Ny Fiangonana sy ny vola

21. marozevo ( 02/03/2006 15:14)
Fiffi... izaho aty ivelany, eto Italie. Mandalo matetika any France sy Allemagne fa tsy mbola nahita hoe "barème". Ny fandoavam-bola efa hitako, fa tsy voafetran'ny Barème, sady tsy terena fa izay vokatry ny fon'ilay mpanome. Adidin'ny mpitondra kosa ny manazava hoe izao na izato no ilan'ny Fiangonana vola, ka indreto isika rehetra, mba mandraisa anjara araka izay vita sy araka izay foy.
Ny hoe karaman'ndry Pasitera sy Mompera indray. Ny Pasitera tsy fantatro fa ny an'ny Katolika (afa-tsy any Allemagne), ny Mompera tsy mikarama fa manolo-tena, nefa koa miasa ao amin'ny Fiangonana ka ny Fiangonana no mamelona azy.
Ny Mompera mikarama any Allemagne dia satria considerena ho fonctionnaires ry zareo any, ka mandray vola, saingy tsy ny Fiangonana fa ny Fanjakana no manome ny karama.
22. ndrena ( 02/03/2006 15:25)
Misy fitenenana ihany ao anatin'ny baiboly hoe entinareo ny mamona tsy marina hahazoana sakaiza fa tsy sanatria hoe hitarihana ny olona tsy hivavaka.Raha jerena @ ankapobeny aloha dia misy foana ny resabola any ampiangonana fa misy tafahoatra loatra ny an'ny sasany ka lasa miteraka fahatafintohinana eo @ mpiangona.
23. dadabe ( 02/03/2006 15:47)
marozevo a> ndao less tsika lahy hanangana fengonana sao mba hanakarena ihany a:roll:
24. Fiffi ( 02/03/2006 16:07)
fa misy tafahoatra loatra ny an'ny sasany ka lasa miteraka fahatafintohinana eo @ mpiangona.
ka io indrindra ange no lazaiko eh!
hoy marozevo:
Ny fandoavam-bola efa hitako, fa tsy voafetran'ny Barème, sady tsy terena fa izay vokatry ny fon'ilay mpanome.
marina fa tsy terena ny olona saingy raha toa ka miditra ao am-piangonana inao ka mahita soratra hoe : izao ny participation tokony hatao raha mangataka batisa ohatra , na mariazy , ka raha tsy te-hanome an'io vola io ianao dia ahoana ? inona no mety hitranga ?
25. Fiffi ( 02/03/2006 16:14)
hoy dadabe:
ndao less tsika lahy hanangana fengonana sao mba hanakarena ihany a
fa angaha moa misy resaka fananan-karena ho an'ny olona tokana no voalaza ato ?
26. jentilisa ( 03/03/2006 07:19)
Mahagaga ahy indray izany mompera karamain'ny fanjakana any allemagne izany? ny any baviere ve izany? tsy hoe firenena katolika 100% manko allemagne!
27. Fiffi ( 03/03/2006 08:36)
Ny Mompera mikarama any Allemagne dia satria considerena ho fonctionnaires ry zareo any, ka mandray vola, saingy tsy ny Fiangonana fa ny Fanjakana no manome ny karama.
fa hono hoy aho: taloha ve tsy niankina t@ fanjakana ny fiangonana katolika ?
28. Solitikabe ( 03/03/2006 08:48)
Tsy any Alemanina ihany fa @ ireo firenena Eraopeanina tandrefana rehetra. Ny Mopera sy ny Presbitera dia omen'ny fanjakana vola, karama na tambiny. @ izay ny fiangonana mangina na ratsy aza ny ataon'ny fanjakana mijoro, ohatra ireny taona 1947 teto Mada ireny. Tsy misy ary tsy hisy Fiangonanana hahatsiaro na hampatsiaro na hanameloka ireny. Satria nahazo vola.
Saingy tsy rehefa nahazo saina ny olona sy ny mpikambana dia voatery amidy ny fiangonana. Tsy ampy intsony ny fidiram-bola.
29. dadabe ( 03/03/2006 14:25)
marina izany ry solitikabe a:°)
30. Fiffi ( 03/03/2006 15:59)
voatery amidy ny fiangonana
amidy hoana izany ?
31. dadabe ( 03/03/2006 16:00)
ahona marina??
32. Fiffi ( 03/03/2006 21:23)
tena tsy arako 8O
33. marozevo ( 05/03/2006 00:10)
Solitikabe:

Tsy any Alemanina ihany fa @ ireo firenena Eraopeanina tandrefana rehetra. Ny Mopera sy ny Presbitera dia omen'ny fanjakana vola, karama na tambiny. @ izay ny fiangonana mangina na ratsy aza ny ataon'ny fanjakana mijoro, ohatra ireny taona 1947 teto Mada ireny. Tsy misy ary tsy hisy Fiangonanana hahatsiaro na hampatsiaro na hanameloka ireny. Satria nahazo vola.
Saingy tsy rehefa nahazo saina ny olona sy ny mpikambana dia voatery amidy ny fiangonana. Tsy ampy intsony ny fidiram-bola.



Tsy marina kosa izany eh... Any France efa hatramin'ny 1789 no tsy konty ao anaty volam-panjakana ny Mompera. Italie tsy mandray vola amin'ny Fanjakana ny Mompera na 1€ aza, ny Mompera aza no mandoa hetra...
Tsy marina koa ny filazana fa mangina ny Fiangonana na tsy mety aza ny ataon'ny Fanjakana. na dia any Allemagne aza.
Tsy mbola nisy Fiangonana namidy izany, fa ny nalaina an-keriny no efa nisy, ary raha mbola misy ny Kristianina mahafoy tena, dia ho ampy hatrany ny fidiram-bolan'ny Fiangonana.
Mialona be ny sasany amin'io.
34. dadabe ( 05/03/2006 00:33)
humm manakarena ihany kosa i vatican ko , humm ary ndeha hanao pretra ihany zah le:roll:
35. marozevo ( 05/03/2006 00:37)
dadabe > Za leitsy tsy sahy ah... Sao lazain zalahy sekta eo... manaova ialahy raha sahy fa "tsy mbo izah'" hoy ny hiran'i Rossy.

Ny Mompera any Allemagne tsy hoe karamain'ny Fanjakana, raha ny tena marina, fa mandray vola avy any amin'ny Fanjakana. Tsy mitovy ny hoe mikarama sy mandray vola. Ny mikarama dia misy fifanekena amin'ny Patron sy ny Mpiasa, fa ny mandray vola dia izay tian'ilay mpanome homena no omeny. fa manome be aloha ry zalahy eh...
Tsy any Baviera ihany fa rehefa Allemagne eh... na any Hamburg aza. Fa tsy haiko ny Pasitera sy ny Mpitondra fivavahana amin'ny Fiangonana hafa na mandray vola koa na tsia.
36. jimna ( 06/03/2006 04:06)
tena manahirana ny fiangonana ny vola an?
37. jimna ( 06/03/2006 04:06)
tena manahirana ny fiangonana ny vola an?
38. marozevo ( 07/03/2006 01:49)
Manahirana ahoana moa ry jimna ? Manahirana ny fisiany sa ny tsy fisiany ? sa ny fampiasana azy sa ny fitsiriritan'ny hafa azy ?
dadabe > Tsy manan-karena izany ny Vatican, fanjakana tsy misy fidiram-bola io, fa ny Kristianina mahafoy ny kely ananany no betsaka, indrindra ny avy amin'ny tany an-dalam-pandrosoana.
39. Fiffi ( 07/03/2006 04:44)
Kristianina mahafoy ny kely ananany no betsaka, indrindra ny avy amin'ny tany an-dalam-pandrosoana.
tena marina tokoa izany satria entin'ny finoana ny olona dia @ fo tanteraka no hanaovana an'io
40. dadabe ( 07/03/2006 04:50)
marozevo > fatsy possibl kosa raha hoe hivelona @ rakitra izy e, nahoana ny fengonana katolika aty madagasikara aza , manana piangona maro be , nefa mbola misy financement avy any vatican ihany , humm " misitery izany ramaro a"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1732