iza no tsy manaiky fa afrikanina ny gasy ?

1. 4mimananelatra ( 01/04/2006 19:24)
Mbà atsangàno hoe ny tanan'izay tsy manaiky fa afrikanina ny gasy?

Ara-jeografika aloha dia mazava be ao anatin'ny kontinanta afrikanina ary sub-saharienne mihintsy ary membre ao @ OUA (na Organisation de l 'Unité Africaine)

Ara-politika dia ekena koa fa afrikanina ny malagasy mpanongam-panjakàna matetika koa soa aloha fa tsy misy ady an-trano ..zana-tany frantsay ary niara-nahaleo tena t@ ireo tany afrikanina maro .

Ara-toe-karena dia afrikanina koa ny gasy isan'ny firenena mahantra indrindra eto an-tany na ACP(Arique Caraibe Pacifique)sy PMA na (Pays les Moins Avancés)izany hoe firenena tena sahirana izay bokan'ny trosa ary @ ankapobeny dia miaina @ fanampiana.

Ka atao ahoana e raha mbà tany @ continent européen angamba mbà mety netinety kokoa !!!
novalian'i haja8 ny 13/07/2016 05:40
2. cutie ( 01/04/2006 19:29)
Ka atao ahoana e raha mbà tany @ continent européen angamba mbà mety netinety kokoa !!!

misy mahantra koa na any @ continent europena aza.
3. Rainikarabo ( 01/04/2006 19:38)
eritreritra sendra nandalo marina!
4. tafita ( 01/04/2006 19:54)
Marina fa misy zavatra maro azo ilazana ny maha Afrikanina ny Malagasy , ny culture kosa isika malagasy dia tena Indonesien na Asiatika aza ny marimarina ,
5. lemenakely ( 01/04/2006 20:11)
mifangarongaro be raha culturel satria raha mijery ny fandihy nentimpaharazana ohatra any atsimo dia tena hita fa misy culture africaine kosa aloha e!
6. cutie ( 01/04/2006 20:12)
sady ny malagasy koa mifangaro be,tsy afrikana rery.
7. fasaly ( 01/04/2006 20:16)
anisan'ny ao anatin'ny kontnianta afrikanina tsika de azo lazaina fa afrikanina kou zany :°):°):°)
8. Lejim ( 01/04/2006 20:23)
Zah aloha tsy tsy manda hoe Afrikana zah e, fa ny Gasy rehetra tsy haiko! :)
9. xxx ( 01/04/2006 20:32)
ka na ry zareo tavaratra aza manaiky fa afrikanina ny pays du maghreb io (ALGERIE, LYBIE, TUNISIE, EGYPTE ,MAROC) ka tsy hitako izay tsy maha afrikanina ny gasy asa aloha e!!!
10. Herimiafina ( 01/04/2006 20:39)
Ka ho inona indray ary rehefa tsy afrikanina e? mainty noho ny aziatikla kanefa fotsy noho ny maizina avy ao Afrique noire.

Jereo ny boky fikarohana rehetra any andafy any fa izao foan no voalaza ao: L'Afrique noire et Madagascar.

Diza izay izany! 8)
11. Ragadona ( 01/04/2006 20:41)
Zany hoe raha manana fiaviana indonezianina dia mbola tokony hohadihadiana koa fa mizara foko maromaro koa ry zareo ary tsy mifankahazo teny mihitsy ry zalahy raha samy mampiasa ny teniny fa izany hoe misy teny iraisany izay manakaiky kokoa ny fitenin ilay foko lehibe iray.
12. Herimiafina ( 01/04/2006 20:50)
Maro ny fikarohana mikasika ny zava-boahary, ny tany, ny biby ny zava-maniry tao madagasikara tao efa hatramin'izay.

Hain'ireo mpikaroka ireo ny manazava hatramin'ny niandohan'ny fiforonan,ny tany Godwana, sns, nahoana ary no sahirana izy raha hiresaka fihavian'ny malagasy? Samihafa be mantsy ny vokampikarohana izay mipoitra ary manana hypothese daholo ireo mpikaroka.

Raha raisina ny maki dia biby nisy taloha tao Afrika tao Asdia fa noho io fitresahan,ny tany ka nanome ny nosy Madagasikara io dia lasa autochtone ao dago ny maki. Nisy ihany anefa firaisana tamin'ireo maki tavela tamin'iny Afrika atsinanana iny ka rehefa nisy ny croisement genetiques maro dia nanome ireo especes sy race maro hita ankehitriny ireo.

Dia mety ho toy izay ny niavian,ny population atao hoe malagasy.
Iray ihany ny Gène fa ny expression-ny no samihafa noho ny toetry ny andro niovaova sy ny tsy fitoviany isamparitra, moa koa ny olona taloha tiatia ity mitokatokamonina ity noho ny fahasarotan'ny fifandraisana hany ka teraka aloha ny Clans (surtout androy), ary nanome ny foko taty afara.

Miteny teny iombonana saingy efa deformé isanisany avy ka nanome ny dialectre noho ny fifandraisana tamin,ireo tatsambo arabo sy portugais, sns.

Ka noho izany, malagasy= population autochtone d'origine lointaine.

13. vale ( 01/04/2006 21:15)
4mimananelatra: efa hita fa mcar ao @ continanta afrikana ko in no mbola ieritreretana in indray:roll:fa ny reko @ ttara koa aloha dia misy indoneziana, afrikana, ny fihaviany malagasy:°)
14. xxx ( 01/04/2006 21:20)
mety ny mahatonga azy miteny an'io dia ny foko merina !!izay somary raciste sy manambony tena asa raha diso aho ry 4 ams dia mbà avereno aty amiko fa tsy misy famerim-bola fa tai-pôsy ny aty e:-D
15. ikalakintina ( 01/04/2006 21:51)
gasikara anie mizarazara be ohatra mankany toamasina isika de efa tsy de mitovy am olona ao fianarantsoa ny olona any, na ny olona any diego de iza zany no afrikana de iza no tsy izy?, za alou tsy mampaninona ahy no atao we afrikana e!, mais tres fier be za we gasy que afrikana
16. Veloo ( 02/04/2006 01:04)
misy africana misy avy any ivelany e.. tsy azo lazaina oe afrikana doly akory:roll:
17. zandikely ( 02/04/2006 03:43)
FA AFRIKANINA NY GASY SATRIA:

1-Aty Afrika ny misy any Madagascar
2-Tsy resaka fihodirana na culture mihitsy ilazana hoe mahagasy na tsia. Raha resaka fihodirana dia inona no hilazana ireo fotsy hoditra atsy Afrika Atsimo sy ny mainty any Etats-Unis?

Tsy tehatao Afrikanina hono le gasy kle! Raha izany dia miala aminy OUA e, fa Afrikanina ihany no ao, izay tsy Afrikanina dia mialà.



18. Veloo ( 02/04/2006 03:53)
dago zavatra ile knou, ary ny mauriciana ko zany afrika satria tsy lavitr;i ny afrika:wink:
19. Fiffi ( 02/04/2006 04:49)
Ka noho izany, malagasy= population autochtone d'origine lointaine.
zah aloha dia mihombon-kevitra @ io satria raha tena jerena kosa aloha dia ny gasy tsy hitako mihintsy hoe afrikanina , tsy indonésianina , sns........
20. sonwin ( 02/04/2006 04:53)
ary frantsay ny ao Mayottes sa comoriana sa afrikana?
ary Laborde ve gasy e?
afrikanina ve ny Tunisiana? inona no mety ho valinteniny raha anontaniana ry zareo?

Dia hoy za hoe, arakaraka ny sehatra misy no valiny: jeografika, sa kolotoraly, sa politika, etc!
Fa za fotsiny mahatadidy hoe refa misy fivoriam-be ao amin'ny OUA fahiny dia hoy foana ny mpanao gazety hoe Africain et Malgache.
Asa anefa...tsy dia olana loatra na afrikanina na tsy afrikanina, gasy foana ny gasy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2526