I deputé mpiady ? fantatrareo ve

21. xxx ( 20/05/2006 11:43)
Alefaso ary ny fitoriana fa miandry aho. Ho hita eto izay tena mpandainga.
Faharoa : raha manaraka ny lòjikan-kevitra mandeha ianao dia tsy tokony hametraka io fanontaniana io. Izay anie no hilazako anareo hoe ny saina no ampiasaina eto é ! Terenareo ho fifamaliana hatrany ny resaka fa tsy any amin'ny votoatin-dresaka no valiana.
Ary ohatr'izay foana raha misy tsy mitovy hevitra aminareo.
Izay fa dia miandry ny fitorian-drangahy aho.
22. fijo ( 20/05/2006 21:21)
za aloha tsy hifamaly be amin'i XXX satria amiko midika tsy fanajana sy fahalemena le tsy fahasahiana miseho sy mijoro amin'ny heviny.

raha le fanontaniana hoe firy no faly amin'i anona sy anona ,sarotra be,ary na enao io aza tsy mahavaly izany,fa ny fifidianana ihany no hafaka mamaly iany.

ilay hoe mangalatra ,indray,amiko rehefa be ny vola ampiasaina,dia mazava hoazy ,fa be koa ny tombony azo.ka tsy misy profo hilazana fa mangalatra izay manitatra ny orinasany.

misy fitenenana izay koa milaza hoe:"aleo mpanao ploitika ,mangalatra kely,nefa mahavita zavatra ,toa izay,mpanao politika tsy maka mihintsy ,nefa tsy manao ninoninona koa"(i zafy ohatra)nefa i zafy koa aza toa misy foe fa nanodina ihany tao.ka asa
23. marozevo ( 21/05/2006 08:29)
Dia hitanareo mpikarakara izany io tenin'i xxx io. I Marozevo, hono, mpandainga. Angatahako ny hanomezany porofo, raha tsy izany dia asa izay tokony hatao ? sangy mihoatra ny loha....
24. lamie ( 21/05/2006 10:06)
marozevo a! aza taitaitra @ xxx e! sady espion nedala, no inconnu,no be lazao nefa paokaty e!
25. xxx ( 21/05/2006 14:21)
:-D:-D:-D
Aiza re izany ry Marozevo é. Maninona no dia velon-taraina sahady. Tsy nampoiziko ho kely aina kay ko. Araho ihany ny torohevitry lamie fa sao dia harary eo ny hiafarany. Mba mifanohantohana é.
Ho an'ny renfort vaovao dia i Fijo izany. Tsy voatery ho fahalemena ny anonymat fa aza mirediredy. Raha izany dia tsy tokony nasian'ny mpikarakara an'io teto. Tsy hiditra lalina @ iny aho.
Raha ny fifidianana no resahinao dia halatra na forcing angamba sisa no hahalany an-dRavalo eo. Jereo t@ ireny fanonganana an'i Lahiniriko ireny fotsiny é. Tamin'ny 2001 aza izy dia " 50% " no nahalany azy. Amin'izao fahantrana lalina sy fahadisoam-panantenana manjo ny vahoaka izao ve dia mbola ho lany ihany ve. Ny fanatisma sy ireo olom-bitsy nahita tombotsoa taminy angamba no sisa hifidy azy. Marina fa efa nahazo ny anjarany daholo ny mambra ao @ HCC sy ny chef de District kanefa tsy hahahovoka firy eo intsony é.
26. xxx ( 21/05/2006 14:44)
Tsy nisy nahavita noho i Ra8 aloha e!
Momban'ny fahantrana dia tsy hoafaka vetivety akory io n'iza n'iza eo, indrindra fa raha fanahiniana korontanina ny firenena, toy ny ataon i Zafy sy ny namany izao. Tsy hitako izay mety hotsara noho io aloha izao, efa teo daholo ihany ireo sasany fa dia tsy hita izay nataony teo.
27. Fiffi ( 21/05/2006 14:46)
marozevo a! aza taitaitra @ xxx e! sady espion nedala, no inconnu,no be lazao nefa paokaty e!
hoy i lamie io an! ka inona no andeha hanarahana anao ry xxx ? ho lasa paokaty eo koa ve ?

Fijo , marozevo: zany hiany ange hoa eh! raha vao miditra xxx ny tsy sahy miseho masoandro de tahak'izao foana ny fandehan-dresaka !!
28. lamie ( 21/05/2006 19:03)
ny mapalahelo ange dia isika indray no mifamaly eto e!fa na xxx na sareraka ange ka mandranitra antsika fotsiny e!rehefa manana ny ho fidiany ry zalahy dia tsara zany: hifidy ry zalahy, tena tsara io!fa aza azony @ jeu-ny isika e!malahelo ry zalahy fa tsy nahavita nanangona e!
29. xxx ( 21/05/2006 19:41)
Ho an'i Lamie sy Fiffi : misy xxx anankiroa io ka iza @ ireo no tianareo tenenina ? Ilay momba anareo sa ilay tsy mitovy hevitra aminareo ?
Ho an'i xxx iray, aza odian-tsy hita ny hadalana vitan'ity Fitondrana ity é. Mba jereo @ maso tsy miangatra ho aho ny fandehan-javatra é. Izao foana anie no mampahantra ny firenentsika é. Dia isika manaiky ho handevozina sy hitsakitsahina. Tsy vitan'ny manaiky moa fa mankasitraka. Ataoko tsy lany olo-marina i Madagasikara ka hilefitra @ olona anankiray efa tsy mamely.
Na izany aza manaja ny safidinareo aho. Tohano izy raha mbola hitanareo fa mbola mahavita azy fa avelao koa izahay haneho ny hevitray.
30. xxx ( 21/05/2006 22:47)
Tsy misy mahafapo ahy aloha ireo sasany ireo e! Indrindra fa ireo efa nitondra teo tahakan'i Zafy.
31. lamie ( 22/05/2006 12:24)
aza dia be sendaotra ry xxx a! samy manana ny heviny izaho sy fiffi, aoka tsy ampiarahina ny resaka, samy hafa koa ny atidoha e!inona moa ny azoko lazaina aminao?raha izaho manokana:manana ny safidiko aho,manana maso sy saina nandinika sy nahita,raha zafy no tsy tianao? aza mifidy azy fotsiny e! fa raha jerena kosa ny nahavita sy ny tsy nahavita mihitsy: samihafa amiko,hatr'izay r'ise tsy nisy zava-bita teto dago, zay fanampiana tonga :lasa ampaosindry zalahy,zara aza fa nisy nanamboatra ty tana fa tena manimba fiara ny làlana nefa ny pieces na tsy misy na misy fa lafo tsy taka-bola!sady toerana ifandimbiasana ny fitondrana e!
32. marozevo ( 22/05/2006 20:14)
Aiza ianareo mpikarakara ehhh.... Mitaraina ny mpandainga !

Io maha roa an'i xxx io no tsy anekena ny xxx. Asio fiheverana kely io ry mpikarakara ah...

Ento le porofo Raxxx ah !

Tsy tezitra aho akory fa mitaky ny marina..
33. xxx ( 22/05/2006 21:54)
Ny ahy aloha dia iR8 no mbola hitako fa mahavita zavatra e!
34. marozevo ( 24/05/2006 14:24)
Za indray tsy miala amin'ny "Zan egeen" eh. Iny manko sady matanjaka no be VONINAHITRA.
35. xxx ( 24/05/2006 20:37)
Inona ary ity miantso mpikarakara lava ity é ! Rehefa tsy manan-kevitra dia miala eto. Koa tsy zazakely ko dia hitaraina lava. Zao koa anie miandry ny porofo avy any aminao é.
Io izao ianao tsy manaja anaran'ny olona dia mety ve io ataonao io ?
Mba eritrereto ihany ny atao vao mba be koretaka lava ohatr'io fa mahamenatra, mba olon-dehibe ihany ny tena.
36. fijo ( 24/05/2006 21:20)
rehefa mifidy anie ry zareo ka manao vato x(fotsy)dia vato tsy misy vidiny izay e.ka toa izay koa le X ato.aza asiana vidiny fa ,izany tsy sahy misedra olona izany no tena fahambaniana ratsy indrindra.
ireny le toa ny rivotra avoaka e,tsy hita fa re.
37. marozevo ( 25/05/2006 07:57)
xxx > Fa iza ialahy no hanana zo hanala ahy eto ?
38. fijo ( 25/05/2006 20:10)
marozevo an,jereo io ohatra nilazako azy io,dia avelao izy hamofona eo.
39. prime ( 26/05/2006 09:28)
I depiote v no mahatonga an'izao e??????!!!!:
:-D-D:-D:-D:-D
40. fijo ( 26/05/2006 20:08)
izy daholo izay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5034