fahafahana mifindra finoana!

61. marozevo ( 04/05/2006 15:31)
Tsy misy fisaorana eh... dia aza asiana an'ity :oops: ary eh !
62. Fiffi ( 05/05/2006 07:16)
63. marozevo ( 05/05/2006 23:57)
:) Endrey ky !!!....
64. Fiffi ( 06/05/2006 04:59)
fa mba ho tadidiana @ zay kosa ireo .:)
65. marozevo ( 08/05/2006 15:35)
tadidy ka !

Ndao hifindra sujet amin'izay eh
66. Fiffi ( 08/05/2006 18:58)
harosoy aza eh!
67. mijery ( 26/05/2006 12:30)
MAhafinaritra ny fisian'ny serasera toy izao. Tadidio fa Satana dia miezaka @ izao andro farany izao hampifanaritaka ny kristiana @ hevitra sy zavatra marosamihafa. Izao ihany anefa no sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra satria any an-danitra tsy misy izany finoana araka ny fiheverantsika azy izany. Ny antsika mantsy ny finoana dia ny antokom-pivavahana. Kanefa ny dikan'ny mino dia ny mandray sy mino an'ilay Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Ka raha variana @ adihevitra isan-karazany isika dia ho avy tampoka toy ny mpangalatra ny fihanvian'ny Tompontsika ary dia eo isika no raisina satria zava-poana daholo izany. Fa ny tsara indrindra dia ny manadray azy sy mino izay lazainy. Tsy ho ela anie dia ho avy Jesosy e! Vonona ve isika @ fihaviany? Ho tonga any an-danitra ve? Any tsy misy antokom-pivavahana fa iray Andrianmanitra Ray, iray Jesosy Kristy Zanany ary iray ny Fanahy Masina. NY tenin'Andriamanitra dia milaza an'izany fa any am-parany any ny olona dia ho variana @ hevitra maro samihafa sy ny anganonganom-baviantitra. Tsy aleo ve manoo-tena ho an'Andriamanitra satria ilay mandrakizay mamirapiratra no ho vantanintsika ? Ny ahy dia izao ihany : "Raha izao sy ny ankohonako dia hanompo an'Andriamanitra izahay". Izay anie no tanjona @ fivavahana e? Tsy ivelany fotsiny, fa adihevitra, na fampisehoana démagogie fa hazakazaka ho any an-danitra toy ireny mpilalao baolina maika handrombaka amboara ireny. Ary tsy ny fanombohan'ny dia no tena izy fa ny fiafaran'ny dia. NAharitra tsara teo @ fanarhana ny Tompo ve isika?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0073