sakafo tsy misy hena

1. kala ( 05/04/2006 06:09)
Miarahaba antsika rehetra.
Zà aloha tsy manana soso-kevitra sakafo fa ny mihinana no tena angadiko:wink:

mila recettes na sakafo tsy misy hena (végétarien)

izay mba manana azafady mba ampio ê!raisiko am-pifaliana

Ny karazan-javatra rehetra mety fantatro fa le fomba fikarakarana azy rehetra mba tsy hankaleo no tadiaviko

misaotra de :-* daholo
novalian'i kala ny 07/04/2006 05:26
2. LazaRandri ( 05/04/2006 06:17)
ravitoto sy pate jaune
3. dadabe ( 05/04/2006 06:53)
humm ngah kala vegetarienne??8O

tsaramaso sy saosy:miam::miam:
4. rurik ( 05/04/2006 07:37)
LazaRandri:

ravitoto sy pate jaune


mba marina ve io lazainao io?8O8O
5. rurik ( 05/04/2006 07:39)
tsiasisa aky mahasolo hena koa an asianjy menaka sy voataby ary tongolo :miam::miam:
6. kala ( 05/04/2006 07:59)
i Laza zany andrahoiko an'io ravitoto sy paty io de hihinana hiaraka amiko ve :?: mananihany an!

dadabe > ie! sady areti-mifindra ange hono @'izao 21ème siècle zao io végétarisme ê!:wink:

rurik > ie fa saingy zà hoa mila bedabe :-* merciiiiiii
7. Fiffi ( 05/04/2006 08:39)
na jambon ve akia dia tsy mihinana koa ndry ?
raha izany manao riz cantonnais , hasiana petit pois , atody , kotomila , coriandre na persil sinoa , de mazotoa akia an!
afaka manao riz aux carottes koa ndry an! io aloha tena :miam::miam: be eh! manao koa misao na mi-xao , paty io dia hasiana tongolo raviny , persil sinoa koa , atody natao omelette io an! de afangaro daholo :miam::miam::miam: afaka manao krepy koa ndry dia asiana oeuf au plat fotsiny , afaka manao soufflée koa ndry , au fromage na au potimaron .
8. kala ( 05/04/2006 10:51)
fiffi > ka efa hoe tsy minana hoa zà!
efa elaela ihany zay ka! fa tsy de mampaninona ange le izy ê! fa mba mila varié-na fotsiny kà:wink:

Efa misy fanaoko reo ka sady niampy de milay 8)

merciiiiiiiiiiiiii daholo.

f'angaha dadabe mahay mahandro sakafo?:roll:
9. vale ( 05/04/2006 11:10)
kala: ity misy iray ary eh:wink:
ho an'olona 3
courgettes 1/2kg
oignons 2
tomatelehibe 1
atody 3
menaka 3 sotro lehibe
coriandre 1 poignet
-tetehina atao rondelles ny courgettes
-endasina ny oignons efa vita en lamelles, rehefa dorés dia arotsaka ny voatabia voatetika madinika dia endasina miaraka...arotsaka avy eo ny courgettes
-asiana rano 2 kôpy dia saromana dia avela ho malemy ny courgettes(tandremana mba tsy ho tapatapaka)
-kapohina ny atody, rehefa hita fa masaka ny courgettes dia arotsaka ny atody sady haroina moramora.
-tetehina madinika kely ny coriandre dia afangaro @ légumes rehefa miala teo ambony afo.(raha tsy tia coriandre dia azo soloina persil koa)
vita dia mazotoa mihinana!:miam:
ohanina @ mofo, na @ vary koa tsy maninona :wink::miam:
10. vale ( 05/04/2006 11:23)
Kala:tsy fantatro na ao @ le tadiavindry koa ity fa omeko ihany alou:wink:
Quiche aux poireaux
zavatra ilaina:
poireaux vaventy 1
crème fraîche 1 boaty kely
atody 4
pate brisée 1

-kapohina ny atody, arotsaka ny crème fraiche, afangaro tsara
-arotsaka avy eo ny poireaux, afangaro tsara koa
-étaler-na eo ambonin'ny moule ny pâte, arotsaka eo amboniny ny ingrédients
-atao anaty four 180°, mandritry ny 30à40mn.vita dia mazotoa mihinana:miam:
11. vale ( 05/04/2006 11:49)
Ity koa misy resety fandrahoina sapghetti
Ho an'olona 3
zavatra ilaina:
spaghetti 250g
tomate pelées 1 boaty kely
tongolo gasy voany 4 na 3 vaventy tsara
huile d'olive 2sotro lehibe
ravina basilic efatra
fromage "parmeggiano" râpés

-Afanaina ny menaka, endasina ao ny tongolo gasy voatetika madinika kely tokony ho 40sec dia ajanona
-arotsaka ny voatabia, haroina mandram-pahamasany sy malemy tsara azy
- andrahoina ny pâte araka ny voalaza eo @ fonony(satria ny marque samihafa!)
Rehefa masaka ny pâtes dia atao anaty lovia lehibe 1, arotsaka eo amboniny(afovoany) ny sauce tomates efa vita, rarahana ny fromage .
Haingoina ny ravina basilic eo @ zoron'ny lovia
Mazotoa mihinana:miam::miam:




12. vale ( 05/04/2006 11:50)
kala: spaghetti akia fa diso aho:}
13. kinaoly ( 05/04/2006 17:30)
arkôvera, pitipoa, vôtabia, poavrô (mena mavo maitso), karôty, persila, vary fotsy, menaka , sira, poavra
sarahina roa manaraka ny alavany ny arikôvera. sarahina 8 ny voatabia 1, tetehina madinika (fa tsy kely lôtra koa) ny poavrô rehetra, tetehina madinika koa ny karôty. andrahona ny vary atao izay mampisaratsaraka tsara ny vômabry (sasana tsara de mety). endasina @menaka ny legumes rehetra, ny karoty no alefa mialoha, avy eo ny pitipoa, poavro, faranana @ vôtabia, tsy atao masaka be fa kendrena hijanona tsara aby ny lokon'ny legume tsirairay, asina sira sy poavra ary kary (curry)de afangaro @ vary aveo, ny persila atao haingony eo ambony latabatra sady azo hanina tsara koa, de hanina amzay. azo asina sôsy soja raha haka tsirony tsara.
raha minana sakafo avy @ biby kala de azo asina atody masaka tsara (oeuf dur) io
azo ovaivaina kou reo legume reo de azo afangaro @-na ovy na patizone na makaroni. base fotsiny io ouzy ny filazanareo azy fa aveo ze tinjy afangaro
ps : fa maninn kala, tsy minan-kena, tsy de mahasalama ane hono zany e,
14. Fiffi ( 05/04/2006 18:29)
vegetarienne i kala raha izany . tsy de mahasalama ane hono zany e, tsy marina io an! be dia be mihintsy ny olona tsy mihinan-kena , végetarianina nefa salama tsara daholo ry zareo ka!
15. Herimiafina ( 05/04/2006 19:28)
Ahummm ahummmm :-w:-w

Misy proteine tsy hita raha tsy any amin'ny hena ary ilain'ny vatan'olombelona. :{:{
16. kinaoly ( 05/04/2006 19:59)
Herimiafina> zany maitsany mankony, tsy de tsara ny manala fianakavi-na sakafo iray manontolo :^):^)
17. LazaRandri ( 05/04/2006 22:40)
kala:
i Laza zany andrahoiko an'io ravitoto sy paty io de hihinana hiaraka amiko ve :?:

Eny, rahoviana?


18. majesty ( 06/04/2006 02:55)
kala:tsy voatery mitady recette njy fa afaka mamorona ange e;kanefa na izany aza andraso fa omeko recette bdb njy fa amin'ny manaraka omeko fa zao za mbola mandalo fotsiny an :D:D:D
19. kala ( 06/04/2006 06:38)
merciiiii anareo rehetra fa tena faly be zà na dia eo am-pieritretana ireo resety maro atolotrareo reo ê! vale, kinaoly :alefaso daholo ry reto zay anananareo fa raisiko an-tanandroa.

kinaoly > f'ahoana no tsy mahasalama le tsy mihinan-kena.... tsy marina zany ka!
sady zà ange tsy hoe avy de tsy nijanona tanteraka fa nesorina tsikelikely ny hena ê! najanona aloha ny henakisoa sy ny forongony,ny ondry & omby de zay ka!

fiffi > salama tsara mihitsy noho ny teo aloha aza :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*

HM > :-w:-w:-wfantatro zany ka! aleo tsy tohizana ny fanazavana sao lasa mivadika :twisted: le :miam::miam::miam: matsiro be reo

Laza > aleo le paty ohaninao rery fa le ravitoto no anà ka! :wink:

misaotra mialoha ry majesty sy ireo mbola hanome hafa. mankasitraka ê!:-*
20. onjah ( 06/04/2006 09:01)
Kala > Tsy dia manana recettes, fa raha ny fandinihiko azy dia mety foana izay tianao atao. Ohatra : Anana ritra somary atao misy misy ny menaka, Lasopy legioma( atambatra ao daholo izay legioma rehetra.) sy ny maro tsy voatanisa ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4182