MITADY VAHAOLANA SY TOROHEVITRA

1. soleil ( 09/03/2006 15:31)

Manan-janaka mianadahy aho , ary mitaiza irery ny ankizy efa ho taona maro ihany izay

mihamitombo ny taonan'ny ankizy ary miha(mitombo toy izany koa ny adin-tsaina rehetra manoloana ny fianarana ny fitaizana sy ny sisa ary ny ho avin'ireo ankizy ireo

te-hangataka torohevitra na fanampiana ho an'ireo reny sendra ny olana toa ahy aho , ahoana no nataony mba hamenoana ny banga sy tsy ahatsapan'ny ankizy loatra lay fisarahana , ahoana ny niainan'ny zanakareo ny toerana misy azy , tafavaoka ihany ve sa tsia ,

tena sarotra amiko ny miteny ny zanakolahy indrindra indrindra , sady malahelo ihany ny tena no matahotra ihany koa sao sanatria hania ny ankizy aoriana

koa dia mangataka re Tompoko hoe inona no nataonareo ray aman-dreny sasany

ny olako iray koa dia izao tsy manana loatra aho ary raha sendra misy miantso anao amin'n tél ary ka eo n zanako de migafy izy , ny fivoahana sy ny fiarahana amin'ny namana moa de efa tantara lava be , marina fa tsy ny ankizy no mandidy manana ny zoko hiaina koa aho fa tsy mahatsapa ny zavatra ilaiko ny zanako

misaotra mialoha amin'ny valin-teny rehetra

soleil
2. xxx ( 09/03/2006 16:28)
Sarotra ihany ny manampy anao eto satria hoy ianao hoe

>te-hangataka torohevitra na fanampiana ho an'ireo reny sendra ny olana toa ahy aho

Izahay anefa mety ho afaka manampy ihany na dia tsy nandalo an'izany fiainana izany aza, vokatry ny zavatra efa niainanay sy ny zavatra hitanay teo amin'ny manodidina.

3. Fiffi ( 09/03/2006 18:32)
soleil: io aloha dia miankina @ taonan'ny zanakao satria raha efa mialehibe tokoa ry zareo arakin'ny filazanao azy dia ny zavatra hitako fa tsotra indrindra dia ny miresaka aminy , mitsotsa azy sy manazava azy ireo ny fandehan-javatra , ny fahasahiranana indrindra raha ara-bola. Io aloha iray! Manarak'izany raha momba ny fisarahana aloha dia somary ho mafy hiany ny tsy hametrahany fanontaniana ohatra , ny hoe hamenohana ny banga aloha dia tsy mahita hevitra hafa aho afatsy ny hoe maninona raha mitady olon-kafa ? Ianao aloha aiza ? satria raha aty ivelany ianao dia maro tokoa ireny club ireny mba andefasana ny ankizy , manao sport ohatra misy karazany maro tokoa ka azo tsara hisafidihanana .
Marina aloha fa sarotra ny filaza ny ankizy fa tsy misy zavatra tena tsara anefa raha tsy ny firesahana ary manazava tsara ny fandehan-javatra , io aloha dia miankina hoe firy taona ireo zanakao ireo ?
4. Fiffi ( 09/03/2006 18:42)
Manarak'izany: betsaka tokoa ireny fanampiana hataon'ny mairie ireny raha aty ivelany ianao , droit-nao mihintsy aza izany ! Fa migafy hoe ahona izany rehefa mamaly telefonina ianao ? tsy azonao hatao angaha ny mitondra ny telefonina synyfiresahana tsy eo imasony ? ary fa maninona no tantara be ny fivoahana ? tsy azonao entina miaraka aminao angaha ry zareo ? Marina aloha fa tsy nyankizy no tokony hibaiko saingy raha mba miteny ry zareo dia omeo fanazavana izy , tsorina fotsiny nyfandehan-javatra , dia mahereza hatrany :-*:-*:-*
5. caprio ( 09/03/2006 20:33)
Amiko aloha dia mafy tokoa ny miaina ao anatin,ny ray aman-dreny tsy mifanaraka satria izao manoratra dia miaina @izany ankehitriny,ny torohevitra omeko anao aloha dia aoka enao aneo fitiavana mandrakariva @ireo zanakao ireo kanefa tsy midika akory izany we asainao manara-po @izay tiany izy fa kosa tokony hiezaka hianao ny hifankazatra ny hiresaka @izy ireo matetika izany we ataovy tahaka ny firesahanao @namanao sy izao fitadiavanao torohevitra izao ny firesahanao @izy ireo dia ho hitanao fa tsy hanafin-javatra aminao izy ireo ary zary ho lasa mpinamana tsy mifan-kafohy hianareo telo mianaka ary dia lasa mahay mifanankalo hevitra mandran-kariva hianareo eo @fiainana
6. Fiffi ( 09/03/2006 20:51)
marina aloha izany an! dia ianao koa aza no mba mametraka fanontaniana azy hoe inona no tokony hataontsika @ izao olana izao
7. Fiffi ( 10/03/2006 04:50)
soleil: mba azonao lazaina ve hoe firy taona ireo zanakao ?
8. xxx ( 10/03/2006 05:36)
Tsy misy afatsy ny firesahana ihany aky soleil no fanafodiny a! Za koa mitaiza irery, ny mahasamihafa azy aloha dia ny zanako mbola kely e! Fa raha vao mbola kely izy dia efa nozariko noresahina, rehefa mananatra azy aho dia ataoko toy ny miresaka izahay mianaka, fa tsy mibedy aho, afatsy ny hoe tena grave be angaha ny zavatra ataony, nefa iny aza tsy mandaitra fa ilay miresaka mora ihany no tena ahazoako ny fony. Momba ilay hoe tsy dia manana, mitovy ny situation antsika, ny ahy aza mbola miampy ny reniko ny charge ao antrano, fa atao aky izay tsy dia mampihafy ny ankizy a! Tsy tena atao manara-po ny zaza an, fa omena azy izay stricte minimum ilainy eo @ fiainany, toy ny fianarana. Dia ilay migafy, karazana gafy toy ny inona moa izany? Resaho moramora izy e! Izay aky fa mahereza a!
9. Fiffi ( 10/03/2006 08:57)
soleil: hitandry ? omeo "responsabilité" ry zareo fa hatao somary lalao ilay izy , mety ho hety koa i an!
10. soleil ( 10/03/2006 09:29)

Misaotra anareo rehetra namaly sy nanome soso-kevita , somary mandalo ihany aho izao fa aza matahotra fa hanome ny valin'ny fanontaniana rehetra tadiavianareo aho rahariva

misaotra indridnra

11. Fiffi ( 10/03/2006 09:53)
soleil! :-*
12. bakl ( 10/03/2006 10:12)
Sarotra aloa e. Mitovitovy ihany ny zavatra mahazo antsika ka ny nataoko tamin\'ny ahy dia izao : nozariko tamin\'ny fivavahana ry zareo hatramin\'ny mbola kely, efa 15 izao ny zokiny indrindra. Tsy milaza aho anefa fa mora ny mitaiza azy ireo fa hafahafa kokoa ny folie vitan\'ny zaza, na famalin\'ny zaza mandeha mivavaka. Toro-hevitra aminao koa dia alaivo ho namana izy, eny na dia manao ny sitrapony kely (arak\'izay tratra anefa) dia mandeha ho azy ny fiarahana. Hainy ny mandrefy ny tokony tsy hiteraka problème be loatra ao an-trano. Izay fa mazotoa koa mivavaka e.
13. soleil ( 10/03/2006 15:12)
Eny ary , dia araka ny efa teny nomeko de hamaly anareo ,

xxx
14. Samoana ( 10/03/2006 15:29)
Arak'ireo voalazanao ireo ry soleil dia azo atao hoe manana ny ampy tokony hilaina ara-pitaizana ny zanakao ( finoana, fanatanjahan-tena...). Saro-piaro aminao izy sao lasan'ny hafa ianao ka tsy ahavita hikarakara azy intsony. Fihetsika fanehom-pitiavana izany ho an'ny ankizy, indrindra moa fa miha-lehibe ireto zanakao. Hazavao azy tsara raha manao namana vaovao ianao fa tsy hanary an-drizareo sanatria fa mba mila soutien ivelany ihany koa. Mba tantarao azy tsikelikely ny toetran'ny namanao. Na izany aza aza mijanona maharitra eo @ telefôna fa mahatsiaro tena ho kamboty ny zaza. Mba araho izy ireo @ activités ataony fa ilainy ny mahita anao mijery azy.
Mahereza fa vitanao io e !
15. lapino ( 10/03/2006 15:33)
Za aloo mbola tsy nitaiza, fa ny mba eritreritro no atsipiko sao mba misy horaisina ihany; :)

Mety ho efa vitanao ny 80%-n'ny asa fitaizana. Fa raha ny hevitro dia mila ny rainy ihany koa ireo ankizy.
16. sipagasy ( 11/03/2006 12:01)
lapino ka raha efa tsy eo intsony ny rainy dia ahoana????
17. Fiffi ( 11/03/2006 13:10)
soleil: ankizy efa mahatratra 13 sy 10 taona zany akia an! efa azondry omena responsabilité kely an! fa tsy manao didy jadona fa mba hasiana taktika kely ohatra hoe somary atao lalao ilay izy , marina fa hoe tsy dia afaka manararaotra loatra ndry @ fanam-bola fa asa raha mba azondry hatao milaza azireo hoe maninona no tsy hasainareo tonga aty an-trano ny namanareo vitsivitsy hiara-hilalao dia mba manao gato sy zava-pisotro kely ndry dia ry zareo no hasaindry mikarakara ny rehetra , ohatra ny ahy io an! dia atomboka tsikelikely ny firesahana aminy , izany hoe hatao izay ahazahoana ny confience-ny andry na ohatra koa hoe miaraka milalao aminy ndry , eny na dia somary sarotra hiany aza izany fa raha afaka ndry hisotomany azy ireo tsikelikely tahak'izany dia mety ho hety angamba nefa moa mety tsy ho lasa koa io nohon'ny toetrany fa dia mazotoa hatrany akia an! :-*:-*
18. soleil ( 11/03/2006 13:24)

Dia faly miarahaba antsika rehetra ndray ,

samoana
19. Fiffi ( 11/03/2006 13:50)
dia ho torak'izany koa ndry an! :-*:-* dia mazotoa hatrany akia dia aza mora kivy ary ataovy am-bavaka daholo ny zavatra hatao.:-*:-*
20. lapino ( 11/03/2006 14:10)
sipagasy, mbola any hono :D

soleil, ny tiako dia hoe mila misy fotoana laniany miaraka amin'ny rainy mihitsy, matetika matetika araka izay azo atao, miaraka amin'ny rainy izy manao izay ataony any, mety hoe manao baolina, bandy sy rôll, korsa kapsily na mandeha manjono sns, na mianatra na miresaka momba ny fianarany, na manao asa, sns ... Misy ampaham-pitiavana mety tsy ampy amin'ireo ankizy manko ohatra avy amin'ny rainy, misy ampaham-pitaizana 20% kely izay ny lehilahy no afaka hanome azy, sns bedebe ...

Mety mila an'izany koa ny rainy, fa zany hoe mety ho tsy ahoanao. Fa ireo ankizy kosa, tsy vitan'ny hoe mety te ho any izy, fa tena ilainy amin'ny fanabeazana ny maha-olona azy ny seraserany amin'ny rainy. Ny reniny moa izany efa iarahany miaina mihitsy, ary tompon'ny 80%-n'ny fitaizana.

Izay problema hafa aloha ianao no mahalala azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1403