nisaraka t@ sipako aho, diso ve za?

1. soussou ( 30/05/2006 10:51)
Efa ho 8 taona zao no niarahanay sy ny sipako,voaloham-pitiavako izy, nisaraka anefa izahay, izaho no nanapa-kevitra satria tsapako fa mijaly aho,izy de lehilahy 24 ans, za kosa 22 ans. Izy de lehilahy be namana loatra sa be revy loatra, mamo foana, ka isaky ny fotoana de tsy hita miitsy izy fa lasa misotro toaka, indraindray ary aho efa miaraka aminy de mbola ariany fa lasa izy miaraka @ namany ka adino hatreo za.Efa tato anatin ny 3 taona izy no nanao an io toetrany io fa niafiako foana satria tiako izy, nefa izao tsy zakako instony izany, vao may mia-maditra ihany izy.Mety mbola hiova ve izy ? sa mety efa zay no toetrany? Efa 3 taona zay no nitenenako azy t@ toetrany nefa tsy norarahiny aho.Diso aho ve raha misaraka aminy? Satria mety mbola pire noho izao no toetrany reefa mivady izahay, mino anefa aho fa reefa tsy niova ohatran izay izy mety tsy hiova intsony
novalian'i texe ny 12/06/2006 06:06
2. Fiffi ( 30/05/2006 11:15)
8 taona niarahana ? 3 taona nijaliana ? heu.... raha izany aloha de tena mbola tanora mihintsy ianareo no niaraka t@ voalohany an! 15 taona ndry ?
-Raha fijaliana fotsiny akia no azo , tsy aleo misaraka ?
-Efa nandritry ny 3 taona ndry nampitandrina azy , tsy nisy fohovana , ka tonga ity ny fotoana izay asa re ! enganie ka hampiratra ny masony fa nijaly ndry ary tsy misy solution fa ny fisarahana no tsara.
-Raha zah aloha no teo @ toerandry de tsy misy hanenenako satria efa mi-déborde loatra ny vazy , nandritrin'ny 3 taona niharetana , nijaliana ! an3 marina ny andry , aleo misaraka .
3. herygoboss ( 30/05/2006 11:47)
Tena namana tsara tokoa ity site ity satria mamela anao hizara aminay izay manahirana anao.Tahaka izany ko ho an'ny hafa rehetra ....
Hery noanarako,25ans aho ary efa tao no niala. Tena manahirana tokoa io resaka fitiavana io,indrindra rehefa tena tia ny tena.Tsy sanatria hanoro voanana anao raha hiteny hoe:>. Miteny izany teny izany aho satria: sarotra ny miala rehefa miha ela eo ihany no niarahana indrindra moa rehefa misy zaza.
raha te hanoratra amiko ianao dia : herygoboss@yahoo.fr
4. Samoana ( 30/05/2006 11:52)
tsy diso enao ary alaviro izy raha efa nosarahina tokoa satria mahery fihetsika ny olona mpisotro nilaozana ka mety ahavanon-doza
5. mamzelkely ( 30/05/2006 11:53)
efa ela tokoa aloh zany 8taona zany ee, ekeko ko fa efa 3taona njy zay niezaka niresaka taminy fa zao no lazaiko anjy, resaho milamina izy aza hitezerana izy fa ataovy resaka milamina zany we nareo roa irery anaty efitrano iray miresaka miadana sy milamina de preference izy ts avy nisotro tôka resaho milamina izy de hitanjy eo zay tena heviny, anotanio izy we "fa enao no ts mirarah izay zvt angatahako aminao, manina enao no misotro tôka" ts haiko we asaivo azvainy aloh ny pourquoi an reaction-ny, izy matoa nijanona 8taona taminjy ts hoe ts tia anjy fa tia anjy izy fa saingy we mety misy zvt ts mety angamba ao amin fiarahanareo ts haiko fa aleo aloh miresaka tsara nareo marina fa vô 22ans njy mbola tanora ary mbola afaka mahita tovolahy tsaratsara koko nefa tadidio fa sarotra ny hamerina indray izay 8taona niainanareo zay ka ny any conseil-ko de elao nenina farany a iresaho miadana izy aza itezerana mits fa atao resaka milamina anotanio azy dôly ny zvt mahatonga azy manao an'io toetra io fa mety ho hitanjy eo no eo ihany zay tena decision tokony horaisina na hisaraka na tsia fa ialao nenina alou fa sarotra ny hamafa an zany 8taona niarahana izany de bon courage akia :-*
6. hasinando ( 30/05/2006 11:59)


Ho anao ilay hoe niaraka 8taona de nisaraka .Amiko ianao iahany no mahalala ny fijalianao ao ,nefa ve mbola tia azy enao?

Izay no mety hampijaly ny fonao raha tsy hoe miaraka @olona sahady enao taorin'ny fisarahanareo.Mahereza akia fa mandalo sedra toy zany foana rehefa mitia!Mipetraka aty France aho ,gasy .Ka raha mety aminao de afaka manday anao ho namako aho:iandou3@yahoo.fr no adresseko.
7. tsanga ( 30/05/2006 12:01)
Ny bandy be revy no tena mahay mitia e sady ny toaka koa anie tsy tokony hampijaly izany e raha be sipa izy no tokony hijaly ianao za manambady mananjanaka fa mpirevy aho misotro foana fa ny anao angamba vao 3taona vao nisotro nanafina izy izay no nahadisoazy fa raha ny toaka no nahafantaranao azy de tokony tsy hijaly
8. bellla ( 30/05/2006 12:07)
Raha zah ndray kosa alou de ataoko fa ampy zay 3 taona niaretanjy zay ry sousou a! efa tsy niova tao anatin'izay tsy hiova intsony. Aleo misaraka dieny mbola tsy lalina ny raharaha. Mbola tanora be njy k'aza matahotra mitsy ny ho lany zara.
9. riam ( 30/05/2006 12:28)
hataovy izay mba tsapanao fa mety hatao, tsy mora no miova, fa mila courage, perséverance sy confiance.
10. soanja ( 30/05/2006 12:52)
Film efa hitako izany. Ny ahy dia mazava omena fampitandremana farany miaraka amin'ny safidy roa: Na toaka na Zah! Manana iray volana ianao hoe hakana izay safidy izay. Raha ianao moa izany no safidy dia tsara be tokony miala manaraka ny toaka koa ny namana satria ireo ihany no mitarika toaka raha mandinika tsara ilay bandy. Tsy mora anefa ny miala amin'ny toaka satria ohatra ny sigara ihany io, izany no anomezanao iray volana azy, mila mamonjy rehab raha tsy mety amin'izao. Tokony hampianao izy hitady an'io toerana io raha vonona hiala izy fa mila fanampiana. Fitiavana daholo izany.Raha ilay voalohany kosa ny safidiny dia mazava fa tsy mbola indry lay izy fa ny namany sy ny toaka aloha izany no 1er plan dia indry ambinambiny. Andry indray no safidy na mety ho io faharoa io na miala mihitsy.
11. Fiffi ( 30/05/2006 13:01)
tsanga:
Ny bandy be revy no tena mahay mitia e sady ny toaka koa anie tsy tokony hampijaly izany e raha be sipa izy no tokony hijaly ianao za manambady mananjanaka fa mpirevy aho misotro foana fa ny anao angamba vao 3taona vao nisotro nanafina izy izay no nahadisoazy fa raha ny toaka no nahafantaranao azy de tokony tsy hijaly
Fa nahoana no tsy mampijaly ny taoka ry tsanga ? de hody mamo lava zao ve , de lasa mandeha misotro taoka miaraka @ namana foana de tsy mampijaly ve zany ?
Moa ve mba niheritreretinao ny vokadratsin'ny taoka ao hafara kely ao ? ho an'ny zanakao , ny haretina sns... ? heu.... raha tsy mampijaly ny taoka , tsy hisy zavatra hampijaly intsony fa de cool be le fiainana eh! Ka de mazotoa misotro ry tsanga fa mba tadidio fotsiny any aoriana any hoe "hay tokoa tao @ zay forum serasera zay nisy dinika nilaza fa mampijaly ny fisotrohana taoka"


12. Chuan ( 30/05/2006 14:31)
Tsy haiko aloha fa raha tena mifankatia marina an tokony tsy sahy hanao an`izany aminao leiry . Tsara ihany ianao manontany tena sao dia nisy zavatra nataonao nahasosotra azy nefa tsy sahiny ny miteny anao direct de mampiseho fihetsika tsy mendrika otran`zany izy . Betsaka ny bandy misotro toaka fa tsy voatery hanao otran`zany fa matoa misy tsy firaharahiana anao ohatran`izany dia misy fitiavana tsy mitombina ao izany ka izay no mila fantarina tsara . Ny lehilahy amin`lafiny iray tsy dia tia loatra le hoe fehezina be , fa mba atao amin`ny antonony . Misy fotoana izy miaraka aminao , misy fotoana hiarahany amin`ny namana satria tsy afaka ny hitoka-monina izy . Ialao le toe-tsaina hoe sipanao iny dia tsy avelanao hifanerasera amin`olon-kafa intsony fa iny akory tsy hoe fananana ao an-trano tahaka ny seza fa olombelona mety manana sentiment sy saina iny ary raha 24 ans zany mbola ao anatin`ilay taona mbola eo am-pivelarana tsara . Ka mahaiza tsara mandanjalanja de ampenaro izy raha tsy mahay fa io " mandanjalanja: io no ahitana ny fahamatoran`ny olona .
13. toovs ( 30/05/2006 14:41)
Fiffi:

tsanga:
Ny bandy be revy no tena mahay mitia e sady ny toaka koa anie tsy tokony hampijaly izany e raha be sipa izy no tokony hijaly ianao za manambady mananjanaka fa mpirevy aho misotro foana fa ny anao angamba vao 3taona vao nisotro nanafina izy izay no nahadisoazy fa raha ny toaka no nahafantaranao azy de tokony tsy hijaly
Fa nahoana no tsy mampijaly ny taoka ry tsanga ? de hody mamo lava zao ve , de lasa mandeha misotro taoka miaraka @ namana foana de tsy mampijaly ve zany ?
Moa ve mba niheritreretinao ny vokadratsin'ny taoka ao hafara kely ao ? ho an'ny zanakao , ny haretina sns... ? heu.... raha tsy mampijaly ny taoka , tsy hisy zavatra hampijaly intsony fa de cool be le fiainana eh! Ka de mazotoa misotro ry tsanga fa mba tadidio fotsiny any aoriana any hoe "hay tokoa tao @ zay forum serasera zay nisy dinika nilaza fa mampijaly ny fisotrohana taoka"





tsy ny toaka velively no mampijaly fa ny fimamoana e. toy izany koa tsy ny vehivavy no fahotana fa ny fijangajangana. hitanao ve ny mahasamihafa ny hoe misotro toaka sy ny hoe mimamo.
14. Fiffi ( 30/05/2006 15:07)
toovs: hummm hitako tsara kah! fa na tsy mamo aza :oops: io kosa ve de mba tsara ?
15. dongadonga ( 30/05/2006 18:09)
tsara ihany io raha mahay misotro azy kany moa ooo
16. Fiffi ( 30/05/2006 18:44)
dongadonga: ountsss ! de manimba zavatra anie io fisotroana io eh!
17. Zina ( 30/05/2006 22:40)
soussou, izay maha sosoa ny fianan-dry atao. adaboy any zany... mahereza an
18. perfect ( 31/05/2006 02:22)
nga ianao tsy manana ny maha izy anao e! ataovy hitany miaraka @ bandy hafa ianao de hiova izy,mety mihevitra izy mantsy fa handefitra fôna enao na inona na inona no ataony aminao,mijoroa tsy ho faty ankazo tokana e!ho hita eo na tia anao marina izy na tsy tia
19. lapino ( 31/05/2006 02:56)
Soussou,

24 taona izy: tena ao amin'ny taona mahabe ny revy mihitsy izany
22 taona ianao: efa manomboka mitady situation stable

Izany hoe normale be ilay fitrangan-javatra aminareo. Kanefa:
- bandy be revy lery, fa mbola tsy miala aminao. De tt façon na maditra sipa aza lery, tsy miala aminao mihitsy ny fony am'zany.
- ianao naharitra azy 3 taona
Izany hoe mifankatia ianareo. 8 taona izany koa tsy vita raha tsy tena mifankatia.

Ianao izao mahatsiaro tena tsy ampy fitiavana, dia hadabokao lery. Somary tia tena aloha ianao amin'izay.

Dia raha misaraka izao nareo, dia halahelo mafy izy, dia hi-déprime, dia mety vao mainka hiditra lalina kokoa amin'ny ditrany, miampy ditra vehivavy indray.

Ianao koa hijaly, satria na tianao na tsy tianao, dia harary anao izany fisarahana izany. Dia handeha ianao hiaraka amina bandy hafa tsy tianao mihoatra noho i lery, dia hanimba tena any, hanaratsy ny image-nao sady ho lasa irréversible ilay fisarahana efa marary.

Izy aloha tsy maintsy hiova, saingy mila miandry kely azy ho tonga 30 taona any ho any.

Ny tokony hataonao amin'izany izao, dia ny miaro azy tsy hanao "dérive" be loatra amin'ny revy ataony. Dia miezaka mba hahazo fotoana hatrany hiarahana aminy, mifampizara fitiavana sns ... Am-pitiavana azy no anaovy an'izay fa tsy am-pitiavan-tena. Ary surtout!!!! aza miaraka amina bandy hafa izany!
20. fasaly ( 31/05/2006 04:03)
raha ny hevitro aloha raha zà no tam place de efa niala efa ela zà e! manantena fiovàna tsy misy eo kou! ianao kou no ho ratsy tarehy amin'ny feri-traina sy ny tebiteby eo! sarotra lay manantena fiovàna fa raha zà mintsy de miova lasy mintsy zà na ho any na tsy ho any sady mbola tsy vady io kou!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2174