Ra8 mbola izy sa tsy izy intsony eo amin'ny fitondrana.
21. soanja
(
25/05/2006 00:39)
toovs:
Rainikarabo:
ny olana amin'ny vahoaka zatra niandry sy tolorana,ny olana kely amin-dRa8, toa marina ilay voalazan'i tangalamaitso.
fa tokony hangalatra na hanao aferafera ve ny vahoaka zany vao azo lazaina ho miezaka ve. raha tsy izany manko izy tsy afaka ho aiza am ty smic kely ty e. ary ra te hitady fond ve izy ahoana ny fahafahany manao credit am banky. Mba noeritreretinareo ve izany sa de faly manakiana vahoaka malagasy fotsiny.
Raha tsy diso aho dia efa misy ny microfinance any na ilay antsoina hoe Microcredit. Afaka mindram-bola any daholo ny olona , ny sasany aza tsy mila collateral fa petatondro fotsiny dia ampy. Saingy mila mamerimbola ianao ary mila miaraka amin'ny namana hafa miara miantoka azy eo. Fomba tsara indrindra azo hiantombohana amin'ny fanaovana asa ho an'ny tena io (business) ary raha mahay mitantana dia tafita mihitsy. Ny TIAVO sns dia toy ireo. Ny any sisa andrasana amin'ny Malagasy dia ny fahazotoana hanao asa sy ny fiasan'ny saina handinika hoe inona no mampidi-bola amin'izao fotoana izao nefa tsy mandika lalana.
22. marozevo
(
25/05/2006 07:46)
Eo ilay resaka 4L... Possible ve sa tsy possible ny hananan'ny Malagasy 4L isam-pianakaviana ? Asa !!
fa mety hipetraka koa ny fanontaniana hoe "4L iray isam-pianakaviana tokoa ve no tena ilain'ny Malagasy?".
Fitantanana : Misy faritra sasany tena manam-bola be ny olona. Ohatra amin'izao fotoana izao, any amin'iny faritra Ankazomiriotra sy Mandoto iny dia raofina amin'ny Sobika ny vola (Fomba fiteny io hilazana ny habetsahany). Nefa afaka efatra na dimy volana dia fotsy... Iza no tompon'Andraikitra amin'izany ? Ravalomanana ve sa ny Minisitry ny toe-karena, sa ny sous-prefet ? Ataoko fa tsy ireo mihitsy.
Koa mila jerena akaiky tokoa ny fomba fitantanana araka io voalazan'i soanja io.

23. Rainikarabo
(
25/05/2006 13:39)
toovs:
[fa tokony hangalatra na hanao aferafera ve ny vahoaka zany vao azo lazaina ho miezaka ve. raha tsy izany manko izy tsy afaka ho aiza am ty smic kely ty e. ary ra te hitady fond ve izy ahoana ny fahafahany manao credit am banky. Mba noeritreretinareo ve izany sa de faly manakiana vahoaka malagasy fotsiny.
misy miresaka hoe mangalara angaha eo?
24. Rainikarabo
(
25/05/2006 13:47)
toovs> mandehana eny analakely, dia mahita olona tsy manao n'in'inona bdb ianao, makanesa any ambanivohitra, dia mahita olona mitanin'andro be dia be ianao, mankanesa eny an-drenivohitra, dia mahita olona mihainohaino eny amin'ny sisin-dalana sy mitaingi-tamboho, midira eny amin'ny birao ministera dia mahita olona tsy manana asa atao ianao fa milalao jeu amin'ny ordi no ataony, na mitangorona manafana resaka.
Andeha ho aiza amin'ny smig kely hoy ianao, dia hoy aho hoe ny kely ananana aloha no ahiratra,ary asa ianao reha efa niasa tany amin'ny zone franche na tsia, fa za efa niasa tany, ary tsoriko aminao fa tsy misy olona mandray smig any fa mazoto miasa be ny ankizy ary manao heure suppl.Ary tsy ireny olona miasa ireny akory ny tena tiako tenenina, fa ireo tsy manao n'inonn'inona, ary tsy manana eritreritra ny hampitombo ny eo an-tanany. Maro ny azo atao rehefa tena hoe hikaroka vola izany e!
aleo hazava aminao fa tsy manakiana ny vahoaka malagasy aho, fa gaga amin'ny tsy fahavitriany.
Taon-trano tsy efan'ny irery, ary ny fampandrosoana tsy asan'ny mpitondra ihany fa andraikitry ny vahoaka sy ny mpitondra miaraka.

25. ainga
(
25/05/2006 14:43)
Misaotra an\'i Rainkarabo nilaza zavatra mafonja, mampalahelo, ary mampieritreritra. Ny fitarihana olona hiary harena no olana ô ? Inona tokoa no ala-olana amin\'izany.
26. fijo
(
25/05/2006 19:52)
soa fa misy sahy milaza io fahazarantsika midonaka fotsiny io.ary dia io tokoa no tsy hampandroso.jereo anie ireo bandy "mpitsikaraka "ao tana ao e,gaga aho tany niaraka tamindri zalahy,fa dia tena any aminy ilay zavatra.ary dia milalao azy tokoa anie izany e.
27. soanja
(
25/05/2006 22:45)
fijo:
soa fa misy sahy milaza io fahazarantsika midonaka fotsiny io.ary dia io tokoa no tsy hampandroso.jereo anie ireo bandy "mpitsikaraka "ao tana ao e,gaga aho tany niaraka tamindri zalahy,fa dia tena any aminy ilay zavatra.ary dia milalao azy tokoa anie izany e.
Misy tokoa groupe-na olona tena mahay mitady vola ary migidina ohatra ny rano ny vola mandalo eo ampelatanany. Ny hany tsininy matetika hitako dia ny fitantanana, ary matetika io dia araka ny fahitako azy dia ny tsy fahampian'ny fahaizana, zany hoe ny education. Efa mba hitanareo ve rey olona izao vola raisin'ireo mpanao vato ao Ilakaka izao fotsiny aloha no resahiko. Dia anefa mampalahelo ahy ny mahita azy ireo hoe tsy hitany ahoana ny ampiasainy azy amin'ny zavatra tsara sy mivaingana ka haharitra (sustainable).
Mino aho fa miantomboka amin'ny fanabeazana (education in wholeness) ny zavatra rehetra.
28. prime
(
26/05/2006 08:17)
Misy marina ny an'i Rainikarabo. Fa tsy mitovy loatra kosa angamba aloha ny eto an-drenivohitra sy ny any ambanivohitra e. Any ambanivohitra hoy ianao mitanin'andro fa izaho milaza aminao, fa @ firy maraina ireny olona ireny no efa nahavita ny raharaha rehetra tany an-tsaha (mampidi-drano, manondraka, miava saha raha tsy hoe vao miasa tany mihitsy, mikarakara ny biby rehetra...) fa misy koa fotoana @ fiandrasana ny fiakaran'ny vokatra, dia miandry asa an-tselika hamenoana ny tsy ampy no andrasany eny amoron-dalana eny. Mety misy midonana-poana, fa vitsy izany izaho milaza aminao fa aza itarina kosa hoe ny tantsaha dia izany ny fiainany e.
Toy izany koa ny an'i soanja, marina ny anao fa mety tsy ampy ny fahaiza-manao eo @ lafiny fitantanana (tokony ampianarina tokoa izy ireo) fa etsy an-kilany kosa an, ny zana-bola alain'ny mpampindrana tena mafimafy. mbola tsy mihary tsara akory ilay tantsaha dia andoavana zana-bola ny 2/3 ny tombony hihafiany, ankoatr'ireo fepetra isankarazany izay mavesatra fa tsy mora ny mitady azy, ny antoka 1/3 ka hatr@ 1/2 vola indramina, ny fahafoezan'ny fotoana hamerenana, fanerena ankolaka isankarazany mba izay naman'ny mpampindrana ihany no mahazo mifampiraharaha ara-barotra @ ilay tantsaha sns.... Mafy e! tena mafy fa mbola zakan-dramalagasy izany aloha.
FA RA8 IHANY ALOHA HATR@ IZAO NO IZY E!:D

29. Rainikarabo
(
26/05/2006 15:32)
Prime> tsy manitatra aho ka.
ié Ra8 ihany aloha, dia amin'ny 2012 aza hadino fa i Rainikarabo indray:-D:-D
ié Ra8 ihany aloha, dia amin'ny 2012 aza hadino fa i Rainikarabo indray:-D:-D
30. fijo
(
26/05/2006 19:52)
eny e,ny hiarahana mihaiky aloha dia ny hoe ,i ravalo no hita fa mba nanao hatramin'izao.izany tsy midika fa tsy misy azo kianina ao.fa hisafidy mantsy izoa ny gasy.ka eo no mila fahadihadiana hoe iza?????ary izay no mahatonga antsika eto hanao izao tsikera sy torohevitra rehetra izao.
31. tangalamaitso
(
29/05/2006 05:55)
Isan'ny mason-tsivana tokony hananan'ireo olona hilatsaka hofidiana tsara hosainintsainintsika mpifidy koa izany manomboka izao ny fananana fahaiza-manentanana ny olona hiala @ io fahazaran-dratsy manao ariary zato am-pandriana io. Olana tokoa izy io eto amintsika ary tena olana lehibe mihitsy, koa raha tsy manana vahaolana @ izany izay mikasaka ny ho Filoham-pirenena dia aleo mailo ihany isika mpifidy. Mety ho any @ sehatry ny fanabeazana sy kolon-tsaina ve no vahaolana? Sa resaka famoronan'asa? Sa fomba fitantanana? Sa fahaizana manentana sy mitarika olona? Sa zavatra hafa?
32. marozevo
(
29/05/2006 20:08)
Misy marina ny lazain'i rainikarabo ao ambony ao... maro no tsy miasa fa mitanina andro fotsiny sns...
Raha ny any Ambanivohitra aloha, dia misy fotoanany ny lahasa, sao dia mba fotoana tsy fanaovana lahasa no nandalo tany ianao ! Misy fotoana kosa mba mila miala sasatra ireo tambanivohitra miasa mafy ireo. Tena miasa ireo, ary mifofotra tokoa... saingy ny mampalahelo dia misy olona mifehy azy fatratra, nefa ny palitao no hitanao eo amin'ny sezany.
Tena marina fa mila éducation isika rehetra, ary ny tena mila izany voalohany indrindra dia isika ao amin'ny secteur tertiaire.

33. prime
(
30/05/2006 03:25)
Maninona no miandry 2012 e! tonga dia raiso ny andraikitra rangahy fa sao dia tsy ra8 indray no izy a! :P
34. marozevo
(
30/05/2006 12:50)
Non mbola i Maihol aloha amin'ny 2012/2013, fa angamba amin'ny 2017 vao rainikarabo. Nefa raha mba samy manao deux mandats ohatra an-dRavalomanana daholo dia voatery miandry 2022 izany i Rainikarabo.
36. prime
(
31/05/2006 07:49)
O ry rainikarabo a! sao dia efa hanan-jafiafy amin'izany vao hoe "ho raisiko ny andraikitra" fa nantsoin-dry zalahy tao @ serasera tao 17 taona lasa izay???...:-D:-D:-D:-D
37. tangalamaitso
(
31/05/2006 11:39)
i prime koa tsy laitra raha hamporisika an! Ary maninona raha i rainikarabo no hotohanantsika, dia rehefa lany izy dia i prime no piraiminisitra e!?
38. prime
(
02/06/2006 09:44)
aleo tsy mitetateta amin'ny zavatra tsy hay... asa an'izany?!!!
vady aman-janaka aza manahirana ny mamelona azy, vahoaka aman-tapitrisany hany no miandrandra anao e! aleo ho an'izay mazoto e!
I Ranikarabo anie nanolotena @ 2012 mihitsy e! dia tohanantsika izy e!
Tangalamaitso koa anie ka mety kandidà "potentiel" tsara mihitsy e! izay milatsaka avy ato amin'ity dinika ity tokoa aloha no tokony hotohanana e! mahalala ny hevitry ny maro mantsy raha izao fandehany izao... :wink:

39. marozevo
(
03/06/2006 22:10)
Fa ilay "maro", mahafantatra an'izay mivoaka avy eto, dia vitsy an'isa raha oharina amin'ny Malagasy tena any Madagasikara. Firy % ntsika miteny sy manoratra eto ary izao no ho afaka hifidy amin'ny 3 dec? Za aloha dia efa tsy afaka.
40. prime
(
06/06/2006 06:41)
Marina ny anao ry marozevo, fa ny dinika ataontsika eto raha ny fahitako azy aloha mety hoe misy hevitra sy mba fandinihan'ny tena tokoa ka tsy misy lanjany raha raisina statistika, fa ny tena mivaingana toa hevitra miainga avy amin'ny zava-misy ihany koa ka manambara ny marina tokony ho fantatra... Izany hoe zavatra iainan'ny besinimaro...:D