fiataiavanao tompo

21. marozevo ( 22/04/2006 22:06)
Miantefa amin'izay nanokatra ny loha hevitra anie ny fanontanian'i diamondra eh ! Tokony mba ho valiana kosa.
22. Fiffi ( 25/04/2006 04:48)
diamondra: ka izay ny olona , ny mpandefa ny dinika mametraka fotsiny de zay. Tsy misy tohiny fa dia ..
23. marozevo ( 25/04/2006 18:38)
Dia mahaiza mionona izany ry diamondra fa tsy niverina eto intsony ilay nanokatra ny loha hevitra ah. Azonay valiana ve aloha ny fanontanianao ? Raha eny dia mba avereno soratana kely indray.
24. Fiffi ( 25/04/2006 19:39)
ny fitiavanao ry tompo no naha toy izao anay
io fitiavana io tompo o no mampandefitra ahy
ahoanany fahazoanareo an'ireo
Ry Tompo no naha....
Io Tompo ô no .......
25. marozevo ( 27/04/2006 20:53)
Ho an'i Fiffi dia marina io "T" io, ary ho ahy koa dia ekeko io lazainao io. Saingy mila averina aminao ve fa tsy voatery hitovy amin'izay iheveranao an'Andriamanitra sy an'ny Tompo, no fiheveran'ny olona rehetra.
Ho an'ny olona sasany anie dia tsy misy dikany aminy izany Andriamanitra izany eh.. ka inona no hahataitra antsika raha ataony "t" ny azy. Ny antsika tazomintsika hatramin'ny farany ny "A" sy ny "T" sy izay "A"naram-panajana rehetra mendrika an'Andriamanitra.
26. Fiffi ( 28/04/2006 05:33)
de miala-tsiny aminao zah zany ry marozevo. Ny nanaovako sy ny antony namerenako nanoratra anio manko dia izao: Hoy diamondra: "iza aloha le tompo tianao lazaina eto tompoko? ary mbola tsy voavaly le fanontaniako dia novaliako hoe "Ry Tompo no naha....
Io Tompo ô no .......

Tsy mila haverina amiko mihintsy ny hoe " Saingy mila averina aminao ve fa tsy voatery hitovy amin'izay iheveranao an'Andriamanitra sy an'ny Tompo, no fiheveran'ny olona rehetra. satria fantatro izany fa tsy hitovy amin'ny finoako na ny fanajako na ny fitiavako na ny fanompoko an'Andriamanitra ny an'ny rehetra fa samy manana ny azy ary manaja ny an'ny rehetra aho ka dia hialako tsiny aminao raha toa nanelingelina anao ny namerenako an'io teto.
27. marozevo ( 28/04/2006 14:25)
Fa ahoana kay no fandraisanao io teniko eo ambony io ry Fiffi?
Tsy misy tsiny ialànao akory eo fa fanamafisana izay lazainao fotsiny anie io lazaiko io eh. Tsy misy manelingelina ahy mihitsy ka !
28. Fiffi ( 28/04/2006 20:07)
marozevo: tsy dia hoe inona marina no tena nandraisako an'io fa tena tsoriko aminao aloha fa tena manelingelina ahy mafy ny mijery ny fanoratana ny Tompo sy Andriamanitra , nefa tsy nahazo valiny i diamondra naveriko ilay izy hoe "Ry Tompo no naha....
Io Tompo ô no ....... "
marina koa ny anao fa samy manana ny fiheveran'ny tsirairay ny Tompo sy Andriamanitra fa tena tspako aloha fa zah no nanao fahadisoana satria ny zavatra iray izay ato an-tsaiko dia ny hoe ny Tompo hivavahana dia Iray hiany ka niheritreritra aho hoe raha izany dia tokony hitovy ny fanajana ny Tompo eny na dia ny fomba fanoratana azy fotsiny aza.
29. marozevo ( 30/04/2006 08:36)
Ganagana ko tsa mba gisa !
manontany aho ka tsa mba diso.

Rehefa misy fanontaniana apetrakao amin'ny olona iray tsy midika akory izany fa diso ianao ka !
Courage foana Fiffi anh !
30. Fiffi ( 30/04/2006 12:25)
nefa raha tena niheritreritra mafy aho , ary tena tsapako androany fa tsy nanelingelina ahy akory kay ny fanoratana azy, ary tsy ny fanoratana azy no mavesa-danja fa ny fitondrana , ny fitiavana , ny finoana ny fivavahana , ny fanompona .
31. marozevo ( 01/05/2006 22:16)
Tena tsy azo ny tianao ho lazaina farany io eh...
32. Fiffi ( 02/05/2006 15:38)
fa tena manelingelina ahy mafy ny mijery ny fanoratana ny Tompo sy Andriamanitra
io aloha no nolazaiko an! de avy eo nilaza indray aho hoe " nefa raha tena niheritreritra mafy aho , ary tena tsapako androany fa tsy nanelingelina ahy akory kay ny fanoratana azy, ary tsy ny fanoratana azy no mavesa-danja fa ny fitondrana , ny fitiavana , ny finoana ny fivavahana , ny fanompona . de azoko lazaina hoe " je ne suis pas tolérante " satria raha tena izy dia tsy ny fanoratana Andriamanitra sy Jesoa Kristy nahena no tokony hataoko mavesa-danja ahy fa ny fanompoko , ny fiderako an'Andriamanitra.
33. marozevo ( 02/05/2006 22:30)
Na izany aza dia aoka hiavaka tsara ireto : FanorataKO azy sa fanorataNY. Ianao mahalala ka tsy manoratra araka ny tokony ho izy, fa ny tsy mahalala tsy omen-tsiny.
34. Fiffi ( 03/05/2006 13:11)
Eny Tompoko . (mody hendry)
35. marozevo ( 03/05/2006 23:04)
Tsy hoe mody hendry fa tena hendry re ah...
Rehefa hendry manko dia iantefan'ny fanontanian'ny adala.
36. Fiffi ( 04/05/2006 07:15)
de le endry manoro ny adala de lasa endry koh izy avy eo hihihih
zandrikely: aiza ianao eh ? nametraka ny dinika ianao , nametraka fanontaniana 2 de lasa , de tsy fantatra ny tohiny .
37. marozevo ( 04/05/2006 14:47)
Andeha isika hody razandrykely.
malakilakia izany dia
I Neny any izay efa miandry.
.....
38. Fiffi ( 05/05/2006 12:30)
(tsy mahay)


Ny fitiavanao anay Tompo ô , no namonjenao ny fanahinay.
39. marozevo ( 05/05/2006 23:12)
(tsy mahay) ahoana ?
Tena adinoko kosa aloha ilay andalany fahefatra eh.. Kay tsikaritr'i Fiffi ihany. Dia mba tsarao ary eh...

Ny tiako ho lazaina fotsiny dia manamafy izay lazainao fa tsy niverina i zandrikely rehefa avy nametraka ny fanontaniana. Lasa nody izy, tsy nody natory fa nody mba hiasa.
40. Fiffi ( 06/05/2006 12:38)
ka mivavaka mba hiverenany hiaraka amin-tsika eto indray satria ny Tompo dia tsy manadino an'izaniza satria be ny fitiavany antsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0995