andriamanitra fa tsy ny olombelona

21. Fiffi ( 01/05/2006 18:43)
Amen
22. marozevo ( 01/05/2006 21:50)
Inoako fa azon'i Sonwin sy Fiffi tsara ny hevitry ny teny hoe "AMEN".
23. Fiffi ( 02/05/2006 05:11)
« Amen ! Louange, gloire et sagesse, action de grâce, honneur, puissance et force à notre Dieu pour les siècles des siècles ! Amen ! »
24. ndrena ( 02/05/2006 15:06)
Tongava soa daholo ary ôooooooooo
25. diamondra27 ( 02/05/2006 20:10)
marozevo: inona no dikan'ny oe: amen?
= ho tanteraka anie izany ,io ve?

Ny finoana'Andriamanitra de tokony tsy asiana fiankinana @olombelona amiko.
Tsy ny olona no jerenao fa Jesosy izay inoanao. Raha hijery na hanaraka olona ianao(mompera na pasitera , na de mahay mitory teny be aza etc...), mety ho solafaka ihany ireny fa Jesosy ihany banjino

tratraro ny loka


26. marozevo ( 02/05/2006 22:02)
Diamondra > Ny dikan'ny hoe amen tsy hoe fotsiny ho tanteraka anie izany, fa manaiky amim-pomba lehibe. Mba hahazoana azy, - mba hahazoana azy ho'aho anh - dia mety ho "ozona masina" no dikany. Ataoko fa azonao ny lanjan'ny teny hoe ozona... Tsy sanatria hoe malédiction fa "jurer". Tsy haiko na misy teny gasy hafa mety mahadika azy bebe kokoa.

diamondra > Raha tsy mila olona (Maopera na Pasitera na presbytera) ary i diamondra dia ity no mba fanontaniako aminao : Taiza ary oviana Andriamanitra no niteny na niasa ka tsy nampiasa ny olona ho fitaovana hampitàny ny fahasoavany?
27. diamondra27 ( 02/05/2006 22:13)
marozevo: tsy de tiko loatra le oe: ozona na de oe mba hahazoana azy fa aleo atao hoe: "enga anie" na koa "ok" @fiteny tsotra, sarotra marina ny manazava azy 'zany

marozevo: tsy mazava aminao le tiako ho lazaina etsy ambony. Tsy hoe: tsy ilaina ny mompera na pasitera , fa tokony tsy hiankina amin'ireo ho'aho ny finoanao an'Atra. Misy manko olona diso ny finoany, ohatra oe: nahay nitory teny be le pasitera na mahay mandresy lahatra, kanefa un jour solafaka izy , tonga de lavo daholo ny mpanaraka azy rehetra satria tsy Jesosy no ninoany fa le pasitera sy ny fombafombany. Azonao @izay ve le tiako lazaina?

Donc raha hino an'Atra ianao dia tsy ankinina @ olombelona ny finoana fa minoa direct de tsy voafitaka

Isika tsirairay avy dia fitaovan'Atra

raha tsy mazava dia mbola ezahako manazava @ manaraka
28. marozevo ( 02/05/2006 23:25)
Ndao atao hoe azoko 75%. Ny hany sisa andrasako dia ny filazanao fa ilainao ihany izany ve ny Maopera na ny Pasitera.

Azoko eh..
29. diamondra27 ( 03/05/2006 05:24)
marozevo: ilaina ny mompera na pasitera na mpitory ny filazantsara

fa ny tiako atsipy dia hoe: aoka tsy izy no antony hivavahanao satria oe: nandresy lahatra anao ny fomba fiteniny , na ny zavatra ataony . Raha izay manko dia mety ho solafaka en cours de route eny ianao @ fanarahana ny Tompo satria olombelona tahaka antsika ihany ireo

Ohatra raha maty ilay olona exemple: pasitera: dia tsy mavitrika intsony ianao ho any ampiangonana satria zatra mahita azy sy mihaino ny toriteniny ======>donc izay fihetsika izay no tsy mety amiko satria manampoizina ny relation-nao entre Dieu et toi fa tsy hoe: tst tia an'ilay pasitera akory



Mba omeo 90% @ izay kosa e!
30. Fiffi ( 03/05/2006 06:17)
ilaina ny mompera na pasitera na mpitory ny filazantsara

fa ny tiako atsipy dia hoe: aoka tsy izy no antony hivavahanao
fa angaha moa ny pasitera sy ny mompera no antony hivavahana ?
31. Fiffi ( 03/05/2006 06:21)
hoy diamondra:
ilaina ny mompera na pasitera na mpitory ny filazantsara
32. diamondra27 ( 03/05/2006 06:24)
fiffi: matoa izaho miteny an'io dia efa nahita olona toa izany ary mba te-hampitandrina sao lahy.

33. marozevo ( 03/05/2006 22:41)
Inona ary ity tsy mahazo ny lazain'i diamondra ity ry Fiffi ? ka izay mihitsy no lazainy eo koo... Tsy ny Maopera na Pasitera no antony hivavahana, marina izany. Fa misy hoy izy olona sasantsasany, izay efa hitan'i diamondra nanao izany...

Ndraindray koa voatery mifindra toerana ilay Maopera na Pasitora, dia mihena ny faharisihana. Misy aza moa dia mahavatra mifindra paroasy mihitsy mba ho ilay Maopera na Pasitora iny foana no ho hitany mampivavaka.

Tsy omen-tsiny anefa izay manao izany, raha izay no haha-mpivavaka azy marina. saingy adidin'iza kosa no manabe azy ?
34. diamondra27 ( 04/05/2006 05:04)
marozevo: on ne vient pas à l'Eglise pour quelqu'un mais pour Dieu.

L'Eglise c'est un lieu où on écoute la parole de Dieu, le louer etc mais aussion peut avoir des reconforts et des relations fraternelles.

Un chrétien à besoin des autres chrétiens mais non pas rester seul dans son coin sinon il perd sa foi ; c'est comme un feu , si tu allumes un feu tu as besoins des morceaux de bois ; il s'allume à feu vif et nous rechauffe et si tu retires un de ce bois il s'éteint========> donc il ne faut pas rester isolé

Noho izany tsy tokony ho le olona na koa angamba hoe: relation manokana no ankanesanao any ampiangonana fa Andriamanitra
35. diamondra27 ( 04/05/2006 05:08)
ny pasitera na mompera de guide amiko, raha tsy izany dia mitovy @ fanompoantsampy ihany izany amiko satria olona no tompoinao fa tsy Andriamanitra

Sao dia mbola tsy mazava indray ary le izy.... ezahako hazavaina ihany fa lazao e!
36. marozevo ( 04/05/2006 14:31)
Izaho efa elabe no nahazo an'izany ka ...Fa manazava ny zava-misy fotsiny aho.

Ka tsy i diamondra ihany ve no milaza ao ambony ao fa matoa miteny izany dia ny maso no nahita ?

Dia izaho koa efa nahita an'izany.

Ny fanontaniana apetrako fotsiny dia hoe "iza no tokony hanabe ny olona toy izany?", satria tsy mety ny manome tsiny azy ireo avy hatrany. Mety ho tsy fahalalana ny azy manko. Dia io valianao io ny fanontaniako !!!... Marina rahateo ny valinteninao raha araka ny hevitro.

Mampihomehy fa indraindray mitovy ihany ny hevitra nefa dia mifandramatra ery...
37. diamondra27 ( 05/05/2006 05:37)
ny momper sy pasitera no mapnabe fa avy @ le olona mihintsy nge le izy e! tsy misy hadisoan'ny mpitondra fivavahana mihitsy , fa 'zany oe : ny olona sasany no diso lalana.
38. Fiffi ( 05/05/2006 05:41)
fiffi: matoa izaho miteny an'io dia efa nahita olona toa izany ary mba te-hampitandrina sao lahy.
diamondra: zah angaha niteny hoe tsy ilaina ?
39. marozevo ( 05/05/2006 22:59)
Ny Maopera sy pasitora dia oharina amin'ny mpiandry ondry ,- na mpiandry omby koa -. Sary tena mazava be io raha mahita mpiandry omby any M/kara isika. Misy karazany ny omby : Matanjaka, osaosa, masiaka, malemy paika, tendan-kanina, sns... Fa ny tanjon'ny mpiandry omby dia voky tsara ny omby rehetra ary samy tafody ao am-pahitra rehefa hariva ny andro.
40. Fiffi ( 06/05/2006 06:11)
"Zanak'ondrin'Andriamanitra ô
Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao
Mamindrà fo aminay
Omeo anay ny fiadananao."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706