andriamanitra fa tsy ny olombelona

1. felampaiso ( 27/04/2006 07:40)
Andriamanitra no nanome ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino Azy, izay no tokony hotadidiantsika.Matetika mantsy ny hadalana ataon'ny olombelona-eny fa na dia milaza tena ho kristiana aza izy ireny- ary tafiditra ao anaty sokajin'olona misahana mivantana ny raharaham-pinoana : pasitera, mopera, frera,mpiandry,pretra, diakona NO JERENTSIKA dia lasa tafintohina isika ka tsy miraharaha ilay famonjena intsony.Mety ho fomba ampiasain'ny devoly hanakona ny masom-panahintsika ireny ka hanadino an'Andriamanitra...
novalian'i prime ny 22/06/2006 09:49
2. Fiffi ( 27/04/2006 08:23)
tafiditra ao anaty sokajin'olona misahana mivantana ny raharaham-pinoana : pasitera, mopera, frera,mpiandry,pretra, diakona NO JERENTSIKA dia lasa tafintohina isika ka tsy miraharaha ilay famonjena intsony
mba azavao kely hoe ny tianao lazaina @ io ? fa angaha ireo olona voatanisa ireo aloha tsy mahafantatra fa avy amin'Andriamanitra avokoa ny nahatombohan'izao tontolo izao sy ny olombelona no ho tafitohana @ inona koa moa aloha ?
3. radriana ( 27/04/2006 10:14)
tsy azon'i Fiffi koa ilay tian'i felampaiso ho lazaina, hoy izy hoe, Andriamanitra ihany no tokony ho banjinina fa tsy hoe mahita ny adalan'olombelona ( na dia ny pretra sy pastera ) no hahakivy antsika ka tsy hiraharaha an'Andriamanitra intsony.
Misy tokoa mantsy ny hoe, mopera manao sipa dia tsy handeha hivavaka intsony aho, na hoe pastera mandany volambahoaka fotsiny ka tsy hivavaka intsony aho.
Na koa hoe ireny milaza azy ho masina ireny aza jereo ny ataony ka izaho madinika kely aty indray ve no hanao ny izay mety ?
Tsy tokony izany no ataontsika antsaina fa tsy ireny anie no hangatahana valimbavaka na ho tompoina fa Andriamanitra irery ihany e.
4. ndrena ( 27/04/2006 10:31)
Marina io voalaza io fa ny tsara hamafisina dia ny hoe tsy tokony hijery olona rehefa manaraka an\'A/tra
5. cutie ( 27/04/2006 11:18)
Mpandefa : felampaiso [ Valio ] 27-04-2006 12:40:14
Lohateny : andriamanitra fa tsy ny olombelona
Andriamanitra no nanome ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino Azy, izay no tokony hotadidiantsika.Matetika mantsy ny hadalana ataon'ny olombelona-eny fa na dia milaza tena ho kristiana aza izy ireny- ary tafiditra ao anaty sokajin'olona misahana mivantana ny raharaham-pinoana : pasitera, mopera, frera,mpiandry,pretra, diakona NO JERENTSIKA dia lasa tafintohina isika ka tsy miraharaha ilay famonjena intsony.Mety ho fomba ampiasain'ny devoly hanakona ny masom-panahintsika ireny ka hanadino an'Andriamanitra
marina mitsy zany
6. cutie ( 27/04/2006 11:20)
Mpandefa : ndrena [ Valio ] 27-04-2006 15:31:44
Lohateny : Re : andriamanitra fa tsy ny olombelona
Marina io voalaza io fa ny tsara hamafisina dia ny hoe tsy tokony hijery olona rehefa manaraka an'A/tra
sarotra be zany, ry zareo mpitarika no mpanelanelana koa, ry zareo no andrandrain'ny oul 1.
7. pissoa ( 27/04/2006 11:51)
felampiso:
Andriamanitra no nanome ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino Azy, izay no tokony hotadidiantsika.Matetika mantsy ny hadalana ataon'ny olombelona-eny fa na dia milaza tena ho kristiana aza izy ireny- ary tafiditra ao anaty sokajin'olona misahana mivantana ny raharaham-pinoana : pasitera, mopera, frera,mpiandry,pretra, diakona NO JERENTSIKA dia lasa tafintohina isika ka tsy miraharaha ilay famonjena intsony.Mety ho fomba ampiasain'ny devoly hanakona ny masom-panahintsika ireny ka hanadino an'Andriamanitra...
Marina.

cutie:
sarotra be zany, ry zareo mpitarika no mpanelanelana koa, ry zareo no andrandrain'ny oul
:lol::lol: Rehefa amin'ny zavatra tsara ny mpitondra fivavahana no "manelanelana" dia tsy ilain'ny olona fa angaha ony izy tsy afaka miresaka amin'Andriamanitra mivantana! Rehefa misy fahalemena taratra anefa dia lazaina fa mpanelanelana izy :{:{:{
8. Fiffi ( 27/04/2006 11:58)
mazava tsara ka!
9. cutie ( 27/04/2006 12:02)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 27-04-2006 16:51:00
Lohateny : Re : andriamanitra fa tsy ny olombelona
Hoy i felampiso:
Andriamanitra no nanome ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino Azy, izay no tokony hotadidiantsika.Matetika mantsy ny hadalana ataon'ny olombelona-eny fa na dia milaza tena ho kristiana aza izy ireny- ary tafiditra ao anaty sokajin'olona misahana mivantana ny raharaham-pinoana : pasitera, mopera, frera,mpiandry,pretra, diakona NO JERENTSIKA dia lasa tafintohina isika ka tsy miraharaha ilay famonjena intsony.Mety ho fomba ampiasain'ny devoly hanakona ny masom-panahintsika ireny ka hanadino an'Andriamanitra...
Marina.


Hoy i cutie:
sarotra be zany, ry zareo mpitarika no mpanelanelana koa, ry zareo no andrandrain'ny oul
Rehefa amin'ny zavatra tsara ny mpitondra fivavahana no "manelanelana" dia tsy ilain'ny olona fa angaha ony izy tsy afaka miresaka amin'Andriamanitra mivantana! Rehefa misy fahalemena taratra anefa dia lazaina fa mpanelanelana izy

tsy azoko ny lazain-jy
10. Fiffi ( 27/04/2006 13:28)
Misy tokoa mantsy ny hoe, mopera manao sipa dia tsy handeha hivavaka intsony aho, na hoe pastera mandany volambahoaka fotsiny ka tsy hivavaka intsony aho.
marina aloha fa misy dia misy tokoa ireny , ary marina tokoa fa tsy izay zavatra nataon'ireny olona ireny na ny zavatra nitranga no tokony hanaovana hakiviana ka tsy hanohizana na hamelana ny finoana ,na tsy andehanana hivavaka. Ny tsara ho fantatra fotsiny dia ny hampitombo hatrany ny finoana sy ny fivavahana , ary koa indrindra indraindra dia ny mivavaka ho an'ireo olona izay nanao an'izany .
11. marozevo ( 27/04/2006 20:36)
Tsy azo alàna tsiny akory ny Maopera manao sipa. Ka raha miteny aho hoe olombelona ihany anie zalahy ireny eh, dia mba te hampahatsiaro fa tsy misy valaka amin'ny manam-bady manitsakitsa-bady ny Mompera manao sipa.
Fa mba jereo koa fa misy be dia be mihitsy ny tsy manao an'izany eh...
Fitia te hitsikera fotsiny ny finiavana mikimpy eo anoloan'ny TSARA vitan'ny maro.
12. Fiffi ( 28/04/2006 04:48)
raha ny hevitro manokana aloha dia tsotra hiany: raha ny mompera manao sipa , tsy hitako izay olana , ny pasitera manambady , manan-janaka , ny anglikana manambady sy manan-janaka koa , fa tsy io aloha ny olana fa na misy inona na misy inona , rehefa lehie ny finoana sy ny fivavahana sy ny fitiavan'Andriamanitra dia izay hiany no tanjona satria Izy no nanao izao tontolo izao.
13. ndrena ( 28/04/2006 06:23)
Ka eo no hipetrahan'ny olana anie !Tsy ny mpitondra fivavahana no manana lanitra homena antsika fa Andriamanitra irery ihany.Noho izany tanteraka ilay hoe izy tsy miditra ary izay te hiditra dia tsy avelany handroso.Noho izany mbola hamafisiko ilay hoe aza mijery olona na iza na iza rehefa mivavaka fa Andriamanitra ihany jerena.Izay lalana sy toerana hanananao antoka fa hahatongavana any an-danitra izorana.
14. Fiffi ( 28/04/2006 06:32)
satria Andriamanitra dia Tokana.
15. ndrena ( 28/04/2006 07:39)
Izay mihintsy ary tsy misy lalana maro fa tokana ihany koa
16. marozevo ( 28/04/2006 14:04)
Ka raha tokana ny làlana dia izay natoron'i Kristy no izy, satria Izy no "làlana sy fahamarinana ary fiainana".
I Kristy anefa nilaza tamin'i Piera hoe "omeko anao ny fanalahidin'ny Fanjakan'ny lanitra..."
I Kristy anefa nilaza tamin'ny mpianany hoe "Mandehana ianareo (...) manaova batemy (...). Ary nofaranany hoe "Izay mandray anareo mandray ahy, izay manamavo anareo manamavo ahy".
17. Fiffi ( 29/04/2006 06:18)
dia noho izany dia tsy tokony hijery lalan-kafa fa iray hiany ny lalana hitondra sy hizorana dia ny lalan'ny Tompo.
18. marozevo ( 30/04/2006 08:13)
Saingy ny milaza azy mora fa ny mitady io làlana io sy ny miaina azy dia mbola resaka hafa koa.
Eo indrindra no ilana mpitondra, toy ny mpiandry ondry, mba hanoro ny làlana marina.
"Indro aho hanangana mpiandry tokana ho an'ny ondriko, ka Izy no hitondra sy hampiadana azy".
19. Fiffi ( 01/05/2006 04:40)
mora dia mora tokoa ny milaza fa ny miaina sy ny mitady io lalana io dia mbola zavatra hafa marina fa "il suffit de croire" hampitombona ny finoana , tsy hatao mahakivy koa ny fitadiavana io lalana io ary mangataka hatrany amin'ny Tompo hanampy antsika hatrany hizotra amin'io lalana tokana io.
20. sonwin ( 01/05/2006 16:44)
amen
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.078