Inona re mety ho nataoko raha teo aho e?
41. Achia
(
13/05/2006 05:06)
:-D:-D ka eo @ takolaka nge io ry Marozevo e menatsa be ve zevo ? =))=))=)) kaika ny namana sarokenatra be ko hihi
42. marozevo
(
14/05/2006 21:31)
Ka vao eo amin'ny takolaka aza die efa menatra aho kooo.... maika fa...
Sangisangy daholo izany fa tsy menatra aho fa matahotra sao bedin-dranavalona. Ny am-pon'ny siny hono, manko mangatsiaka, fa ny ao am-pon'ny vilany mafana.
Sangisangy daholo izany fa tsy menatra aho fa matahotra sao bedin-dranavalona. Ny am-pon'ny siny hono, manko mangatsiaka, fa ny ao am-pon'ny vilany mafana.
50. prime
(
24/05/2006 11:17)
Andriamanitra dia naniraka an'i Moizy (na Mosesy) ary mba hahafahany manatanteraka io irak'Andriamanitra io, dia nanoratra lalàna i Moizy, ary ireo hitantsika ao amin'ny Levitikosy sy Deteronomy ireo izany. Noho izany mazava fa tsy Andriamanitra mivantana no nanoratra ny boky dimy voalohany. Ary tsy nanao dictée tamin'i Moizy izy akory. Experiencen'i Moizy sy ny fiforonan'ny vahoaka voafidy no voalaza ao, fa tsy sora-tononina nasain'Andriamanitra nosoratana.
Mba te hitondra fanitsiana mikasika ny lalàna t@ andron'i Mosesy voalazan'i marozevo aho fa ny lalàna (didy folo) dia tena sora-tanan'Andriamanitra mihitsy t@ afo teo @ vatofisaka nomena an'i Mosesy tany amin'ny tendrombohitr'i Sinay (bokin'ny eksodosy) tany an'efitra entina itondràna ny zanak'israely sy anajàny ny Andriamaniny, io no antsoina hoe lalàn'i Mosesy fa tsy izy no nanoratra an'io izany. Ary mbola io vatofisaka io koa no nampitoerina tao anatin'ilay tabernakely nampanamboarin'Andriamanitra azy fa tsy nanoratra na dia tendrin-tsoratra iray t@ lalàna aza Mosesy. Rehefa ampiharina ny lalàna no nisy endrim-piaraha-monina sy kolontsaina manokana nentina nanazavàna azy mba ho azo iainana andavanandro (bokin'ny levitikosy). Teo Mosesy no nitondra fanampim-panazavàna ary mbola tsy nitsahatra nanontany an'Andriamanitra izy ny tena heviny marina. Ireo Jiosy mpandinika ny Torah (Didy folo sy ny lalàn'i Mosesy) t@ andron'i Kristy indrindra no nantsoina hoe Mpanora-dalàna.
Ny hoe iza no lehibe : amiko tsotra ny valiny "tsy mbola misy lehibe mihoatra lavitra noho ilay Mpanjakan'ny mpanjaka dia i Jesosy Kristy". Misy fampitahàna an'i Jesosy amin'ireo mpaminany lehibe rehetra fa mbola tsy misy toa Azy, [Hebreo toko 1. (filazantsara na testamenta vaovao)] na izay mpaminany taty aoriany aza.
52. Achia
(
24/05/2006 17:39)
tsy mahay aho fa ndeha isika hangataka @ alalan'iJesosy fa izy no tena mpitsabo mahay e miaraka mangataka a
57. prime
(
31/05/2006 04:03)
Inona aloha ilay hoe "migaga" e????:)
Izaho tsy mahay mitsabo satria tsy mpitsabo.
Izaho tsy mahay manasitrana satria asan'Andriamanitra izany.
Izaho mangataka satria mahalala fa tsy tanteraka.
Izay no azoko ambara...
Mety anisan'ilay nanao hoe "homboy, homboy" mihitsy aho raha teo t@izany...
Izaho tsy mahay mitsabo satria tsy mpitsabo.
Izaho tsy mahay manasitrana satria asan'Andriamanitra izany.
Izaho mangataka satria mahalala fa tsy tanteraka.
Izay no azoko ambara...
Mety anisan'ilay nanao hoe "homboy, homboy" mihitsy aho raha teo t@izany...
