Ra8 mbola izy sa tsy izy intsony eo amin'ny fitondrana.
41. tangalamaitso
(
06/06/2006 10:08)
Toy ny "menaka" izy ity e! Ny resaka ataontsika eto, dia misoko mangina manenika izay takany. Koa aoka tsy hitsahatra raha toa ka mbola misy azo tenenina, indrindra fa ireo hevitra tsara hitondra soa ho an'ny vahoaka Malagasy sy Madagasikara. Marina fa tsy ho eo @ toeran'ny Filoha daholo isika rehetra ( sady iray ihany koa ange io toerana io e!), saingy azontsika atao (toy izao efa ataontsika izao e!) ny mandefa soso-kevitra @ fotoana sy sehatra maro isan-karazany ahafahana manao izany. rehefa ela ny ela tsy maintsy ho tonga any am-poto-tsofin'izay te hipetraka eo @ izany toerana maha Filoha izany ny resaka ataontsika. Izaho aloha mino an'izany e! Ary ianareo?
42. nandrianina
(
06/06/2006 20:59)
Ny ahy dia tsotra be, manao antso avo ho an' ny MALAGASY mitovy rà amiko aho ny mba hampandry ny filaminana sy fahendrena izay efa nananantsika hatrizay ; hendry ny MALAGASY ary mbola mankatoa an' izany fahendrena izany, ka aoka re mba tsy hataontsika hanointohina ny fiainam-bahoaka @ ankapobeny izay zavatra mety hitranga @ ity fifidianana ho avy ity , fa ho entina ampahendrena fotsiny ny fizotry ny fifidianana sy fampielezan-kevitra.Ny zava-misy mantsy dia efa toa miferinaina sahady ny MALAGASY fa hoe ho avy hono ny fifidianana, tsy tokony hataotra ny MALAGASY fa ny feo miely efa maro loatra,sy mifamaofao no mitady hanakirotana ny sainy ;hany ka mitady hiteraka voka-dratsy @ ny fiainany manontolo izany rehetra zany.Ny hisavorivoriana hono hilatoana hoy ny fitenenana KA MANGATAKA AN'IZAY REHETRA HITETI-DRATSY AHO MBA HANDINIKA NY MPIRAY TANINDRAZANA AMINY FA TSY MANANTSINY NY MALAGASY MANDADY HARONA. ALOHAN'NY HANATANTERAHANAREO NY ZAVATRA KASAINAREO ALOHA INAREO DIA TODIO MASO IREO MALAGASY MARO AN'ISA FA TSY MANATSINY TOY NY ZAZAKELY TSY MAHALALA N'INONA N'INONA.MISAOTRA MIALOHA,ARY MANANTENA FA MBOLA MITOETRA @'NY MALAGASY TSIRAIRAY IZANY FAHENDRENA MAMINTSIKA IZANY.MAHEREZA HATRANY.
NANDRIANINA.
NANDRIANINA.
43. marozevo
(
07/06/2006 20:18)
Io tsy fananan'ny maro tsiny io indrindra no araraotin-dry zalahy "sasany".
Misy dia misy anie ny maty eritreritra eh...
Ndao hitady hevitra mba hisy fiatraikany any amin'ny toe-tsain'ny Malagasy "mpifidy" izao takalon-kevitra ataontsika izao.
Inona no hevitra sy tetika ?
Misy dia misy anie ny maty eritreritra eh...
Ndao hitady hevitra mba hisy fiatraikany any amin'ny toe-tsain'ny Malagasy "mpifidy" izao takalon-kevitra ataontsika izao.
Inona no hevitra sy tetika ?
