Andray fa dia inona loatra!!!
21. Rainimaharavo
(
20/03/2006 10:06)
Dia aleo izany ho lany andro amin'ny pôlitika eo ny VAHOAKA hivelona ao anatin'ny fako sy ho matin'ny aretina ihany. Tsy haiko raha mba hitanareo ny serasera momban'io resaka Toamasina io ao amin'ny wanadoo.mg fa araky ny fahitan'ny besinimaro azy dia hafa dia hafa ny fanadihadiana.
Iandraso mpanao pôlitika izao rehetra izao dia hivoatra ny VAHOAKA...fampiadiana hevitra fotsiny ny pôlitika fa tsy hinanan-kanina akory.Porofoy amin'ny zava-miseho amin'izao fotoana izao eto amintsika na Mpitondra izy na Mpanohitra.
Raha resaka momba ny any an-dafy (indrindra fa i Frantsa) dia tsy misy itovizany mihitsy ny resaka. Ry zareo Frantsay manana ny fomba fiasany ary indrindra manana ny toe-tsainy manokana fantatra eran-tany amin'ilay atao hoe : culture de manifestations permanentes. Anontanio ireo mahalala ny Frantsay hahitanao ny tena lohan'ny Frantsay.

22. soasoafy
(
22/03/2006 13:24)
Tena maloto kah! aiza moa ny aretina no tsy ho tonga!
Tokony hitsara tena ny tsirairay fa tsy handrasana olona iray io.Tokony saziana mafy zay tratra manao maloto,ny mpiasan'ny fivondronana ange mba manao ny asany fa ny toetsain'le vahoaka mintsy no tena tsy miraharaha, ka de hifotetaka @ loto eto foana isika mianakavy raha tsy miezaka ny hiova.
Hita taratra @'io loto io ny fahantrantsika, koa tokony samy hiezaka daholo, fa raha sady maloto ange sika no mahantra de ialan'ny olona e,na ny toe-tsaitsika koa aza tsy hivoatra fa mandray antendrony foana.

23. eprom
(
23/03/2006 07:13)
Rainimaharavo > Asa na izaho no tsy mahay manazava na ny zavatra heveriko mintsy no diso. Amiko, io resaka fahadiovana io de misy andraikitry ny tsi11 ( fahatsapan-tenan'ny vahoaka hoy ianareo), ary misy tsy ho vitan'ny tsi11 fa tsy maintsy ilana rafitra ambonimbony kokoa : io no atao hoe fanjakana. Andraikitry ny tsi11 ohatra ny manadio ny manodidina azy de manary ny fako eny amin'ny toerana fanariana fako ( ireo à sary @ madanight ireo le izy ). Andraikitry ny fanjakana indray ny manangona ireny fako ireny ka mametraka azy any @ faritra efa natao itobiany ( Andralanitra raha ao Tana ianao ). Ny olana eto de ity : tsy vitan'ny fanjakana ny andraikiny. Mazava ho azy, tsy maintsy ivangogo le fako. Mba toroy hevitra hoe inona ary no mety ho vitan'ny olon-tsotra?
Soasofy > Ny olana eto wa de ny fivondronana no tsy nahavita ny andraikiny. Efa niaiky ny ben'ny tanana fa tsy voaloa ny volan'ny orinasa mpaka fako. Za tsy manala andraikitra ny vahoaka ( tena be ny voretra ekeko izany ) fa raha ireo sary @ madanight ireo de efa mihoatra ny tsi11 ireo. Tadidio fa efa ny region anie no niantoka ny fakana fako teto eh, de izao dimbiasan'ny olon-tsotra.

24. Rainimaharavo
(
31/03/2006 19:01)
Miala tsiny aho raha izao vao afaka mamaly ny resaka eto ambony, sahirankirana kely, hoatran'ny besinimaro ny havana.
Eprom : tsy diso ny hevitrao amin'ireo fisehoan-javatra ireo.Ny tena mbola homeko tsiny na ahoana na ahoana dia ny Mpitondra, na ny any antapony na ny eto antoerana. Ny fandehan'ny zavatra toy izao dia noho ny ady an-tranon'ny mpanao pôlitika fa tsy inona akory. Ny Fanjakana no hoe tsy mahaefa ny asany intsony dia satria ao ràha. Samy te ho filohany daholo na ny atsy na ny àry, hany ka izao no iafarany. Ny Vahoaka kosa amin'izany no tokony hahatsiaro tena ka ny tsirairay no hivondrona amin'izay hevitra hitan'ny maro fa hampadio ny tanana. Raha hitan'ny mpanao pôlitika fa ny Vahoaka no mihetsika sy mampiseho azy ireo ny hoe vitanay ihany ny anay na tsy hiraharaha anay aza ianareo, dia hihetsika ry vendrana isany. Minoa aho ianao amin'izany. Rehefa tonga ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana dia ho valian'ny Vahoaka hoe "mba inona moa no vitanareo tamin'ireny tanana maloto ireny. Izay hanala fako aza tsy vitanareo maika fa ny hitondra Firenena"
Raha tsy mahazo "paquet" hoatran'izany ireo miseo azy ho mpanao pôlitika ireo tsy hahatsiaro tena. Jereo tsara anie rehefa ho tonga ny fifidianana raha tsy hidradradradra ry zareo hampanantena hoe : hanao an'izao izahay, hanao an'izao izahay...fidio izahay fa ho vitanay ny raharaha...mon oeil, hoy ny vonizongo.
Raha ny resak'i Soasofy momba ny vola tsy misy ho an'ny orin'asa indray dia mazava hoazy fa raha tsy ny naman-dry zareo mpanolotra ny raharaha "offres d'appels" no mahazo dia taraiky eo ny raharaha. Ry zareo koa anie ka mila ranondranoniny amin'izay rehetra ataony ê! araky ny hiran'i Jerry Marcoss hoe : amboara sauce. Tsy miteniteny foana ny artistes indraindray.
Ny etsy Andralanitra dia maromaro ny antony ao. Raha tsy mandeha aloha ny fiara fandraofa-pako dia noho ny tsy fetezan'ny fitantanana ny fitaovana eo ampelatanana izany. Raha mijery akaiky ianareo dia tsy voakarakara amin'ny ara-dalàna ireny fiara fakana fako ireny. Ny an'ny sasany mantsy raha mbola mandeha ny fiara na dia efa mitongilana toy ny inona aza dia mbola "alefa, alefa ihany..." hany ka nony tonga eo amin'ny tsy ampoizina vao hoe : domy aho ranaotra.Ny "pièces de rechange amin'izany sady tsy misy na misy aza lafo dia lafo...raha tsy izay hoe mividy eny amin'ny Sinoa na Karana nefa fantaro fa fôpla daholo ireny."
Ny fametrahana ny fako eny Andralanitra dia ny tsy fisainan'ny Mpitondra mba mandinika hoe toerana hafa indray no tokony hasiana ny fako satria efa mba misy mipetraka sy mikarakara eny. Raha ireo mpana-karena manana trano moderina rehetra eny amin'ny manodidina eny no mihetsika dia mety hampiova zavatra ihany koa. Saingy ireny trano ireny matetika dia mpanofa no eny (sady lafo dia lafo ny hofany) ka tsy raharahan'ireo tompon-trano fa ny vola miditra amin'ny banky isam-bolana ihany no fantany. Tsy misy izay tsy mahalala izany fa mikipy maso ny manam-pahefana. Ny fako ihany koa raha toa ka misy ny hanodinana azy ho zezika mamokatra sy zavatra hafa mety hahasoa ny orinasa dia tsy misy toy izany saingy mila vola be dia be... dia be... mihitsy ny manorina ny toerana hamadihana ireny fako ireny. Ny Fanjakana tsy hamaky loha amin'izany fa anjaran'ny mpanam-bola amin'ny alalan'ilay atao hoe PPP izay fantatsika rehetra no tokony handray azy. Saingy vitsy ny samy Malagasy hiray loha hanambatra vola hanaovana izany orinasa izany. Bibilava sy olona ka ny iray matahotra ho voahitsaka, ary ny iray manahy ny ho voatsindrom-poizina.
Vita tompoko!