Andray fa dia inona loatra!!!

1. xxx ( 07/03/2006 20:05)
IZAO ANGAMBA NO ILANA NY ATAO HOE CIVISME!!!zavatra tsara ireny t@ fanjanahantany ka mba mila averina fa tsy lasa kosa ny toy izao
http://www.madanight.com/madagascar-photo-30807.htm
2. Rainimaharavo ( 07/03/2006 20:48)
Izao aza tsy vitan'i "tonton m'a dit"...ka dia hilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena ve izy? jereo aloha ny eo amin'ny tanananao vao mihevitra ny hanao zavatra hoan'ny Nosy manontolo.
3. Rainimaharavo ( 07/03/2006 22:11)
Tohiny :
Nahaino aho hoe noho ny tsy fahazahoana "subventions" avy any amin'ny Fitondrana Foibe no mahatonga izao toe-javatra eto Toamasina izao.
Aoka tsy ho lazaina hoe tsy mahazo fanampiana avy any amin'ny Fitondrana Foibe ny tananan'i Toamasina dia izao no vokany...Raha maloto ve ny ao aminao dia hoe ny hafa no tompon'andraikitra amin'izany? Amiko, raha izany no toe-tsaina itondrana azy dia : fahaiza-miaina/ fabaneazana/ fampianarana ary fitsinjovana ny FAHASALAMANA io fa na mahazo vola zato sy arivo miliara avy any amin'ny Fitondrana Foibe sy avy amin'ny F.M.I sy ny B.M. aza ka tsy hay ny mitantana ny fampianarana ny vahoaka dia tsy misy dikany izany.
O! ry "tonton m'a dit" ô! aza mibolila amin'ny hoe izao no vokatry ny tsy fanampiana anay aty Toamasina fa anjaranao no mampiseho amin'ny Vahoaka hoe vitako io...rehefa hita izay vitanao amin'ny eo antokatrano toy izao dia ho voafidy moramora ianao hitondra ny Tany sy ny Firenena.
4. Ragadona ( 07/03/2006 22:25)
Andraikitra tokony honoraisin ny ao Toamasina aloha io fa tsy tokony hailika etsy sy aroa ndray e. Fa tokony handinika ny fomba fitondrany ny faritra tsirairay koa ny mpitondra foibe na izany satria raha avahana tsy omena ny subv izy nefa ny hafa mahazo dia hafahafa zany amin ny maso tsy miangatra ary azo itarafana zavatra maro
5. naritsimba ( 08/03/2006 04:34)
Ny tsapa dia na hanao ezaka tahaka ny inona ary ny mpitondra ny tanana zany hoe ny MAIRE sy ireo mpiara miasa aminy dia miankina @ toe bola eo an-tanana no ahazahoana mihetsika, fa ny tena zava dehibe dia ny fiovan'ny toe tsain'ny tsirairay satria raha tsy manary fako eny an-dalana ny olona dia tsy hisy ny toy izao fa hadio lalandava ny tanana.
Ny momba ny hoe fanampian'ny fanjakana dia hita fa rehefa tsy TIM ny ben'ny tanana dia tsy mahazo fanampiana @ fanjakana foibe, izany ve no mba mpitondra milaza azy ho kristiana aoka ho tonga ao an-tsain'ny mpitondra milaza azy ho kristiana fa havalin'Andriamanitra aminy ny ataony ary tsy ela io fa tahaka ny nanjo ny fanjakana t@ andron'ny Solomona mpanjaka.
6. mamzelkely ( 08/03/2006 08:46)
gay gay gay maloto izany k'ty :roll:
7. sipagasy ( 08/03/2006 09:28)
tsy vitan'ny loto ihany fa ny aretina mety ho tonga ihany koa e! fa aiza aza ilay toe-tsaintsika malagasy e! dia samy tsy misy mahay mandray ny andraikitra tandrify azy avy ve??? raha ny tokan-trano tsirairay no mba miezaka manary fako any anaty lava-pako na ny toerana tokony natokana ho an'izany???? tsss mampalahelo ilay mifanilika andraikitra kleee
8. onjah ( 08/03/2006 10:52)
Amiko indray aloha dia izao e.

Izay nanary ireo fako ireo teo no diso, fa angaha moa tsy misy ny toerana efa voatokana hanariana izany.
9. Lejim ( 08/03/2006 13:30)
Tsy mba mpaloto be otran'io ny tananan'ny Toamasina. Aza omena vola hikarakarana ny tanana ange i Tanananarive dia ho hitantsika eo ny halehany e! O ry rainimaharavo a, aza mitsara mba tsy hotsaraina. Tsy hanome tsiny an'iza n'iza hoy aho aho, fa zavatra fantatro fotsiny dia, mba isan'ny tanana nadio io Toamasina io taloha (ankoatry ny rano rehefa ririnina), dia io izy izao. Misy zavatra hafa ao, fa tsy juste hoe ny mpitantana tsy mahay ihany!
10. Rainimaharavo ( 09/03/2006 06:10)
Na misy ny vola na tsy misy ny vola rehefa tsy mahay mitantana ny ao antokatranonao ianao dia izao no iafarany. Ny ao antokatranonao izany tsy hanana fahadiovana mihitsy raha tsy hahazo vola avy amin'ny fanjakana na ny mpanampy ianao? Mba hafahafa ihany.
Raha hiandry ny vola avy any amin'ny Fitondrana Foibe ve vao hanadio ny tanana dia avela ho faty eo izany ny vahoaka amin'izay dia hoe tsy noho izaho no nahatonga izao fa ny any amin'ny fitondrana ambony any? Mora dia mora ny manome tsiny ny hafa fa ny tena dia tra-boina foana...tsy mba tompon'andraikitra...Raha ny marina izany dia tokony haloto toy izao daholo na ny eo amin'ny lapan'ny tanana, na ny tranon'ny manam-pahefana rehetra na ny tananan'ny mpanolo-tsaina na ny hôpitaly fitsaboana, na ny banky na ny hôtely fandraisam-bahiny rehetra na ny fiangonana...izany hoe hatao izay ahitan'ny besinimaro indrindra ny vahiny fa hoe tena ampijalian'ny Foibe Toamasina ka izao no iafarany?
Jereo ny tanana sasany izay misy mpanao politika tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra amin'izao fotoana izao raha toa ka feno loto hoatran'izao ny tananany satria mpanohitra ny olom-boafidiny?
Ny fahadiovana anie r'ingahy tsy noho ny hoe mpanohitra aho dia tsy hiraharaha izay fahasalan'ny tananako ê! Mandeha mitady vola any ivelan'i Madagasikara hanaovana izao sy izao amin'ny lafiny politika, maninona raha mitady vola hanadiovana ny tanana sy hanatsarana ny toe-pahasalaman'ny mponina. Na amin'ny fomba inona na amin'ny fomba inona no hoentina hanomeza-tsiny ny mpitondra na inona na inona fireha-keviny ara-politika dia tsy ny vahoaka no atao ambanin-javatra, indrindra eo amin'ny lafiny fahasalamana. Raha izany no itondrana azy dia tokony tsy halefa hianatra ihany koa ny kilonga rehetra satria tsy ampy ny fitaovana hoenti-manana noho ny tsy fahazahoam-bola avy any amin'ny fitondrana foibe. Resaka tsy mandeha amin'izay laoniny izany fa raha te hitondra firenena ianao dia ny fiainam-bahoaka andavananandro no tokony ho dinihanao voalohany. Raha hiandry izay vola avy etsy sy eroa vao hietsika dia amin'ny farany dia hanana ilay fomban'ny ankamaroan'ny Frantsay amin'izao fotoana izao ilay hoe "mentalité d'assistés..."
Tsy mitsara, araky ny nolazain'itsy olona ambony itsy aho fa milaza ny marina; ary misy fitenenana milaza hoe -Mahasorena ny marina- "la vérité choque".
Efa naverimberika hatramin'izay raha mpanaraka ny valiteniko ianao fa toe-tsaina tokony hiala amintsika io. Ny fanabeazana fototra akory tsy miandry ny mpitondra na avy aiza izy na avy aiza fa anjaran'ny tsirairay no mahalala fa ny fahadiovana dia antoky ny fahasalamana sady fandrosoana ilaina eo amin'ny tontolo iainana.
Farany : ndeha jereo ny tananan'ny manampahefana eo Toamasina raha mba misy loto hoatran'izao eo amin'ny manodidina azy...
11. Lejim ( 09/03/2006 17:49)
Rainimaharavo> Raha nodinihiko ny zavatra nosoratanao dia toa olona mbola tsy niaina izany fijaliana ara-bola izany mihitsy ianao, ka tsarainao araka ny eritreritrao (toute chose est possible) ny zava-misy. Toy ny ankabeazan'ny Amerikana ihany ny fandinihako anao ka na izany mosary izany aza tsy hainy.
Efa nisy fotoana zah tamin'ny fiainako nijaly, dia efa nisy fotoana koa zah nanan-karena kely ihany, fa tsy mitovy ny fieritreretako izany fahadiovana izany tamin'ireo fotoana ireo. Rehefa mijaly ianao, sahirana ara-bola, tsy mieritreritra ianao hoe important izany savony izany fa rehefa misy sakafo dia tres bien.
Otran'izany ihany amin'ny fikarakarana tanana. Rehefa tsy manam-bola ny tanana iray, tsy ampy vola hanakaramana olona hanadio ny tanana ny commune, tsy ampy vola hividianana gazoaly sy hanofana ireny trakitera ngeza be ireny. Raha nahatsikaritra ianao dia nanao hetsika ahazoam-bola ny CUT, tamin'ny taon-dasa iny nefa tsy nomen'ny fanjakana hasina akory izany.
Andeha hitady vola am-pitany? Tena mieritreritra mihitsy hoy aho ianao hoe, toute chose est possible, f'angaha mandeha ho azy izany fangataham-bola am-pitany izany?
Aza omena subvention hoziko i Antananarivo dia ho hitantsika eo ny fahadiovany! Mora ny mitsikera fa jereo aloha ny an-tena!
12. Rainimaharavo ( 11/03/2006 17:16)
Valiteny ho anao eto ambony :

voalohany :

-Tsy manana toe-tsaina amerikanina aho na dia fantatro aza fa ny an'ny amerikana dia izay tafita no hobiana. Tsy any ny resantsika.

faharoa :

-Ny tiako ho lazaina anie dia tsotra fotsiny ê ! raha raisina amin'ny teny vahiny izy dia "acte de civisme" no ilaina amin'ny tsirairay fa tsy miandry izay volabe mitosaka akory. Raha misy afaka mampiseho amin'ny vahoaka hoe tsy azo anariam-pako eto satria misy toerana anaovana izany dia vita ho azy ny raharaha. Miankina amin'ny toe-tsaina nanabeazana ny tsirairay io. N'iza n'iza tsy afaka hiandry izany vola avy any amin'ny fanjakana foibe izany vao hitsinjo ny valala tsy mandady harona. FAHASALAMANA SY FANATSARANA NY TONTOLO IAINANA IO.

fahatelo :

-Fantatra koa ny tian'ny manampahefana ao an-toerana haseho vahoaka fa rehefa mpanohtra dia tsy mahazo n'ino n'inona fa izao no fahorianay "se complaire dans le misérabilisme" hoy ny teny vahiny.

fahefatra :

-Raha vitan'ny tompon'andraikitra ao an-toerana ny fanadiovana ireo toerana ireo dia minoa ahy ianao fa tsy hifidy olon-kafa ny tompo-tany fa ny olom-boafidiny ihany no ilainy.

Mino aho fa mazava aminao ny tiako lazaina. Misaotranao namaky hatramin'ny farany.

13. Lejim ( 14/03/2006 02:01)
Be fanomezan-tsiny olona loatra i rainimaharavo. Izay ihany no azoko ambara!
14. Rainimaharavo ( 14/03/2006 08:01)
Samia mahatsiaro tena ny tsirairay fa rehefa te hiaina ao anatin'ny fako sy ny loto dia asakasak'izay tsy mitandrina.
Rehefa tsy misy ny fahasalamana na manam-bola feno vata be aza tsy mahavita n'inon'inona izany. Tsy adalan'ny olona akory no manao hoe : "ny fahasalamana aloha fa ny sisa manaraka ihany".
15. Lejim ( 15/03/2006 22:31)
haha,
Rainimaharavo:
Tsy adalan'ny olona akory no manao hoe : "ny fahasalamana aloha fa ny sisa manaraka ihany".

dia misy koa ny atao hoe, "Raha noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy".
16. Rainimaharavo ( 16/03/2006 19:14)
raha sady noana ianao, no sady maloto ny toerana ipetrahanao dia vao koa mitombo ny aretina.
17. eprom ( 17/03/2006 12:43)
O ry Rainimaharavo ah! Tsoahy hoe ny vola fanampiana nomena an\'Antananarivo ( AFD, UE) de eritrereto hoe inona no ao? Aza malaky mitsara fa tsy misy kaominina mahavita tena zany eto raha tsy mahazo fanampiana. Za tsy manala ny andraikitry ny mairie fa samy tompon\'andraikitra kosa amiko eh. Mba noraisin\'ny Tim ( ny Region moa izany ) anie ny fanalana ny fako tao anatin\'ny 1 volana izay fa tsy hitako izay niova eh. Ekeko fa eo ny civisme, fa tena ilaina koa anie ny vola eh. Inona moa no mampitobaka ireo fako ireo? Tsotra: tsy maka fako eo ny kamiô raha tsy efa bebe no eo. Tsy manam-bola hakana ireo fako ireo isan\'andro tsinona ny fanjakana ( ny mairie teo aloha de ny region @ izao).
Fanamarihana :
1)ireo sary ao @ madanight ireo de vao haingana, izany hoe efa ny region no niandraikitra ny fakana ny fako satria hoe tsy mahavita azy ny commune. Ny kamion\'ny orinasa Tsaravintana ireo manala fako ireo
2) 13 monja no isan\'ny toerana fanariam-pako \"ôfisialy\" eto Toamasina izay misy mponina an\'hetsiny . De anjaranareo no mieritreritra ny habetsaky ny fako isaky ny toerana fanariam-pako.
18. Fiffi ( 17/03/2006 13:02)
1)ireo sary ao @ madanight ireo de vao haingana, izany hoe efa ny region no niandraikitra ny fakana ny fako satria hoe tsy mahavita azy ny commune. Ny kamion'ny orinasa Tsaravintana ireo manala fako ireo
marina io fa nanaraka ny vao2 aho t@ io an!
19. Rainimaharavo ( 17/03/2006 19:16)
Raha atao pôlitika daholo ny fandehan-javatra rehetra dia ho maty daholo na ny manam-bola na ny tsy manam-bola. Ny resako hatramin'izay dia ny fahalalan'ny tsirairay ny andraikiny.
Rehefa tsy hikarakara tena ny tsirairay dia mijaly fadiranovana ny taranaka fara-mandimby. Tsy hiandry izay mpanao pôlitika mitady seza etsy sy eroa akory vao hahalala hanadio ny manodidina ny tena (ataoko moa misy hiran'ny Tarika iray manao hoe : DIOVY NY TANANA...sa tsia? toa ilay hoe SPESIALISTA no mihira azy...dia adala izany ireo TANORA ireo midradradradra eran'ny NOSY hoe DIOVY NY TANANA...) Misy koa ireo atao hoe "chefs de quartiers" ka hiandry inona koa ireo vao hietsika? Sa hiandry homena moday volamena aloha satria SEFO?
Fahatsiarova-tenan'ny tsirairay io fa tsy izay adin'ny mpitady seza rehetra izao akory no ifaniliana. Maty reraka eo ny VAHOAKA fa ry lé-maty isany migolabona amin'ny 4X4 sy ny antennes diaboliques daholo.
Raha tsy mazava ny teniko amin'izany dia tsy haiko intsony izay fahaizanareo TANORA (satria mino aho fa TANORA (25-45 taona) ianareo miresaka amiko ireo...dia mahaleova mahalasana.
20. eprom ( 18/03/2006 13:02)
Andraso aloha averina hatramin'ny voalohany. Tsy ny sary tao @ madanight nahitana fako mivangongo moa no niantombohan'ny resaka? Ka apetrako ny fanontaniana:ny sivisman'ny tsi11 ve no tena lesoka amin'io? Raha toy io ny fako eo @ fanariam-pako rehefa andeha hanary ny fakonao ianao, andeha hamakivaky ny fako izany ianao mba andefasana azy lavitra? Hafa indray raha sachet ka hoe azo atsipy. Sao de diso hevitra aloha ianareo ka hihevitra fa tsy fanariam-pako ara-dalàna ireo @ sary ireo? Ataovy hoy aho ny kajy:fanariam-pako 13 ho an'ny olona 150 000, mpaka fako tsy maka isanandro, de hahagaga ve ny toy izao? de mino ve enao fa na any andafy aza no atao toy izany tsy hihoatra be toy io koa ny fako? Inona moa no azon'ny sefo kartie atao amin'io? Hiantoka ny kamiô hanala fako isan'andro? Ny fanalana zoridira tompoko tsy efan'ny tsirairay intsony fa ilana rafitra : izay no nanaovana azy ho andraikitry ny kaominina. Pôlitika izany tompoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2491