Efa tafakatra aty afovoantany ny chik sy dengue!

121. fijo ( 20/05/2006 20:47)
ary tsy hitako indray izany hoe efa nay mahajanga izany kle.
122. watafon ( 23/05/2006 19:07)
za kou ts nahita an'izany !:roll::roll:
123. Fiffi ( 24/05/2006 08:00)
fijo , wata:

Ho fantatra afaka tapa-bolana na “dengue” na “chik” izy io
Afaka roa herinandro eo no hahafantarana ny valin'ny fitiliana natao manodidina ny valanaretina tazo mahery mitranga any Mahajanga tato ho ato na "dengue" na "chik" na tazo tsotra toy mpiseho amin'ny tany mafana. Mitohy tsy tapaka anefa ny fitsaboana ary ampy tsy misy ahiana ny fanafody ho amin'izany, aretina voafehin'ny Malagasy tsara rahateo ny tazo, araka ny fanamarihan'ny Minisitry ny Fahasalamana sy ny Fandrin-drana ny fiainam-pianakavi-ana, ny Dr Robinson Jean-Louis, izay fantatra fa hidina tsy ho ela any Mahajanga hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana.





Nanamarika ny Minisitra fa ny orana nirotsaka ny faramparan'ny volana Aprily lasa iny no nampirongatra ny moka niteraka io aretina io. Nanaporofo izany, hoy izy, ny fitombon'ny tahan'isan'ireo marary nanatona hopitaly ny voalohandohan'ny volana Mey teo. Efa nisy fihenany izany ankehitriny, hoy ihany izy, izay nanamarika fa efa hatramin'ny volana Oktobra 2005 no efa nanomboka ny ady amin'ny tazo moka ny Fanjakana ary mbola mitohy mandraka ankehitriny koa na misy aza trangan'aretina dia voafehy izany.

Nangonin-dRolland A.
124. Fiffi ( 24/05/2006 08:02)
wata , fijo , efa archive i an! fa efa t@ le 18 io.
125. watafon ( 30/05/2006 18:27)
hummm! mampanahy b ihany lesy izy ty raha mitohy zao k ! tena nihena b mihitsy ange ny mpizaha tany tonga taty t@ ty e!
126. Fiffi ( 31/05/2006 06:41)
wata: fa enganie ka tsy ho mafy be tahakan'ny tany Tamatave.:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864