tsy misy tokony hahamenatra ilay émission FR3 omaly 06 mars

1. xxx ( 07/03/2006 07:59)
Amiko manokana dia tsy misy mahamenatra ilay reportage:" faut pas rever "izay tao @ FR3 omaly iny,raha ny amiko manokana.Ny antony, dia tsy vao izao no ahalàlàna fa mahantra ny gasy,mampalahelo tokoa ny mahita ny mpiray tanindrazana mitsindroka fako etsy sy eroa mba hihinanana ,mampalahelo ny mijery ireo mpiandry omby mandeha 3 volana ngarangidina pour 120.000 fmg no karàma ,sns...
Solution na vahaolana no tokony ho tadiavina hoe maninona no mihemotra lasa ao anatin'ny 10 pays les plus pauvres ny tanàna...INONA NO ANTONY,IZA NO TOMPON' ANDRAIKITRA ?
-ny tany malalaka nahoana no manafatra vary any ivelany
-ny karàna mitsetsitra ary manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny fahatràn'ny gasy
-toa ny vahoaka majinika ihany no poretina handoa hetra sy misedra ny fisondrotan'ny vidimpianana sy ny JIRAMA....ETC
-ny élites toa mitsoaka any ivelany daholo fa tsy motivés..
-ny kolikoly toa mbola misy foana...
-mbola be ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra
-ny tsy fanaran-dalàna

ireo aloha amiko no tena sàkana tena lehibe mahatonga ny fahatràna ao MADAGASIKARA ao

malalaka ny ady hevitra fa dia aoka mbà hifanàja fotsiny !
novalian'i amleoui ny 09/05/2006 04:20
2. majakely ( 07/03/2006 08:13)
tsy mahamenatra fa mampitomany ,,,:?
3. hery ( 07/03/2006 08:17)
Sao dia diso fipetraka ilay fanontaniana hoe INONA NO ANTONY, IZA NO TOMPON'ANDRAIKITRA?

Sao dia tokony izao no tokony ho izy
- Inona no mba nataoko? Inona ny vokany?
- Inona ny zavatra tokony ho nataoko kanefa tsy nataoko? Inona ny vokany?
- Inona izany no tokony hataoko?

Marina fa misy ny tompon'andraikitra isantsokajiny... fa manana andraikitra be dia be koa ny tsirairay... ka aleo tsy mifanipy andraikitra fotsiny.

Eny, manana fahefana ianao na farafaharatsiny efa nanana fahefana fa tsy hainao ny nampiasa azy. Anisan'izany fahefana izany ny mifidy izay hitanao fa tokony hahavita azy, ny manaramaso izay nofidianao, ny manala azy raha ohatra ka tsy ao anatin'ny nifanarahana ny zavatra ataony... dia ampiharo ny fahefanao.
4. mirana5 ( 07/03/2006 08:23)
Amin'ny halebiazan'i Madagasikara dia tokony ho atao vinavinam-pivoarana ny tany ny DECENTRALISATION, jereo ange ny fahorian'i Mme Juliette tao omaly é, raha mba nomena tany tany Tamatave na akaikin'i canal de pangalana fotsiny izy ataoko fa tsy ho oatran'iny ny fahorian'izy 6 mianaka kely, tokony AMPIHIRATRA:roll:sy ampisaina ny mpitondra iny reportage très complet en informations iny, ary ity Rangaha Magouilleur @ hazo koa mbola tantara mahavizana hafa koa é!! Dadany ka!:snif::snif::snif:
5. Fiffi ( 07/03/2006 08:43)
ny ahy aloha dia tsy hitako mihinsy izay mahamenatra an'ilay emission eh! @ maha-gasy ahy aloha voalohany satria zavatra marina avokoa ny hita tao ary halahelo moa izany :( :snif: raha nahita ireto olona mandroaka fako fa hivelomana . Raha jerena koa ireo fako noraofina , tsy hitako izay lazaina fa :snif:
6. ramike ( 07/03/2006 08:44)
raha amiko manokana aloha de mba hampiseho zavatra tsara le nanatontosa an'ilay documentaire eh! satria isaky ny misy documentaire momba ny madagascar de resaka fahantrana foana no aseho matetika, nefa raha araky ny filazan'ilay mpanao gazety t@ le émission faut pas rever de hoe misy eo @ centaines eo ho eo hoy izy le mpitsindroka fako, nefa raha misy reportage na documentaire aty France de tsy mba mampiseho an'ireny sdf mpitsindroka fako ireny mihintsy ry zareo nefa eto france de misy efa ho 100.000 ny sdf (sans domicile fixe) sady tsy mananatrano no mitsindroka eny @ ordures. Ny tiako ho lazaina zany de hoe rehefa mba mampiseho documentaire ho an'ny Madagascar @ manaraka de mba le côté positif no aseho fa tsy le zavatra mampiseho ny fahantrana foana, partout dans le monde misy mahantra daholo ko nahoana ny antsika any Madagascar foana no aseho!
Manjary manimba ny imagentsika ny documentaire mampiseho lava ny fahantrana, ary tsy mety ko le mifanenjika fona hoe noho i ianona na ianona no nahatonga ny gasy mahantra fa tokony hiray hina isika hitady vaha-olana!
7. andry08 ( 07/03/2006 09:01)
=((=((=((=((=((=((=((Tsy menatra izahay fa tezitra.
8. Fiffi ( 07/03/2006 09:15)
Ny tiako ho lazaina zany de hoe rehefa mba mampiseho documentaire ho an'ny Madagascar @ manaraka de mba le côté positif no aseho fa tsy le zavatra mampiseho ny fahantrana foana
mety tsy nahita izany ianao fa tena nisy dia nisy tokoa ireny emission ireny izay mampiseho ny fahatsaran'ny Dago , ary noho izany mihintsy aza no hilazana hoe "Madagascar Ile Paradis" satria mbola maro ny toerana izay tsy azon'ny gasy aleha fa lafo dia lafo ary ohatran'ny hoe natokana ho an'ny vahiny , jereo fotsiny Ile Ste Marie . Raha mba afaka mijery ny chaine voyage ianao dia ho hitanao ao fa tsy misy resaka na dia kely aza momba ny fahantrana ao fa izay ahatongavan'ny vahiny hitsidika any M/car
9. naritsimba ( 07/03/2006 09:29)
Raha ny fahantrana no resahina dia efa betsaka izay voalazako izay fa dia antsika no misaintsaina.
Hery> raha ilay fanontaniana napetrakao hoe inona no nataonao dia tsotra ny valiny: ATy raha vao manampy ny hafa ianao dia atahorana sao tian'ny olona dia anirahana BIANCO ary dia arahi maso ny fanananao hoe avy aiza iny vola nentinao nanao soa iny.
Raha te hanangana orinasa ianao hanampiana ny hafa dia tsy maintsy actionnaire ny mpitondra fa raha tsy izany dia tsy mahatsangana. Amiko dia rariny raha mankahala mpitondra izay milaza azy fa mivavaka ny olona ankehitriny.
Am-bava omana am-po mieritra
10. jentilisa ( 07/03/2006 09:37)
raha ny fitenenana hoe lasa folo mahantra idrindra dia tsy ekeko. Efa tao anatin'ny folo mahantra hatrany ny gasy fa tsy hoe lasa...
11. lemenakely ( 07/03/2006 10:09)
ny FITIAVAN-TENA io no tena fototry ny fahantràna ao @ tanàna ao ny atony ilazàko an'io dia tonga saina aho nahita ny fihetsik'ilay RA/TOA mpitsindroka fako nanasa ireo reporters hisakafo asa raha hitanareo iny!!!au contraire raha misy mpanana 1 misakafo eny @ colbert na glacier ka ilay mahantra no mangataka mba manao ahoana !!!!

-moa tsy fitiavan-tena ve ny famadihana palitao izay ataon'ny mpanao politika maro be izay tsy misy éthique mihintsy, aty an-dafy refa gauche ianao dia gauche tu créveras avec la gauche.

-tsy fitiavan-tena ve ny fanaovana akamakama @ na orin'asa izay zanaky ny anabavin'ny talé sy ny rahalàhiny ihany no miasa ao aminy aiza no tsy be ny taux de chômage.

-tsy fitiavan-tena ve ny an'ny banky ny olona manana ihany toy ny karàna no mahazo misambotra vola.sns e...

raha toa ka diso ny teniko dia aleo hiverina aty amiko fa tsy manin ,ateliko miaraka @ rano toy ny nivaquine
12. sipagasy ( 07/03/2006 10:34)
andry08:

=((=((=((=((=((=((=((Tsy menatra izahay fa tezitra.



nahoana moa ny ho tezitra??? raiso ny anjara andraikitra tandrify anao dia izay e! mahareza
13. jhouhlambout ( 07/03/2006 12:10)
Zava-misy ireny é! Tsy misy mahamenatra intsony satria efa hita fa anisan'ny firenena mahantra indrindra era-tany i Madagasikara koa inona indray?... Misy isainan-tsika tsirairay ireny ,indrindra ho an'ny mpitondra satria tsy ny vahiny mihintsy no hanavotra ny fiainan'ny malagasy.
Tsy misy mahamenatra, fa ny tena mampalahelo dia: gasy iray ra @ tena mitsindroka fako vao mahita hoanina.
14. rurik ( 07/03/2006 12:53)



raha ny evitro koa aloha dia ny toetsaina mihintsy no voalohandaharana tokony ovana .
omeko ohatra nareo raha ohatra aho izao ka mba te handefa zavatra hiasana ho any mada ny, fomba fandefasana azy tsy olana fa ny fomba famoahana azy ao mada dia efa zavatra iray , ny manaraka dia ny olona miasa eo @io toarana famohana azy io dia tsimaintsy misy fona le pananararaotra , ny fikarakarana taratasy mikasika ilay asa aloha dia efa tsy tenenina tsony ny tsolotra tsimaintsy atao mba ahazahoana ilay taratasy .
- Nahita emision aho indray andro tsy mada fa toeraha hafa tena misy olona efa voatokana hanampy eo @fikarakarana ny taratasy rehetra ilaina raha vao mangataka alàlana hanao orinasa ohatra na zavatra lehibe ka izay no itako tena mbola vato misakana ny malagasy maro ireo tia kely ka tsy mba mitsijo ny ho aviny akory .mila ny fandavatenan'ny tsirairay tsy mora anefa izany .
15. Samoana ( 07/03/2006 13:05)
Ny herim-po sy herin-tsaina hananan'i Mme Victoire ireny dia lesona ho antsika rehetra kamokamo mande mianatra na mande miasa ( na koa miavona asa !!!)
16. booboo ( 07/03/2006 13:12)
Ny anà ny tena nanaitra anà dia ny toe-tsain'ny Malagasy hita taratra t@ iny reportages iny : tsy mora kivy, philosophes, manak'ambo, mitsikitsiky lava, mafonja be ilay " esprit de famille " sy ny fanajana ny Razana...
17. mandrindra ( 07/03/2006 13:44)
marina mihitsy izany ry booboo.
maninona no ny alahelo sy ny hamenarana fotsiny no avoka eto fa tsy mba resahina koa ireo zavatra tsara.
maro dia maro mihitsy ny tranga tamin'ny horonantsara maneho fa manana ny mahaizy azy ny malagasy, ohatra iray no ho lazaiko dia ireo mpanao recyclage-na fako izay manana ny saina malagasy mikopakopaka tsara tarehy milaza fa malagasy izy.
marina fa ao ny fahantrana nefa raha dinihiko dia toa ny mpijery iny fandaharana iny indray no tezitra be, fa mba jereo anie ireny olona ireny, mihoitra hatrany hatrany, tsy nisy na iray za nitaraina teo na dia nilaza ny zavamisy aza ry zareo fa mafy ny fiainana.
18. jhouhlambout ( 07/03/2006 15:40)
19. jhouhlambout ( 07/03/2006 15:41)
Samoana:

Ny herim-po sy herin-tsaina hananan'i Mme Victoire ireny dia lesona ho antsika rehetra kamokamo mande mianatra na mande miasa ( na koa miavona asa !!!)



Ié, zay mihintsy
20. RADOUXE ( 10/03/2006 21:13)
Ny ahy alo tsy oe menatra fa malahelo za ra oe dradradradraina erakizao tontolo zao oe mahantra ny taniko d zay fotsiny e ka izao ranga ny mba fangatahana hoantsika rehetre ra mba misy ny oentimana d vonjeo ny ray tanindrazane aza d varina mitady oany tena e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2303