finoana

21. Fiffi ( 20/04/2006 07:01)
mba aiza ho aiza izao aloha ilay namana nandefa ny dinika ? ny mahagaga ahy koa aloha dia mametraka dinika ny olona , dia mametraka fanontaniana dia eo !! avela eo !!! tsy hita intsony !! tsy mba manome ny heviny ! ka inona no antony nametrahana sy nandefasana ny hevitra raha izany ? tsy fantatra na mba hafam-po na tsia , tsy fantatra na izay voalaza eto mna nahazahoany zava-mahasoa na zavatra hafa fa dia tsy hay intsony an!
22. marozevo ( 20/04/2006 14:52)
Io lazainao dia mpitranga matetika mihitsy. Indraindray aho mila halaim-panahy hilaza hoe "misy mananihany fotsiny kosa eh". Nefa angamba sahirana izy na mbola matory, na lasa nanao vakansy. Rehefa tafaverina ve izy tsy hijery eto ihany.
23. Fiffi ( 21/04/2006 09:45)
enganie ! :)
24. bichette ( 21/04/2006 09:48)
marozevo > antenaina izy mba mitsiditsidika ny sotratry ny namana momba ny fanontaniany
25. marozevo ( 22/04/2006 22:26)
Fa mandram-piverina ... inona no atao. Ndao hiresaka ihany aloha eh.
26. Fiffi ( 26/04/2006 07:53)
tsy misy manakana antsika tsy hiresaka tokoa ny fiandrana azy an!
27. marozevo ( 27/04/2006 21:11)
Dia tohizo ary ny resaka eh...
Izaho mino an'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.
Izaho mino an'i Jesoa Kristy Zanany tokana Tompontsika.
Izaho mino ny fanahy Masina.
Izaho mino ny Eglizy masina..
Izaho mino ny Batemy tokana ho fanalana ny fahotana.
Izaho mino ny fiainana mandrakizay.
Izaho mino, izaho mino...

Ary i bichette sy Fiffi koa ve mino an'ireo ?

Mba hitohy ny resaka.....
28. Fiffi ( 28/04/2006 06:50)
Izaho mino an'Andriamanitra , Ray Tsitoha . Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Zah aloha dia mino tokoa , mino an'ireo tokoa aho , nefa na izany aza tsy hijanona amin'ny finoaka izay hitako sy tsapako fa dia kely dia kely ka ny hivavahako sy ny angatahako an'Andriamanitra dia ny hanampy ahy hatrany hampitombo izany finoako izany. ary mino koa aho fa hanampy ary manampy antsika rehetra ny Tompo.
29. marozevo ( 28/04/2006 14:44)
Izany koa no nolazain'ilay olona iray ao amin'ny Baiboly ao raha nanontanian'i Jesoa izy, ary dia namaly hoe "Mino aho Tompo, fa vonjeo re ity tsy finoako e".
Tena io ilay fehezan-teny fa ny contexte sy ny anaran'ilay olona tsy tsaroako. Ny referansy koa tsy haiko.
Mba diniho tsara ange io teny io... Hafahafa, nefa lalina dia lalina.
30. Fiffi ( 29/04/2006 09:23)
Mino aho Tompo, fa vonjeo re ity tsy finoako
lalina dia lalina tokoa . Ary raha mandalindalina an'io aho dia izao angamba ny fahazahoako azy satria koa hihainako izy io.
-Mino aho , Mino ireo volaza ireo , Mino an'Andriamanitra , manana finoana aho zany , mandeha mivavaka , nefa na izany rehetra izany aza dia tena mbola mahatsiaro fa kely dia kely ny finoako , kely dia kely tokoa nefa dia tsy misasatra mivavaka mba hampitombo izany finoako izany ka dia ny hany sisa hatao dia ny mangataka an'Andriamanitra hoe mba vonjeo ny finoako na mangataka an'Andriamanitra mba hampitombo hatrany ny finoako . Finoana mila vonjy tokoa eny na dia milaza aza fa mino.
31. marozevo ( 30/04/2006 09:00)
Izay ilay izy ka !
Ny finoana toy ny mitaingina bisikileta, raha vao mijanona tsy mahajoro ny tenany.
Ny finoana toy ny tolona am-batolampy, ka izay lavo tsy maintsy vaky loha.
Ny finoana toy ny rivo-malefaka, tsy hita nefa mamelona aina.
Ny finoana toy ny .... (Mt 13,...)
32. Fiffi ( 01/05/2006 05:27)
Ny “Finoana” tokana irery ihany.
Ny Finoana dia ateraky ny fihaonan’ny zanak’olombelona amin’Andriamanitra.
Ny Finoana dia mety ho fiandohàna na fiafaran’ny làlana iray, marina fa sarodiavina, nefa azo izorana tokoa.
33. marozevo ( 01/05/2006 22:45)
Ny mpino dia azo oharina amin'izy enina na fito mianadahy kely irahin'i papa sy mama hamangy an'i bebe sy i dadabe izay monina ary amin'ny làlana 45 na 60 mn(Sarin'Ambanivohitra no alaina an-tsaina). Ny hafalian'i dadabe sy i bebe dia rehefa miara-tonga ireto zaza fito mianadahy. Ny zokiny mitantana na mitrotro ny zandriny.
Fa mba hevero ange ny hatezeran'i dadabe sy i bebe raha samy nanao izay hahatongavany ireto zaza eh.
Tsy adin'ny matanjaka ny Finoana fa "vatsy iraisan'izay iray làlana".
34. Fiffi ( 02/05/2006 15:16)
fa nahoana no ho tezitra ry zareo ry marozevo ? ka tsy aleo ve ary mba tonga ry zareo na dia tsy niaraka tonga aza toy izay tsy tonga mihintsy ?
35. marozevo ( 02/05/2006 22:45)
Averiko azavaina ary ilay ohatra, ka tonga dia ilay tapany faharoa. Tsy miaraka tonga ry zareo satria tsy nifampitsinjo fa samy nanampatra ny heriny fotsiny. Fito mianadahy izy ireo... Raha 14 ans ny voalohany dia mety ho 2 ans izany ny fahafito. Dia samy mandeha samy mitady, samy manampatra ny heriny. Dia aiza ny maha mpianadahy azy amin'izany ?

Eny eh... mazava loatra fa vao maika ho loza ny hatezeran'i dadabe sy bebe raha sanatria ka nisy very an-dalana tsy tonga mihitsy.

Mbola tsy azonao ve ?
36. Fiffi ( 03/05/2006 05:09)
tena mazava tsara mihintsy kah! misaotra anao.
Zah zany mba te-ahafantatra ny hevitrin'ny nandefa ny dinika raha mba nisy valiny nataontsika teto mahafam-po azy. Fa napetrany ny lohateny dia iny izy tsy hita intsony. :(
37. marozevo ( 03/05/2006 23:22)
Ka aza miandry an-drazaka na i Paoly eh...
38. Fiffi ( 04/05/2006 10:41)
Finoana izay mifototra amin’ny Batemy noraisin-tsika ka manambara ny maha rantsam-batan’i Kristy, finoana izay mampivondrona antsika ho Fianakaviam-ben’Andriamanitra, finoana izay manosika antsika hiroso lalindalina kokoa amin’ny fiainam-panahy kristianina, finoana izay hijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy.

"Manoloana izany ary, ahoana no hiainantsika izany finoana tiantsika hananana izany ?"
39. marozevo ( 04/05/2006 15:00)
Zavatra tena lehibe tokoa ny finoana. Araka izay hita ao amin'ny I Kor 13, .. anefa dia tsy ho feno ny finoana raha tsy eo koa ny fanantenana sy ny fitiavana. Ary ny fitiavana aza no lehibe indrindra amin'ireo.

Ka raha mametraka io fanontaniana io i Fiffi dia heveriko fa raha tiantsika ny hiaina ny finoana dia tsy maintsy heverintsika koa ny hanana fanantenana sy ny hiaina ny fitiavana.
40. Fiffi ( 05/05/2006 11:19)
11 Fa izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jesoa , dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin' ny farany.* 12 Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13 Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin' ny fonareo rehetra.

Tiantsika marina tokoa ny hiaina ny fonoana ary heverintsika marina ny hanana fananenana satria io koa no fototrin'ny finoana. manantena ano izahay ry Tompo fa hitsinjo anay hatrany ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079