Aiza ho aiza isika Malagasy momba ny toeran"ny vehivavy ?
21. soanja
(
15/04/2006 17:54)
Ianareo lehilahy itony dia be tafasiry. Tsy hitanareo ve ny asa aman'andraikitra raisin'ny vehivavy amin'ny fiainana andavanandro. Ny vehivavy Malagasy dia anisan'ny manampy be dia be indrindra amin'ny fampandrosoana ny toekaren'ny Madagasikara. Jereo tsara eo amin'ny fanabeazana iza no betsaka indrindra lehilahy sa ny vehivavy raha sampy mpampinatra, ny mpivarotra, ny mpiompy, ny mpiompy nefa dia resahina indray ny any an-tokatrano aiza ramose miandry sakafo aroso fotsiny. Ny ankizy angamba miahaka daholo raha noraisin'ny lehilahy io andraikitra io. Ka raha resaka Politika no resahina dia mino aho fa hoavy izahay aza maika ianareo. Manana ny fotoany ny zava-drehetra. Efa mba nisy nanova sy nanatsara ve ny zon'ny vehivavy amin'ny ankapobeny raha resaka lalana? Efa misy managadra ve ireo lehilahy mpamono vady sy ny mamolava maninmba tokatrano. Ireo tsy mamela ny vadiny hanohy fianarana sns. Rehefa voafehintsika ireo (lalana eo amin'ny firenena) ka manome vahany ny vehivavy amin'ny safidy malalaka hanaovana ny fiainany izy dia ho avy ny vehivavy amin'ny angady sy ny harona hirotsaka amin'ny fanaovana politika. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy hitako izay fa ny vehivavy avy aty an-dafy ihany no betsaka efa nahita an'io irika io. Aza maika e. Mbola eo ampanaovana examens CEPE na BACC ilay zavavy ho presidenten-tsika.
22. ainga
(
15/04/2006 20:27)
Manao ahoana daholo ô !
Misaotra anareo rehetra manome ny hevitrareo. Mahafinaritra, mankasitraka e !
Tsy nisy kosa hatramin'izao valiteny tena macho !
Eny àry ry soanja fa vonona izany ny handimby an-dRa8 any aoriana any : angamba tokoa efa nisy any zazavavy kely iray, rehefa anontaniana hoe "inona no asa tianao atao rahefa lehibe ?", namaly tsy nisy fisalasalàna manao hoe " Filohan'ny Repoblika", lavitra dia lavitr'ireo faheno matetika, hoe hotesse de l'air, mpampianatra, infirmière, avocate, star mpihira, mpandihy...
Enga anie fa, araka ny fanirian-dRagadona dia tsy ho fiarovana ny tombontsoa manokan'ny vhv no hameno ny programany !
Ka amin'izay fotoana izay ve ho marobe ny lhl hitaraina fa vonoin'ny vadiny ? hi!hi!hi!

23. manantsoa
(
01/05/2006 10:31)
Tsara ny miady hevitra sy mamakafaka hevitra iray toy izao fa aoka kosa tsy hanantena tsy misy sy hirediredy ka hoe ao anaty ny taona 10 na 20 manaraka dia ahazo izany toerana izany ny vhv.
ny azoko antoka dia ahazo ny toerana sahaza azy eo amin' ny lafiny rehetra ary indrindra fa eo amin' ny fitantanana ny raharaham-pirenena ny vhv rehefa tapitra lasa any amin' ny ...... daholo ireo mpanao politika dinausore rehetra ireo .