Efa voasoritra ve ny zava-misy rehetra eto ambonin'ny tany.

1. Herimiafina ( 25/05/2006 21:59)
Efa voasoritra efa ela tokoa ve ny zava-misy rehetra iainana ato ambonin'ny tany? Na ara-ekonomika io na ara-politika, na sns...izany hoe eo ambany fifehezan'ireo sociétés secretes rehetra misy ve ny fiainan'ny zanak'olombelona, ny fisian,ny firenena mahantra sy ny firenena manankarena.
Asa ahoana ny hevitrareo namana fa dia gaga izaho nahita ity site ity, asa na mitombona na tsia fa dai mahaliana tokoa. ;-)
http://perso.wanadoo.fr/metasystems/Organisations.html
novalian'i saho ny 09/09/2006 19:25
2. riam ( 26/05/2006 06:21)
bla bla fitsiny io fa tsy misy any izany.
Raha misy "zavatra" tokony hahafantatra ny zavatra hanjoa any ity tanintsika ity dia tsy olona velibely fa fanahy na....
3. Herimiafina ( 26/05/2006 12:30)
Misy osrisoritra fahamarinana ihany izy io amiko saingy kosa nasiana sira be hi-attirer-na attention. Raha miresaka amina prof d'économie aty amerika avaratra ianao dia mahagaga fa mody fanina daholo rehefa aborder-na io sujet iray io, ary matetika dia gené mihintsy aza indraindray.
Ny tsara fo aloha dia mi-promouvoir ny auto-développement mihintsy e! Ny heritreritro dia satria mety fantany tsara io zavatra io. ;-)
4. cutie ( 26/05/2006 20:01)
Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 26-05-2006 02:59:03
Lohateny : Efa voasoritra ve ny zava-misy rehetra eto ambonin'ny tany.
Efa voasoritra efa ela tokoa ve ny zava-misy rehetra iainana ato ambonin'ny tany? Na ara-ekonomika io na ara-politika, na sns...izany hoe eo ambany fifehezan'ireo sociétés secretes rehetra misy ve ny fiainan'ny zanak'olombelona, ny fisian,ny firenena mahantra sy ny firenena manankarena.
Asa ahoana ny hevitrareo namana fa dia gaga izaho nahita ity site ity, asa na mitombona na tsia fa dai mahaliana tokoa.
Jereo eto

Miverina ery ambony

za alou tsy nijery an'le we jereo ato hiihihihi
fa tsy efa voasoratar zany dahoplo kosa ny zava-mitranga eto ee, ny atao no miverina daholo fotsiny, mihodinkodina eo fotsiny, ohtrany ny tany boribory ihany io lol
5. Fiffi ( 27/05/2006 09:20)
hoy zay hira zay hoe:

-Mihodikodina lesy ah!
Ity tanintsika ity
Ka mahaiza fetsifetsy ah!
Sao de lasa mikodia
Misy ambony , misy ambany eh......

Amiko aloha dia tsy voasoratra zany ny zava-misy rehetra eto ambonin'ny tany . Voasoratra , ie ! fa voasoratr'Andriamanitra saingy ny olombelona no nanao izay tiany hatao.
6. pissoa ( 27/05/2006 16:05)
Ie, misy fahamarinany mihitsy. Lafiny ekonomika sy politika le resahina fa tsy hoe ny "fiainana rehetra" akory an.

Niasa be njay ny CIA an ;-):-D:-D:-D
7. mandrindra ( 02/06/2006 08:28)
soritsoritra amin'ny akapobeny ireny fa tsy maintsy misy mibolila ihany satria tsy voatery hanao amen daholo ny rehetra, izay no maha olombelona.
8. lapino ( 03/06/2006 07:57)
pissoa > iza moa no miteny amin-dry fa tsy hotadiavin-dry zalah hofehezina daholo ny "fiainana rehetra", saingy mbola tsy tonga eo fotsiny izy amin'izao?

mandrinra > voatery hanao amen daholo ny rehetra eo anatrehan'ny lalàna ka.

Herimiafina > tamin'ny 1776 hono no efa voasoritr'ilay mompera niala izay ny lalana hitondrana an'izao tontolo izao mankany amin'izany "Nouvel ordre mondial" izany. Mampiasa ny fomba (ratsy) rehetra hono, tsy voafetra ny moyen fa ny tanjona ihany. Ary efa programa tao anatin'izany ireo karazana revolisiôna nandrava ny fitondrana mpanjaka, ny ady lehibe anankiroa --> ONU, ny ady mangatsiaka, ny fitambaran'i Eoropa, ny WTC --> Ady Afghanistan, Ady irak, ady iran, sns ...
Toa hoe misy resaka occulte koa hono izy izany ...
9. pissoa ( 04/06/2006 18:49)
lapino:
pissoa > iza moa no miteny amin-dry fa tsy hotadiavin-dry zalah hofehezina daholo ny "fiainana rehetra", saingy mbola tsy tonga eo fotsiny izy amin'izao?
Tsisy miteny ahy an'zany kah :-D:-D:-D Miazakazaka ny tontolon'ny string theory fa "everything is a string" ony :-D:-D:-D
10. lapino ( 05/06/2006 07:03)
pissoa, fa ilay "string theory" hummmmm ;)
Tsy any @ stringless aza ve izao no mihazakazaka? ;)
11. pissoa ( 05/06/2006 12:56)
Maninn ilay "string theory"? :roll::-D:-D:-D
Sady tsy haiko kou izany stringless izany dia tsy hiazakazaka ho any zah :wink::-D:-D:-D
12. mandrindra ( 05/06/2006 13:24)
pissoa, mba velabelaro eto hoe ilay string theory :wink:

lapino, misy foana ny mpadika lalàna ka
13. lapino ( 05/06/2006 14:17)
pissoa, ka hoe velabelaro hono ko :wink::-D:-D
Ary raha resaka harkôvera, raha resaka stringless desktop (cordless manko e), dia ahoana indray? (milay be rehefa tsara saina an) :wink::-D:-D:-D

mandrindra, ny mpandika lalàna indray ampanaovina amen amin'ny basy
14. pissoa ( 06/06/2006 05:02)
Raha "Theorie des Cordes" ve no iantsoana azy dia mbola mila hanaovana famelabelarana aloo e? :-D:-D:-D

Ary ohatran'ny nataon'lapino ao anaty fononteny ilay hoe cordless manko e sy ilay hoe milay be rehefa tsara saina an :-w:-D:-D:-D
15. mandrindra ( 06/06/2006 08:57)
pissoa, izay hiantsoanao azy tsy koi fa velabelaro foana e, miandry aho :-D:-D:-D

lapino, dia ny mpandika lalàna no mahatifitra voalohany amin'ny duel :D
16. naughtyboy ( 06/06/2006 09:21)
samy hafa kosa lalana ny mpitondra sy reo soavaly hoetina, tsy ny tombotsoany
soavaly mintsy no jereny mpitondra voaloany fa ny tanjona tratrariny ,zvmisy daolo reo rafitra reo @ ideolojia tandrefana , asa ra za no diso fijery fa tsy misy resaka firy tao ny momba ny tatsinana toa Soviet ,Azia ( china) ny firenena afovoany atsinana zay mampifandanja reo lalana apetraky reo laibany amaritana ny itondrana zao tontolo zao
17. naughtyboy ( 06/06/2006 11:06)
diso fijery tokoa fa efa ao daolo na ry putin sy ny akamany ao azia ka ..
18. dadabe ( 07/07/2006 12:56)
humm izay ity vao hitrako nefa tena mahalina be

herimiafina tena marina anie io site nasehonao ioe ,saingy betska ny tsy hino satria sarotra inona ilay izy , ary raha olona ao anatiny dia tsy maintsy hanohitra an'io avokoa
19. Herimiafina ( 07/07/2006 13:44)
Asa leisy ry dadabe fa betsaka ny zavatra misarika ahy hino an'io indrindra rehefa manontany spesialista politika na ekonomia aty andrefana aty, ilay fisalsalandry zareo hamaly ahy no hahitako manokana fa "ao raha". :wink:
20. sarobidy ( 13/07/2006 04:19)
Herimiafina < de inona aloha no azonao ambara @ le oe "AO RAHA" ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.279