy nahalala e ! :-o
20. bellla ( 03/06/2006 12:06)
Raha ny fahalalako aloha dia tsy azo entina any am-piangonana mihitsy ny fatin'olona tsy vita batisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5259