fiataiavanao tompo

1. zandrikely ( 16/04/2006 18:54)
ny fitiavanao ry tompo no naha toy izao anay
io fitiavana io tompo o no mampandefitra ahy
ahoanany fahazoanareo an'ireo

Nahitsin'i lanto
novalian'i marozevo ny 21/05/2006 08:55
2. vale ( 16/04/2006 20:03)
"ny fitiavanao ry tompo no naha toy izao ahy": marina izany satria raha tsy nisolo ny helotsika ny tompo dia mety ho famaizana be no nahazo ny zanak'olombelona...
lay faharoa indray tsy azoko:wink:
3. dadabe ( 17/04/2006 00:16)
:?::?::?::?:
4. Fiffi ( 17/04/2006 04:48)
Tompo
5. diamondra27 ( 17/04/2006 06:06)
iza aloha le tompo tianao lazaina eto tompoko?
6. Fiffi ( 17/04/2006 06:12)
ny Tompo sa tompo tokoa ?
:-*:-*:-* ndry DM an! :)
7. marozevo ( 17/04/2006 23:06)
Mba kendreo ihany moa ny fanoratra na dia maika aza eh. Jereo ange eh ... : fia..TAI..avanao tompo ?... manala baraka loatra ka.
8. Fiffi ( 18/04/2006 05:25)
marina tokoa izany ! :(
9. onjah ( 19/04/2006 09:18)
Lasa resaka tsipelina izy izany.
10. marozevo ( 19/04/2006 09:27)
onjah > Raha Malagasy kosa ianao, dia tokony hitandrina mihitsy amin'ny fanoratana ny teny Malagasy ka !!... Indrindra raha manome hevitra hafa ny fahadisoana. Sa ve tsy ho raharahiana ny fomba fanoratra ny teny Malagasy ? Valalan'ilay tsy sahiko lazaina ve, sanatria ?
11. Fiffi ( 19/04/2006 10:55)
indrindra fa raha fanomezam-boninahitra ny Tompo sy Andriamanitra . Fa na ny hafa koa aza !
12. marozevo ( 19/04/2006 19:56)
Eny manko ho'aho...
13. Fiffi ( 20/04/2006 06:17)
raha misy zavatra somary manahirana ahy aloha dia ny fomba fanoratana ny Tompo sy Andriamanitra. Marina fa samy manana ny fomba fanoratany , tsy hasiako olana anefa io , eny na dia manahirana ahy aza fa tazomiko ho ahy irery hiany . Ny tsy fanoratana Andriamanitra manontolo zao dia mandreraka ahy , na ny tsy fanoratana majuscule Jesoa sns.....
14. ravatorano ( 20/04/2006 10:41)
ary ny fiffi tsy majiskill hihihihi
zato fahasoavana omenao any ry Tompo
Mba lalina ho ahy ry tompo Andriamanitra o
ny mitanisa ny fitiavanao
^:^^:^^:^
15. Fiffi ( 20/04/2006 13:35)
Mba lalina ho ahy ry Tompo Andriamanitra รด
Ny Fitiavanao ahy , ary Hanompo sy Hidera Anao hatrany ny tanjoko.
16. marozevo ( 20/04/2006 14:26)
Fiffi >
Hitanao ve hira natolotr'i ravatorano io ? Izao no tohiny:

"Dia hoy Ianao miteny : "Aza mitsikera ireny otanao fa ndrao kivy ianao" - avia hoy Ianao, hanaraka ny diako. Ny Foko ho anao mirakim-pitia".
17. Fiffi ( 21/04/2006 09:32)
marozevo: hitako ka ! fa hira ve io sa nivavaka ho antsika rehetra i ravatorano ?
18. marozevo ( 21/04/2006 20:24)
Hiram-pivavahana atolotr'i ravatorano ho antsika rehetra angamba izany no azo ilazana azy e. Fa araraotiko fotsiny hilazana aminao fa ianao indrindray toa mitsikera loatra ny tenanao. Ka izany no nanohizako azy teo.
19. diamondra27 ( 22/04/2006 07:12)
ary mbola tsy voavaly le fanontaniako
20. mandalo ( 22/04/2006 12:03)
vakio ny 1 cor 13 dia ho fantatrao izany fitiavana nomen' Tompo (jesosy Kristy) ny olombelona ary io fitavana io no hafindrany aty amintsika rehefa mandray Azy isika, tsy haintsika izany raha tsy ny fanahy masina no mampianatra antsika andro aman'alina, noho izany raha te-hanana izany isika dia tsy maintsy miaraka Aminy.
tsy tsara ve ny manana azy ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3698