Tiko izy nefa izy tia olonkafa

1. xxx ( 28/04/2006 12:19)
Misy olona iray manana ny olontiny talohako, refa avy eo anefa izy nilaza fa tia ahy de tsy nety niaraka taminy aho satria izy fantatro fa tia olonkafa nefa izaho t@ io fotoana io tena tia azy. Nony taty aoriana dia nanaiky niaraka taminy aho nefa izy tsy mety misaraka t@ ilay olontiny. De izy koa nefa tsy mety nisaraka tamiko. Tia ahy ve izy sa milalao ny fitiavako fotsiny? Ilay olontiny mantsy lavitra. Mety ho tonga anefa ilay olontiny atsy ho atsy, tiny hijanona ho mpinamana izahay na inona na inona décision raisiny. Nefa amiko tsy possible ny hahapinamana anay raha toa izy ka décider hiaraka @ le sipany taloha fa tsy hijanona miaraka amiko. En même temps fantatro fa hijaly aho raha toa ka tsy mifandray aminy intsony. Inona no tokony hataoko?
novalian'i miraymel ny 25/11/2007 13:25
2. Fiffi ( 28/04/2006 12:43)
raha ny hevitro aloha dia tsy hitako izay niharahana t@ io olona io nefa efa fantatro fa efa manana ny olontiany izy. Amin'izay koa tsy mety misaraka @ olontiany izy , sady tsy mety misaraka aminao ? wadrayyy !! ahoana ko ary zany ? Ho avy zao ny olontiany dia tiany ho mpinamana ianareo na inona decision raisiny na inona ? io aloha dia anjaranao hiany no mahita azy an! fa toa tsy rariny kosa aloha ny nataon'io olona io an! nefa moa ianao aza nanaiky niaraka taminy ka dia tsy aiko loatra fa dia aleo angama hiandry izay hevitrin'ny sasany.
3. 4mimananelatra ( 28/04/2006 13:04)
dia mbà misatroka ihany ve aloha sa manakory e ny aretina anie izao efa tena mihombo izaitsizy e:?:
4. fasaly ( 28/04/2006 13:07)
araraoty kalou ny fiainana e! aza asiana olana rehefa sam milaza hoe sam tia de mifankatiava ihany kalou raha sam mbola velona e!:°):°) hita eo ny suite-ny sa ahoana an!:°):°):°):°)
5. pissoa ( 28/04/2006 13:19)
xxx: rehefa tsy mety misaraka amin'ny sipany talou izy, dia na izany indry manaiky ampirafesiny eo foana, na miala. Dia anjaran-dry fotsiny ny mifidy e.

Aza eritreretina be izay tiany sy tsy tiany any raha hoe hisaraka ... ka efa hoe hisaraka kou :roll:
xxx:
En même temps fantatro fa hijaly aho raha toa ka tsy mifandray aminy intsony
Ka izao kou indry mifandray aminy ary mbola mijaly ihany kou. Sa tsy mijaly tsara :roll::-*:-*
6. ari.malala ( 28/04/2006 13:33)
tena ra za zany miala ah! fomba ahoana no ieritreretako hoe amzao alo miaraka ra refa tonga ny olon-tiany de lasa mpinamana sisa? tsy tafa zany! milalao sady tia tena b zany ol zany! de na enao mieritreritra aza ve ry xxx ts harary ny fonao mahita anzareo mifanoroka eo imasonao?!! tena ts lasa ky zany a! manàna hambo fa aza manaiky lalaovin'ny ol fts zany! marina e! efa nahita toy zany ah manko, niaraka le ol d hay le bandy manan sipa, d niaritra teny le vevavy, d narary le lelà, de nitsabo anazy tany antrano le vevavy sipa faharoa zany, de nifanena tao @ le bandy izy roa, d eo imason'le dipa faharoa no mifanoroka le bandy sy le tena vadibe, d tinao v zany? ra za enao miala marina e
7. klitaka ( 28/04/2006 14:10)
tsara ra miresaka aminy enao de arosoy tsy am piambaambana ny resaka.tsy misy afa-tsy ny resaka ahafahanareo mamaha ny olana.Sady manamaivana ny alahelonao zany!!:*:*:*:*

8. Lalah ( 28/04/2006 14:22)
xxx> zao anki an! marina fa tena tin-dry izy, nefa zao ndry anie mba manana ny valeuran-dry ihany koa e! inona no tokony hiaretan-dry amin izany olona izany? mety hilaza indry hoe "omeko azy daholo ny fitiavako, hiandry azy aho , etsetra, satria izy tena tiako" matoa izy efa nilaza hoe mijanona mpinamana isika tsy vonona ny handeha lavitra miaraka amin-dry mihintsy izy, tindry ve ny hambanin olona hoatran izany? ataony amponga miantona fotsiny, dobohana rehefa manina. Amboary ny saina dia mitadiava hafa, marina e! aza atao hoe zavatra be lolohany eo antampon ny loha ny fisarhana aminy, fa mbola betsaka lavitra noho izay ny fahorian-dry raha minsiste mijanona miaraka aminy eo.
9. Fiffi ( 28/04/2006 15:01)
de aiza kosa ve dia mba rariny izany hoe rehefa tonga ny olontiany dia na inona na inona decision ho raisiny dia ny tadiaviny dia ny hijanonanao ho namany ? aza manaiky hataon'olona anizany fa tsy kilalao akory enao an! izy aza tsy sahy misaraka @ olontiany na ianao akory fa zay fotsiny eh! manana hambo , hampisehoy azy zany fa manana ny maha-enao anao koa ianao ka andeha ho harirariry etsy sy eroa.
10. kiali ( 28/04/2006 17:32)
ka lelah aloha sa vevavy le xxx??
11. totofy ( 28/04/2006 18:45)
kialy: ny fahafantarako azy dé vevavy , fa za koa mitovy hevitra an' i ari. manana ambom-po , fa maninona no very raha misaraka aminy ..... misy intérêt ve zany é ? sa ....?
12. cutie ( 28/04/2006 20:03)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 28-04-2006 17:19:50
Lohateny : Tiko izy nefa izy tia olonkafa
Misy olona iray manana ny olontiny talohako, refa avy eo anefa izy nilaza fa tia ahy de tsy nety niaraka taminy aho satria izy fantatro fa tia olonkafa nefa izaho t@ io fotoana io tena tia azy. Nony taty aoriana dia nanaiky niaraka taminy aho nefa izy tsy mety misaraka t@ ilay olontiny. De izy koa nefa tsy mety nisaraka tamiko. Tia ahy ve izy sa milalao ny fitiavako fotsiny? Ilay olontiny mantsy lavitra. Mety ho tonga anefa ilay olontiny atsy ho atsy, tiny hijanona ho mpinamana izahay na inona na inona décision raisiny. Nefa amiko tsy possible ny hahapinamana anay raha toa izy ka décider hiaraka @ le sipany taloha fa tsy hijanona miaraka amiko. En même temps fantatro fa hijaly aho raha toa ka tsy mifandray aminy intsony. Inona no tokony hataoko?

Tena nataony kilalao hatramin'ny 1 enao .
Adinoy izy e,zay ny fanafodiny na de sarotra aza zany.
13. kiali ( 28/04/2006 22:08)
aleo rangah zah ba anao serieux aloh @ ty ray ta efa tojo an'io ny tena!
nenah aloha ny nataoko de noreveko manja le izy eh! nisy fotoana aza moa zay tafaraka mintsy fa zany oe le kôfa tsy kôpy fa oe pinamana fotsiny zay! tsy aiko aloha raha izah no vendrana @ zany na le tena tompony fa amiko aloh raha manao an'izany ny sipa miaraka amiko de matsapa tena vendrana zah eh! tiko le sipa t@ zay fa zany oe tsy zah no taloha de nekeko le tantara!ref mahazo ny anjarako zah de ampy an'ah le izy! zany oe tantara efa ho 15 tôna lasa aloh zany eh! tsy aiko oe mety bola manaiky an'izany ve zah zao ! fa reveo manja fotsiny aloha de izay fidobony eo fidobony! tsy enao no taloha fa efa misy tompony le tantara!!
14. kiali ( 28/04/2006 22:09)
i cutie zao efa misy tompony fa na de izany aza tiko fona ! ihihihi! :D:D:D (vazivazy io ry cutie an)
15. Ralay ( 29/04/2006 04:19)
Tiavo daholo izay olona tia anao fa ny valala anie tsy ndroa mandry ambavahady e :-D:D.
16. Fiffi ( 29/04/2006 04:21)
hadinoy marina izy fa tsy ianao tokoa ny taloha fa hampijaly tena ao fotsiny.
17. jajaf401 ( 29/04/2006 05:52)
F'angaha tsy nisy fanarahana dieny mialoha nareo?
Fa raha azoko in-1 ny fipetrany enao no tena raiki-pitia; fa ny soso-kevitra de zao: (miala tsiny fa tsy nahafantatra contrat nareo aho teo an!) fa tsy hoanao 100% zany ny fitiavany ka aleo enao no maka sisiny eh!
Sosokevitr fotsin an! :-D:-D:-D
18. Fiffi ( 29/04/2006 06:11)
Ralay kosa eh! na dia mampijaly tahak'izao aza ve ?
19. kiali ( 29/04/2006 06:20)
marina nelah ralay an!! "tano ny azo fa sarotra ny mila"
20. totofy ( 29/04/2006 07:04)
mba lazao ny tokony atao kosa izy é : ny fon' ny vevavy tsy mitovy ny fon' ny lhly : fanaka malemy ???
fa efa mazava ny blem hoe ho tonga ny "tompony" dé miala ny reservista ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1698