Inona no zavatra tsapan'ny vehivavy miaraka @ vadin'olona?

61. zoklbfkfk ( 08/05/2006 05:23)
fiffi, zah koa ange mba gaga ny @'izany:o
sa ataotao foana ity voady ity :wink:
62. xxx ( 08/05/2006 10:31)
raha tsinahy, izany hoe voafitaka no nahatonga anao ho tafaraka amin'le olona, de ny tsapa voalohany de nenina sy alahelo satria voafitaka (satria nahazo ahy io: tsy nahalala mihintsy aho hoe efa manambady ilay oloan raha tsy efa ela be taty aoriana), malahelo ihany koa ny toeran'ilay tena tompom-bady sy ny zanany any an-tranony hoe izaho izany no nandrombaka ny week end tokony niarahan'izy ireo niriaria, sy ny affection nomeny ankatakonana hatrizay. Tsy misy plaisir e, alahelo no betsaka!
63. Fiffi ( 08/05/2006 10:58)
izany hoe: na fantatra na tsy fantatra aloha ilay olona hoe efa manambady na tsia , raha ny tena efa manambady de tsy hitako izay hanaovana an'izany eh! Raha toa indray ka hoe tsy nahafantatra hoe efa manambady izy dia hanontaniana aloha koh!
64. xxx ( 09/05/2006 10:08)
Fiffi a, efa nanadihady marina mintsy aho fa tsy niteny izy raha tsy efa ela b taty aoriana, dia izay ilay atoako hoe tsinahy
65. ikalakintina ( 09/05/2006 10:55)
raha tsy nahalala enao de tena mampalahelo tokoa, de atambaro ny hery ialana de manamboara zavatra ho anao fa aza mandrava ny andry zareo!, de mahereza an!mino aho fa misy tsy vadin'olona ho anao any!, ankino am Andriamanitra e!
66. xxx ( 10/05/2006 06:34)
ikalakintina:

raha tsy nahalala enao de tena mampalahelo tokoa, de atambaro ny hery ialana de manamboara zavatra ho anao fa aza mandrava ny andry zareo!, de mahereza an!mino aho fa misy tsy vadin'olona ho anao any!, ankino am Andriamanitra e!


Efa izay mintsy aky no ataoko ry kalakintina a! Dia misaotra amin'ny fampaherezana e!:)

67. diamondra27 ( 10/05/2006 17:01)
:-w:-w
68. Fiffi ( 11/05/2006 04:09)
xxx: mahereza hatrany eh! de jereo io nolazain'i ikalakintina io fa tena marina tokoa an!
69. diamondra27 ( 11/05/2006 10:32)
mpangalabadin'olona : toetra ratsy foana izany eo anatrehan'ny fiaraha-monina
70. tiatsara ( 15/05/2006 09:28)
Raha ny fahitako izay namako iray niaraka t@ vadin'olona mitovy @ io an'i xxx io dia ireto hono no hitany, fa itako hoe fanamarinantena fotsiny anefa fa miala tsiny aho :
- mahazo vola moramora foana hono ry zareo ;
- majazo fitiavana vao², io lay hoe miala à lay mahazatra ;
- tsy dia misy souci, fa ireny vadin'olona ireny hono tsy dia be blem loatra ...

Mi-chauffe be aho mitantara azy fa lay sipa io t@ izany tena tsy laitra nanarina

Ny mahazo lay tompombady ? loza, alahelo, fanaintainana, ny zaza mangasihasy sy mitalaho fitiavana tokony ho azy tsy mizara.

Ho an'ireo izay miaraka @ vadin'olona izany dia ity mba eritrereto e !
- raha sahiny ny nanary ny tao antranony efa nekeny teo anatrehan'Atra, dia mbola ho sahiny koa ny hanitsaka sy hanary anao, fa efa zatra an'io feeling io izy, ianao anie mbola hahaleo azy koa e !
- tsy marary ve ny fonao, mangasihasy, raha marary ianao izao dia izy anefa tsy maintsy hody @ vady aman-janany, dia eo ianao sy ny rindrina 4 ?
- ny tody, ny fiainana mihodina foana, ka tadidio fa tsy misy zavatra ratsy hitody soa izany raha tsy hoe efa mivadika angaha ny globe, raha tsy mivaly aminao io dia hivaly @ olona tena maminao : zanakao, iray tampo ... dia any ny nenina vao tena hanaikitra anao.

Mahereza, angony ny herintsaina hialana fa tsy tsara io, efa samy manana ny anjarantsika novolavolain'Atra isika, fa AZA MIADY NY ANJARAN'OLO SAO RERAKA !
71. Fiffi ( 16/05/2006 06:20)
de hoy ny tarika Mahaleo hoe: DITRA

Areheto ny jiro ny akanjonao ampidiro
Aoka izay ny safosafo , ndrao dia vidina lafo
Satriko ihany tsy hidina ety an-tany
Saingy toa tsy mandry ny saina
Ka aza tsiny raha malaina
Aoka hifarana eo ndrao tsy tandriko izay mety hiseho
Aoka izay ny sangy mahery ' sao mamery fa...

Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia haitraitra no manaitra hadinoy sy fafao
Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia zary nofo mety miofo ny ahy sy ny anao

Toa tsy ho tantiko raha izao no ataom-badiko
Oriory tsy ampiampy ka eny an-kafa no miantsampy
Toa azoko tsindry mandry ilay vadinao sasa-miandry
Reraky ny asa valalanina ka mba manimanina
Ireo zanakao minenineny
Toy ireny kamboty ireny
Miandry anao hampisotro sy hitrotrotrotro marina tsy...

Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Anao ny safidy, ny adidy sahano ny anao
Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Vonjeo fa aza avela hiandry ela ny ankaninao

Eny mety mankalao ny ao an-tokantrano ao
Saingy henatra hifanankonana ny ao ankohonana
Aza maniry vorona an-danitra
Izay fetsy sy maranitra
F'efa tsara basy an-tanana hajao izay hananana
Izaho akory tsy mandà na hoe miaingitraingitra
Saingy raha hilangalanga hamenoanao banga.

Marina tsy …

Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia tsy azo toky rehefa voky dia haroranao
Aleo ianao mody ndrao manody izao ditra izao
Fitia raha misy patsa mety handatsa
KOA LASA IANAO
72. jabole ( 24/05/2006 07:20)
amiko dia hadalàna tanteraka ny an\'ny olona miaraka @ olona efa manambady ary indrindra koa ankasoparana satria mino aho fa na ianao izay mangala-bady io koa ary dia mitaintaina lava sao tratra, ny tondro molotra manginy fotsiny,tsy hanana\'ny fiarahamonina hena-maso.Mba saino anie hoe ny vadinao na ny olon-tianao no alain\'ny sasany tsy mba harary koa ve ny fonao ? Mba mananatra antsika vehivavy aho, isika anie ataony kilalao aty ivelany fa tsy atakalony ny vady aman-janany velively eh! mba saino ihany ry reto ah.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1151