Fiangonana mampitaraina ny manodidina

1. Fiffi ( 27/02/2006 05:49)
Misy trano fiangonana iray miorina eo akaikin’ny tsena vaovao ao amin’ny trano fitehirizan’entan’ny orinasa Sinpa taloha, ary dia mampimenomenona ny mponina manodidina ny kotaba sy ny horakorak’ireo mpiangona ao rehefa mivavaka.

Efa noentina teo anivon’ny fokontany moa ny fandaminana ny raharaha, saingy nambaran’ireo kristiana tao fa noho ny trano tsy mbola vita tsara no mampanako ny fanamafisam-peo ao. Ireo olona monina eo akaikiny anefa dia mandre fa mitabataba mafy sy mihoraka be toy ny mpijery baolina ry zareo ao ireo.Marihina fa isan’andro no voalaza fa ahenoina izany , ary ny maraina mandra-paharivan’ny andro mihitsy.
La Gazette de la Grande Ile
novalian'i marozevo ny 30/03/2006 22:38
2. sonwin ( 27/02/2006 09:01)
8) :°) mihorakoraka be ry zareo ao an :^):°)
3. jentilisa ( 27/02/2006 09:20)
fa aiza ary izany simpa taloha izany? fa fikotranana be ny an-dry zareo izany aloha e! tompon'ny fikotranana angamba ny Tompoiny! ANGAMBA an!
4. diamondra27 ( 27/02/2006 11:00)
zà te-ho any mba ahita e! tsy ratsy kosa 'zany mihorakoraka izany an!
5. jentilisa ( 27/02/2006 13:27)
ie! ohatry ny mijery baolina mihitsy amin'izay! fa tokony antsoina hoe gymnage ny toerana amin'izay fa tsy hoe fiangonana intsony! filaminana anie no fepetra voalohany amin'ny toeram-pivavahana e! nahoana no hidiana ny trano rehefa mivavaka, tsy mba tsy hahenoan'ny any ivelany , sy tsy hahitan'ny any ivelany izay ataonao? Koa inona moa no itabatabana ? jereo tsara ny baiboly fa ny fivavahana nisy horaka tao dia nanao hoe: Lehibe Dianan'i Efesosy! lehibe ny Dianan'i Efesosy! Dia ny tahaka izany ve no alaina tahaka?
MItsinjatsinjaha anie ianao rehefa mivavaka samirery raha tsy ataon'ny olona hoe ity angaha mivaha?
6. Fiffi ( 27/02/2006 15:49)
jentilisa: fa tena misy mihintsy io an! efa nahita an'io aho tany dago fa tsy tadidiko loatra fa teny akaikin'ny kolejy Rasalama iny . fa tabataba zany an! toa hoe ny olona rehetra ao dia samy mivazavaza daholo ary tsy misy fantatra izay lazany.
7. Fiffi ( 27/02/2006 20:46)
Jesosy mpamonjy ve moa ? 8O
8. marozevo ( 27/02/2006 23:43)
Ao Antsirabe no nahitako mitovy amin'io. Tena presizeko fa ery andrefan'Andranovisy izy io any Antsirabe. Asa na efa niova fa tamin'ny 2002 no nahitako azy farany.
Fa izy indray roa andro isan-kerinandro ihany, saingy alina, ka tena manabataba be mihitsy. Sady araka ny reko toa hoe maka 10% izany hono izy. Tsy fantatro indray ny amin'iny aloha.
9. LazaRandri ( 28/02/2006 03:07)
mba mianatra ny reseverany bisy sy taxy b zareo e!

- Vato rôpôro ô! hahaha
- Nosy CNAPS arizato!
- Ty ny mande alo ra feno ramose a! =))
10. Fiffi ( 28/02/2006 05:23)
marozevo: nisy fotoana tena nalaza be mihintsy io ary toa hoe afrikana no lohany tao fa asa aloha an! soa dia tsahotsaho indray izany
11. jentilisa ( 28/02/2006 07:23)
naka tahaka ny tany amerika!

fa izaho aloha tsy nahita tatsinanana nihorakoraka izany raha nivavaka e! ny any amin'ny mpanaja nentin-drazana no mety hisy, indrindra fa amin'ny fotoan'ny tromba!
12. Fiffi ( 28/02/2006 08:00)
jentilisa: gospel ve ?
13. jentilisa ( 28/02/2006 12:01)
gospel izany anie hira e! fa fotoam-pivavahana manontolo no lazaiko.
14. Fiffi ( 28/02/2006 12:17)
hay tokoa moa hira ny gospel na dia hiram-pivavahana aza. Fa na dia izany aza an! misy anie ny amerikanina mitabataba be koa rehefa mivavaka eh!
15. fijo ( 28/02/2006 22:13)
sao kosa ary manao LOTO ny ao,dia misy mahazo foana kle?
16. jentilisa ( 01/03/2006 12:35)
Fiffi:

hay tokoa moa hira ny gospel na dia hiram-pivavahana aza. Fa na dia izany aza an! misy anie ny amerikanina mitabataba be koa rehefa mivavaka eh!



Ka izay ilay hoe ny tatsinanana ho'aho tsy dia hitako loatra mitabataba, nefa raha resaka fivavahana iza no mirona kokoa amin'ny fivavahana, ny tandrefana sa ny tatsinanana?

tetika nataon'ny sasany koa anie io vavaka mitabataba io e! fanamabakana ireny amiko.
Nahoana?
raha vao miditra ao amin'io fiangonana io ianao dia fantatr'izay ao avy hatrany fa vahiny. Dia efa misy akolita izany eo akaikikaiky eo hihaino izay vavaka ataonao. Dia miteny amin'izay pasitera hoe teneno mafy ho henon'Andriamanitra ny vavaka ataonao fa mihaino anao izy. Fa raha vao mangataka zavata materialy ianao dia "hivaly" tokoa iny fa setrin'izay dia satria tao no nahazoanao fahasoavana dia hijanona ao ianao. Dia ataovy amin'izay ny 1/10 e
17. Fiffi ( 01/03/2006 15:42)
jentilisa: mampiheritreritra zany voalazanao zany an!
18. marozevo ( 01/03/2006 23:24)
Isika ho'aho maika loatra hanao hors sujet eto. Aiza ve rangah koa fivavahana no loha hevitra nefa Ivato aeroport ny an-dry laza no mba soratany, ny an-dry fijo loto.
Mba tokony hajaina ihany ilay loha hevitra eh.. Na raha tsy hanaja ilay loha hevitra, mba hajao ahay ilay nanokatra azy. Ny tsara rehefa tsy manan-kambara momba ilay loha hevitra dia mangina na miandry kely aloha.
Tsy sanatria anefa aho haka ny toeran'ny mpikarakara. Miala tsiny.
19. LazaRandri ( 01/03/2006 23:30)
hahaha! Ahoana moa no ahafahana miteny fa fivavahana no resahina eto? Ny azo antoka dia hoe "tabataba" ao amin'ilay trano no ifantohan'ilay dinika. 8O
Ka tsy hors sujet mitsy zany ilay resaka fa mandray tsara ilay tabataba. hahaha!

sa rehefa tsy orientée aminy izay itiavanao azy dia hors sujet? hahaha. Azafady aloha ra tsy nifanaraka tamin'ny fisainanao azy an 8)
20. Fiffi ( 02/03/2006 06:26)
nefa Ivato aeroport ny an-dry laza no mba soratany, ny an-dry fijo loto.
marina aloha fa indraindray misy mi-derapy kely eh!fa ny tiako fantarina dia toa misy tokoa aloha ve ireny mpivavaka mitabataba be ireny ? Toa naheno aho hoe "ny Jesosy Mpamonjy" hono no mitabataba tahak'izany ? nefa moa raha izany no fahitany sy fanantenan-dry zareo hoa honon'ny Tompo tsara ny fivavahana hatao , hanomzan-tsiny azy ve izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3347