Rehefa dinika lalina dia manjavona Sareraka

1. hery ( 12/05/2006 08:04)
Tsy tsapanareo ve fa rehefa manomboka lalindalina ny dinika dia manjavona ry Sareraka sy Petsambava sy ry ... sy ry xxx? :-) rehefa misy mangataka sosokevitra na misy mametraka sosokevitra hieritreretana tokoa ny fampandrosoana ny firenena dia iny ry zalahy no tsy hita. Rehefa misy manontany ny heviny hoe inona ary no eritreretinao hanatsarana azy... dia mangina ry zalahy. Rehefa tenenina hoe sao dia tsy ny mpitondra no olana? dia ohatran'ny tsy teo?

Ny mahafaly andry zalahy dia ilay mitatatata indray mandeha hoe tsy mety izao, tsy rariny izao, tsy mamely nareo... dia izay.

Inona izany toetra izany?
- Toetra nahazatra ny MFM hatramin'izay izany. 'Ndao handrava... fa avy eo de tsy hita.
- Ny MFM dia natao ho mpitarika tolona fotsiny... fa tsy vonona ny ho eo amin'ny fitondrana (Satria tsy hainy izany)
- Ny MFM hatramin'izay dia faly mampiakatra afo fotsiny (sy tia mirombo) ex. Pety, sy ireo mpitarika grevy teny Ankatso... fa rehefa apetraka eo amin'ny fitondrana izy dia izay no vita.

Ka hoy aho hoe... sao dia mba MFM kou i Sareraka na i Petsambava? Raha izay dia toa efa hita le fika... fa ialao pà malakilaky :-)

Ity izao misy lahatsoratra tsy ahitana andry zalahy mihitsy :-)
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m444d3de4c4667
novalian'i toovs ny 09/06/2006 14:37
2. Rainikarabo ( 12/05/2006 08:06)
he he :D
3. sareraka ( 12/05/2006 08:42)
Tsy hitako aloha io ady hevitra io e!
Miàla tsiny aminao aho aloha ry rahalahy hery fa tsy MFM ny tenako ary tsy AREMA koa.
Ny MFM anie izao ka mouvance présidentielle e!
Ny toe-tsaiko izay nahafantatra ahy dia ny miteny refa hita fa misy tsy mety
point à la ligne
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
4. Fiffi ( 12/05/2006 09:01)
ka @ fomba ahoana moa ny hahitana an'io dinika io rehefa zatra mitabataba loatra fa tsy mba mijery na mamaky izay lazain'ny hafa ? :wink:
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
5. sareraka ( 12/05/2006 09:05)
halaza mihintsy ity
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY ITY r'anabavy FIFFI ah!

Ny hevitra no aoka hiady fa tsy ny olona e !
samy gasy daholo na tsy mitovy aza ny hevitra
6. Fiffi ( 12/05/2006 09:06)
nisy haretimifindra :-D:-D:-D fa tena marina kosa loha io volazan'i hery io an! raha vao misy mi-contre ilay dinika nalefany de iny izy miala pà! hehehehehe :)
7. apache ( 12/05/2006 09:13)
Izaho "apache" dia mahafantatra namana mpanao ireny karazan-kira ireny fa io namako io indray tsy hoe nanjavona fa no-menacena tany an-tranony mihintsy vao maraina be hoe ajanony ilay karazan-kira ohatr'izao ireny raha. Olona eo amin'ny fitondrana amin'izao ft izao no nanao izany ary marihiko fa io namako io dia tsy mahazo an'Antsahamanitra intsony raha hanao fety.
8. hery ( 12/05/2006 09:29)
apache> euh... tsy i Sareraka tena i Sareraka mpihira no resahako eto fa ilay Sareraka (fopla :-)) eto amin'ny serasera kah.
9. ari.malala ( 12/05/2006 09:33)
hihih, izy izany ilay antsoina hoe mpanao tsobo-dranon-dramiangaly ko! raha marivo ny rano dia irobohana fa rrefa lalina kosa dia ialao pà...
10. Fiffi ( 12/05/2006 09:59)
sareraka:

Ny hevitra no aoka hiady fa tsy ny olona e !
samy gasy daholo na tsy mitovy aza ny hevitra
ka ny olana anie de fanaovana foplan'ny anaran'olona eh! Samy gasy marina ary tsy hitovy mihintsy ny hevitra! KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?


11. apache ( 12/05/2006 10:13)
hery:

apache> euh... tsy i Sareraka tena i Sareraka mpihira no resahako eto fa ilay Sareraka (fopla :-)) eto amin'ny serasera kah.

kiiiiiiiii!!!! zao manjary niteny ny tsy tokony ho tenenina leaza, aleo aloha asiana calumet de la paix kely handinihina an'izany erera sistema izany
:lol:
12. fasaly ( 12/05/2006 10:41)
diso serieux lotsa i apache kou!:-D:-D:-D:-D
13. Fiffi ( 12/05/2006 10:52)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
14. jentilisa ( 12/05/2006 12:22)
Fa nomenasena tamin'inona koa, hono izany? vavabe tsy mitondra mankaiza raha izany! raha ilay rangahy iry kosa aloha dia nanao fôpla tamin'ny fanaovan-dalana teto amin'ny tanàna nedala matoa tsy sahy niteny betsaka intsony e!
15. Zina ( 12/05/2006 14:17)
Ny olona be vava tsy mba lasa lavitra...
16. Fiffi ( 12/05/2006 17:50)
tsy lasa lavitra marina .........!!!!
17. fijo ( 12/05/2006 20:51)
ny mahavoa ny sasany anie dia le mamerina ny efa hay,sy hiaraha maheno foana e.tsy mety e,ahongano e,aiza ny izao e,
fa iny ry zalahy efa hain'ny rehetra an.fa raha tena te hampiseo fa misaina sy mahay,dia mba miezaha miavaka amin',ny maro.mba lazao indray hoe :"ary raha izao ve no atao,mba ahoana?"
ny tena mampiavaka ny hafa anie dia manova ilay tsy mety ,mba ahintsy amin'ny hilana azy e.
18. marozevo ( 12/05/2006 21:40)
Koa satria miseho eo amin'ny lohahevitra mihitsy ny anaran'i Sareraka, sady io koa izy fa tonga eto ihany, koa mbola iziriziriana ny mamerina ny fanontaniana : Tena ianao ve ilay Sareraka mihira hoe "Ataovy ny plan!" ?
Betsaka manko ny zavatra interessant tiana ho resahina sy hifanakalozan-kevitra, satria ianao dia olo malaza hatry ny ela, nefa misalasala ihany ny tena sao dia mijabaka any amin'ny mpisandoka.
19. Fiffi ( 13/05/2006 04:27)
ka efa hoe le foplà io koh !
20. fijo ( 14/05/2006 03:50)
tsy yonika fopla io fa i sareraka fopla izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5263