Fihaonana namana serasera dago : fambolen kazo 2006

1. ravatorano ( 16/03/2006 06:51)
Raikitra izany fa dia hisy fambole kazo ho tontosaitsika nbamana serasera ato amin ny 09 avril 2006 ho avy izao.Ny toerana dia eny Andranovelona , toerana iray manakaiky an ilay tendrombohitra malaza antsoina hoe Babay sy Lohavohitra ary misy ilay orinasa mpanodina rano fisotro madio ôviva hihihih
Miala eo amin ny 45km an Antananarivo izy io.
Ny saran-dalana dia 3 000 ariary na 15 000 fmg mandroso sy miverina .
Ny fisoratana anarana dia tokony hiaraka amin ny fanomezana ny frais mba hialana amin ilay fakana fiara lehibe satria maro ny milaza ho avy nefa tsy tonga akory d hainareo ihany ny tohiny :evil:
Azo atsoina Andriamatoa Bruno Andrianady ao amin ny Jirama Ambatonakanga 22 294 15 na 22 295 50 na koa ny 032 04 168 86.
Ny andron'ny sabotsy tolak'andro manomboka 25mars 2006 dia misy namana afaka mandray antsika eo anoloan'ny Pizza gastro Analakely.
Farany fisoratana anarana : Zoma 30 Avril 2006
Mirary ny fahatongavatsika maro e !
novalian'i fijo ny 06/05/2006 20:41
2. ravatorano ( 16/03/2006 06:59)
Raha misy fanontaniana manitikitika dia azonao alefa eto na amin dravato,glou,nirjimka,mcz,blanche,mimich.
Adinoko fa ny fiaingana dia amin ny fito ora maraina eo anoloan'ny vavahady b eo Mahamasina dia samy mitondra ny sakafo sahaza azy ohatran'ny mahazatra ihany é
Averiko izany :
fambole-kazo namana serasera :
Daty : 09 Avril 2006
toerana : Andranovelona 45 km miala Tanà
Fiaingana : 07 ora maraina anoloana ny vavahady b Mahamasina
Saran-dalana : 3 000Ariary na 15 000fmg
Fara fisoratana anarana 30 mars 2006 fa diso io ambony io hihihihihihih
:-D:-D:-D:-D:-D:-D


3. ari.malala ( 16/03/2006 07:35)
Te hande ny tenanay fa efa mazefatra beuh d mirary soa hoanareo rehetra e :)
4. sipagasy ( 16/03/2006 08:26)
mmhhh mahafaly ny zavatra ataonareo any e!!! soa fianatra e!!! manohana ny ataonareo am-bavaka ny ataonay e!
5. ANARIM ( 16/03/2006 09:07)
dia mankasitraka ny mpikarakara fa dia hiezaka hamboly izay farany betraka vita mitriny e! siora be zà fa ny adidy ho vita @ io ny fahafinaretana ho azo!
mouaaaahhhhhhh ny mpikarakara
6. Jessimi ( 16/03/2006 13:25)
Sao dia mba efa tsy fotoana fambolena hazo intsony amin'izany ka ho faty momoka fotsiny izay hambolena e!:?:
7. xxx ( 16/03/2006 14:04)
mbola ao anatiny tsara zao ka!!!! fa zao afaka mitondra vady aman-janaka v de mandoa ilay 15 000 fmg isan'olona koa ve izy ireo, h@ zaza firy taona no tokony handoa an'io.
misaotra e
(tsy manana crédit iantsoana anareo mpikarakara fa raha mety dia aleo mba eto ihany ny valiny no jerena)
8. xxx ( 16/03/2006 14:06)
tsy dia le fambolen-kazo loatra koa ange fa ny fiarahan'ny namana e, tsy maninon na tsy haniry iny avy eo , fa Andriamanitra manohy ny asa avy eo ..
9. saty ( 16/03/2006 15:05)
ande zay ra tsy misy ny sampona e!!! fa azo atao ve ny mitondra vam na moto alo sa????
ny fafinaretana ho hazo e!!!!! mafinaritra e!!!!
10. bilakarenjy ( 16/03/2006 15:21)
ity ilay hoe :fambolen-kazo no mahalasa saina ahy ry zareo satria raha ny fahazahoako azy dia tokony hoe :fambolena zana-kazo fa raha hazo kosa toa handreraka kle:roll::roll::roll:8)8O8O8O
11. ari.malala ( 17/03/2006 04:57)
bilakarenjy:

ity ilay hoe :fambolen-kazo no mahalasa saina ahy ry zareo satria raha ny fahazahoako azy dia tokony hoe :fambolena zana-kazo fa raha hazo kosa toa handreraka kle:roll::roll::roll:8)8O8O8O



ka ny zanany re no atsatoka d manome hazo iny refa any aoiana any e :-D:-D:-D
12. tsitako ( 17/03/2006 06:46)
ho avy ny tenanay aminio ravato a! ra tsy misy ny sampina :lol:
13. ravatorano ( 17/03/2006 07:53)
bilakarenjy
14. boulki ( 17/03/2006 08:07)
Milay ny hevitra e fa ity mba misy sosokevitra kely ry bandy akama milay ravato efa hanaramaso ny zanakazo ihany ianareo ka maninona raha ampitondraina ny anaran'ny tsirairay ilay hazo (PS) dia raha mba mandalo any izy na tsy miaraka aza dia mba afaka mikolokolo.Mety efa ho tara koa nefa lazaiko ihany raha misy te hampitondra anarana (PS)ny hazo sasany volena fa tsy ho afaka handeha dia afaka manome latsakembona kely dia mba manana ny hazony koa izy.
Zay fa hevitra ihany iny dia atsipy ry namana isany
:lol: dia ampy e
15. nirijimka ( 17/03/2006 08:36)
sali sali doly
tongava ry zareo fa milay io a!
tsika anie tsy handavaka intsony fa manatsatoka sisa e!
sady ny tanana any malalaka be, no sady misy trano mitokana ho an'izay te hatory sy tamana, lol hihihihih
zay e, miandry izay mazoto izahay de tongava raha saha e!
16. nirijimka ( 17/03/2006 08:39)
sali sali doly
tongava ry zareo fa milay io a!
tsika anie tsy handavaka intsony fa manatsatoka sisa e!
sady ny tanana any malalaka be, no sady misy trano mitokana ho an'izay te hatory sy tamana, lol hihihihih
zay e, miandry izay mazoto izahay de tongava raha saha e!
17. ravatorano ( 17/03/2006 09:49)
boulki
18. Fiffi ( 17/03/2006 10:31)
sambatra ianareo misy izany fihaonana izany. Mba rahoviana ny aty ivelany eh ? :(
19. sipagasy ( 17/03/2006 18:26)
Fiffi ann miandry antsika ihany kannn, efa nisy ny antso avo natao fa oul 2/3 no teo ka inn moa ny dikany hihihi, any @ RNS isika mihaona e!!! any manao projet "ngambany":-*
20. Fiffi ( 17/03/2006 19:21)
sipagady: ka ny olana dia mbola miandry namana hanao ilay co-voiturage foana aho hatramin'izao ka asa fa haka decision aho fa toa tsy misy manao proposition mihintsy hatramin'izao.:(:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1856