Ny Fiangonana sy ny vola
61. marozevo
(
12/03/2006 00:29)
Amiko kosa aloha tsy tokony hampalahelo ny hoe lasa ny olona raha lava loatra ny Litorjia eh... Momba ny rakitra aloha, tsy noho ny halavan'ny rakitra no tsy andrin'ny olona, satria aorian'ny rakitra vao manomboka ny andininy faharoan'ny Litorjia (Katolika io), ka raha lasa alohan'ny rakitra ny olona dia efa resaka hafa mihitsy izany.
Ny halavan'ny litorjia manontolo, manomboka amin'ny fidirana ka hatramin'ny tsodrano dia miovaova arakaraka ny fankalazana io, na ny andro. Raha andavanandro dia 30mn eo ho eo satria tsy misy rakitra koa tsinona, raha alahady tsotra dia 60 na 75mn eo ho eo, raha fety lehibe mety ho 2h, raha fitokanam-piangonana na fanamasinana mety ho 3 na 4h. Eny misy ny lasa, fa ny ankamaroany mijanona hatramin'ny farany ka..
Ny halavan'ny litorjia manontolo, manomboka amin'ny fidirana ka hatramin'ny tsodrano dia miovaova arakaraka ny fankalazana io, na ny andro. Raha andavanandro dia 30mn eo ho eo satria tsy misy rakitra koa tsinona, raha alahady tsotra dia 60 na 75mn eo ho eo, raha fety lehibe mety ho 2h, raha fitokanam-piangonana na fanamasinana mety ho 3 na 4h. Eny misy ny lasa, fa ny ankamaroany mijanona hatramin'ny farany ka..
62. Fiffi
(
12/03/2006 06:29)
tsy hitako koa anie ny hoe andeha hivavaka dia lava loatra dia andeha hivoaka fa tsy naharitra eh! inona ary no antony andehanana hivavaka raha izany ? Raha hoe misy zazakely angamba dia mety raha hoatra hoe tsy afaka hijanona hatramin'ny farany fa kosa ny important dia ny fahatongavana aloha dia efa tsara zany.
63. marozevo
(
13/03/2006 00:46)
Marina ny anao ry Fiffi... Ary tokony mba hampitsahivina sy ampirisihina koa ny mpivavaka rehetra, isika izany eh, mba tsy ho tonga tara amin'ny fivavahana. Ndraindray, ndraindray ho aho fa tsy matetika, dia sady efa tara izy no mbola mandeha aloha indray.
64. Fiffi
(
13/03/2006 07:24)
marozevo: tena efa im-betsaka tokoa izany fahatarana izany no miseho. Indray mandeha aza dia nijanona niteny mihintsy ny pretra fa nilaza an'io fahatarana io fa tena manelingelina marina tokoa anie zany eh! aiza ve eo am-pivavahana ny tena dia indro misokatra tampoka ny varavarana sady maneno no lasa voatery nitodika tany daholo ny olona!!
65. marozevo
(
13/03/2006 23:51)
Dia ilay kiraro koa mipoapoaka be ery... Dia miseho, na mampiseho, fa manana vola.
66. Fiffi
(
14/03/2006 06:08)
fa zao koa an! any am-piangonana dia mbola ahitana ny "banc" na seza ary misy ny anaran'ny tsirairay , tsy betsaka aloha io an! fa mbola misy mihintsy ary vita @ vy io. Mbola mitady ny antony nanomezana toerana manokana an'ireo olona ireo aho @ zao fotoana izao.
67. marozevo
(
17/03/2006 00:42)
Amini'ny Fiangonana Katolika sasany tokoa misy ilay anaran'olona vita amin'ny vy ny seza sasany. Fa tsy midika kosa io hoe "place reservée", fa anaran'ilay olona nanolotra ny seza, na nanolotra ny vola valeurany io anarana misoratra eo io. Ndraindray aza ireny olona ireny tsy tonga mivavaka akory, fa mihanona amin'ny hoe efa nanolotra an'izatsy na zaroa. Asa anefa any aminareo fa aty aminay ihany io lazaiko io.
68. Fiffi
(
17/03/2006 07:11)
toa tsy misy an'io intsony aty an! satria ireo seza ireo anie ka efa seza antitra be eh! fa mbola ao am-piangonana hiany fa nahavaizina ilay izy fa tsy nalana io plaky io an!
69. marozevo
(
18/03/2006 00:41)
Aiza aloha ilay "aty" lazain'i Fiffi eh ? Ny ahy aty Italie io lazaiko io. Ao Milan ao misy Fiangonana izay, misy etikety kely daholo ny seza ho fahatsiarovana ilay nanolotra azy. Fa tsy reservation mihitsy ireo. Fa tamin'izaho mba nandalo kely tao amin'ny Fiangonana FLM sa FJKM tsy tsaroako tsara, ao Analakely - eo an-kavanan'ny tohatoha-bato raha miakatra - dia tena tsy à l'aise aho satria efa vita borne daholo ny seza, nefa vavaka firaisam-pinoana no natao tamin'izay.
70. Fiffi
(
18/03/2006 16:53)
aty frantsa io ka! hay misy an'izany koa ny fiangonana gasy ? sa vita borne ahoana kay ?
71. marozevo
(
19/03/2006 00:29)
Ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe vita borne dia ity. Misy Fiangonana sasany (vitsy), ny fianakaviana dia efa manana seza (banc) fipetrahany ao am-piangonana satria izy na ny razany taloha no nanolotra ilay banc, ka tsy misy olona afaka mipetraka eo. Raha mbola tsy tafapetraka moa ianao no tonga izy tsy dia olana izany, fa ny nanjo ahy dia izaho mba efa nipetraka tsara vao tonga izy, dia nasainy niala aho. saiky handeha hivoaka mihitsy aho, nefa nieritreritra hoe hivavaka kay moa no halehako eto, dia naleoko nihafihafy nijoro tery afara tery.
72. Fiffi
(
19/03/2006 18:06)
raha izany indray aloha dia amiko aloha an! tsy mety izao fomban-javatra izao satria hivavaka ny haleha ao , ary ny fisian'ny toerana reservé ho an'ny olona na dia izy aza no nanome ny seza ka tsy azon'olon-kafa hipetrahana dia tsy rariny izany. Raha izaho manokana aloha an! ka hoe nanome vola aho ho fanampiana ny fahatsaran'ny fiangonana na hoe nividy seza ka hatao @ anarako io seza io ary raha andeha hivavaka any aho , tsy aiko raha tena fivavahana no halehako any na inona , indrindra hoe manala ny olona efa mipetraka eo satria ahy io!
73. marozevo
(
20/03/2006 21:07)
Ka io indrindra ry Fiffi ilay tiako ho lazaina ah... Tsarovy fa tena misy io fa tsy sanatria anganom-baviantitra akory. Hitanao amin'izany koa fa maro no mbola ilàna fitoriana ny Filazan-tsara, na ny mbola any ivelany na ny efa ao anatiny.
75. marozevo
(
23/03/2006 00:15)
indrisy anefa ... hoy i Fiffi..
Dia kivy ve ianao ? Non ! Tsy mahazo kivy izany fa tsy maintsy mivonona handray anjara fitoriana ka !
Dia kivy ve ianao ? Non ! Tsy mahazo kivy izany fa tsy maintsy mivonona handray anjara fitoriana ka !
76. Fiffi
(
23/03/2006 10:39)
marozevo: ny tsy azoko koa aloha dia izao: mahafantatra olona mihintsy aho hoe tsy lasa mihintsy raha tsy mandeha miangona ny Alahady fa matahotra ny hitsikeran'ny hafa , ka inona marina no tena antony andehanana any am-piangonana , tena hivavaka sa hitsinjo ny fijerin'ny hafa ?
77. marozevo
(
25/03/2006 00:20)
Marina fa ny anton-dia any am-piangonana dia hivavaka. Tsy iadian-kevitra kosa io eh... Misy tsy dia izany loatra, hoy ianao, fa henatra... Tsarovy fa hoy ny Salamo (Asa na 109 na 110 izy izay) : "Ny tahotra santatry ny fahendrena".
Misy fahazarana fotsiny koa angamba. Nefa rehefa samy ho ZATRA ihany, tsy aleo ve zatra mivavaka toy izay zatra amin'ny zava-dratsy hafa.
Misy fahazarana fotsiny koa angamba. Nefa rehefa samy ho ZATRA ihany, tsy aleo ve zatra mivavaka toy izay zatra amin'ny zava-dratsy hafa.
