Ny Fiangonana sy ny vola

1. Fiffi ( 01/03/2006 05:27)
Mba lasa ny heritreritro @ ity fiangonana sy ny vola ity satria: misy fiangonana zay , tsy afaka mangataka ohatra hanaovana batisa ny zanakao ianao raha tsy azo lazaina ve hoe "mpikambana" ? satria misy vola tsy maintsy aloha isan-taona ka tsy maintsy misoratra anarana koa zay vao afaka mandeha mivavaka ao @ io fiangonana io . Dia hoy aho hoe "tsy mahagaga raha mihena hatrany ireo olona mandeha mivavaka any am-piangonana raha toy izao no fomba tsy maintsy hatao alohan'ny handraisana anao ho mpivavaka .
novalian'i marozevo ny 30/03/2006 22:36
2. dadabe ( 01/03/2006 06:23)
humm mbola aziza fa rehefa hitady asa aza ianao atsy ho atsy dia mbola otakian'olona acte de bapteme:roll:
3. Fiffi ( 01/03/2006 06:55)
O ry dadabe ah! angamba raha izao no hitranga dia tsy ho hita intsony izay ho aleha satria nohon'ny ireo antony samihafa fandohavam-bola @ fiangonana ireo dia maro ny RAD tsy mampanao batisa ny zanany intsony
4. naritsimba ( 01/03/2006 08:38)
Miankina @ le fiangonana io, ny misy ahy zao tsy misy adidy atao zany isam bolana sady tsy misy fanerena handoa vola izany na fisavana ny bokin'adidy fa dia mivavaka no atao ao ary an-tsitrapo ny vola aloa rehetra fa tsy misy na dia fanerena an-kolaka aza. Ary mitovy daholo ny fitondrana ny mpiangona rehetra na iza na iza, koa ankehitriny dia efa miditra in-telo isaky ny Alahady.
5. sipagasy ( 01/03/2006 09:10)
Fiffi ann fiangonana aiza aloha io e! ny any @ tanàna aloha tsy hitako loatra manao izany fa ny fiangonana gasy ivelan'ny madagasikara dia tena mmhhh maha lasa eritreritra indraindray na tena hiangona ny atao ao na hanangom-bola e!!! izaho aloha tsy mandoa e! hivavaka ny halehako ao fa tsy handrotsaka "cotisation" akory ary ny @ hoe resaka "dim" haiko ny tokony hataoko ary tsy voatery any @ fiangonana ihany io no atao fa @ atao an-davan'andro. izany hoe madio ny saiko sy ny fanahiko loool:P fa manao adidy ihany aho eo imason'Andriamanitra na dia tsy mandrotsaka vola mivantana any @ mpitantana ny fiangonana akory e!.:-P
6. Fiffi ( 01/03/2006 09:13)
naritsimba: ny fantatro aloha dia misy fiangonana efa "afficheny" mihintsy ny vola tokony aloha raha mangataka batisa na fanambadiana , eny na dia momba ny fanaovam-beloma farany ho an'ny nandao ny tany aza , misy koa rehefa misy ilay firesahana na fandinihina ny fandehan'ny zavatra angatahina dia eo no ilazana azy hoe misy vola tahak'izao tokony aloha.
7. Fiffi ( 01/03/2006 09:33)
fiangonana gasy ivelan'ny madagasikara dia tena mmhhh maha lasa eritreritra indraindray na tena hiangona ny atao ao na hanangom-bola e!!!
ka izay indrindra manko hoy aho an! ny ahy aloha ny tena tsy tantiko dia ny hoe : mandoha an'izao hono vao afaka manao an'izao!! Raha jerena koa anefa dia ohatra , ao ny rakitra efa 2 , satria ny protestanta dia manao rakitra in-droa fa tsy aiko aloha na ny protestanta rahetra io fa ilay nalehako aloha dia in-droa eh! ka raha hoe fanaovana fanampiana @ fifidianana kojakoja ilaina ao am-piangonana aloha dia azo hatao hoe mety ny rakitra in-droa satria ao ny divay sns... nefa kosa efa misy koa ireo "ADIDY" mbola miampy ny rakitra zany. Fa ilay adidy voatery aloha toa tsy mety eh!toa lasa tsy adidy intsony ilay izy .
8. booboo ( 01/03/2006 11:24)
Angamba kosa tsy hoe rehefa tsy mandoa vola dia tsy afaka mivavaka fa tsy afaka mandray anjara @ fanapahahan-kevitra raisina sy ny batisa sy ny ohatra izany.

Ny antony amiko dia satria mila vola ny raha rehetra fa tsy hisy hanome gratos ny fandoavana ny hofan'ny trano ohatra, ny chauffage, ny hetra ( raha mando ilay fg ), ny asa sosialy sns. Ankoatra izay ny " adidy " any @ foibe sy ny karazany, dia sady ankilany izay koa mba mila tahiry ihany koa ilay fg.

9. Fiffi ( 01/03/2006 11:30)
booboo ah! ny aty akia an! katolika io , dia efa afficeny mihintsy hoa izao no tokony aloha raha mangataka fanaovana batisa ohatra , tsy misy zavatra gratis mihintsy nefa efa isan-taona dia misy ny adidy "denier du culte" dia efa mba mandray anjara @ adidy zany.
10. jentilisa ( 01/03/2006 12:27)
Aleo avadika ny resaka: raha atao hoe ny kristiana sy ny fandraisana adidy amana andraikitra ny resaka dia tokony hieritreritra tsara isika. Ny ahy tonga dia vantaniko: mirehareha ny vavolombelon'i Jehovaha hoe ny anay tsy misy fanerena izany ny fanaovana rakitra sy ny fandoavana adidy.
Aoka anefa homarihina fa ao ambadika ny fanerena dia amin'ilay varotra revio lazaina fa izay foy iny. Efa nisy ny nanao fanadihadiana momba io boky aparitaky ny TJ io fa lalam-bola vetivety ho ana mpitarika ao ilay izy. Ankoatra ny hoe maimai-poana ihany koa fa tsy iandrasana karama ny fiasan'ilay olona manao ireny revio sy boky ireny. Izany hoe samy manana ny "fanerena" ny fiangonana tsirairay.
Manaraka izany, ny adidy amin'ny fiangonana protestanta dia fametrahana ny teti-bola mba ho fantapatatra mialoha. Maro ny adidy sahanin'ny fiangonana na eo anivon'ny fitandremana na fileovana (FLM) na sinodam-paritany (FLM-FJKM) na eo anivon'ny sinaoda lehibe ary eo amin'ny foibe sy ny sampana tsirairay ary sampan-draharaha isan-karazany miasa eo anivon'ny fiangonana (fanabeazana, fahasalamana, fampandrosoana...). Tsy manana vola hampandehanana ireo rehetra ireo ny fiangonana raha izay rakitra ar.100 ataontsika ireny. Ny olana dia mihevitra ny maro hoe ny fiangonana misy azy ihany no anaovany adidy amin'ny alalan'ny rakitra. Saingy ny fiangonana tsy izay iangonanao irery ihany.
Manahirana anie isika mitsetra ery raha maheno ny karaman'ireo mpiasa miasa amin'ireny sampan-draharaham-piangonana ireny nefa iza moa no tompon'andraikitra amin'izany hakelezan-karama izany?

Aleo koa fantarina fa maro ny olona faly mitsidika ny fiangonana dia mihevitra hoe izaho ary efa nandoa vola izao ka inona indray? saingy raha milaza ny tenany ho mila ny fiangonana ihany izy, dia mba eritrereto hoe maninona moa raha tsy mankany am-piangonana? sao dia fandanian'andro fotsiny ny mankany?
11. Fiffi ( 01/03/2006 15:40)
jentilisa: marina mihintsy aloha izany lazainao izany an! saingy izao no zavatra henoko indray: misy fiangnana protestanta vao namoaka an'izao: lasa "association tena any @ prefecture" mihintsy io an! ary ny olona mpivavaka ao dia tsy maintsy manao "inscription d'adhésion" hono , dia lasa ny ady-hevitra hoe fa ahoana koa izany ? Dia mba ahoana izany ny olona mpitsidika arak'ireo voalazanao ireo ? Dia hoe tsy maninona ireny olona mpitsidika ireny fa ny mpivavaka monina ao @ io faritra io dia mila misoratra anarana , asa ve hoe mba ahafantarana ve hoe mihisa firy marina ny olona mponina mpivavaka zatra izany eh!
12. LazaRandri ( 01/03/2006 21:57)
Fiffi:

Mba lasa ny heritreritro @ ity fiangonana sy ny vola ity satria: misy fiangonana zay , tsy afaka mangataka ohatra hanaovana batisa ny zanakao ianao raha tsy azo lazaina ve hoe "mpikambana" ? satria misy vola tsy maintsy aloha isan-taona ka tsy maintsy misoratra anarana koa zay vao afaka mandeha mivavaka ao @ io fiangonana io . Dia hoy aho hoe "tsy mahagaga raha mihena hatrany ireo olona mandeha mivavaka any am-piangonana raha toy izao no fomba tsy maintsy hatao alohan'ny handraisana anao ho mpivavaka .

Misy tokoa ny mpitondra fiangonana maro (fa tsy fiangonana) adalam-bola. Saingy raha ny fazahoako an'io nosoratanao io manokana dia ianao ry Fiffi no misaina resa-bola.





13. marozevo ( 01/03/2006 23:17)
Aiza ry fiffi io Fiangonana Katolika lazainao io ? Izaho Katolika fa TSY EKEKO ny zavatra toy izany, ary vonona aho hiaro ireo mahantra tsy mba manan-kaloha... Fa raha mba nambinina kosa ve dia ho ferana...
Eo indrindra no tsy anekeko ilay "barème", raha izay no azo ilazana azy, satria ny conformité à tout prix dia endrika injustice ihany koa. Ny Fiangonana anefa miady amin'ny tsy rariny ka tsy azo ekena raha izy indray no manao ny tsy rariny. Na ahy na an'ny hafa, rehefa vandana dia septra -- sekta manko eh.
14. Fiffi ( 02/03/2006 05:30)
LazaRandria hoy ianao:
Saingy raha ny fazahoako an'io nosoratanao io manokana dia ianao ry Fiffi no misaina resa-bola
ahoana marina moa izany hoe izaho no misaina resa-bola ? ka tsy marina ve aloha izany raha toa ka hoe andeha angataka batisa ianao dia indro lazaina anao hoe rahefa mangataka batisa dia izao ny tokony vola alohanao na mariazy na hafa koa eny fa na dia hoe lazaina hoe mba participation aza , ny tena hitako aloha dia misy mihintsy afficheny ao am-piangonana hoa izao sy izao ny participation rehefa mangataka hanao an'izao sy izao eh!
hoy marozevo:
Ny Fiangonana anefa miady amin'ny tsy rariny ka tsy azo ekena raha izy indray no manao ny tsy rariny.
marina mihintsy izany.
Aiza no misy anao ry marozevo ? raha aty ivelany ianao dia ahita an'ireo tokoa , tsy mamorona aho satria efa nahita maro dia maro tokoa.
Jereo fotsiny ary ry LazaRandria ity lazaiko ity an! Raha ohatra ianao ka mba te angataka fivavahana fahatsiarovana olona iray nodimandry , tsy hoe izaho no tonga dia misaina ara-bola nefa anie ka zavatra marina io fa tsy noforoniny eh! dia misy vola koa alohanao @ io .
15. Fiffi ( 02/03/2006 05:41)
Marozevo , LazaRandria: izaho anie tsy mandaha mihintsy hoe mila "participation" ny fangatahana an'izao sy izao eh! ary tsy tonga dia hoe misaina resa-bola akory raha mandefa an'ity dinika ity aho fa mba zavatra voatsikeriko fotsiny hoe misy ny fiangonana mila ny fisoratana anarana ary misy koa cotisation isan-taona , indrindra koa moa izay zavatra angatahina dia efa voafetra hoe izao no tokony aloha. jero ange ity voalaza ity koa eh!
hoy sipagasy:
fa ny fiangonana gasy ivelan'ny madagasikara dia tena mmhhh maha lasa eritreritra indraindray na tena hiangona ny atao ao na hanangom-bola e!!!
jero ary zany!
16. jentilisa ( 02/03/2006 05:58)
zah eto Dago ka tsy haiko loatra ny any ivelany!
17. routa ( 02/03/2006 06:38)
zao an! tsy afaka misaraka @ vola ny fiangonana aiza ary no ndoavana ny karaman'ny pastera,mompera ny fitaovana ny sakafo sy ny sisa tsy voatanisa zay anie no nanaovan'Andriamanitra antsika handoa ny adidintsika e! .rehefa vola lany loka sy lamaody rendrarendra ny zanak'olombelona de tsy hita sahala à tsy misy dikany lany @ fety sy ny sisa fa raha adidy de sahy anenjehana olona mihitsy nefa baikon' Andriamanitra :(
18. Fiffi ( 02/03/2006 08:38)
hoy routa:
raha adidy de sahy anenjehana olona mihitsy nefa baikon' Andriamanitra
an3 tsy hoe fanenjehana anie ilay izy eh! fa misy ny adidy ary tsara ny manao an'io fa raha misy kosa no voatery , samy hafa be kosa ireo an! sa diso aho ? :(
19. ravatorano ( 02/03/2006 09:26)
za koa katolika fa mbola tsy nahita an izany aho indrindra fa aty dago.Mba tsara ho fantatra izany fiangonana mampiatra an izany affiche voalazan i fiffi zany fa tena mahatsikaiky.
Za kosa manaiky fa tsy afaka misaraka miitsy ny fiangonana sy ny vola
20. Fiffi ( 02/03/2006 10:07)
ravatorano: ny any Dago sy ny an'ny gasy mbola zavatra hafa mihintsy , mbola azo hatao hoe otantika mihintsy aloha eh! fa ity dia aty ivelany. Tena mahatsikaiky tokoa eny na dia andeha hivavaka aza no handehananao any an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3635