Mbola ho avy ny Tompo.

1. marozevo ( 25/05/2006 07:02)
Anio 25 mai 2006, 40 andro aorian'ny Paka, no anokafana ity loha hevitra ity mba hifampizarantsika indray, hanampy ireo lohahevitra maro efa mandeha eto.

Mbola ho avy ny Tompo.

Efa tonga Izy, taona maro lasa izay, tao an-tranon'ombin'i Betlehema, ary tonga nitsaoka azy isika tamin'ny alalan'ireo solon-tenantsika : Majy - Mpiandry ondry.

Tonga Izy ankehitriny, rehefa mivavaka isika. (Sy rehefa mankalaza ny Sorona Masina ho an'ny Katolika).

Mbola ho avy Izy amin'ilay fotoana tsy misy mahalala, mba hanamarina antsika sy hamonjy antsika ary hitantana antsika ho any an-tranon'ny Ray.

Vonona ve ianao ?
novalian'i dadabe ny 09/07/2006 11:31
2. Fiffi ( 25/05/2006 07:24)
« Prenez garde, restez éveillés, car vous ne savez pas quand ce sera le moment. »

Pour ce qui est du jour ou de l'heure, personne ne le sait, ni les anges dans le ciel, ni le Fils, mais le Père seul.

13 : 33
Prenez garde, veillez et priez; car vous ne savez quand ce temps viendra.

Miala tsiny raha @ teny frantsay.
3. dadabe ( 25/05/2006 10:09)
:D:D
Vonona ve ianao ?


yeee miezaka ny ho vonona :D
4. pika ( 25/05/2006 10:11)
ka aoka ary isika tsy ho variana ny hibanjina ny lanitra loatra fa mba ho tena apostoly koa hahatonga ny olona rehetra ho mpianany
dia ho samy ho tratran'ny fankalazana ny nampidinany ny fanahy masina indray
5. cutie ( 25/05/2006 12:38)
fa andro in androany :lol:
6. Fiffi ( 25/05/2006 15:24)
cutie: ascension androany akia an! http://www.lexilogos.com/calendrier_ascension.htm
7. Fiffi ( 25/05/2006 15:29)
Ny Fiakaran'i Jesoa .
8. cutie ( 25/05/2006 15:36)
hay tena tsy naharak za anie,za aza gaga we tsy miasa ny any Dago androany fa misy in aza wa :-D:-D:-D:-D
9. pika ( 26/05/2006 03:48)
ry any @ cutie izany niasa raha azoko tsara?
ny aty na kristianina na tsia dia mba repos aloha e
10. Fiffi ( 26/05/2006 07:21)
marozevo:
Mbola ho avy ny Tompo.

Mbola ho avy Izy amin'ilay fotoana tsy misy mahalala, mba hanamarina antsika sy hamonjy antsika ary hitantana antsika ho any an-tranon'ny Ray.

Vonona ve ianao ?
Efa ela dia ela tokoa no ninoako fa mbola ho avy Izy . Vonona ve aho handray ny Tompo ? Vonona tokoa ,ary raha sanatria ka misy zavatra tsy mahavonona ahy dia ny fangatahana @ Tompo hatrany mba ho vonona mandrakizay .


11. dadabe ( 26/05/2006 08:22)
o ry Fiffi a, de miova isantaona ve iozany le ascencion e? fa tsy maintsy atontona alakamisy :-@
12. hery ( 26/05/2006 08:30)
Eto Italie dia amin'ny alahady vao ascension. Mbola niasa tsara daholo mihitsy omaly :-)

Dia any Kenya koa otran'zany.
13. pissoa ( 26/05/2006 08:34)
pika> Izahay kou omaly niasa :oops: Dia ny lamesa tany ampiangonana koa tamin'ny oran'ny lamesa andavanandro ihany fa tsy oran'ny lamesa amin'ny public holiday na Alahady.
14. Fiffi ( 26/05/2006 08:58)
hery:
Eto Italie dia amin'ny alahady vao ascension. Mbola niasa tsara daholo mihitsy omaly :-)
hery: ny taty @ nay indray aloha dia nanaja an'le Alakamisy ascension anaty kalendrié ka ny profession de foi -ny ankizy no natao fa raha ny tena ascension fankalazana dia @ Alahady koa.


15. prime ( 26/05/2006 12:55)
Mbola ho avy Izy amin'ilay fotoana tsy misy mahalala, mba hanamarina antsika sy hamonjy antsika ary hitantana antsika ho any an-tranon'ny Ray.

Vonona ve ianao ?


Fanontaniana lalina sy mavesatra izany an!!!:):)
16. cutie ( 26/05/2006 19:04)
Mpandefa : pika [ Valio ] 26-05-2006 08:48:11
Lohateny : Re : Mbola ho avy ny Tompo.
ry any @ cutie izany niasa raha azoko tsara?
ny aty na kristianina na tsia dia mba repos aloha e

ie ohtran'ny andro isan'andro taty ka, zany:P no tsy nahalalako azy
17. marozevo ( 26/05/2006 20:44)
Voasokatra soa aman-tsara ity loha hevitra ity. Ny tiana hangatahina amintsika indrindra dia ny mba hitondra fandalinam-pinoana ho anay namana tsy dia mahalala tsara ny momba io fety io, sy ny pantekoty izay ho avy tsy ho ela koa.
Efa-polo andro aorian'ny Paka ny Ascension, ary ankalazana an'i Kristy niakatra any an.danitra. talohan'ny fahafatesany anefa izy dia efa nanomana ny toe-tsain'ny mpianany : "Handeha aho hanomana toerana ho anareo, ka izay misy ahy no hisy anareo koa"(Jn 14).
Tsy maintsy hiteraka fanantenana ho antsika izany ...
18. Fiffi ( 27/05/2006 07:19)
dadabe:
o ry Fiffi a, de miova isantaona ve iozany le ascencion e? fa tsy maintsy atontona alakamisy :-@
D'après les Actes des Apôtres, l'Ascension a lieu le quarantième jour après la résurrection du Christ. C'est pourquoi cette fête est chaque année célébrée le jeudi de la 5e semaine après Pâques
dadabe:
http://www.cef.fr/catho/actus/archives/2006/20060523_ascension.php

19. bellla ( 28/05/2006 18:35)
Hevero ry Mpanota ô, ny andro fitsarana
hiverina ny Tomponao hamaly fahotana
ny lanitra hahorona,ny tany dia hodorana
fa avy Ilay Mahery.

Trompetra no ho velona, hotsofin'ny Anjely
hisokatra ny fasana, hivory izay niely
ny maty dia hatsangana isika koa hakarina
hanatrika ny Tompo

Ny boky hovelarina fa io no manambara
ny asa izay miafina handraisana anjara
ka aza mba mihevitra hahazo mihodivitra
fa fantatry ny Tompo

Ry Tompo ô, hazoninay ny tenim-panekena
ka mba arovy izahay hitana famonjena
ny ranao sy Fanahinao no tokinay raha avy izao
Ny andro fitsarana.

(Hira FFPM 48)
20. marozevo ( 29/05/2006 20:19)
Rehefa tonga ny andro fidianao ry Tompo,
Hahatahotra ny fahamarinanao.
Aza atosika izahay fa fantatrao,
Fa mitàna an-kitsim-po ny Teninao.
Koa tsimbino ny jironay hahandry Anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5204