Rehefa dinika lalina dia manjavona Sareraka

21. pitchou ( 14/05/2006 04:54)
ka atao ahoana fa izay aza no mba vitany e! mizara 3 eo ho eo ny karazan'olona: ny miezaka mijery izay mahatsara izay rehetra hita (izay vao manitsy izay heveriny ho tsy mety), ny mikaroka mamono tena mintsy mitsikilo izay tsy mety @ zavatra na hevitra hitany (d tsy mahita ny tsara mihitsy!), ary ireo tsy manana hevitra mihitsy fa d mivilivily miankavia miankavanana foana ny lohany!
ary efa lasa sahady angaha i sareraka teo sa ... reraka? @ manaraka aza aza mitsoaka intsony rehefa mafana ny resaka!
22. Fiffi ( 14/05/2006 04:58)
méditation hono izy ! :wink:
23. toovs ( 09/06/2006 14:37)
andray kosa izany péjoration ataonao olona sy antokon'olona le. tena mahafantatra tsara ny problème an'i MFM ve enao. Zah tsy MFM fa hitako sady nohazavaina tamiko ny nahatonga azireo tsy ho tafiditra intsony ao anatin'ny favoris. Nanomboka tamin'ny 90 ireny ka hatramin'izao.
Amiko be côcô ny MFM fa saingy nisy olona iray nahasolafaka azireo fotsiny. izay ilay hoe singa-bolo mahalavo ny vositra e.

Efa nahita MFM nitondra angah enao ka tsy nanjary. ary ny ankoatry ny MFM izay efa nitondra teo ve nanjary sa vao maika midina foana ny fahefa-mividin'ny vahoaka.

sa ny tsy tantinao de ny mahita ny MFM mahasahy mamoaka an'izay zavatra tsy mety ataon'olona. faz tokony hangina tsy hiteny hoe tsy mety ve izany izao na izaroa raha tsy mahita soso-kevitra e. Ny soso-kevitra amiko iaraha-mitady fa ny fahasahiana miteny an'izay tsy mety ary tena tsy mety tokoa mila fahasahian'ny tsirairay e.
refa mba mampahiratra ny sain'ny jamba ny sasany amiko de efa azo lazaina fa nahavita ny anjarabirikiny e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1873