SI TU ES RICHE TOUT LE MONDE EST LA.....

1. xxx ( 14/04/2006 12:01)
Aleo angamba io hiran'i GRAND MAITRE io no hitondràko ny dinidinika e !si tu es riche tout le monde est là ...mais si tu es pauvre les amis s'enfuient ...MARINA TOKOA IZANY!! fa dia nahoana tokoa re isika olombelona no manao toetra toy izany e..
novalian'i miraymel ny 26/11/2007 09:48
2. Fiffi ( 14/04/2006 12:40)
tsy mihombin-kevitra amianao aloa zah ry xxx an! fa asa aloha fa samy manao izay tiany hataony tokoa ny olona ary samy manana ny fisainany ny tsirairay ! Iza aloha izany mpihira "grand maitre" izany ?
Amiko manokana aloha dia TSY MARINA IZANY , raha mahita olona ianao ry xxx dia aza hatao hoe ny rehetra no manao an'izany an! fa ao ny olona izay mahay mizara @ tsy manana , ao koa ny tsy tia tena , Asa re raha mba fantatrao fa misy olona ena manana nefa dia tsy misakafo ry zareo isakin'ny Zoma fa ny vola tokony hividianany sy hinanany sakafo dia natokana ho an'ny mahantra. Misy dia misy io an!
3. petsambava ( 14/04/2006 12:51)
marina io hira io grand maître TIANJAMA no tompon'ny hira raha manankarena ianao dia mitangorona toy ny parasy ny olona fa raha mihamahantra izany hoe la même personne lasa daholo ny olona!!!
4. Fiffi ( 14/04/2006 13:14)
de tsy aiko indray zany !
5. diamondra27 ( 14/04/2006 13:18)
ny ahy ahitsiko kely: tsy oe si tu es riche fa raha oe: manakotyolorana enao de tonga foana ny olona , namana fa raha sendra ny ady sarotra tsy misy mahafantatra anao, ary de miala pas doly ry zalahy.
Amin'izay fotoana izay no hamantaranao oe: iza no tena namanao? , tsy @ fifaliana ihany fa @ fahoriana ihany koa
6. rurik ( 14/04/2006 14:12)
diamondra27 tena miombokevotra aminao aho =D=D=D
7. Fiffi ( 14/04/2006 15:05)
mahagaga ahy izao zavatra izao an!
8. kally ( 14/04/2006 15:06)
Fa adinonareo angaha ny fianarana ohabolana fahiny haka CEPE? Hoy ny Ntaolo hoe : "Ny omby mahia tsy lelafin'ny namany".
Tsy vao izao io fa efa nisy foana fa anjaranao ny misafidy ny namanao raha "manankarena" ianao.
9. Lejim ( 14/04/2006 15:09)
Fiffi, mety tsara fanahy be doly ianareo sy ny namanao dia tsy tsapanao izany, ary tsara ho anao izany. Tsy mirary anao ahatsikaritra izany amin'ny fiainanao aho. Fa ny realite-ko sy ny zavatra iainako dia matetika manamarina io si tu es riche na si tu es pauvre io!
10. Fiffi ( 14/04/2006 15:51)
dia miaiky zany no zavatra hataoko raha izany satria mbola tsy nisy namaly hoe mety tsy nyrehetra no manao an'izany ! saingy kosa hoy aho an! mampalahelo ny fahitan-zavatra tahak'izao satria samy olombelona , zah aloha tsy dia mijery izay fiainan'ny olona mpanakarena ireny , raha tena azoko lazaina aza dia maha-ontsa ahy mafy dia mafy tokoa ny mijery ny olona tsy manana ka izany koa no nahatonga ahy hanampy manao bénévolat ohatra ao @ resto du coeur na ny croix rouge mba hanampiana indrindra ny tsy manana .
11. kally ( 14/04/2006 16:50)
Ilay izy anie ry Fiffi tsy hoe ny fifandraisan'ny manankarena @ mahantra no resahina eto fa ny fifandraisan'ny fiarahamonina amin'ilay mpanankarena e! rehefa manamanana na metimety ianao dia avy daholo ny olona fa nony injay nikorosy ianao dia hodiany tsy fantatra.
12. Fiffi ( 14/04/2006 16:56)
ok ! mazava tsara ka! ary mampalahelo tokoa ny zava-misy tahak'izany !
13. Herimiafina ( 14/04/2006 17:36)
xxx:

Aleo angamba io hiran'i GRAND MAITRE io no hitondràko ny dinidinika e !si tu es riche tout le monde est là ...mais si tu es pauvre les amis s'enfuient ...MARINA TOKOA IZANY!! fa dia nahoana tokoa re isika olombelona no manao toetra toy izany e..


DOGME Capitalista io, manambara fa capitalista ny gasy fa tsy socialista velively, na dia nosarontsaromana amin,n'ity idée UTOPIQUE hoe FIHAVANANA aza. ahan :@
14. kally ( 14/04/2006 20:27)
Ny fihavanana tsy voafetra @ fifampiantràna fotsiny kosa ry Herimiafina a! ny fihavanana tsy sôsialisma mihitsy ary anaty sôsialisma tsy hisy fihavanana, zavatra roa samy manana ny azy ireo.
15. Herimiafina ( 14/04/2006 21:06)
Raha ny dikan'ny teny Fihavanana anefa dia miaro ny hoe fananana iombonana, biens publics sns, ary manambonimbony kokoa azy io mihoatra ny biens privés.
Ny Fihavanana no maha-malagasy, allez voir fa mifampitsikera sy midikiditra fiainan'olona ary mifanindry sy mifanambany no atao ao.
Ny itiavan'ny olona mitsiditsidika matetika tsy de tena hoe fitiavana fa hitady tsikera entina haparitaka sy ankalazaina hanimbana image.
Inona anefa no tanjony amin'io? Marary ny sainy raha misy maharesy azy, raha mandeha stara ny fiananao nefa ny azy mitrotrongy amin'ny tany, fialonana sy filana 19. Mba marina e!
Ny sasantsasany maromaro io fa tsy ny gasy rehetra an!
Ny kiltiora malagasy mihintsy no efa mifototra amin'ny AN'NY TENA, ny an'ny tena, rehefa hiteny ohatra dia IZAHO sy IANAO fa jamais IANAO sy IZAHo, ny izaho no mandeha aloha foana, ary fototra ijoroan,ny capitalisma izay!


:@
16. Herimiafina ( 14/04/2006 21:44)
Raha dinihintsika ny fiaraha-monina misy dia Traditionnelle no betsaka ao Dago, izany hoe socialement organisée, misy Chef de Village (Apanjaka, tangalamena, sns), Ray amandReny, ny vatandehilahy ary ny zaza amambehivavy.

Misy ny antsoina hoe terroirs familial, ary misy ny terroir villageois manangona ireo terroir familiale maromaro ireo.

Tsy afaka mivarotra tany na maka tany hafa ny fianakaviana na olona iray raha tsy mahazo alalana avy amin'ny fokonolona, ny fanaovana Tavy vaovao ohatra dia baiko avy amin'ny Apanjaka rehefa avy niresaka tamin'ny vahoaka izy. izany hoe basé amin'ny fananana iombonana ary rapports sociaux égalitaires ny ankabetsahan'ny fiaraha-monina taloha izay miandany amin'ny FIHAVANANA.

Tonga anefa taty aoriana ny Mpiavy, manao izay hahatafidirany anatin'io organisation sociale io, amin'ny alalan'ny mariazy na ny metayage na ny fermage dia mangala-tany amin'izay, na miady mafy mba hahazo halalana hivarotra ny tany namboleny izay supposéé fananan'ny communauté.

Teraka teo ny Capitalisme ary miharatsy ny fihavanana fa miroso kokoa amin'ny Individualisme, ary ny samy maka ho azy. mamadika ny voady amin,ny fiaraha-monina fa raha manana occasion de mivarotra tany, ary mngalatra ny an'ny olona amin'ny fahaizana lalàna sy ny fahitahitana. (Capitalisation du système agraire).

De teo no teraka ilay hoe very ny "fihavanana" malagasy, izay raha raisina ara-bakiteny dia Fifampitsinjovana sy firaharahiana bebe kokoa ny hafa noho ny tena.

17. Fiffi ( 15/04/2006 04:19)
aleo aloha heritreretina tsara ireo voalaza ireo , fa toa mahalasa saina tokoa!
18. tiatsara ( 15/04/2006 05:09)
Lay resaka individualisme no hitako marina e ! fitiavan-tena, tsy te hihoitra amin'ny herin'ny tena fa hamantana ny efa hananan'ny namana.
Ahoana moa no tsy hitsoaka lay tout le monde rehefa fongana ilay spons e ! tsy misy omena azy intsony tsinona ka ! miandry départ vaovao.
Ary zay lay mampalahelo, ny efa manohana iny dia manohana mandrakizay, ny mpanao tati-reraka dia miaou lalandava, tsy mety raha tsy sintomina hitovy niveau aminy lay mba efa tafakatra kely : fialonana io, sy aretinandoha mijery ny namana mba tafavoaka.
Toetrantsika malagasy izany, efa maro ny fiaraha-monina nahatsapako izany, ary tena tsy azontsika lavina izay ; rehefa boka @ zay lay mba nanana dia fitserana sy torapo 10km isan'ora no mba azony, fa tsy hoe ndao àry fa ampianay indray ianao e ! fa torapo hahavita inona e ! asa fa tsy kabary no ilaina
lay mba nanana efa fongana !
Ny tokony hataontsika dia izao : raha ampian'ilay manana ianao dia mba tokony mba hiezaka mba tsy hahatonga an'iny fanampiana sy fanomezana iny ho fahazarana isak'izay mahatsiaro = matetika ; dia miezaka @ herin'ny tena, mety tsy hitovy @ fananany ny ho azonao satria izy efa nihary talohanao fa rehefa mba mahatsiaro ianao hoe tafatraka kely dia misaotra azy no ataovy be dia be, dia aza be fangatahana ntsony avy eo.
Zay no mba hevitro e ! atorahy hiverina aty raha diso, fa ny tenako aza ariana, fa ny hevitro no ario in-10 mandifotra olona.
19. diamondra27 ( 15/04/2006 05:44)
iza no efa nahazo loto na PMU?

tonga doly zao namana rehetra izao refa henony fa nahazo vola t@PMU hono ranona e!

Fa rehefa lany @zay iny de jereo ze pas andry zalahy

Ity misy ohabolana iray: "havako raha misy patsa"
20. Fiffi ( 15/04/2006 06:30)
de raha efa fantatra zany ny zavatra hataon'ny olona dia raha nahazo loto dia tsy lazaina azy koh!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1467