Very sa lasa nandositra?

1. rapala ( 24/04/2006 12:16)
Mila ny hevitrin'ny malagasy rehetra aho fa misy namako malagasy izay naka ny zanakany anadahiny nianatra taty am-pita. Nandeha tsara ny fandehanjavatra, nianatra sy niasa ary ilay bandy kely ary efa 12 mois no nipetrahany dia nanalava visa izy fa mbola te-hijanona, kinanjo tampoka teo dia tsy hita ny nalehany. Ny entany sy ny fitafiany rehetra ao an-tranony ao daholo, hatramin'ny mp3. Nisy nanao kidnap ve izy hoy ianareo sa very saina sa dia lasa fotsiny? Efa nolazaina ny polisy fa efa 4 semaines izao mbola tsy misy vaovao foana. Tsara marihina eto fa tsy manana ny pasipaoro izy fa ao an-trano ihany koa. Tsy manana sipa izany izy satria ilay sipa keliny efa lasa nody. Homeo heivtra re i Fanja namako azafady e!
novalian'i rapala ny 05/05/2006 11:21
2. Fiffi ( 24/04/2006 12:22)
rapala: fa firy taona io olona io ? ilay zanakin'ny hanadahiny ve no tsy hita sa iza ? ary hoe tsy manana sipa izy dia efa lehibe firy taona aloha an ? satria sao manko nanao fugue ? raha efa majeur indray aloha izy dia sao dia lasa niova fonenana ?
3. Fanja1 ( 24/04/2006 12:41)
i rapala ve aty andafy aloha sa any dago? efa 4 semaines ve de tsy nanao n'inn ny police hatram'izao? aiza eto france zany zvt izany no nitranga kay?
4. rapala ( 24/04/2006 12:51)
Fiffi >Ilay bandy kely efa 26ans fa raha mihaotra @ zanaka european dia kely ihany izy toy ireny 15/16 ans ireny no habeany. Zanakiny andahin'i Fanja (tantine izany i Fanja e). Ka izay indray angamba no mahatonga ilay polisy dia tsy taitra satria tsy mineur izy.

Fanja> aty ampita izy fa tsy dago ary hiova fonenana aiza akia...tsy mahalala olona aty izy afatsy ireo havany ireo sy ireo mpiara mianatra aminy (vahiny daholo)

Tiako hiresaka eto @ serasera i Fanja hanazava tsara ny rehetra fa mbola tsy tantiny ilay zavatra niseho dia mitomany foana izy ary ilay anadahiny any dago sy ny fianakaviany any hono toa hoe manome tsiny azy.
5. Fiffi ( 24/04/2006 13:50)
rapala: ka izay indrindra manko an! satria raha eto frantsa aloha dia firy isan'andro ny olona very ? na nandositra ? fa raha ankizy aloha dia tsy mijanona mihintsy ny polisy mikaroka an! fa raha efa majeur , zavatra hafa indray io an! firy , firy ny olona rehefa majeur ka hoe tsy hita na very dia asa re raha hoe tena miraiky loatra ry zareo eh ? sauf hoe raha adala ilay olona ka mety ho danger publika.
6. Fanja1 ( 24/04/2006 14:39)
rapala tena marina ny tenin'iFiffi io, refa majeur de mety sarotra ihany satria tsy hay raha volonté no nandehanany , mampalahelo fa de mangataka @ Atra mba tsy ho hisy zvt nahazo azy.Tokony atao koa angamba hoy aho ny fikarohana, entre namana sy famille. asa aloha e
7. Fiffi ( 24/04/2006 14:49)
fanja1: ka zay indrindra manko an! betsaka ny olona mitsaoka responsabilité , volonté-ny io nandehanany io , sady koa olona efa 26 taona zany , tsy hoe manakiva akory aho , fa tsy dia hamaky loha @ fikarohana ny polisy raha tsy hoe tena matotra be ny antony. Tsy maintsy nisy ny enquête ka arakarak'io hiany no maha-matotra ny fikarohana. Fa marina koa io lazain'i fanja1 io fa dia aleo aloha mihatomboka @ namana sy ny fianakaviana no hatao ny fitadihavana. Raha ohatra moa ka tsy miraiky ny polisy dia izay valin'ny enkety nataony hiany no mahatonga an'izany.
8. pissoa ( 24/04/2006 15:36)
rapala:
ary ilay anadahiny any dago sy ny fianakaviany any hono toa hoe manome tsiny azy.
Andray! :roll::roll:
9. diamondra27 ( 24/04/2006 16:01)
kiddnapping, fugue, dépression, secte , JI, dealer,zany rehetra zany de mety cas possible daholo

tsy ho fantanao mihitsy ny olona sasany rehefa mi-fréquenter ireny olona tsy tokony alaina namana ireny,ary vetivety de mety ahodina ny lohan'ny olona sasany ... ireny secte 'reny matetika mahay teknika tsara handersena lahatra ny olona;dokotera sy manampahaizana be ireny aza voafitaka indraindray voatarika!!!

mahereza ary ndana mametraka recherche any @ police ihany. Anontanio koa ireny association mitady olona very ireny fa afaka hanampy anao sy hanoro hevitra anao

10. Fiffi ( 24/04/2006 17:11)
diamondra: marina daholo izany voalazandry zany an! be dia be tokoa ny cas possible . Aza hadino koa ny manisy ny sariny eny @ toerana fahazarany halehany.
11. rapala ( 24/04/2006 17:39)
Misaotra betska @conseils rehetra dia hampitaiko any @ fanja daholo ireo dia rehefa mba misavasava ny fony dia asaiko mba miresaka eto @ serasera izy.

Amiko aloha, mety naive be angamba za fa tsy nampoiziko manana saina toy izany ny malagasy, surtout hoe famille izany, marine e!!!!!
12. Fiffi ( 25/04/2006 04:02)
rapala: mahereza hatrany an! fa izay ahitana an'io olona io aloha no hatao fa ny vavan'ny olona aza hatao mankarary . Tsy maintsy misy an'ireny foana manko .
13. sasa ( 25/04/2006 04:26)
Mahereza hatrany d manampy vavaka ho anareo
14. rapala ( 25/04/2006 07:28)
fiffi> izay mihintsy no nolazaiko an\\\'i fanja hoe zareo any tsy mahita ny aty, nanampy be azy enao ary izahay dia vavolombelona tsara @ rehetra ka tsy tokony hirahara ny vavan\\\'ireo havany ireo.

fanja1> ilay fikarohana entre famille sy ny namana efa vita, na ny sariny aza ange efa nivoka gazety local e... tsy nisy na dia telefona 1 aza:(

sasa> dia efa nampitahaiko any @ fanja daholo ny hafatra sy ny vavakin\\\'ny namana eto @ serasera fa dia misaotra betsaka indrindra..............
15. Fiffi ( 25/04/2006 07:57)
rapala: ny gazety local de tsy hiseho ao ny sary isan'andro fa ny tsara hatao dia hasiana ny sariny eran'ny toerana fahazarany halehany. Ohatra fac , na hanontanio ireny mpivarotra ireny izay ahazahoanao manisy ny sariny maiaraka @ numérao telefonina.
16. Fanja1 ( 25/04/2006 09:10)
ary hono wa r'ireto? tsy mety angaha raha diffusé-na ato kou ny sariny? on sait zamé anie e, sao mba misy namana ato nahita azy, mba afaka manome information.(atao daholo zay mety aloha raha ny hevitro e)
17. rapala ( 25/04/2006 12:00)
Fanja1> raha araka ny fahalalako azy io sisa no zavatra mbola tsy natao dia ny mpanandro, fa ankoatr'izay dia efa nataony daholo.

Honoa re olona e, mba mino an'ireny psychic ireny ve ianareo? Izay koa zao no resaka tokony hampidirina sa efa nisy resaka io? Raha tena mahay ilay olona na aiza izy no mipetraka ka dia hainy foana @ alalany sary hono - manakory izany?
18. Fanja1 ( 25/04/2006 12:24)
rapala ka resaho ny tompon'andraikitra ny sera² aza e!
ny resaka mpanandro ndray za tsy mba mino an'ireny.
19. sakaizakely ( 25/04/2006 21:11)
tena mampalahelo be izany toejavatra izany. Gina kely alou za. Ary mba efa nanatona ny hopitaly manodidina ve nareo ? Sao mantsy voan'ny askida ohatra ilay olona... Rehefa misy vaovao dia ilazao enay e ! Ary aiza no mitranga moa izany zavatra izany ? Mampahery an'i Fanja :-*:-*:-*
20. Fiffi ( 26/04/2006 03:59)
sakaizakely: efa io voalaza io fa eto frantsa .
Tsara koa ny hevitr'i fanja1 .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.509