karemy hono

21. Fiffi ( 25/03/2006 07:18)
ankoatran'ny Alahady no tiako lazaina !
22. Fiffi ( 25/03/2006 07:23)
hoy xxx:
de ilay fifadian-kanina ve tahaka ny ramadan raha izany? tsy mihinana atoandro fa atambatra amin'ny hariva sa ahoana?
fa atambatra @ hariva ahoana ? ny ramadan , ry zareo aloha tsy mihinan-kanina raha tsy efa milentika ny masoandro , tsy voatery koa hoe hatambatra @ hariva ny fihinanan-kanina fa io dia samy manana ny fombany ny tsirairay , izy hiany no afaka manao izay fombany hiainany sy ny fanaovany ny kareminy , izany hoe tsy generalisena ilay izy , fa ao kosa ny tena manaraka ny fomba izay voasoratra.
23. Fiffi ( 25/03/2006 07:31)
hoy Veloo:
ko tsy ho nona doly nareo hanao karemy zany?
raha izaho manokana aloha dia izao: raha mihaina @ finoana dia tsy ahatsapa izany hoe naona izany , jereo fotsiny i Jesoa , nandritry ny 40 andro sy alina izy tsy nihinan-kanina , noana ve izy ? narary ve izy ? raha nijery ary ny fijaliana @ io tsy nihinanan-kanina io nandritrin'ny izany fotoana rehetra izany , olombelona isika ka tsy aharaka ny nataon'ny Tompo fa ny kely mba vitantsika ka azontsika hatao , maninona moa ? satria ny finoana hiany no mitondra an'io. Dia mazotoa manohy ny kareminy ary, ary ny Tompo anie Homba sy Hitahy antsika lalandava.
24. dadabe ( 25/03/2006 09:11)
hummmm fanamafisana alahady io fiffi a
25. Achia ( 25/03/2006 11:07)
fa nahoana no miandry @ 12 alina vao mihinana e fifi
26. Fiffi ( 25/03/2006 12:38)
io no nolazaiko hoe samy manana ny fomba fiainany ny karemy ny tsirairay , tsy misy signification special io fa io fotsiny no mba hataoko raha mihinana aho an!
27. jentilisa ( 25/03/2006 12:53)
Ny voasoratra ao amin'ny baiboly rehetra dia natao hanamafisana ny finoana. Eo amin'ny Katolika, araka ny fihevitro fotsiny ity, indrindra indrindra dia tsy voasoratra foana ny nidiran'i Jesoa tamimboninahitra tao Jerosalema fa mari-pankalazana hoe ny fanandratana an'i Jesoa anie ka ilay nanolorany ny ainy hamonjy ny mpanota e!
averiko indray ny foto-pisainako nosoratako tany aloha tany: tsy natao hitantarana zavatra fotsiny ny baiboly fa misy koa ny fombafomba natao arahina.
28. dadabe ( 25/03/2006 14:01)
yee !!donc ny paska=nahafatesan'i Kristy fa tsy ny nitsanganany velively , raha ny baiboly no arahina
29. Fiffi ( 25/03/2006 15:03)
maty ny Zoma izy , ary nitsangana t@ maty telo andro avy eo , ny Alahady izany ary io no Paska.
Paska tsy ny andro nahafatesany fa ny andro nitsangany t@ maty.
30. Achia ( 25/03/2006 16:10)
:-D:-D de isao ary hoe ra mahafeno telo andro zany lazainao zany :°)
31. marozevo ( 26/03/2006 00:38)
Aoka ho faritana tsara eh. Karemy sa rameaux sa paka no hatao resaka eto.
Ny an'i xxx aloha dia hitako fa tsy dia mi-interesser amin'izay lazain'ny hafa izy, fa ny azy ihany no asesiny. Tsy hitako loatra izay tokony hamaliana azy.
Ny Karemy ho'aho dia izay eh.. Tsy ny fifadian-kanina no voalohany. Singa kely ao anatiny fotsiny io, fa misy zavatra maro be manodidina ny Karemy.
Na ny Karemy na ny sampan-kazo, dia tsy eo tamin'ny taona 0033 no nanomboka, fa samy manana ny tantarany ireo. Eo indrindra no itombenan'ilay hoe i Kristy maniraka, fa tsy mibaiko. Ny baiboly tsy natao ho vakiana sy hiainana ara-bakiteny, fa natao hotsakotsakoina, hodinihina sy hiainana amin'ny feon'ny fieritreretana. Ka tsy mahagaga raha tsy hitanao ao amin'ny Baiboly ny hoe "mifadia hanina ianareo..", tsy hitanao ao ny hoe "Mitodrà sampankazo ianareo alohan'ny Paka".

dadabe > Paka ho'aho, ho anay aloha, dia ny fitsanganan'i Kristy, ary ny Sabotsy alina no fankalazana izany, sy ny Alahady ampitson'io Sabotsy io.
32. Fiffi ( 26/03/2006 16:37)
Paka ho'aho, ho anay aloha, dia ny fitsanganan'i Kristy, ary ny Sabotsy alina no fankalazana izany, sy ny Alahady ampitson'io Sabotsy io.
ny anay koa aloha dia io an! ny Sabotsy alina ny veillée pascal .
33. Achia ( 26/03/2006 18:16)
aminaeo zany fa ra ny baiboly no arahan de mifanipaka ihany izany satria lasa tsy mahatanteraka ze nanoratana azy Kristy
34. marozevo ( 26/03/2006 22:49)
Ny fotoana nanapahana hevitra tao amin'ny Fiangonana momba ny fotoana hankalazana ny Paka dia tamin'ny taona 0325, mbola tsy nisy Lotera na Calvin na sectes hafa tamin'izany fa mbola Fiangonana tokana ihany, ary Katolika no anarany tamin'izany (Fa tsy mitovy ny hevitry ny hoe Katolika tamin'izany sy amin'izao anh). Ko nahoana no misy hoe anay sy anareo indray ? Tamin'ny 16eme siecle anie vao nisy Lotera sy Calvin ry reto eh....
35. Fiffi ( 27/03/2006 05:48)
Ko nahoana no misy hoe anay sy anareo indray ?
ka ianao anie no nilaza hoe "Paka ho'aho, ho anay aloha, dia ny fitsanganan'i Kristy, ary ny Sabotsy alina no fankalazana izany, sy ny Alahady ampitson'io Sabotsy io.
36. Achia ( 27/03/2006 13:39)
tena marina io lazainao io @ le fankalazana ny paka fa na ny baiboly aza efa nanambara io ny fomba hanka-lazan'ny ol io sy hanovany azy .
Ary ny hoe mbola tsy nisy Lotera sy Calvin ,secte zany hoe teo @ io eglizy katolika io zany no niantom boka ny tantara Kristisna
37. booboo ( 27/03/2006 14:05)
Miala tsiny ho an'izay mahatsiaro ho voatohitohina @ fanontaniako ndray klou fa mba te-hahalala fotsiny zà fa tsy hoe manambany a!

Ary fa maninona kay no 40 andro fa tsy 39 ohatra ? Misy dikany manokana ve io isa sa sendra nitontona t@ zay fotsiny ?
38. marozevo ( 27/03/2006 22:23)
Tena misy dikany be ilay 40 ka... Miverimberina matetika io ao amin'ny Baiboly ao. Amin'ny ankapobeny, teo amin'ny kolon-tsaina Jody, dia fotoam-pidiovana ny 40, fotoana hahatongavana eo amin'ny fahamatorana.... Fahataperan'ny fotoam-piomanana.

Fiffi > Kay tokoa marina ny fanamarihana ataonao, saingy ny nahatonga ahy hilaza an'io manko, dia i dadabe anie tsy manaiky an'izany eh. Ka raha tianao hazava ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe "ho anay" ao ambony ao, dia midika hoe "araka ny hevitray ...(katolika)". Sa ve tsy fomba fiteny ny hoe "ho ahy aloha dia...= à mon avis"
39. Fiffi ( 28/03/2006 05:33)
Miala tsiny raha @ teny frantsay!

40 andro
40, nombre symbolique
Le nombre 40 est symbolique: on le retrouve à plusieurs reprises dans la Bible.
le déluge pendant 40 jours

Moïse se retire dans la montagne pendant 40 jours :
Elie a aussi connu la retraite de 40 jours :
Jésus se retire dans le désert pendant 40 jours :

Jésus crucifié revient sur Terre pendant 40 jours :
le peuple hébreu a marché dans le désert pendant 40 années avant de s'installer sur la terre promise, que ne connaîtra pas Moïse
40 ans, c'est aussi la durée du règne de David et de celui de Salomon:
La durée du règne de Salomon à Jérusalem sur tout Israël fut de quarante ans.
http://www.lexilogos.com/calendrier_ascension.htm

http://www.lexilogos.com/calendrier_carnaval.htm
40. Fiffi ( 28/03/2006 05:44)
marozevo: hay à ton avis kay ilay izy raha izany ka:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2144