Raha vao maraina

1. Fiffi ( 22/04/2006 07:11)
Raha vao maraina
Manaitra matory
Be tabataba
Ka manorisory


Raha vao maraina
Dia lasa ny fisainana
Mifantoka ato an-tsaina
Ny tena adim-pihainana

Raha mijery ireo hira 2 irao aho dia lasa ny heritreritro hoe : fa maninona no raha vao maraina dia izany no ao an-tsaina ? marina aloha fa hira ireo an! Fa ny anareo kosa , raha vao maraina dia ahoana ? Ny ahy aloha dia positivena raha vao maraina ma ahatsara ny tontolon'andro an! dia hasiana :) ko! :)
2. pissoa ( 22/04/2006 08:32)
Miankina kah ... raha tokony hisy hahalasa fisainana ve tsy mba alefa ny fisainana. Tsy matory akory ary indraindray, dia tsy hita akory hoe tonga kay ny maraina.
3. dadabe ( 22/04/2006 09:19)
raha vao maraina dia aleo MIVAVAKA, ianao tsy tompon'ny fiainanao :roll:
4. Fiffi ( 22/04/2006 10:42)
pissoa , dadabe : ka izay anie indrindra hoa no nolazaiko hoe "positivena" mba hanana tolak'andro mahafinaritra eh!
5. vale ( 22/04/2006 11:19)
Fiffi: raha vao maraina dia manontany hoe inn indray no hiseho androany? dia mivavaka mba ho zvt tsara daholo:°)
6. Fiffi ( 22/04/2006 13:26)
vale: marina akia ny andry an! dia avy eo mahazo :):) tontolon'ny andro.:)
7. kiali ( 22/04/2006 23:46)
nenah zao: vô mifoha latsinainy maraina zah de zao ny zavatra teneniko oe"5 andro sisa de wkd"
de refa talata de oe"4 andro sisa de wkd"
de refa alarobia de "'3 andro sisa de wkd"de refa zoma indray de oe "8h sisa de wkd"
de refa sabotsy de oe " bola misy 2 andro ny wkd"
de refa alahady de oe "bola misy 24 h ny wkd"
de io mapazoto an'ah mitsangana!:lol::lol::lol:
de nefa angeh tsisy atao akory ny wkd eh! tssss!!
8. Fiffi ( 23/04/2006 05:13)
kiali: lasa lavitra be ko zany heritreritrao zany an! tonga ve dia fanisana andro no hatao mba ho avy aingana ny week nefa rehefa tonga indray io dia tsy misy hatao ?
Ny ahy aloha dia mbola tsy mitsanagana akory dia ny mivavaka aloha , alohan'ny hametrahana tongotra @ tany , de :):) fa tena tsara eh! de mazoto ery avy eo :):)
9. rapala ( 24/04/2006 08:46)
marina daholo izany lazainareo rehetra izany fa kosa ange heritrerto ihany ilay loham-pianakaviana tsy misy atao na omena ny zanakeliny e!!Aiza indray izao no hihindrana vola hividianana vary hoan'ireto kilonga ireto hoy dada? Ny ankizy mbola kely tsy mahalala ny tsy misy - sahirana ary ny saina. Isika aty ange afaka mihevitra + satria misy foana na kely aza ao @ frizidera, afaka manao take away etc.. Sarotra ny hieritreritra + rehefa "4 amis" ianao, surtout hoe ray amandreny. Nareo angamba tsy nijaly mihintsy t@ fiainana tany dago? Nefa na izany aza tsy miafina ilay fahantrana ao. Homentsika tsiny ve izy raha lasa saina vao maraina? Aiza no afahany:D rehfa tsy misy ny hohanina:(:?:
Tafaresaka t@ Dama (Mahaleo)mihintsy aho t@ io hirany io satria tena marina ilay izy na dia lasa hira aza.
10. mamzelkely ( 24/04/2006 09:27)
zah vô maraina de mitsiky fona na inn mitranga na inn mitranga 8)
11. Fiffi ( 24/04/2006 11:48)
rapala: marina mihinsy aloha zany lazainao zany an! marina koa aloha fa misy dia misy ny mahantra , ny adin-tsaina vao maraina ny andro dia izay ho hanina no zava-manahirana , ny adin-tsaina rehetra koa aloha tsy maintsy misy fa dia raha vao maraina aloha dia mivavaka .
12. rapala ( 24/04/2006 12:06)
ka izay ange ilay izy e, ka ao anatin'ilay vavaka ange misy hoe omeo izay sahaza anay izahay androany tompo o...midika fa lasa ilay eritreritra:wink:
13. Fiffi ( 24/04/2006 12:23)
marina tokoa izany an! de izay indray zany no adin-tsaina vao maraina.
14. rapala ( 24/04/2006 17:45)
:-*:-*:-*
15. Fiffi ( 25/04/2006 07:59)
fa tsy hatao mahakivy.. :):-*:-*
16. sakaizakely ( 25/04/2006 21:24)
raha vao maraina dia... miborosy nify aloha no voalohany indrindra :}

rapala> ny adintsaina dia tsy miandry ny andro haraina fa mandrotsirotsy ny fisainanao tsy mampahita tory, maharanga mandavan'andro. Ary tsy miala eo @ olombelona, samy manana daholo na dia tsy mitovy aza. Ny fitadiavana ny hohanina, ny tsy fahasalamana, ny rohirohy isankarazany, adintsaina daholo izany.:-o
17. Fiffi ( 26/04/2006 04:05)
be dia be ny adin-tsaina , tsy maintsy misy io satria izany ny fiainana , tsy mbola nahita na naheno aloha ao hoe efa nisy olona tsy nanana adin-tsaina.
18. Rafotsy ( 26/04/2006 06:02)
Ny ahy raha vao maraina dia mitodika any Aminy ary mangataka mba ho maivana ny adin tsaina @ ity andro vaovao ity ! Dia misaotra Azy fa mbola velon'aina daholo , izay vao mitsangana , mandray solomaso ary mankany an dakozia !
19. Fiffi ( 26/04/2006 06:42)
de misotro kafé kely aloha hihhihiih
20. ari.malala ( 26/04/2006 11:07)
raha vao maraina, mivavaka, misaotra fa nahazo tombon'andro aloha, dia manolotra ny andro avy eo, dia mangataka mba ho feno ny Fiadanam-po sy Fifaliana avy Aminy malgré ny adversités isankarazany! fa efa tratran'io tenenin'i rapala io za we za ts miasa nefa ny zanako efa nihalehibe, fa tena refa mivavaka mahazo hery fôna e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4325