fahafahana mifindra finoana!

21. marozevo ( 27/03/2006 22:17)
Matetika.. matetika ho'aho, fa tsy 100%, dia lovaintsika avy amin'ny ray aman-drenintsika ny finoana, ka raha Katolika ry dada sy neny dia katolika koa ny boay kely sy ny kala kely, raha protestants dia toy izany hatrany koa... matetika fa tsy 100%. Misy anefa eo amin'ny dingam-piainana fotoana hanontaniana marina ny hevitry ry boaikely sy ry Kalakely. Ny an'ny Katolika dia misy ny atao hoe "fanavaozana ny toky tamin'ny Batemy =Komonio solanelina".. sy ny "fankaherezana". Eo dia safidin'ilay boaykely na ilay kalakely mihitsy fa tsy misy teritery intsony. Eo izy afaka tsy miroso raha te hifindra, ary tsy hisy hilaza aminy mihitsy hoe "tsy mahazo mifindra finoana ianao".
22. Fiffi ( 28/03/2006 05:16)
=Komonio solanelina".. sy ny "fankaherezana". Eo dia safidin'ilay boaykely na ilay kalakely mihitsy fa tsy misy teritery intsony. Eo izy afaka tsy miroso raha te hifindra, ary tsy hisy hilaza aminy mihitsy hoe "tsy mahazo mifindra finoana ianao".
sur ve ianao fa ny Komonio solanelina dia natao mba ahazahoana mifidy hoe "hifindra" finoana ? fa tsy rehefa manambady izay vao misy io fifindrana io satria matetika lasa manaraka ny lahy , ohatra protestanta ianao ka vavy io an! dia manambady katolika dia lasa katolika zany , tsy ianao fa lasa manaraka ny vadinao ianao mandeha miangona any @ katolika na ny mariazy aza dia manaraka ny lahy . Fa kosa ny Komonio solanelina dia fomba iray hilazana am-paha-be-maso ny fanirianao hanohy ny lalana efa nodiavinao saingy maro dia maro ny ankizy mijanona.
23. mandalo ( 28/03/2006 08:39)
ny atao hoe "mino" (foi)amiko dia manaiky ny fisiany na tsy hita maso aza (Heb 11);ny maha-protestant na katolika na hafa dia miankina amin'ny hoe : "iza no inoako?".
Ka na inona fiantsoana ahy ,rehefa Jesosy no inoako dia ampy ahy izay (hira 479 FFPM).ka tsy misy finoana manaranaka izany ka rehefa nino i dadabenay dia ho mpino koa aho (tsy misy teny ao amin'ny baiboly milaza hoe zafikelin'Andriamanitra ianareo );noho izany ny finoana dia entre ianao sy ilay inoanao. Fantaro ilay inoanao fa aza variana amin'ny maha-protestant na katolika fa tsy mahavonjy ny fanahy izany.
tsy ny mifindra finoana no anarana iantsoana ireny fa miova fomba fanompoana (religiosité).
fa izay rehetra tsy mino an'i jesosy dia sûr fa very (tsy hevitro izany aho fa ny baiboly no manambara izany)
24. jentilisa ( 28/03/2006 11:50)
zah aloha tsy manaiky ilay folo e! vitsy loatra raha izany. Efa misy firy ao amin'ny baiboly ao raha hoe izay no lazaina. Ohatra: rehefa manorina tempoly dia aza atao amin'ny vato voapaika ary tsy mahazo mampiasa fitaovana vy. IZA NO EFA NAHAVITA IZANY? tsy nisy na dia iray aza...koa ahoana ary no anarahako an'i Jesoa raha ny fiangonana rehetra aza misy vato voapaika sy nandalo vy avokoa?

Raha io lôjika io no arahina an!
25. marozevo ( 29/03/2006 09:22)
Fiffi > Ny hoe "sur" (tsy misy aksan ny klavienay) aloha tsy sahy miteny izany aho e. Fa ny dikan'ilay komonio solennel, indrindra ny Konfirmasio ao amin'ny Fiangonana Katolika dia tena izany tokoa. Fa ny zava-misy tokoa dia io lazainao, ny fananbadiana no manova ny antokom-pinoana.
mandalo > Araka ny hevitro kosa dia tena mifindra finoana ka... Marina aloha fa i Kristy no fototra (Raha tsy hilaza afa-tsy ny FFKM isika), nefa rehefa fakafakaina dia misy zavatra maro sady saro-pady mahasamihafa ireo antokom-pinoana ireo, ka tsy azo amaivanina mihitsy ny fahasamihafany. Tsy maintsy ezahina fantarina ny fahasamihafana raha tiana marina ny fifankatiavana ao anatin'ny firaisam-pinoana.
26. Achia ( 29/03/2006 09:32)
le 10 nge ka DIDY e ,nosoratan'ATRA t@ vato fisaka e izay tsy miova fa ra ionolazainao manaraka io no jere
na @ heviny ara-panahy de hmmmm:-w:-w
Hevero fa isika zao no tempolin'ATRA velona izany hoe tokony ho hita ao @ tsika daholo zany ireo fanaka tao @ tempoly taloha : VATOFISAKY NY FANEKENA
NY TEHIN'I ARONA IZAY NITSIMOKA ,NY VILANY VOLAMENA MISY NY MANA , mbola le taberina kely fotsiny io a fa ny tempoly rehetra mbola tsy nolazaiko ireo tao @ efitra masina indrindra reo nolazaiko reo
27. jentilisa ( 30/03/2006 06:37)
Efa hoe tsy didy io folo io fa teny! jereo tsara fa tsy dekanomos (didy folo) no anarana amin'ny teny grika fa dekalogos (teny folo), ny fanombohan'ny teny dia hoe izaho no yhwh nanavotra anao; aiza ny didy amin'io teny io?
28. Achia ( 30/03/2006 09:26)
ka teny milaza didy ne io e fa aza ahodina any @ teny grika e :°)
29. Fiffi ( 30/03/2006 09:38)
rehefa hoe didi folo dia izay ko!
30. marozevo ( 30/03/2006 22:16)
O ry Jentilisa ah... Raha teny grika mba misy mahay koa ka... Fa tsy ny teny voalohany ihany akory no hoe raisina dia ampy hahalaza ny hevitry ny teny rehetra.
31. annie ( 31/03/2006 09:32)
ny hoe mivadika finoana sns aloha tsy anjarantsika olombelona no hitsara an'izay e!na iza hiova finoana dia efa voalaza fa "amin'izany andro izany(fiafaran'izao tontolo izao) dia ho iray ihany ny finoana" Jehovah ihany no tompon'ny teny farany
Ary ireo firenena miady reo Isreael,Afgan sns dia firenena efa nozonin'Aa ireo "Fa ity firenena ity dia hozonin'ny vavako mandrapahatonga ny faran'ny tany raha tsy miverina amiko" satria firenena tena tian'i Jehovah ireo taloha dia ny taranak'i Jakoba izany zay nomen'i Jehovah anarana hoe Israely, dia izay antsointsika hoe taranak'Israel @ zao fotoana, saingy niparitaka ho firenena maro moa izy @ zao,koa ny tiko ho lazaina dia ny hoe na hiodina havia na hiodina havanana ireo taranaka ireo dia hitoetra ho voahozina foana raha tsy miverina @ lalàna efa nomen'i Jehovah azy
32. Achia ( 31/03/2006 14:02)
:°) SIORA
33. marozevo ( 01/04/2006 00:06)
Tsy tokony hasarotina ny mahasamihafa ny teny hoe "mifindra" na "mivadika" raha ny resaka finoana. Tsy mitsara na iza na iza isika rehefa milaza fa nifindra finoana i RANONA. Zavatra iaraha-mahita io ka tsy misy olana ny fitenenana azy. Fa raha hotsaraina hoe ho very sa ho voavonjy izy... izy aza no mety ho voavonjy kokoa noho isika, satria izy mba nikaroka ahay, fa isika nianona amin'ny hoe "tano ny azo fa..."
34. Fiffi ( 01/04/2006 06:53)
sarotra ny ahita. "Ary avy any no hihaviany indray hitsara ny velona sy ny maty" "salamo faha 100 .
35. marozevo ( 02/04/2006 18:34)
Mba marina kosa ry Fiffi raha misy an'io lazainao io ny Salamo faha 100.
36. Fiffi ( 03/04/2006 04:14)
marozevo: sao sanatria zah ary no nanao hadisoana ? fa io ilay fivavahana hoe "Izaho mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha , Mpanao ny Lanitra sy ny tany.......(Jubilate Deo)
37. mandalo ( 03/04/2006 09:43)
aoka isika tsy hovariana amin'ny fomba fanompoana fa aoka ilay Mpamonjy nisolo ny helontsika no harahintsika satria hoy Izy hoe: raha tia Ahy ianareo dia hanaraka ny teniko."raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy ary izay hitoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko, ary raha misy manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray" (jaona 12: 26)
Raha tsapanao fa any amin'ny katolika no ahazoannao ny aim-panahy entina hanompoana ny Mpamonjy anao dia mazotoa ary mikeleza aina hanatanteraka ny sitrapony.
Raha any amin'ny protestant no hitanao fa ao Jesosy dia mahereza fa tsy ho foana ny fikelezanareo aina.
ary raha antokom-pinoana hafa no ahitanao ny famonjena dia aza mihemotra fa mazotoa.
Saingy hangatho ny fanahy masina mba hanome anao ny "Esprit de discernement " hahalala ny tena famonjena sy ny sarisariny na ny fitaka.
ny fomba handraisana ny fanhy masina dia amin'ny alalan'ny firaisana aina amin'Andriamanitra ,dia tsy misy afa-tsy ny famakiana sy fandinihana ny soratra masina.
Anao ny safidy ka mahereza
38. Fiffi ( 03/04/2006 19:22)
aoka isika tsy hovariana amin'ny fomba fanompoana
io zany no lazainao nefa indray hoy ianao:
aoka ilay Mpamonjy nisolo ny helontsika no harahintsika satria hoy Izy hoe: raha tia Ahy ianareo dia hanaraka ny teniko."raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy ary izay hitoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko, ary raha misy manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray" (jaona 12: 26)
ka raha hanaraka ny tenin'ny Tompo io anie zany dia io no havariana eh ? sa diso aho ? variana @ fanompoan'ny Tompo
39. marozevo ( 03/04/2006 22:39)
Fiffi:

marozevo: sao sanatria zah ary no nanao hadisoana ? fa io ilay fivavahana hoe "Izaho mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha , Mpanao ny Lanitra sy ny tany.......(Jubilate Deo)



Raha izay dia ekeko. Ao amin'ny fiekem-pinoana fa tsy any amin'ny salamo io.
40. marozevo ( 03/04/2006 22:41)
Oay... Tsy "Jubilate Deo" koa fa CREDO IN UNUM DEUM.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0544