finoana

1. texe ( 06/04/2006 08:28)
manahoana alo e!
inona no atao hoe finoana?
novalian'i marozevo ny 08/05/2006 15:12
2. Fiffi ( 06/04/2006 08:44)
http://www.lutheranmedia.net/madagascar/mg/lesona1-1.pdf io aloha no hitako ka asa raha hanampy nanao .
3. ravatorano ( 06/04/2006 09:51)
midadasika b izy zany fa akelikelezo kle
finoana an izy io ?
finoana an'Andriamanitra v sa boudha sa iza ?
sa minoa fotsiny ihany ?
4. Fiffi ( 06/04/2006 10:03)
ny inona ry ravatorano no hakelezina ? raha ilay jereo eto aloha dia io no mba itako satria sarotra hiany ny hamaliana ilay dinika na izany aza dia ato @ fivavahana sy finoana ilay izy no napetraka. Maro be no azo handikana ny teny hoe finoana ka mino aho fa fivavahana io.
5. bichette ( 06/04/2006 10:18)
texe : jereo ao anaty hebreo fa misy ny atao hoe finoana :D de ho hitanao ao ny valiny. :wink:
6. marozevo ( 06/04/2006 20:55)
Ny finoana no porofon'ny zavatra tsy hita sy ... maninona ny zavatra antenaina moa izy teo ??
7. Fiffi ( 07/04/2006 05:24)
sambatra izay mino nefa tsy nahita ve ry marozevo ?
8. marozevo ( 07/04/2006 21:37)
Marina io lazain'i Fiffi io, fa ny ahy ilay ary amin'ny boky Hebreo io tadidiako io fa tsy mety tadidiko. Asa toko faha 11 Hebreo angamba izy izay.
9. Fiffi ( 08/04/2006 04:44)
dia mba tadiavo dia mba zarazarao ho antsika eto eh!
10. marozevo ( 10/04/2006 21:58)
Sao dia mba mety raha verifienareo ihany fa raha tsy diso aho dia Hebrio (Hb 11, 1) io. na fara faharatsiny andininy faha 2 na faha 3. Mba amarino moa eh... Dia raha azo atao soraty eto izay tena figadony ao, sao dia diso ilay natolotro.
11. Fiffi ( 11/04/2006 05:29)
marozevo: io an!

« Thomas, appelé Didyme, l'un des douze, n'était pas avec eux lorsque Jésus vint. Les autres disciples lui dirent donc : Nous avons vu le Seigneur. Mais il leur dit : Si je ne vois dans ses mains la marque des clous, et si je ne mets mon doigt dans la marque des clous, et si je ne mets ma main dans son côté, je ne croirai point.
« Huit jours après, les disciples étaient de nouveau dans la maison, et Thomas se trouvait avec eux. Jésus vint, les portes étant fermées, se présenta au milieu d'eux, et dit : La paix soit avec vous ! Puis il dit à Thomas : Avance ici ton doigt, et regarde mes mains ; avance aussi ta main, et mets-la dans mon côté ; et ne sois pas incrédule, mais crois. Thomas lui répondit : Mon Seigneur et mon Dieu ! Jésus lui dit : Parce que tu m'as vu, tu as cru. Heureux ceux qui n'ont pas vu, et qui ont cru ! » (Jean 20:24-29)
12. marozevo ( 11/04/2006 10:59)
Io efa hitako, fa ilay Hebrio toko faha 11 no tadiavo eh. Dia jereo fa misy mitovitovy amin'izao ao : "Ny finoana no porofon'ny zavatra tsy hita sy .... n'ny zavatra antenaina". Boky Hebrio (Hebreo) toko faha 11 no jereo.
13. Fiffi ( 11/04/2006 13:45)
ho tadiaviko indray ary io an!
14. marozevo ( 11/04/2006 18:17)
Hita ve eh ?
Avy eo ny tohin'io dia mitantara experiencen'olona samihafa ao amin'ny Baiboly ao.
Ny finoana no .... sns. Ny toko faha 11 manontolo izy izay raha tsy diso aho.
15. Fiffi ( 12/04/2006 04:45)
marozevo: hitako ka! fa ny toko faha 11 tsy io ."Rehefa avy nitanisa ny sasany tamin’ireo olona nanam-pinoana ireo ny Hebreo toko faha-11, dia hoy ny Hebreo 12:1: “Koa satria misy vavolombelona maro be toy ..."
Nanana vavolombelona teto an-tany i Jehovah Andriamanitra, nandritra ny an’arivo taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Rehefa avy nitanisa ny sasany tamin’ireo olona nanam-pinoana ireo ny Hebreo toko faha-11,
Ny vavolom-belona zany ny toko faha-11 an! sa ahoana ?
16. marozevo ( 17/04/2006 23:37)
Mila ampifandraisina amin'ny Asan'ny Apostoly (Asa 1, 1-4) koa io niolazainao io ry Fiffi. "Koa satria maro no efa nanoratra sy nijoro ho vavolombelona... ry Teofily malala... sns..."
17. mandalo ( 18/04/2006 10:40)
aoka tsy hoadinontsika fa ny baiboly, na dia mitantara olona marobe aza dia tantaran'Andriamanitra no ambarany (révelation de Dieu à ses creatures).
ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona no tiany mandrakariva hampitainy amin'ireny tantara ireny,ka ireny lazainy ao amin'ny Hebreo 11 ireny dia olona nanaiky ny fisiany sy ny fitiavany ka natoky Azy ;dia NINO Azy. vavolombelon'ny Fitiavany ireny ary toy ireny koa no tian'Andriamanitra hataontsika mba ho vavolombelony isika ;ary izay no atao hoe: MPINO sy KRISTIANA isika
18. marozevo ( 18/04/2006 12:47)
Ry Teofily malala... Ny Teofily (Théophile), dia anaran'olona manokana, nefa koa entin'i Lioka hanambarana izay rehetra tian'ny Tompo.
Thèou = Andriamanitra
Philein (infinitif)= tia.
Isika rehetra, araka io lazain'i mandalo io, dia samy tian'Andriamanitra avokoa, ary sitrany mba samy ho voavonjy noho ny finoana avokoa.
19. Fiffi ( 19/04/2006 05:09)
satria be ny fitiavany antsika .
20. marozevo ( 19/04/2006 20:27)
...ka tokony ho be fitiavana Azy koa isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0535