Aiza ho aiza isika Malagasy momba ny toeran"ny vehivavy ?

1. ainga ( 12/04/2006 18:15)
Eo amin'ny lafim-piainana rehetra no resahana. Hatramin'ny niankaran'i Angela Merkel ho Chanchelière any Alemaina, ny nahalany an'i Michele Bachelet ho filohan'i Chili (firenena latina be machos !)dia mandeha ny resaka MOMBA ny andraikitra pôlitika raisin'ny rahavavin'i Eva : i Ségolène Royal ve mety ho lasa Pdt frantsay, Hilary Clinton ve mety ho filoha bekintana ? Rivotra vaovao ve sa "lamaody" ? Eo dia hita fa tena tsy mitovy tokoa ny zon'ny lahy sy ny vavy amin'ny ankabeazan'ny firenena eran-tany ! Lasa mahavariana tokoa izany hoe mitàna andraikitra ambony izany, vitsivitsy izireo : Golda Meir tany Israela, ry Thatcher, ry Indira Gandhi, ry Bandaranaike tany Sri-Lanka, ry Corazon Aquino tany Philippines... Firenena vitsy dia vitsy no zatra amin'izany : Islande sy Sri Lanka.
Mitatra any Afrika koa anefa izany satria Sipa tokoa no nandresy an'i Wheah !

Amintsika Gasy, azo heverina ve ny fiakara-na viavy iray eo amin'ny seza " fiandrianana" aoriany kely ao, na dia tsy @ 2007 aza akory ? Mbà diniho anie fa ny fombantsika na ny lalàna velona aza dia nanao ny vehivavy ho ambiny ihany (ao antsaiko ny 1/3 sy 2/3 momba fizarampanana). Ahoana ny hevitrareo ?
répondu par manantsoa le 01/05/2006 10:31
2. sipagasy ( 12/04/2006 18:49)
mmhh aleo hitazana aloha e!euuhh hitazana ny mpamaly io annn
3. kiali ( 12/04/2006 18:51)
andraso aloh hisotro rano zah fa mangateta
4. Fiffi ( 12/04/2006 19:26)
asa aloha fa tena mampiheritreritra tokoa io an!
kiali: dia miverena @ zay ary fa aza misotro be loatra fa sao dia mibotsina be ao ny kibo! :-D
sipagasy: fa ahoana no hitazana fotsiny eh ? mba lazao kosa hono izay mba hevitrao @ io eh!
Fa raha tena hevitro aloha dia mety hoe ho sarotra hiany @ isika gasy ilay izy satria
-isika gasy ve aloha efa vonona ary hanaiky fa mety ho vhv no hitondra ?
-tsy resaka hoe raha vhv aloha dia hoe tsy ahavita an'izany ,"tsy misy mafy tsy laitra ny zoro" saingy tsy zavatra mora ny mitondra firenena
-ilaina dia tena ilaina tokoa aloha raha resaka fitondrana firenena mba tena olona mahavita an'izany , nanao fianarana lavitra ary koa finihavana . (tsy midika velively akory io hoe tsy misy vhv tsy nahavita fianarana ambony an!) satria misy dia misy tokoa izany ary soahiany fa misy tokoa.
_isika malagasy dia mbola manana fisainana ahoana re no filaza an'izany eh ? sa ve miheritreritra isika fa tena mbola natokana ho an'ny lhl hiany io toerana io ?
-mila manao politika be koa satria resaka politika avokoa ny fitndrana
-Tsy zavatra mora ny mitondra firenena , raha toa moa ka efa mba nisy maro2 ny vhv mpanao politika ka efa mba lasa 1er minisitra ohatra na hafa fa toerana tena ambony io an! dia mba ahamora antsika ny hanaiky mora3 kokoa ny vhv hitondra.

Raha misy diso ny zavatra nolazaiko dia mba hampio aho satria dinika tena sarotra tokoa izy ity nefa mba te-andray anjara mafy.

Farany: enganie ka mba hisy ny vhv hazoto hanenjika io toerana io tahakan'ireo firenena hafa ireo.
5. ainga ( 12/04/2006 20:14)
Misaotra an'i Fiffi namaly tsotra ary izay mihitsy no tena mahafinaritra. Tsy misy diso mihitsy ireo voalazanao ireo.
Marina tokoa fa mila OHATRA ny vhv (misaotra @ ilay fanafoahezana !)mbà ho alain-tahaka, hitanareo ihany ireo mpihira ireny, ny "kintana" mpilalao @ sarimihetsika, ny mpanao spaoro... Tokana dia tokana ny minisitra vhv amin'izao fotoana izao, raha tsy diso aho dia iray dia iray ny Filoham-paritra (chef de région). Tsy misy misongadina ny mpanao pôlitika gasy vhv.
Miankina @ fitaizana antsika io (na lahy na vavy), ka raha mbola mihevitra isika fa misy karazan'asa natokana ho an'ny lhl ihany dia tsy hiova mihitsy io. Vonona hiova ve ny vhv malagasy ?
Mahavariana fa rehefa misy fivoriana ireny ohatra dia mitokana ny lahy miresaka pôlitika ary etsy ankaiky ny vavy miresaka vori-damba. Caricature io e ! Rehefa mahita aho fa maro ny andriambavilanitra mandray anjara amin'ny resaka mandeha eto dia velombolo ! Alefa ry sipa a !
6. Ragadona ( 12/04/2006 20:21)
Za alo tsy contre an ilay eritreritrareo vhv e, ary tokony hitovy mihitsy fa tsy hisy hoavakavahana zany(fa ny fahasamihafana voajanahary kosa tsy handaniana andro hodinihina). Saingy ity ange no tsy mahatanteraka an ilay firosoan ny vhv amin ny lalindalina kokoa e :
1- Mafonja kokoa ny hambom po hifaninana amin ny lhl noho ny hetaheta hahavita zavatra ka zary tsy an kitsipo ny firosoana amin ny asa fa baikoin ny \"comportement agressif\". Oh :manoloana ny zava bitany iray :faly ra sipa, tsy noho ny fahavitany an ilay asa iray no mampirehareha azy fa noho ny fahitany hoe misy lhl tsy nahavita azy.
2- Tsy mety mirotsaka avy hatrany ny vhv fa lany andro mitaky an zatsy na zaroa amin ny alalan ny fivoariana, seminera, fifanentanana, fitarainana ...dia faranana amin ny tora po. Dia lasa ohatry ny hoe ny vhv ndray no manava tena mifanabe hamolavola \"fiaraha monim behivavy\" ka tsy ijerena afa tsy izay mifandraika amin izany ary tsy manatsara ny fiaraha miasa eo amin ny lahy sy ny vavy
3- Be ny vhv no voafetra be loatra eo amin ny resaka sexe (hoe lahy na vavy fa tsy hoe akory ...) ka afantony be loatra amin izay koa ny toetsaina entiny manao zavatra iray ka vao maika manampy trotraka ny fijerim piarahamonina hatrizay. Ireo vhv mitazona andraikitra tsy mahazatra ireo dia tsy ny maha vhv azy akory no nahindrahindraina ka nahalasa azy fa ny capacité ny.
4- soso kevitro zany dia izao : misy ny zavatra mbola andrarana ny vhv ao amin ny fiaraha monina(aza hadino koa anefa ny tombontsoa isan karazany zay tsy mba asinareo resaka akory), marina izany ary tokony hovahana. Marina ihany koa fa tsy miankina amin ny vhv irery ny famahana azy. Saingy ny vhv kosa dia tsy tokony hiantehitra sy hanao fitaovana ny mahavehivavy (fémininité ?)azy hihoarana an le izy fa mba tokony ny resaka capacité no hovoizina sy hamolavolana tena d ho lafatra haingana ny fiaraha monina. Diso petraka amiko lay hoe \"fidionareo aho fa hoporofointsika ny mahavhv antsika ...\", izay fanaon ny candid vhv amin ny vhv toa azy. Efa manao discrimination ndray izy amin izay..................

7. lapino ( 12/04/2006 22:58)
... manaraka ny tenin-dRagadona ...
ainga:
Amintsika Gasy, azo heverina ve ny fiakara-na viavy iray eo amin'ny seza " fiandrianana"

Efa mazava ny kianja, mazava koa ny fitsipi-dalao, ka samia mitondra ny lalaony àry. Ny tanjona farany moa, tsy ny "hahazoana ny seza" na ny hanarahana an'izay "lamaody" fa ny hampandrosoana.

Ny fanontaniako dia hoe:
- Aiza ny vehivavy no vitsy kely no (sahy) milatsaka hofidiana ho solombavambahoaka, ben'ny tanàna, sns ...
- Aiza ny vehivavy no vitsy kokoa ny zava-bitany eo amin'ny ara-toekarena, ara-teknika, ara-pitantanana, ara-pikarohana, ...

Ka ny vehivavy aza tsy mirotsaka akory. Fa mbola lehilahy foana no tena "actifs" amin'ny raharaha politika sns ... Efa nisy ireo minisitra vehivavy, (kandidà) ben'ny tanàna sy deputé vehivavy, fa vitsy. Taloha aza mba nahenoana anarana hoe Gisèle Rabesahala, Ruffine Tsiranana, sns ...

Tsy misy ao amin'ny lalàna kosa angamba misakana tsy hisondrotan'ny vehivavy amin'ny lafiny politika sy ekonomika ary teknika, na dia misy an'izany resaka kitay telo an-dalana izany aza. Amporosihana hatrany aza ny vehivavy - izay maro an'isa amin'ny ankapobeny - mba hiezaka hiroborobo amin'ireo sehatra isan-karazany ireo.

Ny fanontanian'i ainga izany, avela ho ianareo vehivavy ihany no hamaly azy.
8. sahonfra ( 13/04/2006 00:09)
Ny hevitra tera-bary
Fa tsapako fa ny vhv no kitro hifaharan\'ny fihainana rehetra satria na ny kitapo nifonasana alohany ahitana masoandra aza dia ny vhv.Saingy ny rafitra nataond-Raolombelona no nampilatsaka ny zon\'ny vhv.
Ekena fa raha tanjaka sy hery @ ankapobeny dia voajanahary ny ananan\'ny lhl tanjaka kokoa.Raha eo @ fikirizana sy fandinihin-javatra mahomby sy misaina lalina kosa dia eo no tokony hampihavaka ny vhv.Araky ny (expérience) hitako rehetra ka rehefa vhv matotra sy misaina no atao lohan\'antoka iray dia tsara fototra ny zavatra atao saingy ny lhl no mibahan-toerana eo @ lafin\'ny tontolo ny asa dia mifamahofao ao an-tsain\'ny lhl ny hoe:\"Tsy te ho RESM-BAVY\" ka matetika mampirodana ny ezaka rehetra izay kinasa.
Mafy saina ny vhv rehefa misy ny olana na dia ara-pitiavana fotsiny aza, maharipery @ olana maro mitranga rehetra.
Saingy mahery ny fanjanahana ara-tsaina ataon\'ny lhl dia matetika aleon\'ny vhv mirona bebe kokoa any @ menakin\'ny ainy satria ny taranaka no lova manankasina indrindra.
Amiko ny taranaka no kitro hifaharan\'ny hoavin\'ny firenena koa na tsy dia dia mahazo toerana avo-lenta @ lafiny politika, ara-pihariana sns... aza ny vhv nefa mahafehy ny adidy @ maha RENY ka mahakolokolo @ lafiny rehetra ny hoavin\'ny taranaka dia efa ADIDY iray mavesatra sady mafonja mba hananan\'ny firenena iray olom-banona izany.
Koa anjaran\'ny vhv tsirairay no miheritreritra izay heverin\'ny ho ZONY ka tokony hiadiny sy hitolomany
Ny zavatra tsy azo lavina dia vary sy rano ny lhl sy ny vhv.NY lhl andry ny vhv toky koa ny paikady (stratégie)hifanampian\'ny lahy sy vavy @ lafiny rehtra amiko ny tokony ho trandrahana fa tsy dia ny fihadiana ZO loatra.
Izay tsy hefan\'ny vhv mba tontosan\'ny lhl.\" La fusion d\'énérgies de deux corps différents crée un résultat positif\" (Même la science prouve que cette théorie est induscitable).Na ny baiboly koa aza manamafy fa TSY TSARA RAHA IRERY RALEHILAHY!!!!!!!!:roll: :lol:
9. fijo ( 13/04/2006 03:42)
isika anie efa nanana vehivavy nitondra ary tena natahorana tokoa e."i ranavalona I"midika izany fa tsy olana amintsika ny fiakaran'ny vehivavy eo amin'io toerana io.fa ny vehivavy ankehitriny mmihintsy no tsy mbola misy vonona ny haka io toerana io.
dia mody ny lehilahy no lazaina fa mibahana.
10. Fiffi ( 13/04/2006 09:06)
efa nanana marina isika taloha saingy efa tena niova be ny fiainana .
Tena mbola tsy vonona tokoa angamba ny vhv ankehitriny satria ny kilonga koa ange etsy an-daniny eh! mbola hafa hiany manko izany hoe ao an-trano ny vhv mitaiza ny zanany sns.... na dia efa betsaka aza ny vhv miasa raha hanaovana comparaison @ fitondrana kosa , zavatra hafa indray io .
11. little ( 13/04/2006 09:44)
Aiza ho aiza marina re tsika gasy e?
eo ihany kah, mivezivezy ao madagasikara ko aiza ho aiza ahoana. Ze afaka mivoaka any ivelany de any fa isika gasy de ao Dago foana.
Ka ny vevavy ko nge any Dago tsy tia de manao politika e! ho aiza aza?
12. Vaika ( 13/04/2006 16:02)
Amintsika Gasy, azo heverina ve ny fiakara-na viavy iray eo amin'ny seza " fiandrianana" aoriany kely ao, na dia tsy @ 2007 aza akory ?
Efa mba nisy an'i Ranavalona I-II-III, Rasoerina sa lavitra loatra izany ?
Ka ny fijeriko azy dia mbola hoa avy e ! Raha jerena tsara ny société malagasy dia toa tsy very anjara loatra ny vhv na hatramin'izay na hatramin'izao. Mbola ho avy amin'ny pôlitika izy ireo rehefa tsy sahirana intsony mitantana irery ny tokon-tranony (matetika !);-)
Ra-lhl dia matetika mibaikobaiko fa i ra-vhv no tena maka fanapahan-kevitra.
Hisafaoka daholo izao ny kôfy mamaky an'ity, nefa na dia izany aza dia diniho tsara ihany aloha ry zalahy a !

13. Fiffi ( 13/04/2006 16:32)
ny tena olana koa ry zareo dia izao an! tsy misy vhv milatsaka !! fa nahoana ary ?
14. Fiffi ( 13/04/2006 16:33)
nefa be ny vhv manam-pahaizana ary nahavita fianarana tena lavitra. Tsy dia misy ny vhv tia manao politika fa maninona ?
15. jpeg ( 13/04/2006 17:07)
raha misy vehivavy tanora tia hampandroso an'i Madagasikara, sy tia hanao politika, dia aza milasalasa manantona ny TDM.
Mety maro no hiteny hoe tanora loatra ianareo, kanefa efa hita izao ny vitan'ireo efa goaika antitra fa tsy aleo anjaran'ny tanora indray mampiseho, ny fahaizany.
16. Ragadona ( 13/04/2006 17:28)
Ny olana oa dia ny tsy firotsahan ny vhv amin ny fampiharana fa variana manao seminera sy manao fivoriana dia avy eo variana mamalifaly tena mitantara hoe isika reto anie ka hendry, marani tsaina, mahavita azy, mahari pery, mahataty maharary, tsy misy izao tontolo izao raha tsy eo isika ............... dia alina ny andro avy eo. Raha tonga dia mirotsaka anefa tokony ho lasa lavitra, ary mirotsaka amin ny maha "compétente" fa tsy hoe akory amin ny "maha vehivavy"(izany hoe satria vhv)
17. fijo ( 13/04/2006 19:37)
jpeg an,manahirana be izany sipa TDM izany"tonga de manao"
ary mba jereo wa ny gazety "madagascar tribune" androany 13 avril,fa misy resaka momba io fikambananareo io ao,ataon'ny arema
18. diamondra27 ( 14/04/2006 03:27)
:oops:
19. Fiffi ( 14/04/2006 04:07)
jero ao @ "hoy ny gazety " fa ao io ry jpeg .
20. fijo ( 14/04/2006 19:40)
tsy hita lery fa nisitrika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609