Marc RAVALOMANANA ne s'est pas montré manchot !

1. ainga ( 11/03/2006 14:27)
Le Président a répliqué comme suit :
(...)
"Je vous assure, Monsieur le Directeur des opérations de la Banque Mondiale, Monsieur James Bond, et Monsieur l’Ambassadeur de la Commission Européenne, Monsieur Boidin ; que nous allons atteindre le taux de croissance économique de 10%, à condition que vous aussi, teniez votre promesse sur le plan d’action de la Banque Mondiale en Afrique, suivant la déclaration du Président de la Banque Mondiale, Paul Wolfowitz à l’Assemblée générale des Nations Unies ; et aussi sur la nouvelle stratégie de l’Union Européenne pour l’Afrique. Et vous devez aussi intégrer votre nouvelle stratégie dans le MAP, et je vous assure, nous allons atteindre ça."
(...)
De aleo koa valiana amin'ny teny frantsay fa teny frantsay moa no nanoratan'i xxx ny takilany.
novalian'i fijo ny 28/03/2006 21:17
2. Fiffi ( 11/03/2006 15:12)
ka maninona raha tsy notohizana tao @ xxx @ zay dia araka tsara ilay tantara!:wink:
3. ainga ( 11/03/2006 15:42)
Efa namaly an'i xxx aho teo ry Fiffi a !:)Ny antony nanaovako io lohateny vaovao io dia amin'izay hita mivandravandra tsara ny LOHATENY milahatra amin'ilay nalefani xxx :D. Fa tsy voatery sokafana akory vao hita ny valiny !:wink:
4. naritsimba ( 11/03/2006 15:48)
dia mbola inoanareo ihany ve fa tena hampandroso an'i MADAGASIKARA marina i RAVALOMANANA nefa ny 19 milliards ary tsy hita izay nanaovany azy dia mbola tavela eo ihany i RADAVIDSON Andriamparany Benjamin izay tompon'andraikitra voalohany @ fitantanam-bola?

Ampy hampisaina antsika Malagasy io resaka io satria tsy misy ny mangarahara ary tsy mahalala afa-tsy ny hameno ny paosiny ny mpitondra na dia milaza azy ho mivavaka aza, ary tsy mebnatra ny mandainga, fa resaka fotsiny ny fahamarinana sy fahamasinana.

MINOA FOTSINY IHANY DIA HO ANY AN-DAVAKA IANAO SY NY ANKOHONANAO RAHA MBOLA RAVALOMANANA NO MITONDRA.
5. ainga ( 11/03/2006 16:03)
8O
Rehefa tsy eo intsony Ravalomanana dia afaka hiteny i naritsimba hoe "marina ireo noteneniko taminareo ireo".8O
1) tsy ny resaka manao hoe mety na tsy ny ataon-Ravalomanana no lohateny nentiko ka hors-sujet ise
2) hamaly an'ise tsotra anefa aho hoe : fidio izay tian'ise amin'ny fifidianana manaraka izao, ary mahaiza mifidy tsara.:lol:
6. pissoa ( 11/03/2006 16:09)
ainga kosa an, tsy ny lohanteny anie no valiana fa ny resaka mandeha e!
... que nous allons atteindre le taux de croissance économique de 10%, à condition que ...
7. ainga ( 11/03/2006 16:18)
ka ny fomba firesaky naritsimba anie no nahatonga ilay valinteny e !:D

Eny re,fa dia hiresaka ary isika e !

Ny 10% kosa aloha dia défi be mihitsy e ! Mbola tanjona sy fikasana daholo izany, ary tsy vitan'ny mino fotsiny tokoa izy ity. Ny tiako anampiana koa dia ity : lazao ampahabemaso izay hitanao fa mameno paosy, torio izay manao kolikoly fa aoka tsy ho vitan'ny tsaho fotsiny izy ity. Sa moa hoe naif loatra aho !
8. Fiffi ( 11/03/2006 17:25)
ny hevitro aloha dia tsotra hiany: hatramin'izay ka hatramin'izao dia izay filoha voafidy hono dia ny famenohana ny paosiny aloha no tanjony , ny vahoaka manaraka , efa mba feno zany zao ny paosin'i Ra8 dia andeha hifidy olon-kafa indray isika , koa tsy vao maika ve hiletika ?
9. kitjo ( 12/03/2006 14:00)
naritsimba> iza ary no hitanao fa tena hampandroso sy ho tsaratsara kokoa noho izy e? iarahatsika mifidy!

10. Fiffi ( 12/03/2006 18:57)
izay voafidy rehera hatramin'izao aloha dia tsy hita ben'hiany hoe inona no zavatra tena mba vitany hampandroso an'i M/car eh!:(
11. xxx ( 12/03/2006 22:05)
raha tsy matoky an-dRa8 ilay etsy ambony dia maninona tokoa moa raha mandatsaka kandida izy izany @ fifidianana manaraka.
dia hita eo izay lany.
12. pisopiso ( 13/03/2006 13:10)
zà tsy hanenjika na iza na iza fa ny fiantraikan'ny toekarena @ fiainambahoaka ankapobeny no jereko.....t@ fotoana nandraisan'dravalomanana ny fitondrana dia 1euro=6000fmg...ka izao no fanontaniana hapetrako amin'ireo mpitondra ankehitriny!! rahoviana no ho tafaverina ho amin'io 6000fmg na 1200 ariary io ny euro?? rehefa tafaverina @ io ny sandambolantsika na farafaharatsiny manakaikikaiky an'io dia eo isika no miady hevitra hoe mahomby ve sa tsia!! satria amiko dia io no tokony hatao reference @ ady hevitra rehetra...ka raha hiteny izy hoe ho tratra ny 10% de croissance!! miainga eo @ 6000fmg sa le 13000fmg @zao fotoana izao?? aoka ary mba samy hieritreritra tsara vao mamaly isika rehetra....
13. mandrindra ( 13/03/2006 13:29)
ny fivoatran'ny harinkarena dia tsy kajiana avy amin'ny sandambola fa hampitahaina amin'ny taona lasa.
14. pisopiso ( 13/03/2006 13:35)
misaotra betsaka an'i Mandrindra fa izay tokoa ilay izy!!
Ka dia miandry izay valiny avy amintsika rehetra ary ny amin'ny fanontaniana izay napetrako!! ary dia hiasaorana mialoha!! satria ny ady hevitra toy izao no ahitana ny mba mety ho vahaolana fa tsy ny fanakianana be fahatany fotsiny....
15. vancleef ( 13/03/2006 21:56)
pisopiso> Jereo ny tantara :
26 décembre 1945 - Création du FCFA : 1 FCFA = 1,70 FF
17 octobre 1948 - Dévaluation du franc Français (FF) : 1 FCFA = 2,00 FF
27 décembre 1958 - Instauration du nouveau franc Français : 1 FCFA = 0,02 FF
Atramin\'ny 1972 1FCFA = 1FMG
12 janvier 1994 - Dévaluation du FCFA : 1 FCFA = 0,01 FF
1er janvier 1999 - Arrimage du FCFA à l\'euro : 100FCFA = 0.15 €
Nanomboka 1972 niala tao @ zone franc i Dago. Ministran\'ny affaires étrangères : Ratsiraka
1975 : Filoham-pirenena : Ratsiraka
13 mars 2006 ; 1€ = 2620 Ariary = 13100 FMG = 655,96 FCFA
Ra8 voa 4 taona no teo ary efa ho 35 taona ny vola gasy no nitsingidina. Anjaran\'ny tsirairay no mieritreritra
16. mandrindra ( 14/03/2006 09:20)
vancleef a, manana andraikitra mihitsy ve ny fanjakana ankehitriny nandritry ny efataona nitondrany sa nizaka ny vokatry ny taloha fotsiny?
17. Fiffi ( 14/03/2006 09:40)
mety hoe nijinja sy ny nizaka ny fitondrana teo aloha izy aloha satria maro dia maro ny zavatra tsy nety ary tsy nisy nataon'ireo mpitondra taloha. Fa angaha ary heverin'ny olona fa mora ny hanarina ity fanjakana ity ary mety ho vita ao anatin'ny 4 taona ?
18. mandrindra ( 14/03/2006 09:52)
eny, marina fa tsy mora ny manarina, fa tsy manana andraikitra mihitsy ve ry zalahy ireo amin'ny vokatra ekonomika tao antin'ny efataona nitondrany?
19. Fiffi ( 14/03/2006 10:04)
fa inona marina aloha no tianao lazaina @ io andraikitra io ?
20. mandrindra ( 14/03/2006 10:14)
manontany aho hoe rehefa misy tsy mety ve dia lazaina ny mpitondra taloha daholo no nahatonga izany fa tsy misy vokatry ny tetikasa nataon'ny fanjakana eo antoerana mihitsy ny tranganjavatra iainana ankehitriny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.13