TOKONY ATAHORANA VE ANDRIAMANITRA
21. booboo
(
19/05/2006 09:21)
Zina, Marozevo > :°)zà klou tsy mamaky refa mikikiaka lé oul e :°):°)
22. Fitia
(
19/05/2006 12:01)
Miombo-kevitra @ i Mihoby aho ary dia mampirisika anareo RAD mba ho hita taratra eo aminareo ihany koa ny fatahorana an'Andriamanitra.
23. Fiffi
(
19/05/2006 12:24)
zah koh aloha rehefa mikikiaka de tsy dia mamky loatra aho an! fa mahasorena ka hialana tsiny eh!
24. Zina
(
19/05/2006 14:23)
oy i fiffi
efa azavaina tsara ery ambony ery dia mbola dia
ny eo ihany no miverina .. ZANY NO TIKO LAZAINA
fa nahoana no tsy hamaky ny olona ato ? Raha ireo olona rehetra namaly ireo syianao koa anie tsy maintsy namaky alohan'ny namaliana eh!
efa azavaina tsara ery ambony ery dia mbola dia
ny eo ihany no miverina .. ZANY NO TIKO LAZAINA
26. Fiffi
(
19/05/2006 15:07)
Zina: tsy misy manakana anao hilaza izay tianao lazaina anie eh! na iza na iza koa izany ! adi-hevitra ny eto ary resaka fivavahana sy finoana ka aoka isika mba ho kalma arak'io nolazain'i booboo io!
27. naritsimba
(
20/05/2006 09:34)
Fiffi > Efa nanontaniako azy aloha ny antony dia tsotra ny navaliny: izany no nolazain'ny mpampianatra hoy izy, Andriamanitra ihany no tokony atahorana hoy izy satria rehefa matahotra an'Andriamanitra ny olona dia tsy manaonao foana intsony.
28. marozevo
(
21/05/2006 08:37)
Tsy sanatria akory Andriamanitra ny lehibe sy ny ray aman-dreny, nefa tokony mba hasiana sombin-tahotra ihany koa ho azy ireo na izany aza. tahotra tsy "crainte", fa tahotra noho ny fanajana.
Fa na izany na tsy izany, dia ekena ny filazana fa izay matahotra an'Andriamanitra dia tsy afaka ny hanaonao foana.
Fa na izany na tsy izany, dia ekena ny filazana fa izay matahotra an'Andriamanitra dia tsy afaka ny hanaonao foana.
29. Fiffi
(
21/05/2006 12:16)
naritsimba: tsara aloha le hoe ny mpampianatra no mampianatra an'izany , saingy tandremana fotsiny koa sao sanatry mivadika tahotra hafa ilay izy.
Izany hoe: misy manko ny ankizy , ary @ maha-ankizy azy de misy ny tsy mbola mahafantatra loatra hoe iza Andriamanitra , ka soa sanatria ka raisiny hoe olona mpitsikilo ny zaza manao hadalana . Fa zany hoe miankina koa @ fampianarana ny ankizy ny sekoly halahady zany sy ny fahazotoana mandeha mivavaka mba hahafantatra bebe kokoa an'Andriamanitra.

Fa na izany na tsy izany, dia ekena ny filazana fa izay matahotra an'Andriamanitra dia tsy afaka ny hanaonao foana.marozevo: tsy azoko loatra an! marina aloha fa iza no tsy manota ? iza no tsy manaonao foana ? io zany zao azo raisina hoe "ny fakam-panahy" ka raha mba haraham-bavaka ve moa tsy ho voasakana ny fanaovanaovam-poana ?
30. ravatorano
(
22/05/2006 09:23)
raha ny hitako manokana aloha dia matahotra an Andriamanitra ny ankizy fa za tsy tena mino hoe eo anatrehan ny resaka misy manolona tarehinjavatra anakiray dia tsy maintsy Andriamanitra no atahorany voalohany.
Ohatra raha milalao boll basket ao antrano izy d tsy maintsy ny ray amandreniny sy ny zokiny no atahorany voalohany satria ireo hiteny azy hoe tsy mety zao fa ndaha any ivelany
na izao koa miaraka amiko izy dia anontaniako hoe maninn lah tsy meraba ny mpampianatr 'elah ? sa tsy mataotra anazy elah ?
Zà sahy milaza fa tsy hiteny an izao miitsy ilay zanako hoe tsy matahotra an iny aho fa Andriamanitra irery ihany no atahoraka satria zao no antony voalohany indrindra aloha tsy fombany izany tsy hiarahaba olona fantany izany indrindra fa mpampianany ary amizay indray fantatro fa mpampianany ilay mifanena aminay

31. ravatorano
(
22/05/2006 09:25)
ekeko fa tokony ary tsy maintsy atahorana Andriamanitra raha toa ka manaja sy makato Azy ianao ary efa voalazan 'ny namana maro ery ambony ny momba izay ka tsy asiako sira intsony :wink:
32. naej
(
22/05/2006 11:55)
fifi: mba anavahako ny tenin'i Pascal sy ny ahy no nanoratako ilay majuscule fa tsy inona akory, Fa inona no tsy mazava aminao?
Ary mazava @ pascal ve ilay izy ? ianao mantsy toa mila manokana ny valinteniko.
Tokony hatahorana A/TRA , ny fanajana sy fankatoavana ny didy folo angamba dia efa mahafoaka ny lafiny rehetra amin'izany , ilay hoe AZA.... ao @ baiboly e!:)Mahafinaritra fa isika rehetra izay manoratra ato dia resy lahatra ny amin'izany daholo,ny ezaka hahatanteraka azy sisa sa ahoana ?

35. vale
(
22/05/2006 21:38)
naritsimba:
Hoy ny zanako raha nanontaniako indray mandeha: Iza ny olona tena atahoranao indrindra?
Dia izao ny valiny nomeny : tsy misy atahorako na iza na iza afa-tsy ANDRIAMANITRA ihany. 10 Taona izy amin'io an.
Na izaho dadany aza izany tsy atahorany, moa ve diso izy sa hadalana sa inona no andraisanareo azy fa tamiko dia marina ny nolazainy satria na ao anatin'ny Baiboly aza dia 365 ny isan'ny soratra hoe Aza matahotra
Na ny malagasy aza dia manao hoe:Aza manao an'Andriamanitra tsy misy.
Naritsimba a,
misy tsy azoko ny tianao hambara>> hoy ny zanakao hoe tsisy atahorako afa-tsy andriamanitra irery ihany, dia niteny ianao fa "marina ny azy",, hatreo aloha mazava;
fa ny tsy azoko dia ilay teninao hoe "satria na ao anatin'ny baiboly aza dia 365 ny isan'ny soratra hoe >>>aza matahotra.
Ilay teny hoe "aza matahotra" ao anaty baiboly ve mamporisika ny olona tsy hiraharaha ny hafa izany? sa?,,,,satria hoy koa ianao hoe na izaho dadany aza tsy atahorany,,,:?::)
38. tisera
(
24/05/2006 16:17)
Tsy hoe mamaly eo @ toeran'i naritsimba aloha zà fa rà ny fandraisako ilay hoe "aza matahotra" dia teny fampaherezana omen'Atra ny olony mba hiatrika am-pasahiana ny fiainana ka tsy ho resin-tahotra na inona na inona satria Izy Tompo no miahy é!
39. Fiffi
(
25/05/2006 05:43)
Ilay teny hoe "aza matahotra" ao anaty baiboly ve mamporisika ny olona tsy hiraharaha ny hafa izany? sa?,,,,satria hoy koa ianao hoe na izaho dadany aza tsy atahorany,,,vale: hummmm ! tsara be ilay fanontaniana fa aleo aloha hoe handrasana kely i naritsimba momba an'io ?
40. marozevo
(
25/05/2006 07:11)
Ilay hoe "aza matahotra" anie tsara dia tsara eh. fa miteraka dinika roa ilay izy :
1 - Inona marina aloha ny tiana hambara amin'ny teny hoe "tahotra", raha eo amin'ny sehatry ny finoana no resahina.
2 - Midika ho tsy firaharahiana ny hafa ve ny tsy fahatahorana azy ? = Mpampianatra; ray aman-dreny sns..
Ireo no andrasana amin'i naritsimba, sy amintsika rehetra koa angamba