TOKONY ATAHORANA VE ANDRIAMANITRA

1. naritsimba ( 17/05/2006 10:16)
Hoy ny zanako raha nanontaniako indray mandeha: Iza ny olona tena atahoranao indrindra?
Dia izao ny valiny nomeny : tsy misy atahorako na iza na iza afa-tsy ANDRIAMANITRA ihany. 10 Taona izy amin'io an.

Na izaho dadany aza izany tsy atahorany, moa ve diso izy sa hadalana sa inona no andraisanareo azy fa tamiko dia marina ny nolazainy satria na ao anatin'ny Baiboly aza dia 365 ny isan'ny soratra hoe Aza matahotra

Na ny malagasy aza dia manao hoe:Aza manao an'Andriamanitra tsy misy.
novalian'i prime ny 01/06/2006 11:10
2. jimna ( 17/05/2006 10:34)
izao aloha e, mba farito tsara aloha hoe inona no dikanilay hoe tahotra, misy ambaratonga manko ny mahatonga ny tahotra,
3. naej ( 17/05/2006 11:54)
Mazava tsara amin'ilay zaza aloa ve hoe:inona no atao hoe matahotra an'ATRA ,satria toa malalaka be loatra izany valinteniny izany na dia marina aza fa ATRA no tokony hatahorana alohan'ny rehetra.:)
4. agoago ( 17/05/2006 11:56)
Tokony atahorana izy satria mahita sy mahalala ny zava drehetra na dia ny miafina indrindra aza.
Raha mody tsy te haha lala izany ny olona dia anjarany.fa ny zavatra sur kosa aloha dia tsy maintsy hikipy ny masony indray andro any ary dia hihaona amin'ilay Andriamanitra izy @ izay.
Raha tsy mino izany indray izy dia asaivo miandry fa tsy maintsy ho avy izany.
5. Fiffi ( 17/05/2006 12:43)
Sambatra izy raha mbola kely tahak'izao no efa matahotra an'Andriamanitra . Misy manko olona tsy matahotra an'Andriamanitra zany fa de manao izao toetra ratsy tsy fanao rehetra izao.
Ny nahafantaran'io zaza io ny fahatahoran'Andriamanitra amiko aloha de anisan'ny ankizy voataiza tsara tao anatin'ny finoana izy , ary noho io indrindra no tsy hanaovany haditrana satria Mahery Andriamanitra ary izay mino azy sy mazoto hivavaka ary hanaraka ny teniny dia ho sambatra tokoa.
6. Achia ( 17/05/2006 13:28)
Tsy hoe tsy matahotra anao dadany izy fa nohony ny fanajany an'Andriamanitra izay manao hoe : manaja ny rainao sy ny reninao ...
7. Zina ( 17/05/2006 13:43)
oy Jimna
izao aloha e, mba farito tsara aloha hoe inona no dikanilay hoe tahotra, misy ambaratonga manko ny mahatonga ny tahotra,

marina mihitsy zany

mila jerena ny maha samy hafa ny dikan'io fatahorana io.

Raha ny dikan'ny hoe matahotra an'Andriamanitra dia tsy mitovy MIHITSY amin'ny fatahorana an'ny RAD.
Ny fatahorana an'Andriamanitra dia ny fanomezana azy HAJA sy VOninahitra...Andriamanitra tsy masika etc... fa be fitiavana. Tsy tokony hatahotra (peur) azy isika.
8. Fiffi ( 17/05/2006 14:44)
-Ny tahotra @ RAD aloha de ny tahotra ho bedy , voakapoka , na notreromina !

-Ny tahotra an'Andriamanitra indray de tsy hoe bedy na fitreromana fa fanajana satria fantany zany fa raha hivavaka amin'Andriamanitra izy fa nanao fahadisohana ka nahay nangataka famelana de ho fantany fa havela ny fahotany ara-pivavahana io an!

9. diamondra27 ( 17/05/2006 15:46)
ié, marina io hoe: "aza matahotra" = 365 fois écrit dans la bible
(jereo kely ilay dinika nosokafako momba ny tahotra, fa mety hanampy anao)

fa na zany aza de misy tenin'Atra nomeny antsika hampahery , promesse nomeny satria fantany fa ilaintsika 'zany promesses 'zany

tokony atahorana ve ATRA?
valiny: eny tompoko
10. pascal ( 17/05/2006 21:13)
Faly miarahaba ny tsirairay ?
za de mbola tsy Panoratra @ ity takelaka ity ra tsy ity zvt ray ty satria efa tsy diniko tsony le mahita resaka maro be samy hafa eto matetika ..
Ary le tena tiko marihina eto de ianareo le niteny hoe A/tra no matawatra an-tsika zana'olombelona ndrindra fa enao le nanoratra t@ takelaka fah-3 no tiko amaly azy ra manaraka tsara ianareo hoe :Inona ny antony ?????? {Naej}..
Manarakizay de mirary ny Ray Aman-dreny zaza za mba anoy ny fomba netiny nitazaina t@ zanany fona ary na hoela na hoaingana mbola ho vory saina izy ;Ary afantatra bb kokoa ny fahaizany manantona A/tra ..
Fa aza atao mampiova evitra ;
Manao veloma @ tsirairay iany koa .
11. booboo ( 18/05/2006 08:26)
Farito tsara klou lé tahotra resahina fa tsy azo tsy araka sady tsy mazava mitsy. Sahala @ matahotra hoe lanin'ny kakabesola raha maditra ?
12. mihoby ( 18/05/2006 10:35)
Raha misy ny tokony atahorana voalohany de Andriamanitra,
Sambatra ianareo Ray aman-drenin' ilay zaza efa matahoatra an' Andriamanitra sahady ,
azo antoka mantsy fa tsy sahy hanao ratsy mintsy izy, ary mino aho fa manana toetra tsara mahafaly anareo ray aman-dreniny io zaza io ,ary mbola mino ihany koa aho fa raha niteny izy tsy niteniteny ho azy fa ny fanahin' A/tra izay efa ao @ no nampiteny azy , ary tena azo antoka fa ny vokatrin'ny fanahy no ao @ ,
eto mou aho de mandrisika anareo ray aman-dreniny mba hanoy ny fitaizana azy @ fivavahana ary hitombo hatrany aza,
ary mirary antsika efa ray aman-dreny rehetra mba hanao fitaratra ny zavatra tsara toy izao , de ny hitondra ny zanan-tsika ho eo @ A/tra sy hampianatra azy ny ahalala sy hatahoatra an A/tra ihany koa
De mirary soa ho antsika rehetra
13. booboo ( 18/05/2006 10:43)
tsary mazava mitsy zao tahots tahotsy lazainareo zao kah !
14. naej ( 18/05/2006 13:16)
HOY PASCAL :Ary le tena tiko marihina eto de ianareo le niteny hoe A/tra no matawatra an-tsika zana'olombelona ndrindra fa enao le nanoratra t@ takelaka fah-3 no tiko amaly azy ra manaraka tsara ianareo hoe :Inona ny antony ?????? {Naej}.. FA ANGA NISY NILAZA AN'IO TAO? Ny ANTONY HATAHORANA AN'ATRA VE SATRIA IZY NO ALPHA ARY IZY NO OMEGA ARY TSY MISY AFA TSY IZY NO TOMPON'NY TOMPO,TSY MAINTSY HO TSARAINY IZAY NATAONAO REHETRA ANY AM-PARANY ANY,ENY FA NA MBOLA ETO AN-TANY AZA DIA TSAPA FA MISY VALINY AVOKOA NY VOKATRY NY TSY FAHATAHORANA AZY,
TAHOTRA ETO = MANAJA , MANKATO .
15. Fiffi ( 18/05/2006 13:30)
naej: aza soratana maziskill aloh fa tena tsy araka mihintsy le voalaza an!
16. Zina ( 18/05/2006 18:10)
oy i naej
TAHOTRA ETO = MANAJA , MANKATO .

zany marina mihtsy ka

asa na mamaky ny olona ato na tsy
17. Fiffi ( 18/05/2006 18:20)
Zina:
asa na mamaky ny olona ato na tsy
fa nahoana no tsy hamaky ny olona ato ? Raha ireo olona rehetra namaly ireo syianao koa anie tsy maintsy namaky alohan'ny namaliana eh!


18. marozevo ( 18/05/2006 21:39)
Izay tsy mamaky tsy mahazo miditra eto ! haninona fotsiny eto ?

Asa na mbola hiverina eto i Pascal na tsia, fa mampalahelo be fa asa na iniana na tena tsy fahaizana fa mila tsy ho azo ny 50% n'ny lazainy noho ny fahadisoana eo amin'ny fanoratana ny teny malagasy. mampalahelo sy mahavaky fo.
19. naritsimba ( 19/05/2006 04:12)
miarahaba anareo rehetra.
ny nahatonga ilay fanontaniana dia izao:
Nisy zavatra noresahinay mianaka t@ io fotoana io dia ny resaka hoe matahotra ny sefo ny ankabeazan'ny mpiasa Malagasy ary misy ny tora-kovitra raha vao mahita Directeur ne chef de service, na sendra tafaresaka @ izy ireny dia ny tahotra no ao anatin'ny tsirairay matetika.
Dia voaresaka koa ny hoe : elà toa tsy miresaka @ Mpampianatra an'là rehefa mifanena aminy eny an-dalana sa matahotra azy?
Dia io no navaliny hoe : tsy misy atahorako afa-tsy Andriamanitra ihany.
Angamba mazava @ rehetra ny nahatonga ilay resaka ka dia miandry izay valinteny sy hevitry ny tsirairay e
20. Fiffi ( 19/05/2006 04:20)
naritsimba: ary mba nanotanianao ve hoe fa nahoana ? inona no antony ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6837