io namana io , manahirana

1. xxx ( 23/04/2006 17:33)
hono hoa ry zareo , ahoana no mba hevitrareo , nisy namana mpanao trano , manana entreprise ilay olona ,dia mba nikasa hanao trano zany , dia teny , nandeha daholo ny resaka , ra anome vola ve tsy aleo omena ny namana e , ataontsika milay be io e , zao sy zao , dia roboka tokoa ary , natao ny trano , inona hoy nareo , rindrina mivilana , nisy vaky sahady nefa vao vita , ny biriky @zany isankarazany fa tsy mba mitovy , tsy mahitsy fa misy biriky mivoka , ny finition @zany tsy hay intsony , dia notenina t@zany ilay namana dia enao ndray no nahazo taimbava , rava ny fihavanana ,nefa ny vola nanaovana azy aoka fotsiny , ahoana no mba hevitrareo
novalian'i kala ny 02/05/2006 04:49
2. diamondra27 ( 23/04/2006 18:00)
miala tsiny raha hiteny an'ity:

"les bons comptes font des bons amis"

izany hoe: aza asiana resaka mifampiditra mihitsy ny vola sy ny namana fa mahavery ny relation izany====> toa izao anareo izao
3. Fiffi ( 23/04/2006 18:18)
diamondra: ka tena marina aloha ireo voalazandry ireo an!
4. vale ( 23/04/2006 18:29)
xxx: tsy namana intsony izany ry xxx fa dia voafitany fotsiny ianao hatrizay!! namana izany natao hifanampy @ sarotra eo no tena ahitana ny "tena namana" fa tsy izy indray no hamery anao!mitandrema @ sisa fa ny ratsy tsy kely lalana ozy ny fiteny.Mahereza!
5. Lalah ( 23/04/2006 19:20)
xxx> ka tsotra loatra koa nareo, dia ny eritreriny hoe namana sahala @ havako ireto, tsy higelina ana zany na misy tsy mety aza, na koa mety zay mihintsy no tena fahaizany, fa tsy araka ilay noeritreretinareo.
6. Herimiafina ( 23/04/2006 19:25)
Tena namanao veo io resahanao io? Mino marimarina aho fa raha ny mpangalatra hiditra ao antranonao, handroba anao, hamono anao sy ireo zanaka lahinao ary hanolana ny vadinao sy zanakao vavy, dia sarotra ny inoako amin'ny maha-olombelona ahy fa mbola antsoinao ho namana foana izy.

Zinona moa no mahasamihafa ny fandrobana sy ny herisetra amin'ny fitiavankely. Rha mahavitra manapaka amin'ny kely toa izany izy dia hahavita ihany koa hanapaka amin'ny be toa izany.

Hafa ny atao hoe namana! ireny omena vola hanao ny tranonao! :@
7. Lalah ( 23/04/2006 20:24)
Herimiafina mahataka-javatra an!
xxx> ity mba misy toro-hevitra kely sao mba mety aminareo, misy habitat pour l humanite (tsy haiko toi na any Dago na aiza) fa mety misy daholo manerana ny tany, dia manantona andry zareo, fa zareo toa sady mora no toa manao facilite de payment, ianao no mipropose izay endrikin ny trano tianao hatao dia zareo manamboatra. Hoan izay mety liana io fa tsy hoan i xxx ihany.
8. Vaika ( 23/04/2006 20:44)
xxx : Tsy azo afangaro ny afera sy ny fihavanana. Amin'izay ity resakao tsy mba resaka ariary roa fa tena trano mihintsy. Mba miheritrereta fa aiza no hisy namana hanambaka toa izany ? Firy taona ianao no nanangona vola hanaovanao trano ? Hoy ny fitenenana : aleo very tsi-kalakalam-bola toy izay very tsi-kalakalam-pihavanana. Marina tokoa izany, saingy ilay "namana" tsy mba mahalala manaiky ny fahadisoany akory fa manao gisa mangala-ketsa ka avo vava araka ny voalazanao. Hajao amin'ny nataony izy f'aza bonaika be ataon'ny olona fanararaotana sous prétexte hoe fihavanana, tsy fihavanana intsony izany fa fahalemena. Tonga dia torio amin'izay voatery ny hanamboatra ny tranonao araka ny nifanarahana. Rehefa vita ny trano, araka ny tokony ho izy dia tsy voafetra ny miverina ho mpinamana indray : barbecue-party, arrosage-n'ilay trano vita na ohatran'izany. Mila vintana ny harena fa tandremo.
Farany, tandremo sao voafitaka indray ka mbola hanome rallonge hanatsarana ity trano. Rehefa afera dia afera ! Aza hadino no manao expertise-ny tranonao alohan'ny hipetrahana (olon-kafa alaina fa sao voafahan-dalitra ao indray), rindrina mivilana izany mirodana tampoka ao !!! Ka ny maso sisa hitomaniana.
Dia mazotoa ary aza manaiky lembenana fa mba mahaiza miaro tena.
9. Fiffi ( 24/04/2006 03:55)
Na dia be aza ny fitiavana namana , ny fahitako azy aloha dia tokony hitandrina hiany an! fa tsy hoe rehefa namana dia hananana confience daholo , indrinda indrindra fa rehefa resaka vola. Satria manko ny vola hono mpandrava fihavanana . Fa tena namana tokoa ve aloha izy ireo ? ahafirina no naha-mpinamana anareo ?
Ary tsy namanao intsony zany izy ireoa? fantarao fa celui qui n'est plus ton ami , ne l'a jamais été sa tsy izany ?
10. kala ( 24/04/2006 05:59)
xxx > aza moramoraina fotsiny antsoina hoe "namana" r'ise ny ol efa manao izay tsy hahasoa anao a!fitiavan-tena ny azy fa tsy misy akory tao am-pony na dia kely aza fo mitepo finamanana aminao8)
marina mitsy ny tenin'i fiffi fa hatrizay izy dia tsy mba nipetraka ho namana sa "sakaiza ma..."

mpamosavy malemy rise lay ol lazan'ise fa namana :wink: miala tsiny aloha fa raha zà ise itsoahako impolo mandifotra ol izy sao mantsy hanaraka mbamin'ny an-dehibe ê!

lalah > izany mitsy no tokony hatao fa tsy hoe milamindamina amin'ny mahampinamana eo fotsiny

mahereza r'ise â! sady anatra hoan'ny mbola eo an-dalana koa io :-*
11. ravatorano ( 24/04/2006 06:40)
reefa afera d afera kle
za na naman lah b aza reefa mibizina tsika d zafady fa bizina io d zay ihany .
Na zao koa aleo tsy mampanao anazy fotsiny mba tsi hisian ny olana.:-@:-@:-@:-@
12. Fiffi ( 24/04/2006 07:25)
kala: f'ita hoa akia eh! mampalahelo ny toe-javatra tahak'izao an!
13. xxx ( 24/04/2006 07:32)
xxx:

hono hoa ry zareo , ahoana no mba hevitrareo , nisy namana mpanao trano , manana entreprise ilay olona ,dia mba nikasa hanao trano zany , dia teny , nandeha daholo ny resaka , ra anome vola ve tsy aleo omena ny namana e , ataontsika milay be io e , zao sy zao , dia roboka tokoa ary , natao ny trano , inona hoy nareo , rindrina mivilana , nisy vaky sahady nefa vao vita , ny biriky @zany isankarazany fa tsy mba mitovy , tsy mahitsy fa misy biriky mivoka , ny finition @zany tsy hay intsony , dia notenina t@zany ilay namana dia enao ndray no nahazo taimbava , rava ny fihavanana ,nefa ny vola nanaovana azy aoka fotsiny , ahoana no mba hevitrareo



tsarovy ilay hiran'ny jean rigo iny, fa tena marina matetika
namana io manahirana izy ndreky , ra koa tianao loatry izy matetika matetika mamadika an-tegna,
olo mpamadiky tsy lavitry anao
fitiava-namagna io diniho hely , sns

mimich
14. sese ( 24/04/2006 11:25)
zao fotsiny e! misy fiteny anglisy iray milaza hoe " lend your money and loose your friend", izany hoe raha adika tsotsotra dia resa-bola tsy mba maha pinamana indrindra moa @ izao fiainana iainantsika izao, mba mailo ihany e! mitovy amin4ilay hoe ny hava-tiana tsy iaraha-monina.
15. Fiffi ( 24/04/2006 11:55)
fa izany rehetra izany eo hiany an! fa dia mba ahoana zany ny fandehan'ny assurance ? sa ve hoe navela fotsiny ohatran'izao satria hoe aleo omena ny namana ny vola ? mba dadny hiany koa aloha zany zava-bitan'ny hoe namana izany an!
16. Samoana ( 24/04/2006 12:42)
Raha ny tenako no tratran'izany, indrindra moa fa mbola miampy taim-bava izany dia tsy vitan'ny fihavanana rava fotsiny io fa miakatra fitsarana hamerenany ny volako .
Ny "namana" mpanambaka toy izany dia tsy mila valiana vava fa huissier no antsoy handray an-tsoratra ny lesoka:evil:
Entreprise matotoa angamba izany mpanao trano baoritra izany kle!
17. Fiffi ( 24/04/2006 13:32)
entreprise sandoka !
18. Herimiafina ( 24/04/2006 15:29)
Matoa entreprise de legalement constitué.
Fa noho ny fanararaotana dia notsitsiana ny vola kah naka maçon tsy miady.

Ny asa hafa tsy afaka mandefitra fa tsy maintsy atao tsara satria bedin'ny Fanjakana raha tsy tratra ny delai de livraison, fa ny an,ity namana ity hoy izy aleo hangalana maçon tsotsotra eny sady kely koa ny saosy no hanao asa soa tsy misy benefice.

Izay ilay principe capitalista e!
19. tiatsara ( 25/04/2006 06:08)
Nareo kosa leiretsy dia mandatsa azy nefa izy aza efa mampanaelo be, million ange zany vola zany e !

Zao anie mba tadidio @ fiainanao sisa rehetra e ! tsy izaho no namorona an'ity fa ny baiboly : adala zay mahatoky olon-kafa ankoatran'ny tenany ... eny fa na dia ny vady andefimandrinao aza.
Mety misy mahay azy précis kokoa noho izaho fa ireo fotsiny aloha no tadidiko.

Dia 2 ny safidinao :
- mitory azy mba hiverenan'ny vola lany, aleo ny fitsarana no handray an-tanana azy, ataovy matanjaka tsara ny porofo rehetra ;

- mionona fa voadona, dia ny sisa no tsy atao intsony, dia manarina @ vola hafa indray izany izay lesoka rehetra ;

Tandremo fa ny namana, dia manana sary ivelany, fa rehefa tonga koa ny mahaporitra azy, dia aleony ny fihavanana no potika toy izay ny ainy no tsy ho avotra, toy izany io mahazo anao io.

Tsy resaka chiffre million na centaine de mille ihany no tandremo @ manaraka, fa na ny fianam-pianakavianao, na ny zavatra hafa dia ianao ihany no manaova maître ny tenanao, tsy fihamboana izany na hoe fisehoana hahavita tena, fa fitandremana.

Element précieux zany olona azonao hitokisana toy ny tenanao izany, vitsy raha hisy.
Nefa mahereza, mahatanjaha, fa aza mitanondrika fa ny ampitso hamiratra no antenao sy atokiso fa tsy very ireny fikelezana aina ireny e !
20. Fiffi ( 25/04/2006 08:01)
tiatsara: an3 kosa an! tsy hoe mandatsa azy kosa zany eh! fa mba samy nanome ny heviny , raha mba samy milaza izay mba tiany ve dia hoe mandatsa ? fa mampalahelo ny zavatra nahazo azy kosa ka tsy hoe andeha handatsa azy , izy aza mba voa mafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.277