MITADY VAHAOLANA SY TOROHEVITRA

21. Fiffi ( 11/03/2006 17:34)
marina tokoa fa mila ny rainy ry zareo ka aza sakanana mihintsy aloha ny fahitany ny rainy na raha hoatra hoe misy tena antony tsy mety!
22. soleil ( 13/03/2006 08:16)

Manao ahona daholo ndray ,

Zà ndray kosa anie tsy mbola nanakana velively mihitsy saingy hoy aho raha ny sitrapoko manokana dia tsy miserasera loatra , satria noho ny fahatsapna indrindra fa ilainy ny rainy de manome safidy malalaka azy ireo aho

zay fa de mbola misaotra foana e
23. Fiffi ( 13/03/2006 09:11)
soleil: indraindray koa manko mety tsy mety ny sitrapontsika , fa mety tsara aloha ny nataondry an! :-*:-*:-*:-* ndryyyy mampalahelo ahy akia ny zavatra mahazo andry zao an! :(:(:(
24. soleil ( 14/03/2006 14:18)
misaotra anareo rehetra ary ndridnra Fiffi mazoto manoratra tokoa sy ny namana iray tsy ho tononina anarana eto

ny zavatra tena tsy zakako sy tsy tantiko ary zay koa ny antony tsy de iresahako loatra de mitomany foana ny ankizy isaky ny miezaka ny hiresaka aho de aleoko ajanona

veloma ndray
25. Fiffi ( 14/03/2006 15:56)
soleil: ary hono hoy aho akia ry soleil: mitomany ny ankizy rehefa hiresahandry ? fa sao dia ny resaka fisarahana foana no hataondry azy ? ilaina aloha io firesahana io an! fa ny tsara angamba dia maninona raha mba miresaka @ vadindry indry sa tsy possible io ? satria manko an! tokony hoe hiresaka ianareo fa mijaly ny ankizy , ary mahafantatra an'izany ve ny vadindry ? hoe mijaly ry zareo an! ary mba miresaka @ dry ve izy mba manontany hoe manao ahoana ny ankizy sa dia rehefa nisaraka dia vita hatreo izany rehetra izany ? somary be fanntaniana angamba aho fa hialako tsiny an! fa mba te-hanampy be andry aho , izay no mahatonga ahy hanao an'izao an! :-*:-*:-*:-*:-*
26. Fiffi ( 15/03/2006 05:44)
soleil: itandry ? na ny ps-ndry aza dia efa io soleil io ary mbola tena ihiratra foana izy io fa minoa an'Andriamanitra:-*:-*:-*:-*
27. soleil ( 15/03/2006 07:07)

sarotra be Fiffi satria zao hatramin'ny voalohany aho de efa niteny an'ny dadany ny ankizy aho hoe ny ankizy jerena fa aleo miresaka ka asa na heveriny hoe malahelo toerana ve sa tsia ? izy anie no tsy mety fa tsy zà e , sady manahirana koa e

misaotra Fiffi
28. Fiffi ( 15/03/2006 07:30)
soleil: marina fa manahirana tokoa aloha ilay izy ary tena tsapako tokoa izany fa mba fanontaniany ny ahy akia an! dans le soucis hoe tena mba te-hanampy andry no mahatonga ahy nametraka ireo faontaniana ireo an! Ary maninona moa raha andefasandry taratasy ary izy manazava ny fijalian'ny ankizy ? Na koa hoe ny ankizy koa mba mandefa taratasy ho azy , fa mety ho raisiny koa izany hoe fitadiavana toerana indray. Tena tsy hitako mihintsy izay fomba hanampiako andry fa toa izay mba hevitro tsy mety avokoa nefa mba mahatsapa aho fa mety hi-hety ireo. :( saingy sarotra tokoa izany fiainanandry zany fa mahereza hatrany akia an !:-*:-*:-*
29. soleil ( 15/03/2006 14:50)
Bsr ,

Misaotra Fiffi fa aleo aloha handinika tsara ny@ zay hevitrao zay , raha manoratra ary izaho no hanao azy fa tsy ny ankizy ka , tsy tiko fa efa haiko ny réactions -dreo

merci
30. Fiffi ( 15/03/2006 19:54)
tsy misy fisaorana akia soleil an! :-*:-*:-*
31. diamondra27 ( 20/03/2006 08:01)
soleil: 'za aloha de tsy manana ambara firy fa de zaro @ lalana tokony alehany ny zaza fa refa lehibe izy de tsy afaka aminy 'zany

ity ry ise misy blog mba tiako hozaraina aminao na ho an'ny ze te-hahalala ihany koa moa izany e!
Ka mahereza fa misy torohevitra be de be ao, satria professionnel no miteny aminao ka de chachun a sa décision sy ze heviny .

jereo eto:http://psycho-educateur.skyblog.com/
32. Fiffi ( 21/03/2006 05:28)
soleil: mba omeo vao2 akia izahay an!:-*:-*
diam: na tsy misy lazaina aza anie akia ka mba efa mamaly azy dia manome fahankaherezana ho azy an! :-*
33. diamondra27 ( 21/03/2006 06:40)
ka soleil tsy hita tsony ry fiffi a!
34. Fiffi ( 21/03/2006 11:24)
diam: ka zay indrindra manko :(
35. diamondra27 ( 22/03/2006 11:22)
fiffi:f'efa nojerenjy ve aloha io site io e! somary lava be an, mazotoa
36. soleil ( 22/03/2006 15:13)
Bonsoir daholo ,

Soleil tsy dia mbola manana vaovao loatra fa dia miasa saina isan'andro , misaotra Fiffi moa de mazoto lalandava , dia Diamondra torak'izany , ny tena marina de tsy nijery forum loatra aho tato ho ato fa mandalo miserana kely foana

andraso fa hojereko io site io , misaotra re a

Ho tahian'Andriamanitra

betsaka ny adin-tsaina e zay no tena marina , ny asa , ny fitadiavana , ny fianaran'ny ankizy sy ny sisa fa dia misaotra mankahery sy manohana eny

37. Fiffi ( 22/03/2006 15:30)
Mahereza hatrany akia ry soleil an! dia hitondra am-bavaka lalandava ho andry aho ary ny Tompo anie Homba sy Hitahy andry lalandava :-*:-*:-*:-*
38. ninimalala ( 27/03/2006 13:13)
Voalohanteniko dia mampahery anao indrindra @adidy miandry anao.
Manarak'izay ny mivavaka aza adino fa io no hitako fa tena manampy betsaka @ fitaizana
Farany, amin'ny maha Reny ahy, betsaka tokoa ny olana @fitaizana ankehitriny, asa na izany no hoe miova araka ny toetrandro na ahoana fa ny tena mety dia tsy misy afa tsy ny miresaka iny tena manakaiky fo ny ankizy ary matetika dia miposaka ho azy ny any ampony, alaivo namana izy fa mety io.
Mirary soa indrindra.
39. Fiffi ( 27/03/2006 14:50)
marina izany , alaivo ary resaho tahaka ny namana marina !
40. soleil ( 28/03/2006 08:21)

Ny zavatra tena tsapako de izao rehefa mody aloha dia hita faly ny ankizy saingy izao anie reto e mba misy fotoana ihany anefa ny tena mila mivoaka sy mana-namana koa ny fomba ampitana an'izany amin'ny ankizy no efa manazava ny saina fa mbola tsy dia manaiky ireo

eny e misaotra antsika rehetra amin'ny torohevitra maro , aza matahotra ianao ninimalala fa efa olona mananany Tompo aho izao

misaotra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7256