Rivo-baovao mitsoka

1. toubib ( 19/04/2006 05:22)
Mba mahagaga ahy mihitsy tato anatin'ny 10 na 15 taona zay dia lasa miova ny fanononana ny tenintsika malagasy. Indrindra mo ilay "r" izany. Ny tena mahagaga dia hoe takian'ny fandrosoana ve izy io, ary ny vehivavy na ny tovovavy no tena iantraikan'izy io. Misy ohatra olona fantatra izao fa mahay manonona ny "r" toy ny fanononantsika gasy azy hatramin'izay, tsy badalela, tsy misy "frein de la langue" fa nony injay mahazo sehatra eo amin'ny haino aman-jery na resaka serasera, indrindra "commerciale" dia miova tsikelikey ho any amin'ilay fanononana "r" toy ny teny frantsay. Raha ny fijeriko manokana mantsy toa mba tsy taratra amin'izy ireny ilay "r" rehefa miteny espaniola na italiana na anglisy fa dia mandeha tsara izao.

Ekena fa izay no mety hampiakatra ny "côte"n'ilay olona miteny azy amin'ny ilana azy saingy izaho mahita hoe tsy izay no mahatonga ilay olona ho "mahafatifaty" fa na ny "physique"-ny sy ny "timbre vocal" ananany dia efa ampy dia ampy tokoa.. Soa ihany fa maro amin'ireo mpiasa matihanina amin'ireny haino aman-jery ireny no mba hentitra ihany amin'ny fifantenana ny mpiasa miandraikitra serasera ao amindrizareo.Hafa kosa indray mantsy raha tena efa izay no fomba fiteniny. Fantatra ihany mantsy izy ireny raha amboarina ilay satria indraindray tsy tsaroana ilay izy dia misy misolifatra ihany.

Fa tsara ange le miteny malagasy madio tsy misy pentina e raha mbola hita ihany ny itenenana azy! Na koa miteny frantsay tsy misy pentina. Fa izay no maha izy azy ny tenimpirenena tsirairay
novalian'i toovs ny 08/06/2006 16:40
2. Fiffi ( 19/04/2006 05:48)
toubib: indrisy !! marina tokoa ireo voalazanao ireo nefa akory hatao ? ao aloha ny mi-gesta fotsiny :-D:-D ao koa ny nanana olana @ fitenenana anio " R " io an! fa tsy ny rehetra akory an! fa misy manao fanahiniana mihintsy aloha an! fa ny zavatra hitako koa anefa fa misy ny ankizy na dia metisy aza dia mahay mitonina tsara ny R an!
3. little ( 19/04/2006 06:35)
Ary maninona ra mba "R" anglisy ndray no hampiasaina e, mba lance-na zany e! sa ohtran'ny aty ivelany aty ko nge ny "R" ka misy lasa "L" fa tsy roulena
4. pissoa ( 19/04/2006 06:51)
little, hihihi.

Rehefa miteny gasy ve no tian'i toubib resahina?

Raha izaho manokana mantsy dia miankina amin'ny teny teneniko ny fanononako ny "r" Miova arakaraka hoe miteny Gasy aho sa Frantsay sa Angilisy sa ... :roll: Na ny "s" koa aza anie miova e! Hihihi, rehefa miteny gasy dia hafa, dia rehefa miteny frantsay dia miova ... Ny "f", "v", "w" ... koa toy izany ihany.

Raha hoe rehefa miteny Gasy fotsiny ny resaka dia tsy ny "r" no hitako hoe miova rehefa miteny ny ankizy, fa ny "t" lasa "ts" indrindra rehefa mihira :-D:-D:-D
5. pitchou ( 19/04/2006 07:07)
misy aloha an! ankizy sy tanora an! mba te-hi-geste beu weu tsy mahai miteny gach lôtch fa teny fançais ihany no hainy! na d raha sendra henonao tampoka any ambadika any aza fa tena miteny gasy tsara izao! ndjindja ange reo ankizy mianatra na nianatra tany @ école fançaise! d ny sasany na tsy tany aza d asa na nitsiriritra ny mba ho tany d manahaka beu!
mbola betsaka an!ny mihevitch fa rehefff miteny fançais na sahala @ français d bien kou kou e!
6. Fiffi ( 19/04/2006 07:48)
pitchou: hitandry ve zao ny fahadisohandry manoratra teny gasy ? gach lôtch gasy ve akia io ? :-D:-D:-D:-D:-D sa le hoe ho an'ny ankizy le mizesta ? :-D:-D:-D
7. toubib ( 20/04/2006 06:03)
pissoa:ny teny gasy no tiako holazaina ka. Fantatro ko ange fa samy manana ny fanononany ny "r" ny tenimpirenena tsirairay. Raha sinoa ianao dia hafa ny azy. Raha espaniola dia hifangaro amin'ny olona iresahanao ny resakao raha "rouler"-nao daholo ny "r" nao rehetra. Za mahita hoe raha nifantina ny alfabeta malagasy Radama rainy hitako hoe mety amintsika ireny tsotsotra ireny. Isika gasy ko ange tena mampiaky ny firenena maro hoe mora mahay maka "accent" amin'izay teny ianarantsika, kanefa rehefa teny gasy rangah aleo ho tena gasy a!

Marina daholo nge le lazainareo fa ny mahagaga ahy dia izao, raha ny eto Gasikara aloha no tena misy io. Raha sendra mifanena na miresaka amin'ireny gasy efa ela nipetrahana tany Frantsa ohatra (nihoatra ny 10 na 20 taona) dia mahagaga nge fa tena mahay miteny malagasy madiodio rizareo ireny rehefa tonga aty. Fa misy ireny 3 volana na 6-mbolana no tany d miova tanteraka. Io ngamba le hoe "ny tapany ihany no...". Ohatra iray hitako i Patsy rehefa nihira ireny hiran'i Bessa ireny toa ohatry ny mba tena gasy ihany no fihirany azy na dia tsy tena teto aza ny fahazazany.
8. Fiffi ( 20/04/2006 08:13)
ka mba mi-gesta kely kosa zany rey zareo koh!
Fa na izany aza aloha dia tsy tena hitako hoe fa maninona na nahoana tokoa no manao an'izany ireny olona ireny ? aiza kosa ve dia vao 3 na 6 volana no teto frantsa de hahatonga fihovana tahak'izany ? :-D:-D:-D:-D:-D mahagaga tokoa an!
9. Fiffi ( 20/04/2006 08:13)
sa kosa ve hoe tsy ho fantatrin'ny olona fa taty an-dafy raha tsy manova ?
10. Fiffi ( 20/04/2006 08:14)
de ahoana koa izany raha ohatra hoe tany chine na inde na hafa ?
11. toubib ( 22/04/2006 06:39)
Ny "accent" samy manana ny azy k! dia aoka ko isika hanana ny antsika. Misy indray mantsy hono milaza indray fa hatramin'ny nampalaza an'i Bodo sy Ricky hono no tena nanombohan'izy io. Izy ireo mantsy izany no vedety filamatra tamzany dia dimbiasin'ny ankizy aty aoriana.
12. Fiffi ( 22/04/2006 06:41)
nga ry zareo mi-rouler R ?
13. soanja ( 22/04/2006 12:26)
Ohatra ny tsy mampite hisotra izany ny "rano" raha atao ilay "r" frantsay e. Ilay izy tena mikasoka tsara ao an-andanilany no milaza fa mangetaheta ka mila misotra "r"ano. Tena niova tanteraka tokoa ny teny gasy ary ny teny atahorako dia ireny fiteny diso ireny no mety ho izy amin'ny taranaka any afara ohatra vola= sosy, ra-dem sns ka tsy fantany intsony ny tena izy. Soa fa manana ny Academia Malagasy isika hirakitra ny mahaizy antsika. Tamin'ny andro iraisam-pirenana ny tenin-dreny hono dia nisy an'izany asa na SG io na iza fa nazavaina teo ny tena antodia tamin'ilay fivoriana ny hoe tsara ny teny gasy, ampiasao matetika fa aza mindrana ny an'ny hafa fa ny antsika haroana sy tiavina snsn dia nony vita ny fivoriana dia hoy lery hoe "Dia Bonne Journee daholo izany isika rehetra ary Bon courage".
14. Fiffi ( 22/04/2006 13:33)
fa mba mahagaga ahy koa aloha zany an! satria raha mijery , misy ankizy izay teraka taty frantsa , tany dago 1 taona fotsiny de niverina taty hatramin'izay nefa tsy manao an'io R hafahafa io an!
15. pitchou ( 25/04/2006 18:42)
fiffi> loza b raha avy any chine no hanao fiteny sinoa!!!! tsy manonona "r" mintsy zany mivadika "l" daholo!!! d ahoana hozy refa hipetraka "irery"?
16. mandrindra ( 26/04/2006 08:03)
de hozy hoe : hipetraka tokana
17. toubib ( 26/04/2006 11:44)
na hoe "hipetraka tsy misy namana"
18. Fiffi ( 28/04/2006 09:53)
tsy azoko! :roll:
19. toubib ( 28/04/2006 13:51)
ilay hoe "irery = tokana" na ko oe "tsy misy namana", fa raha tonga dia tononina ho "l" ny "r" amin'ny sinoa io hoe "irery" io d mankarary sofina ny fanenony :-@.
20. Fiffi ( 28/04/2006 14:21)
ka misy gasy ve miteny sinoa de mitovy @ zany hiany ?
Fa miheritreritra aho hoe sao dia misy olana koa ny olona mi-rouler r ireny zany hoe problème d'alocution?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3654