TOKONY ATAHORANA VE ANDRIAMANITRA

41. MioraArielle ( 25/05/2006 15:29)
Hoy VALE

N fa ny tsy azoko dia ilay teninao hoe \"satria na ao anatin\'ny baiboly aza dia 365 ny isan\'ny soratra hoe >>>aza matahotra.

Ilay teny hoe \"aza matahotra\" ao anaty baiboly ve mamporisika ny olona tsy hiraharaha ny hafa izany? sa?,,,,satria hoy koa ianao hoe na izaho dadany aza tsy atahorany,,,
">

Tsy sanatria mamporisika ny olona hanaonao foana akory raha tena olona misaina sy mahay mandanjalanja ary indrindra olona mandinika fa : NATAO HAMPORISIKA NY OLONA HO SAHY HITENY NY MARINA EO ANATREHAN\'NY TSY RARINY SY NY FINGAPINGANA ARY NY FAMPITAHORANA NA ARAKA ASA NA ARA PIARAHA MONINA SATRIA IZAY NO TENA HAHAFOANA NY KOLIKOLY KA HAHATANTERAKA ILAY FITENY HOE : TSY HANANAN-KAVANA NY RAHARAHA ATAO.

ravatorano: tsy nisy ange ny lainga, ny fosafosa ny halatra, ny hafetsifetsena, ny kolikoly sy ireo maro tsy voatanisa raha toa ka nanan-tahotra isika olombelona eh. saahoana hoy ianareo izay mamaky an\'ity?
raha nizotra t@ lalana marina isika dia tsy misy akory ny FORUM na fifanakalozan-kevitra tahaka an\'izao.
RAHOVIANA RE VAO HIOVA RA OLOMBELONA SY NY FITIAVAN-TENANY EH?

NARITSIMBA
42. MioraArielle ( 25/05/2006 15:29)

43. Fiffi ( 25/05/2006 15:37)
fa nisy inona tato no lasa ngezabe tahak'izao ? no miverina in-2 ny valiny ? fa maninona no mikikika tahak'izao ?
44. marozevo ( 26/05/2006 20:53)
Oay tokoa....
Tokony ho tsy nisy akory izao forum izao, hoy i Mioraarielle raha samy nizotra tamin'ny marina isika rehetra.

Hita izany fa tsy mizotra amin'ny marina ny olona, ka isika eto amin'ity forum ity dia mandray anjara feno amin'ny fampatsiahiivana ny lalana marina. Izany koa angamba no adidin'ity forum ity.
45. Fiffi ( 27/05/2006 08:04)
fa le mivazavaza be aloha tsy lasa an! afaka tsara mifanazava tsy hisy fahatezerana ange eh!
Ny lohateny de ny hoe" Tokony hatahorana ve Andriamanitra" ?
46. prime ( 01/06/2006 09:28)
"Fa ny fatahorana an'Andriamanitra no voaloham-pahendrena..."
Tahotra amin'ny teny avoaka sy ambara, "fa tsy ny miditra ny vavan'ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka ny vava... satria izany dia avy amin'ny fo..."; tahotra amin'ny asa, tahotra amin'ny fitiavana, tahotra amin'ny fihetsika...
Tokony hitoetra raha ny hevitro ny tahotra an'Andriamanitra satria ahoana moa no hamaliantsika ratsy ilay nahary antsika? Tokony miainga amin'ny fitiavana Azy izany raha ny fijeriko aloha e! fa tsy matahotra fotsiny satria tokony hatahotra.
Tsy dia hitako ny hatahorana Azy ohatra rehefa tsy mino Azy akory...
47. toovs ( 01/06/2006 10:42)
satria ny zanakao notaizana tamin'ny finoana fa raha zanaka tsy mpino izy ka tsy mpino daholo no ao anatin'ny société iainany de tsy nahafantatra akory izy hoe topkony hataorana ny Andriamanitra.
48. prime ( 01/06/2006 11:10)
Mety ho marina izany, fa izaho mino fa tsy misy olona (raha eto an-drenivohitra aloha an!) tsy mifanerasera amin'ny mino izany... na ny zanaka tsy mpino aza an, tsy maintsy misy tontolo ifaneraserany amin'ny mino foana, ary izay indrindra no manamafy ny fahalalàhan'ny tsirairay, fa mety ilay tokantrano no tsy mino, dia afaka tsy hino koa ny ankizy fa tsy azo terena amin'izany.
Fa mbola tsy maintsy hisy andro iray iantsoan'Andriamanitra ny iray, (mety ho iray ihany aloha no ilainy) dia eo ianao vao ho gaga...:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0073