Ra8 mbola izy sa tsy izy intsony eo amin'ny fitondrana.

1. soanja ( 22/05/2006 23:34)
Inona avy ny zavatra tokony harenina na atsaraina na tsy ampy amin'ity fitondran-dra8 ity mba ahafahan'ireo izay mihevitra te hifidy azy hosaintsainina na ho possible ilay izy na tsia sa tokony hieritreritra olon-kafa indray. Misaotra mialoha.
novalian'i marozevo ny 07/06/2006 20:18
2. Stone ( 22/05/2006 23:59)
raha tena olon-kafa vaovao mihitsy dia azo eritreretina sy dinidinihina ihany. fa raha ireo hitamaso ao @ opposition ireo aloha dia hadinoy.
3. tangalamaitso ( 23/05/2006 04:27)
Ilay mampanantena zavatra tsy ho tanteraka no olana ho an-dRa8. Betsaka ny hevitra tsara arosony saingy tsy mamakafaka tsara ny zava-misy izy vao miteniteny eny imasom-bahoaka. Hany ka tsarain'ny olona @ iny zavatra teneniny iny. Manao fampitahana ny zavatra noteneniny sy ny zava-bita ny olona, dia toa mahita elanelana betsaka. Dia ohatry ny hoe tsy mahavita na inona na inona mihitsy izy. Santionany @ zavatra noteneniny ireto mba hanaporofoiko izany: 1- ho foana nyasan-dahalo, satria asiana "puce" ny omby tsirairay ahafahana manara-maso azy. 2- Hanana 4L daholo ny Malagasy. 3- Fampandrosoana haingana ho hatao, nefa izao lazaina indray fa vao ny fototra no vita. Averiko indray fa betsaka ny hevitra tsara avy @ Ra8, ka raha mbola te hahazo ny fon'ny olona izy, dia tokony hampifanaraka ny zavatra teneniny amin'ny zavatra hataony, ary tokony hanao fanadihadiana tsara vao mandroso ny vahaolana. Raha ireo mpanohatra indray aloha raha ampitahana aminy, dia tsy dia hitako loatra h@ izao hoe iza no mety hahavita tsaratsara kokoa noho izy. Ho hita eo ihany anefa rehefa manomboka ny fifandresen-dahatra.
4. papala ( 23/05/2006 05:04)
Hatramin'izao aloha dia izy no manana an'ilay zotom-po manentana sy mamporisika @ zavatra tsara eo @ fiainana, fambolem-bary, fahadiovana, oh: araka ny lazain'ny tangalamaitso, oh: hanana 4L daholo ny Malagasy hozy R8,ny dikan'izany dia tokony hiasa sy tsy hitomemem-poana ny olona fa tokony hiezaka fa tsy hiandry mana avy any an-danitra, fa ny olona dia efa mandray antendrony daholo, tsy mba miezaka ny handray nyteny tsara mihintsy, dia andraso koa R8 amahana anao vary ao ambavanao zay vao azo lazaina hoe président izy.
5. tangalamaitso ( 23/05/2006 05:09)
Ka izay ange ry papala ilay lazaiko hoe mitady hiteniteny foana ra8 e! Na koa hoe tsy hainy ny mampita ny tiany hatao any @ vahoaka. Raha te ho mpitarika sy mpanentana anefa, ilaina izay fahaizana mampita ny tiana hatao izay any @ olona entanina. Sa ahoana hoy i papala?
6. papala ( 23/05/2006 05:22)
He!hE!he! ny olona mihintsy no efa zatra mitogaigy be, raha tsy anaovana vava hafahafa ohatríreny tsy tonga saina! sa ahoana?
7. tangalamaitso ( 23/05/2006 10:37)
Dia tena mbola valala be mandry tokoa ve izany ny malagasy h@ izao hoy i papala?
8. Rainikarabo ( 23/05/2006 19:18)
ny olana amin'ny vahoaka zatra niandry sy tolorana,ny olana kely amin-dRa8, toa marina ilay voalazan'i tangalamaitso.
9. Stone ( 23/05/2006 21:19)
Ilay mampanantena zavatra tsy tanteraka hoy ny etsy ambony, aza adino fa ligne générale na bonne sens (au conditionnel, izany hoe raha ohatra ka dia...) ange ireny fa tsy heverina hoe tena promesse e! Tsy maintsy manao ireny ny candidat, marketing io.
Raha hiteny ny candidat hoe : izaho tsy hahavita fahagagana rehefa tonga eo, dia iza moa izany ny hifidy azy eo? I Zafy no nanao an'io ary hitantsika ny vokany 0.1% no azony.
10. patrick2002 ( 24/05/2006 01:24)
Dia asa aloha na nanantena ny hanana 4L i papala sy ny malagasy rehetra eh! mba diniho ange fa firy isan-jato ny malagasy no manana permis de conduire eh!:-D:-D,dia jereo ny lalana any madagasikara boulevard d'europe aza no vita ,tsy volan'i gasy no nanaovana azy fa vola notrosaina,ka maika fa hoe hanana auto 1 isam-pianakaviana ,tsy angamba hamonjy asa ianao isa-maraina ,miala ao an-trano @ 5 maraina ,fa raha tsy izany dia tara tonga any ampiasana fa tratry ny embouteillage.
Io angamba hoy izaho no tsy nanomezan'ny ra 8 4L ho an'i malagasy tsirairay:-D:-D.
sady raha nisy izany tsy nipetraka taty izahay fa naleonay nody tany Dago =))=))=))
11. soanja ( 24/05/2006 02:26)
Stone:

Ilay mampanantena zavatra tsy tanteraka hoy ny etsy ambony, aza adino fa ligne générale na bonne sens (au conditionnel, izany hoe raha ohatra ka dia...) ange ireny fa tsy heverina hoe tena promesse e! Tsy maintsy manao ireny ny candidat, marketing io.
Raha hiteny ny candidat hoe : izaho tsy hahavita fahagagana rehefa tonga eo, dia iza moa izany ny hifidy azy eo? I Zafy no nanao an'io ary hitantsika ny vokany 0.1% no azony.

Misy ny fampanantenana mba azo horiranana ihany fa ny hoe hananan'ny tsi-1-1 avy 4L kosa angamba dia efa tena ronono an-tavy. Ny tena key amin'ity resaka fampielezan-kevitra ity dia ny tsy tokony hitenetenenana foana. Jerena hoe possible ve sa ahoana dia mba hanontaniana ireo mpanolon-kevitra be dia be izay mandray vola noho izay, izay vao resahina.
Ny nahatezitra ahy tamin-dRa8 dia ny nanambaniany ireo olona be dia be maty sy voageja tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany. Ilay fifonana nataon'i Frantsay nefa notsinotsinoavina. Maty natao sesitany tany tany Nosy Be ny dadabe-ko noho ny ady ho an'i tanindrazana io dia izay ve no mba teny nomena azy ireo ho valin'ny asa mafiny. Saingy mahalala mamela aho, enga anie mba hitany izay fahadisoany izay ary tsy hiteniteny foana izy amin'ny manaraka. Fahalemena ny azy iny.
Hatramin'izao anefa dia mbola izy no hitako nahay nitondra tamin'ny rehetra izay nandalo teo dia aleoko mbola mirona any aminy ny safidiko.


12. tangalamaitso ( 24/05/2006 04:52)
Raha jerena maimaika fotsiny aloha, dia azo lazaina tsy mbola misy mahavoa an-dra8 ireo efa fantampatatra fa hilatsaka hofidiana @ 3 Desambra. Ny maha sarotra ny fampitahana anefa dia izao, @ ireo efa fantatra ireo dia mbola tsy nisy nanao izany asana Filoham-pirenena izany. Izany hoe tsy misy asa na fepotoam-piasàna azo hitsaràna ny zava-bitany @ maha Filoha azy. Ny maminavina izay mety hataony sy ho vitany no azontsika hatao. Mora kokoa mantsy ny mampitaha raha toa ka samy efa nanao Filoha daholo ireo rehetra ireo. Mora kokoa ho antsika izao ny mampitaha an'ireto olona ireto satria samy efa nanao Filoha: Atoa Tsiranana, Atoa Ramanantsoa, Atoa Ratsiraka, Atoa Zafy Albert, Atoa Ravalomanana, sns (azafady raha misy tsy tadidiko). Tonga dia afaka manasongadina tsara ianao satria hitanao ny zavatra nataon'ireo olona ireo. Ny azo hatao, satria hatramin'izao dia i Ra8 irery no efa nanao Filoham-pirenena (@ ireo efa fantatra fa hirotsaka), dia ny mampitaha ny zavatra noteneniny sy nokasainy hatao amin'ny zavatra vitany tao anatin'izay fepotoana niasàny izay. Dia izay no mahatonga ny olona @ izao fotoana mihena tsy toy ny t@ 2001 ny hafanampony @ Ra8, satria betsaka ny zavatra notenenin-dRa8 t@ ireny fotoana ireny no tsy hita taratra @ izao fotoana izao. Dia mbola averiko ihany, tsy ny fandaharan'asan-Ra8 no ratsy fa ny olana ho azy, dia izy miteniteny foana indraindray fa tsy mamakafaka tsara hany ka sahirana rehefa avy eo manatanteraka izay nolazaina. Mbola manana fotoana tsara anefa izy hanarenana izany fomba fiasany izany alohan'ny fifidianana, ary tokony hanarina izany izy raha mbola te hahazo ny olona toy ny t@ 2001 indray.
13. toovs ( 24/05/2006 06:24)
Rainikarabo:

ny olana amin'ny vahoaka zatra niandry sy tolorana,ny olana kely amin-dRa8, toa marina ilay voalazan'i tangalamaitso.


fa tokony hangalatra na hanao aferafera ve ny vahoaka zany vao azo lazaina ho miezaka ve. raha tsy izany manko izy tsy afaka ho aiza am ty smic kely ty e. ary ra te hitady fond ve izy ahoana ny fahafahany manao credit am banky. Mba noeritreretinareo ve izany sa de faly manakiana vahoaka malagasy fotsiny.
14. prime ( 24/05/2006 07:13)
RA8 HO'A TSY MAINTSY LANY. :P
Ny fahitako azy indray dia nanana hevitra tsara mihitsy izy fa ireto mpira-miasa aminy (governemanta sy ny antenimiera) tsy maharaka ny fomba fiasany. Ka izy lasa ary aloha ry zalahy mbola lany andro amin'ny karajia any aoriana any.
Lasa izy filoha indray no voatery miverina amin'ny teniny ka toa mandainga mihitsy no fijery azy.
Fa ny gasy koa aloha tsy mahantra olo-manga izany e! tsy hoe tsy misy olona mahasolo izany. tsy andriamanitra akory ra8 fa izy fotsiny aloha izao no nahasahy tena nampiseho fahasahiana hampandroso na dia mbola eo indrindra ary isika izao.
15. arson ( 24/05/2006 07:19)
zao fotsiny ihany e!aza mieritra2 ankotran'ny ravalo fa raha io no mimala eo de miverina 00 indray e!i.e ilay zavatra nataony de tsisy anohy mihintsy.de eo indray isika mikatso e!
16. prime ( 24/05/2006 07:33)
Izay mihitsy kah!
Ny ahy fotsiny hoe ra8 aloha fa izy anie mandat iray sisa raha tsy hoe hanao ohatran'i deba koa hanova lalam-panorenana hanohizana mandat 2 na 3 aoriana e! izy mantsy mbola tanora ka mety hieritreritra izany ihany.
Ity asa natombony ity mantsy tsy vita mandat iray izany. Vao ny lalana anie izao no tena mivaingana aloha e, io ilay fototra (ankoatry ny ady isankarazany-kolikoly-sida sns...)! fa hoavy ny tena rindrina araka ny ambarany, fa mbola tsy maintsy hisy ny rihana, ny valin-drihina, ny tafo, ny fanatsaràna farany sns...
Ka tsy maintsy maminavina izay hisolo azy raha te-handroso marina fa tsy hoe ra8 mandrakizay izany. I deba ary efa loatra koh.
17. tangalamaitso ( 24/05/2006 08:16)
Ekena fa mbola i ra8 aloha no favori, saingy tandremo sao varianabe isika (vavalabemandry) ka tsy sahy mitsikera izay hita fa tsy mandeha @ laoniny sy mila fanatsaràna. Misy tokoa mantsy ny tsy mety sy madilana tokony hotentenina. Raha torahantsika voninkazo be loatra mantsy Ra8, dia ho sempotry ny fofom-boninkazo ao izy ka tsy hafafantatra hoe misy fofona hafa tokony hialàna. Sa ahoana!:D:D:D:D:D:D:D
18. prime ( 24/05/2006 09:32)
:-D:-D:-D:-D
Sady ilay fofona hafa tsy re tsaika hi!hi!hi
19. marozevo ( 24/05/2006 13:54)
Oay kosa ehh... Ravalo ve niteny hoe "hanana 4L daholo ny Malagasy?". Tsaroana tsara fa tany diego izy no niteny izany, fa tsy niteny izy hoe "ny Malagasy rehetra...". Nefa koa moa inona ny olana tsy havitantsika izany raha tena mba miasa amin'ny fo sy amin'ny feon'ny fieritreretana isika rehetra.
Ny mampalahelo ange dia isika ihany indraindray no mafimpihinana eh... Iza no manao tsolotra ? Iza no mandray tsolotra ? Ravalomanana ve ? Iza no mpiasam-birao mampijaly tambanivohitra ?
Marina fa ao anatin'ny sehatra "fitondrana" izy ireo, saingy olona nifidy koa fa tsy olona nofidiana.
20. fijo ( 24/05/2006 20:45)
izao e,atao kely ny kajy.
ny 4L iray aty frantsa izao dia 500€ eo ho eo ny vidiny.maro izay itako izay,fa io no vidiny itako.mahita 200€ aza aho indraindray,fa ataoko ankapobeny io.
ka raha 1€=2775Ar x5=13875fmg x 500=6.937.500fmg
raha tsy asiana doany ve,ka isaina koa ny fret;eo ho eo amin'ny 500€ eo koa ny mandefa azy avy aty.izany hoe 13.000 000 fmg eo ho eo izany ny vidin'ny 4L iray.takatry ny gasy ve io sa tsia?
ary raha tany antseranana izy no nanao io teny io.ny vahoaka any ve tsy ahatakatra an'io raha tena mikaroka????
samia mamaly an tsaina any ary.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1655