Marc RAVALOMANANA ne s'est pas montré manchot !

21. pisopiso ( 14/03/2006 13:23)
vancleef; izany hoe raha azoko no tiano lazaina dia mitovy @ mpitondra teo aloha hiany zany io amizao io?? fa maninona hoa no tsy notazonina t@ 6000fmg t@ nandraisana azy io sadambola io fa 4 taona zao dia doublé le izy?? ka ny fanontaniako hoe mety ho eo @ firy taona ary no mba mety ho tafaverina mba manakaikikaiky le 6000 indray le volantsika e!
22. pisopiso ( 14/03/2006 13:33)
Isika anie tsy hanenjika olona e!! na izay mpitondra efa narian'ny vahoaka e! fa ny tena tadiaviana dia ny vahaolana io no tena tokony hiadiantsika hevitra!! marina aloha fa tsy vahaolana le hoe minoa fotsiny hiany sns... fa inona ary no anjara andraikitra azon'ny tsirairay hatao?? ho lazaiko refaveo ny vahaolana kely mety mba takatro...
23. Robert ( 14/03/2006 20:39)
Tsy tafaveriana intsony izany 6000fmg ny 1 euro.
Ny petrole koa de tsy hisy intsony ny 30$ ny baril.

24. Fiffi ( 14/03/2006 20:40)
ka tena hita kosa anie fa ny be loatra ny zavatra tsy nety ary nitondran'ny firenena fihatraikany mafy dia mafy nataon'ireo mpitondra taloha eh!
25. Veloo ( 15/03/2006 02:55)
:°)
26. xxx ( 15/03/2006 15:27)
Ny mpitondra hatramizay teo nge de napetraky ny frantsy ankolaka e fa ra misy mpitondra tsy ankasitr ahany tafapetraka eo de miomana fa tsy hanjary mihitsy fa na mety ataony eo de ratsy foana io koa ho antsika malagasy milaza fa tia tanindrazana mba dinio ihany
27. naritsimba ( 15/03/2006 15:32)
ainga> asa na henon'ise hoe nisy vola 19 MILLIARDS ARIARY izay tsy hita ary tsy misy porofo ny nandaniana na ny nampiasana azy.
Izaho tsy ti an'i RATSIRAKA fa tsy tiako koa ny ataon'DRAVALOMANANA satri mpivavaka masirasira ka mampatsatso ny any am-bilanin'ny vahoaka malagasy tsy vaky volo.
Asa koa raha fantatrareo fa vao nomen'i RAVALOMANANA Marc 4x4 i Manandafy RAKOTONIRIANA ankehitriny satria dia voalazan'ny olona eo akaikiny fa mba tsy hanohanan'i MANANDAFY Kandidà hafa @ fifidianana.
Zà miteny dia tsy matahotra fa milaza ny marina ary tsy hihemotra @ atao hoe FAHAMARINANA. Fa raha ny fiafenana ao ambadiky ny hoe FANAMPIANA NY FIVAVAHANA no ataon'ny mpitondra ankehitriny dia tsy eken'ny saiko sy ny eritreritro.
28. Rainikarabo ( 15/03/2006 15:41)
dia iza aza ny olona eritreretinao fa hahomby e?
29. fijo ( 15/03/2006 19:35)
le hoe hiverina 6000fmg ny €,dia hanahirana be,satria maro no zavatra nahatonga izao,zavamisy any izao.teo ny tsy fahaizan'ny teo aloha nitondra,eo koa ny zavamisy eran tany,misy koa lesoka nataon'ny mpitondra ankehitriny.ary aza hadino koa fa raha nandray fitondrana izao fitondrana izao,dia fanjakana ritra tanteraka no noraisiny.io dia fantatsika hoe iza no nanao azy.ary vokatrio fandrobana natao tamin'ny 2002 io no tena mahatonga antsika amin'izao.
ny vahoaka koa dia tomponandraikitra amin'izao zavamanjo any izao.
izao zavatra misy any izao,dia aoka ho fantatra fa tsy any irery no mizaka azy,fa hatraty frantsa.
ohatra.tamin'ny 91 aho raha tonga taty,200ff dia mahafeno ny vatafapangatsiahana.izao raha izany 30€ izany,raha mahazo leguma kely sy voankazo enao dia faly.
ka sarotra ny hilaza hoe ravalo irery no nahatonga izao.marina ary azoko tsara ny hatezerana misy any,nefa mba jereo koa ny zavatra misy rehetra aloha
30. Veloo ( 15/03/2006 20:16)
tsy hivotra vety2 i Dago e... tena mbola sarotra mihitsy zany..
31. fijo ( 16/03/2006 04:32)
ka tsimaintsy manaraka ny onjan'ny erantany koa anie e.nga afaka miala izany eo isika e
32. xxx ( 16/03/2006 23:31)
Ny sabotage ataon'ny opposition no manakana ny fandrosoana eto amintsika!
33. pisopiso ( 17/03/2006 11:10)
Mba omeo ohatra ary hoe : inona no sabotage hataon'izy ireo izany raha tsy mahadiso??
34. fijo ( 17/03/2006 21:01)
aza hadino fa ny fanaratsiana izay zavatra ataon'ny manao zavatra dia efa sabotazy.vita ny lalana lazaina fa lalana ve azo hoanina?????mba toetsaina avy aiza re izany e?????olona nianatra ireo ary nahita taty ivelany dal=holo,fa ny antoka iray nampandrosy ny taty dia io fananany lalana io.ka raha izay no lazaina fa tsy hilaina dia mba mahazendana ahy le fisainana
35. pisopiso ( 18/03/2006 20:15)
Zà aloha tsy nilaza an'izany resaka lalana zany!! fantatro fa ilaina io!! fa ny tsy azoko dia hoe inona no maha-sabotage an'izany?? tsy azo lazaina ho rediredy ve zany e!! fa ny tena fanontaniako anie dia hoe inona no acte na sabotage hataon'izy ireo zany e!! fa raha ny fitenenany hoe lalana ve azo hoanina angamba tsisy dikany zany fa tokony hiomehezana fotsiny sa ve misy olona mety hiaino an'izany?? inona marina le sabotage e!!
36. xxx ( 19/03/2006 04:00)
Ny mpanohitra malagasy de maniry ny hanangana fanjakana tetezamita, ary miezaka manao fanakorontana etsy sy eroa ( 17h déc 2005 teo @ 13 mai, tany Antseranana, tsy nahazo alalana). instabilité politique= pas d'invetisseurs étrangers (sabotage). Maninona raha miandry ny fifidiana manaraka de resena lahatra ny vahoaka fa tsy mamely Ra-8 , fa ny programme atolotry ny mpanohitra no tena hahahoby.
Misy tsy mety iany aloha ny ataony mpitondra, fa avelao izy hiasa sy hanampitra ny mandat-ny. Nefa aloha raha mbola tsy candidat TOKANA (1er tour de vita) no hatolotry ny mpanohitra @ fifidianana manaraka de mbola hoazo Dra-8 iany io.
37. xxx ( 19/03/2006 05:12)
Faharo Ratsimbalson : «Je n’attends rien de Kofi Annan»

« Je n’attends rien de lui car je suis convaincu que cela ne suffit pas pour réussir », dit-il. « Je vais faire tout mon possible pour atteindre l’objectif, celui d’empêcher Marc Ravalomanana de faire un second mandat
38. yehel ( 22/03/2006 13:47)
Bq mondiale ho'a tsy manampy zany.Ny firenena lehibe mpanohana azy ihany no mi-bénéficier ny activités-ny.
Misy kajy efa matypaika ange ny and-ry zalahy é:raha manome 100 izy an 99 miverina any amin'ny firenen-dehibe izay manome ny bq mondiale 200 tsirairay avy isan-taona.Laojika be lé kajy.Lé 99 ireo dia lasa vidin'ny fiara,frais missionnaires bq,mobiliers,ary efa voasoritra avokoa ny handaniana azy ( ny fiara atsy @ concessionnaires zao,ny meubles atsy,...

Efa tara loatra aloha raha amiko ny fanantenana fandrosoana e.Sauve qui peut sisa nga.
39. fijo ( 22/03/2006 22:24)
yehel,aza malemy saina toa io.fa izay no hanararaotan'ny olona antsika.
40. pisopiso ( 24/03/2006 18:51)
Marina ny ano Fijo a! io no tanindrazantsika ka handositra ho aiza ary.... izay no anton'izao adihevitra izao mba hiara mitady hoe inona ny vahaolana satria raha hanao lache handositra zany hianao sy ny vady amanjanakao mety ho tafapitsika hiany fa dia ahoana ny havana ambiny???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087