Inona re mety ho nataoko raha teo aho e?

1. zozefa ( 22/04/2006 05:15)
Lasa ny saiko hoe inona re no mety ho nataoko raha mba anisan'ireo nanatrika ny fanombohana an'i Jesoa teo amin'ny hazo fijaliana aho e?
hijoro tamin'ny fahamarinana ve? zany hoe niezaka mba hiaro an'i Jesoa satria tsy nanao ratsy Izy, sa mba isan'ireo nanao hoe "homboy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy e :x:evil:"
mety ho ilay faharoa io angamba raha ny fahalalako ny toetrako taloha, indrisy!!!!:oops:
novalian'i prime ny 31/05/2006 04:03
2. MAMISA ( 22/04/2006 06:22)
Efa vita ny tamin'izany fa ny amin'izao no hatrehantsika hoe: isan'izay mdera manao hoe HOSANA any @ avo indrindra ve ny fiainanao (toetra sy ny fomba amam-panao) sa isan'izay mbola manombo indray an'i Kristy noho fahotana sy ny fahazaran-dratsy? Anao ny mandinika sy mamaly azy mangina.
3. diamondra27 ( 22/04/2006 07:10)
raha tsy nisy rà latsaka dia tsy nisy ny fanavotàna
4. zozefa ( 22/04/2006 20:15)
marina izany fa efa vita ny tamin'ny iny, nefa tamin'ny izany no mbola hahatsapana hoe hatraiza ny fitiavan'ny Tompo ny olona izay tsy tia Azy akory, fa vonona ny nanda Azy tamin'ny izany,

diamondra 27
marina ny voalazanao fa na izany aza anefa de hoy ny Tompo hoe "Ny Zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory." MATIO 26:24
5. marozevo ( 22/04/2006 22:04)
Dia hoy koa i Masindahy Paoly hoe "Na fahafatesana aza nahaizany namonjena antsika, maika fa fahavelomana".
Misy hiran'i John Littleton izay manao hoe :
"Non ! plus jamais ! je ne laisserai tuer Jésus".
6. Achia ( 23/04/2006 18:11)
I lejoda ndray ngamba no tian'i Zozefz lazaina eto a nefa mbola misy ihany koa ne ny ol mandiso an'i JK eo anatrehan' ATRA e
7. marozevo ( 24/04/2006 23:37)
Inona ilay hoe "mandiso an'i Jesoa"?
8. Fiffi ( 25/04/2006 04:45)
JK ATRA , ireny aloha dia tena tsy arako mihintsy an!
9. Achia ( 25/04/2006 08:41)
marozevo:

Inona ilay hoe "mandiso an'i Jesoa"?


Satria @ zao fotoana zao de tena maro mitsy ny ol miacuze an'J.K hoe : izy mitsy no niteny hoe tsy zay rehetra miditra @ vava no mahaloto ny ol fa zay mivoaka @ vava . De lasa ilay J.K tokony hampianatrany ol hanaraka ny didin'i Ray ndray zany no lasa mitondra ny ol any @ tsy izy , mbala maro ny teny fa noraisiko ohatra io
10. Achia ( 25/04/2006 08:43)
ATRA JK dia Jasosy Kristy sy hoe Andriamanitra
11. sonwin ( 25/04/2006 12:26)
tsy azoko ny zavatra soratanao ry Achia
12. marozevo ( 25/04/2006 18:36)
Achia > Io ohatra noraisinao dia tena nolazain'i Jesoa ka... Tsy mi-accuser Azy mihitsy izany.
Ndao ary hazavaina tsara :
Andriamanitra dia naniraka an'i Moizy (na Mosesy) ary mba hahafahany manatanteraka io irak'Andriamanitra io, dia nanoratra lalàna i Moizy, ary ireo hitantsika ao amin'ny Levitikosy sy Deteronomy ireo izany. Noho izany mazava fa tsy Andriamanitra mivantana no nanoratra ny boky dimy voalohany. Ary tsy nanao dictée tamin'i Moizy izy akory. Experiencen'i Moizy sy ny fiforonan'ny vahoaka voafidy no voalaza ao, fa tsy sora-tononina nasain'Andriamanitra nosoratana.
Fa nony tonga ny fotoana, dia nirahiny ny Zanany : Jesoa. Dia nilaza io nolazain'i Achia io mihitsy i Jesoa.

Ka izao no fanontaniana tokony hodinihintsika : Iza no lehibe kokoa i Moizy sa i Jesoa Kristy ?
13. Fiffi ( 25/04/2006 19:35)
ATRA JK dia Jasosy Kristy sy hoe Andriamanitra
tena tsy azoko fa miala tsiny.
14. Achia ( 25/04/2006 20:02)
Andraso kely aloha fa hono hoy aho ireny lalana nosoratan'i Mosesy rsny zany noforoniny daholo ve ? le ao @ Levintikosy sy ny sasany sa ATRA no nanome azy ho ampitaina @ vahoaka .Le hoe izano lehibe iJ.K ve sa iMoiza fa ra voadinikao tsara io fanontaniako io de efa mety ahavaly azy fa mbola tsy hamaly aho aloha
15. Fiffi ( 26/04/2006 05:41)
Achia: ny hoe tsy azoko aloha dia izao: ianao manoratra majuscule "Mosesy , Levintikosy , Moiza ! fa rehefa manoratra ianao ny "Andriamanitra , Jesoa Kristy" dia hataonao hoe "JK sy ATRA " ka nametrahako ny fanontaniana hoe iza zany ATRA sy JK zany ?
16. Achia ( 26/04/2006 13:31)
Efa nataoko majuscule doly nge leizy e tsy hoe mahakamo akory ny manoratra Andriamanitra fa somary lava ihany ny hevitra avoaka no tena ilana fandinihana an
17. Fiffi ( 26/04/2006 17:13)
Achia: ka alohan'ny hamoahana ny hevitra ilana fandinihana ka raha misy fanontaniana hilana valiny dia ahoana no hatao ? fa na izany aza dia misaotra fa efa novalinao ny fanontaniako.
18. Achia ( 27/04/2006 08:34)
Ny tianao tenenina zany de we manambany an'ATRA sy JK satria natoko famoezanteny no nanoratako azy ?
19. Fiffi ( 27/04/2006 12:01)
Ny tianao tenenina zany de we manambany an'ATRA sy JK satria natoko famoezanteny no nanoratako azy ?
Achia: niteny an'io angaha zah azafady indrindra ?
20. marozevo ( 27/04/2006 20:49)
Achia > Ianao angaha tena mino fa ny fisehoan'ny nanoratana ny Boky dimy voalohany dia hoe Andriamanitra nanonona moa i Moizy nanoratra ?
Dia mino koa ve ianao fa i Jesoa niteny dia i Matio na i Joany na i Marka nanoratra ?

Averiko fa experience personnelle et experience d'un peule en recherche ireo voasoratra ireo.
Izay indrindra no nahatonga ahy nilaza tary hoe mba vakio ihany ny introductions rehefa mamaky Baiboly.

Valiako ny fanontaniako : Amiko dia tsy lehibe noho i Jesoa Kristy i Moizy. Satria raha mbola tsy nisy akory aza izao tontolo izao dia efa nisy Izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057